Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahazavana ho An’ireo Firenena

Fahazavana ho An’ireo Firenena

Toko Fahavalo Amby Roapolo

Fahazavana ho An’ireo Firenena

Isaia 66:15-24

1, 2. Nahoana no tena ilaina ny fahazavana, ary haizina manao ahoana no manarona ny tany ankehitriny?

I JEHOVAH no Loharanon’ny Fahazavana sady “[mpanome] ny masoandro ho fahazavana amin’ny antoandro ary ny filahatry ny volana sy ny kintana ho fahazavana amin’ny alina.” (Jeremia 31:35) Izany fotsiny dia efa tokony hahatonga antsika hanaiky azy ho Loharanon’ny aina, satria miankina amin’ny hazavana ny fiainana. Tsy hisy fiainana tokoa eto an-tany, raha tsy mahazo ny hafanana sy hazavan’ny masoandro ny tany. Tsy ho azo iainana ny tanintsika.

2 Tena mahakasika antsika àry ny tenin’i Jehovah izay naminany fa hisy fotoana manjombona amin’ny androntsika. Hoy ny nosoratan’i Isaia nahazo tsindrimandry: “Indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena.” (Isaia 60:2) Haizina ara-panahy, fa tsy ara-bakiteny, aloha no tena resahin’ireo teny ireo, nefa tsy tokony hohamaivanintsika izy ireo. Tsy ho velona izay tsy manana fahazavana ara-panahy, toy ny olona tsy ho velona raha tsy mahazo ny fahazavan’ny masoandro.

3. Aiza no hahitantsika fahazavana amin’izao fotoana manjombona izao?

3 Amin’izao fotoana manjombona izao, dia tsy tokony hanao tsirambina ny fahazavana ara-panahy omen’i Jehovah isika. Tena mila manao ny Tenin’Andriamanitra ho mpanazava ny lalantsika isika, ka hamaky azy io isan’andro, raha azo atao. (Salamo 119:105) Mila ny fivoriana kristianina koa isika, mba hifampirisihantsika tsy hiala amin’ny “làlan’ny marina.” (Ohabolana 4:18; Hebreo 10:23-25) Mandray tanjaka avy amin’ny fianarana ny Baiboly tsy tapaka sy ny fifaneraserana kristianina isika, ka tsy ho voatelin’ny haizin’izao ‘andro farany’ izao, izay hifarana amin’ny “andro fahatezeran’i Jehovah.” (2 Timoty 3:1; Zefania 2:3) Mihamanatona haingana io andro io! Azo antoka fa ho tonga izy io, toy ny tany Jerosalema fahiny.

‘Mifandahatra’ amin’ny olony i Jehovah

4, 5. a) Amin’ny fomba ahoana no hanafihan’i Jehovah an’i Jerosalema? b) Nahoana no toa vitsy ihany no ho tafita velona amin’ny fandravana an’i Jerosalema amin’ny 607 T.K.? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

4 Mazava tsara ny teny ilazan’i Jehovah ny zava-mitranga hitarika ho amin’ny andro fahatezerany, ao amin’ny faminanian’i Isaia. Izao no vakintsika ao: “Jehovah ho avy amin’ny afo, ary tahaka ny tadio ny kalesiny, mba hanao famaliana amin’ny fahatezerany mirehitra sy ny fitenenany mafy amin’ny lelafo. Fa ny afo sy ny sabany no ho entin’i Jehovah hifandahatra amin’ny nofo rehetra; ary ho maro ny voaringan’i Jehovah.”—Isaia 66:15, 16.

5 Tokony ho takatr’ireo niara-belona tamin’i Isaia avy tamin’ireo teny ireo fa tena ratsy ilay toe-javatra. Nihananatona ny fotoana hanafihan’ny Babylonianina an’i Jerosalema, mba hampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah. Hiriotra toy ny tadio ny kalesin’izy ireo. Tena hampahatahotra tokoa ilay izy! Ireo mpanafika ireo no hasain’i Jehovah hampihatra ny didim-pitsarany amin’ny “nofo rehetra”, na ny Jiosy tsy nahatoky rehetra. Toy ny hoe i Jehovah mihitsy no hiady amin’ny vahoakany. Tsy hisy hisakana ny “fahatezerany mirehitra.” Jiosy maro no ho “voaringan’i Jehovah.” Tanteraka io faminaniana io tamin’ny 607 T.K. *

6. Fanarahana fanao inona avy no nahameloka ny mponin’i Joda?

6 Ara-drariny ve, raha ‘nifandahatra’ tamin’ny olony i Jehovah? Eny tokoa! Efa hitantsika imbetsaka tamin’ny fandinihana ny bokin’i Isaia fa vahoaka nanolo-tena ho an’i Jehovah ny Jiosy, nefa tafalatsaka lalina tao anatin’ny fivavahan-diso, ary tsy niafina tamin’i Jehovah ny nataony. Asehon’ireto teny manaraka ireto indray izany: “Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly ka manaraka ny iray ao afovoany ary mihinana ny henan-kisoa sy ny zava-betaveta ary ny totozy dia hiaraka ho levona avokoa, hoy Jehovah.” (Isaia 66:17) Mba hanarahana ny fivavahana madio ve no ‘nanamasinan’ny Jiosy sy nanadiovany ny tenany’ toy izany? Mazava fa tsia. Fombafomba fidiovana fanaon’ny mpanompo sampy tany an-tanimboly manokana no narahiny tamin’izany. Avy eo izy ireo dia nirangorango nihinana kisoa sy biby hafa nolazain’ny Lalàn’i Mosesy hoe maloto.—Levitikosy 11:7, 21-23.

7. Inona no itovian’ny Kristianisma Anarana sy ny Joda mpanompo sampy?

7 Tena naharikoriko ny nataon’ilay firenena nanaovan’ilay Andriamanitra marina fanekena! Mariho anefa fa misy zava-maharikoriko toy izany koa ao amin’ny Kristianisma Anarana ankehitriny. Mihambo ho manompo an’Andriamanitra koa izy io, ary mpitondra fivavahana maro ao aminy no mody mpivavaka be. Mandoto tena amin’ny fampianarana sy lovantsofin’ny mpanompo sampy anefa izy ireo, ka hita fa ao anatin’ny haizina ara-panahy. Ary tena mikitroka izany haizina izany!—Matio 6:23; Jaona 3:19, 20.

‘Hahita ny voninahitro ireo’

8. a) Inona no hanjo ny Joda sy ny Kristianisma Anarana? b) Inona no hevitry ny hoe ‘hahita ny voninahitr’i Jehovah’ ireo firenena?

8 Mahita ny asa ratsy sy fampianaran-dison’ny Kristianisma Anarana ve i Jehovah? Vakio ny teniny manaraka ao amin’ny Isaia, dia ho hitanao ny valin’izany: “Izaho dia hamaly ny asany sy ny heviny, ho avy ny hamoriana ny jentilisa rehetra sy ny samy hafa fiteny; dia ho avy ireo ka hahita ny voninahitro.” (Isaia 66:18) Tsy ny asa ataon’ireo mihambo ho mpanompony ihany no fantatr’i Jehovah sy hotsarainy, fa ny eritreritr’izy ireo koa. Nihambo ho nino an’i Jehovah ny Joda, nefa nifanohitra tamin’izany fihamboana izany ny fanarahany ny asa sy fanaon’ny mpanompo sampy. Tsy nisy dikany ny ‘nanadiovany’ tena araka ireo fombafomban’ny fanompoan-tsampy. Horinganina ilay firenena, ka hibaribary eo imason’ireo firenena mpanompo sampy manodidina izany. ‘Hahita ny voninahitr’i Jehovah’ ireo, izany hoe hahita maso ilay fisehoan-javatra, ka ho voatery hiaiky fa tanteraka ny tenin’i Jehovah. Ahoana kosa no ahatanterahan’izany amin’ny Kristianisma Anarana? Rehefa horinganina izy io, dia maro amin’ireo sakaizany sy mpiara-miasa aminy taloha no tsy ho afa-manoatra, fa ho voatery hitazana fotsiny ny fahatanterahan’ny tenin’i Jehovah.—Jeremia 25:31-33; Apokalypsy 17:15-18; 18:9-19.

9. Inona no vaovao tsara nambaran’i Jehovah?

9 Tsy hanana vavolombelona eto an-tany intsony ve i Jehovah, rehefa ho rava i Jerosalema amin’ny 607 T.K.? Tsia. Hisy olo-mahatoky miavaka, toa an’i Daniela sy ireo namany telo lahy, hanompo an’i Jehovah foana, na dia any an-tsesitany any Babylona aza. (Daniela 1:6, 7) Eny, hisy vavolombelon’i Jehovah mahatoky foana, ary amin’ny faran’ireo 70 taona, dia hiala ao Babylona izy ireo ka hiverina any Joda mba hamerina ny fivavahana madio amin’ny laoniny. Izany no nolazain’i Jehovah manaraka: “Hasiako famantarana eo aminy, ary izay afaka mandositra dia hirahiko ho any amin’ny jentilisa, dia ho any Tarsisy sy Pola ary Lydia, izay manenjana tsipìka, ary ho any Tobala sy Javana, dia ho any amin’ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako na nahita ny voninahitro, ary hitory ny voninahitro any amin’ny jentilisa izy.”—Isaia 66:19.

10. a) Amin’ny heviny ahoana ny Jiosy mahatoky nafahana tany Babylona no ho famantarana? b) Iza no famantarana ankehitriny?

10 Ireo lehilahy sy vehivavy mahatoky maro hiverina any Jerosalema amin’ny 537 T.K. dia ho famantarana mahagaga, ho porofon’ny nanafahan’i Jehovah ny vahoakany. Iza no nieritreritra hoe hafahana ireo Jiosy babo indray andro any, mba hanaraka ny fanompoana madio ao amin’ny tempolin’i Jehovah? Tamin’ny taonjato voalohany, ireo “famantarana sy fahagagana” dia ny Kristianina voahosotra, ary nirohotra tany amin’izy ireo ny mpandefitra naniry hanompo an’i Jehovah. (Isaia 8:18; Hebreo 2:13) Tena famantarana mahagaga eto an-tany koa ny Kristianina voahosotra ankehitriny, rehefa tafarina izy ireo, ka miroborobo ny vokatry ny asany. (Isaia 66:8) Porofo velon’ny herin’ny fanahin’i Jehovah izy ireo, ka misarika ny mpandefitra maniry hanompo an’i Jehovah amin’ny fony.

11. a) Ahoana no hahafantaran’ny mponin’ireo firenena an’i Jehovah, aorian’ny fanarenana ny fivavahana marina? b) Inona no fahatanterahan’ny Zakaria 8:23 voalohany?

11 Aorian’ny fanarenana ny fivavahana madio amin’ny 537 T.K., ahoana no hahafantaran’ny mponin’ireo firenena an’i Jehovah, nefa izy ireo mbola tsy nandre momba azy? Tsy ny Jiosy mahatoky rehetra akory no hiverina any Jerosalema, rehefa hafahana avy any Babylona. Hijanona ao Babylona ny sasany, toa an’i Daniela. Ny hafa hiely eran’ny vazan-tany efatra. Tamin’ny taonjato fahadimy T.K., dia nisy Jiosy nanerana ny Fanjakana persanina. (Estera 1:1; 3:8) Tsy maintsy ho niresaka momba an’i Jehovah tamin’ireo mpanompo sampy niara-nonina taminy ny sasany, satria be dia be tamin’ireo no tonga proselyta jiosy. Toa iray tamin’izany ilay tandapa etiopianina nitorian’i Filipo tamin’ny taonjato voalohany. (Asan’ny Apostoly 8:26-40) Fahatanterahana voalohan’ireto tenin’i Zakaria mpaminany ireto izany: “Amin’izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” (Zakaria 8:23) Tena nandefa fahazavana tany amin’ireo firenena tokoa i Jehovah!—Salamo 43:3.

“Fanatitra ho an’i Jehovah”

12, 13. Ahoana no nitondrana ‘rahalahy’ tao Jerosalema, nanomboka tamin’ny 537 T.K.?

12 Rehefa ho tafaorina indray i Jerosalema, dia izy io sy ny mpisorona hiasa ao indray no ho foiben’ny fivavahana madio, ho an’ireo Jiosy nonina lavitra ny taniny. Maro aminy no hanao dia lavitra mba hanatrehana ireo fankalazana fanao isan-taona any. Hoy ny nosoratan’i Isaia nahazo tsindrimandry: “Hitondra ny rahalahinareo rehetra izy avy any amin’ny jentilisa rehetra ho fanatitra ho an’i Jehovah, mitaingin-tsoavaly sy ao anaty kalesy sy filanjana ary mitaingina ampondra sy rameva haingam-pandeha—ho any Jerosalema tendrombohitro masina, hoy Jehovah,—dia tahaka ny fitondran’ny Zanak’Isiraely ny fanatitra hohanina ao anatin’ny vilia madio ho any an-tranon’i Jehovah; ary avy amin’ireo aza no hakako ho mpisorona sy Levita.”—Isaia 66:20, 21.

13 Nisy ‘rahalahy avy tany amin’ny jentilisa rehetra’ teo, tamin’ny andro Pentekosta, rehefa nilatsaka tamin’ny mpianatr’i Jesosy ny fanahy masina. Hoy ilay fitantarana: “Nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema avy tany amin’ny firenena samy hafa rehetra ambanin’ny lanitra.” (Asan’ny Apostoly 2:5) Tonga hanompo tao Jerosalema izy ireo, araka ny fanaon’ny Jiosy, ka maro no nino an’i Jesosy Kristy sy natao batisa, rehefa nahare ny vaovao tsara momba azy.

14, 15. a) Ahoana no nanangonan’ny Kristianina voahosotra ‘rahalahiny’ ara-panahy hafa koa, taorian’ny Ady Lehibe I, ary ahoana no nanolorana azy ireo ho ‘fanatitra ao anaty vilia madio’? b) Tamin’ny fomba ahoana no ‘nakan’i Jehovah olona sasany ho mpisorona’? d) Kristianina voahosotra iza avy, ohatra, no nanangona ny rahalahiny ara-panahy? (Jereo ny faritra voafefy etsy ambony.)

14 Tanteraka ankehitriny koa ve io faminaniana io? Eny tokoa. Taorian’ny Ady Lehibe I, dia nianatra ny Baiboly tamim-pitandremana ny mpanompon’i Jehovah voahosotra, ka hitany fa niorina tany an-danitra tamin’ny 1914 ny Fanjakan’Andriamanitra. Hitany koa fa mbola hisy ‘rahalahy’, na mpandova ilay Fanjakana, hafa koa tsy maintsy hangonina. Nisy mpitory tsy nanan-tahotra tonga “hatramin’ny faran’ny tany”, nampiasa ny karazam-pitaterana rehetra, mba hitady ny sisa voahosotra. Nalana avy tao amin’ny fiangonan’ny Kristianisma Anarana ny ankamaroany. Rehefa hita izy ireo, dia nentina ho fanatitra ho an’i Jehovah.—Asan’ny Apostoly 1:8.

15 Ny voahosotra nangonina tany am-piandohana dia tsy nanantena ny haneken’i Jehovah ny toetrany talohan’ny nahafantarany ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Nanala ny fahalotoana ara-panahy sy ara-pitondran-tena rehetra teo aminy àry izy ireo, mba ho azo atolotra ho “fanatitra hohanina ao anatin’ny vilia madio”, na ho “virijina madio ho an’i Kristy”, hoy ny apostoly Paoly. (2 Korintiana 11:2) Nanda ny fampianaran-diso ireo voahosotra, ary nianatra ny tsy handray anjara amin’ny raharaha ara-politikan’ity tontolo ity koa. Tamin’ny 1931, rehefa noheverin’i Jehovah fa voadio ny mpanompony, dia nomeny ny tombontsoa hitondra ny anarany, ka nantsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah. (Isaia 43:10-12) Amin’ny fomba ahoana kosa no ‘akan’i Jehovah olona sasany ho mpisorona’? Tonga anisan’ny “fanjakà-mpisorona, firenena masina”, izay nanolotra fanatitra ho fiderana an’Andriamanitra, ireo voahosotra ireo.—1 Petera 2:9; Isaia 54:1; Hebreo 13:15.

Mitohy ny fanangonana

16, 17. Iza moa no antsoina hoe “taranakareo”, aorian’ny Ady Lehibe I?

16 Misy 144 000 ireo anisan’io “fanjakà-mpisorona” io, ary voangona avokoa izy ireo tamin’ny farany. (Apokalypsy 7:1-8; 14:1) Nifarana tamin’izay ve ny asa fanangonana? Tsia. Hoy ny tohin’ny faminanian’i Isaia: “Tahaka ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, dia toy izany ny haharetan’ny taranakareo sy ny anaranareo.” (Isaia 66:22) Amin’ny fahatanterahan’ireo teny ireo voalohany, dia hiteraka sy hitaiza zanaka ireo Jiosy hiverina avy any Babylona. Ho tafaorina mafy amin’izay ilay “tany vaovao”, dia ny sisa jiosy tafody, izay hotarihin’ny “lanitra vaovao”, dia ny fitondrana vaovao jiosy. Kanefa nahavariana indrindra ny fahatanterahan’io faminaniana io amin’ny androntsika.

17 Ny ‘taranak’ireo’ rahalahy ara-panahy ireo dia ny “olona betsaka”, izay manantena hiaina mandrakizay eto an-tany. Avy amin’ny “firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny” izy ireo, ary mitsangana eo “anatrehan’ny Zanak’ondry.” ‘Nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’ izy ireo. (Apokalypsy 7:9-14; 22:17) Miala avy amin’ny haizina ara-panahy ny “olona betsaka” ankehitriny, ka manatona ny fahazavana omen’i Jehovah. Mino an’i Jesosy Kristy izy ireo, ary miezaka mba hadio ara-panahy sy ara-pitondran-tena foana, sahala amin’ny rahalahiny sy anabaviny voahosotra. Hanompo eo ambany fitarihan’i Kristy foana izy ireo, ka ‘haharitra’ mandrakizay.—Salamo 37:11, 29.

18. a) Ahoana no anahafan’ny olona betsaka ny rahalahiny voahosotra? b) Inona no hevitry ny hoe manompo an’i Jehovah “isaky ny voaloham-bolana sy isan-tSabata” ny voahosotra sy ny namany?

18 Fantatr’ireo lehilahy sy vehivavy miasa mafy, izay manantena ny hiaina eto an-tany, ireo, fa tena ilaina ny ho madio ara-pitondran-tena sy ara-panahy foana. Fantany koa anefa fa tsy ampy izany mba hampifaliana an’i Jehovah. Mandroso be ny asa fanangonana, ary maniry handray anjara amin’izany izy ireo. Hoy ny faminanian’ny Apokalypsy momba azy ireo: “Mitoetra eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman-alina eo amin’ny tempoliny.” (Apokalypsy 7:15) Mampahatsiahy antsika ny andininy alohan’ny farany amin’ny faminanian’i Isaia ireo teny ireo. “Isaky ny voaloham-bolana sy isan-tSabata dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako, hoy Jehovah.” (Isaia 66:23) Tanteraka ankehitriny izany. “Isaky ny voaloham-bolana sy isan-tSabata”, izany hoe tsy tapaka, isan-kerinandro sy isam-bolana, dia miara-mivory mba hanompo an’i Jehovah ny Kristianina voahosotra sy ny olona betsaka namany. Afaka manao izany izy ireo any amin’ny fivoriana kristianina sy eny amin’ny fanompoana ampahibemaso. Moa ve ianao anisan’ireo ‘avy mba hiankohoka eo anatrehan’i Jehovah’ tsy tapaka? Tena faly ny vahoakan’i Jehovah manao izany, ary tsy andrin’ny olona betsaka ny fotoana, rehefa hanompo an’i Jehovah “isaky ny voaloham-bolana sy isan-tSabata” mandrakizay ny “nofo rehetra”, izany hoe ny olombelona rehetra.

Horinganina tanteraka ny fahavalon’Andriamanitra

19, 20. Inona no nampiasana ny Gehena tamin’ny andron’ny Baiboly, ary manondro inona izy io?

19 Tonga eo amin’ny andininy farany amin’ny faminanian’i Isaia isika izao. Hoy ireo teny farany ireo: “Hivoaka izy ireny ka hijery ny fatin’ny olona izay efa niodina tamiko; fa ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina, ary hataon’ny nofo rehetra ho fahavetavetana izy.” (Isaia 66:24) Io faminaniana io angamba no tao an-tsain’i Jesosy Kristy, fony izy nampirisika ny mpianany hanatsotra ny fiainany sy hametraka ilay Fanjakana ho loha laharana. Hoy izy: “Raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ny fanjakan’Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny helo; any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina.”—Marka 9:47, 48; Matio 5:29, 30; 6:33.

20 Inona moa io toerana antsoina hoe helo, na Gehena, io? Hoy ilay manam-pahaizana jiosy nantsoina hoe David Kimhi, taonjato maro lasa izay: “Izy io dia toerana . . . teo akaikin’i Jerosalema, ary toerana naharikoriko, nanarian’ny olona zavatra naloto sy faty. Nisy afo nirehitra foana tao, mba handoroana ireo zavatra naloto sy taolam-paty. Noho izany no iantsoana ny fanamelohana ny ratsy fanahy hoe [Gehena].” Araka ny hevitr’io manam-pahaizana io, dia nampiasaina mba hanariana fako sy fatin’ireo tsy mendrika halevina ny Gehena. Tena mety handevonana izany fako izany àry ny afo. Izay tsy levon’ny afo dia lanin’ny kankana. Sary tena mety hilazana ny fandringanana ny fahavalon’Andriamanitra rehetra izany! *

21. Iza no mahazo fampaherezana avy amin’ny famaranana ny bokin’i Isaia, ary nahoana?

21 Tsy mampihoron-koditra ve ny teny hoe faty sy afo ary kankana, mamarana ilay faminaniana mampientam-pon’i Isaia? Izany angamba no eritreretin’ny fahavalon’Andriamanitra. Tena mampahery ny sakaizan’Andriamanitra kosa anefa ny filazan’i Isaia momba ny fandringanana mandrakizay ny ratsy fanahy. Ilain’ny vahoakan’i Jehovah io fanomezan-toky io hoe tsy handresy intsony mihitsy ny fahavalony. Horinganina mandrakizay ireo fahavalo ireo, satria tena nampijaly ny mpanompon’Andriamanitra sy nanala baraka ny anarany. “Tsy hiverina fanindroany ny fahoriana” amin’izay.—Nahoma 1:9.

22, 23. a) Lazao ny soa azonao avy tamin’ny fianarana ny bokin’i Isaia. b) Inona no fahatapahan-kevitrao sy fanantenanao, rehefa avy nianatra ny bokin’i Isaia ianao?

22 Eto am-pamaranana ny fianarantsika ny faminanian’i Isaia, dia takatsika fa tsy tantara fahiny fotsiny akory io boky ao amin’ny Baiboly io. Misy hafatra ho antsika ankehitriny kosa izy io. Misy itoviana be amin’ny fotoana nanjombona niainan’i Isaia ny androntsika. Korontana politika, mpivavaka mpihatsaravelatsihy, mpitsara mandray kolikoly, ary olo-mahatoky sy mahantra ampahorina: izany no nanjaka tamin’ny andron’i Isaia, sy ankehitriny koa. Azo antoka fa velom-pankasitrahana noho ny faminanian’i Isaia ny Jiosy nahatoky tamin’ny taonjato fahenina T.K. Mahazo fampaherezana koa isika ankehitriny, rehefa mianatra azy io.

23 Miaina amin’ny fotoan-tsarotra isika, satria manarona ny tany sy ny firenena ny haizina. Tena ankasitrahantsika àry ny fahazavana nomen’i Jehovah ho an’ny olombelona rehetra tamin’ny alalan’i Isaia! Hahazo fiainana mandrakizay ny olona manaiky io fahazavana ara-panahy io amin’ny fony rehetra, na inona na inona firenena na foko niaviany. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Enga anie àry isika handeha ao amin’ny fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra foana, ka hamaky azy io isan’andro, sy hisaintsaina azy io ary hankamamy ny hafatra ao anatiny. Hitondra fitahiana mandrakizay ho antsika sy fiderana ho an’ny anarana masin’i Jehovah izany!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Milaza momba “ny sasany tamin’ny olona malahelo mbamin’ny olona sisa tao an-tanàna”, taorian’ny nandresen’ny Babylonianina an’i Jerosalema, ny Jeremia 52:15. Manazava izany toy izao ny Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina (frantsay), Boky I, pejy 403: “Ny hoe ‘ny olona sisa tao an-tanàna’ dia toa milaza fa be dia be no matin’ny mosary, aretina, afo, na maty tamin’ilay ady.”

^ feh. 20 Koa satria faty, fa tsy olona velona no nodorana tao amin’ny Gehena, dia tsy manondro fampijaliana mandrakizay io toerana io.

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 409]

Voahosotra avy Amin’ny Firenena Rehetra, Atolotra ho Fanatitra ho An’i Jehovah

Niala tany Etazonia i Juan Muñiz tamin’ny 1920, ka nankany Espaina, ary nanohy ny diany hatrany Arzantinina. Nanorina fiangonana voaforon’ny voahosotra izy tany. Nanomboka nitory ny hafatra momba ilay Fanjakana tany Afrika Andrefana ilay misionera nantsoina hoe William Brown (fantatra tamin’ny hoe Brown Baiboly), tamin’ny 1923. Nahazo ny fahazavan’ny fahamarinana àry ireo tso-po tany Sierra Leone, Ghana, Liberia, Gambia ary Nizeria. Nankany Brezila i George Young avy any Kanada, tamin’io taona io koa, ary nanohy ny diany hatrany Arzantinina, Costa Rica, Panama, Venezoela ary tany amin’ny Firaisana Sovietika mihitsy. I Edwin Skinner kosa nandeha sambo tany Inde, tamin’izay fotoana izay koa, ary nanao ny asa fanangonana tany nandritra ny taona maro.

[Sary, pejy 411]

‘Rahalahy nentina avy tany amin’ny firenena rehetra’ ny Jiosy sasany, tamin’ny Pentekosta

[Sary, pejy 413]