Mampianatra Antsika Hahitantsika Soa i Jehovah
Toko Fahasivy
Mampianatra Antsika Hahitantsika Soa i Jehovah
1. Inona no ataon’ny hendry amin’ny tenin’i Jehovah?
REHEFA miteny i Jehovah, dia mihaino azy amim-panajana ny hendry, ary mankatò ny teniny. Mahasoa antsika foana izay rehetra lazain’i Jehovah, ary tena maniry ny hahasambatra antsika izy. Mampihetsi-po antsika tokoa, ohatra, ny mamaky ny fomba niresahany tamin’ilay vahoaka nanaovany fanekena fahiny, toy izao: “Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko!” (Isaia 48:18) Tokony hanosika antsika hihaino an’Andriamanitra sy hanaraka ny tari-dalany ny porofo fa mandaitra ny fampianarany. Ireo faminaniana maro be efa tanteraka koa dia mampisinda izay fisalasalana rehetra momba ny faniriany hanatanteraka ny fampanantenany.
2. Iza no nanoratana ny Isaia 48, ary iza koa no handray soa avy amin’izy io?
2 Nosoratana ho an’ny Jiosy hatao sesitany any Babylona ny teny ao amin’ny Isaia toko faha-48. Misy hafatra tsy azon’ny Kristianina ankehitriny odian-tsy hita koa anefa izy io. Naminany ny hianjeran’i Babylona ny Isaia toko faha-47. Nilaza izay kasainy hatao ho an’ny Jiosy babo tany kosa izao i Jehovah. Nampalahelo azy mafy ny fihatsarambelatsihin’ilay vahoaka voafidiny sy ny tsy fetezan’izy ireo hino ny teny nataony. Na izany aza, dia naniry hampianatra azy ireo izy mba hahitan’izy ireo soa. Nolazainy fa handia fotoam-panadiovana izy ireo, ary hiverina any an-tanindrazany ny sisa nahatoky taminy.
3. Inona no tsy nety tamin’ny fivavahan’ny Joda?
Isaia 48:1, 2) Fihatsarambelatsihy re izany! ‘Nianiana tamin’ny anaran’i Jehovah’ izy ireo, nefa ho fanaraham-pomba fotsiny no nampiasany ny anaran’Andriamanitra. (Zefania 1:5) Talohan’ny nankanesany tany an-tsesitany tany Babylona, dia nivavaka tamin’i Jehovah tao Jerosalema, ilay “tanàna masina”, ny Jiosy. Feno fihatsarambelatsihy anefa ny fivavahan’izy ireo. Lavitra be an’Andriamanitra ny fony, ary “tsy araka ny marina, na araka ny hitsiny” ny fanompoam-pivavahany. Tsy nanana ny finoan’ireo loham-pianakaviana toa an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, izy.—Malakia 3:7.
3 Tena nihataka lavitra ny fivavahana madio ilay vahoakan’i Jehovah! Mampieritreritra ireto teny nolazain’i Isaia ireto: “Mihainoa, ry taranak’i Jakoba, dia hianareo izay antsoina amin’ny anaran’Isiraely sy avy amin’ny loharanon’i Joda, hianareo izay mianiana amin’ny anaran’i Jehovah ary mankalaza ny anaran’Andriamanitry ny Isiraely, kanefa tsy araka ny marina, na araka ny hitsiny; fa milaza ny tenany ho avy amin’ny tanàna masina izy ka miankina amin’Andriamanitry ny Isiraely; Jehovah, Tompon’ny maro, no anarany.” (4. Fivavahana manao ahoana no mampifaly an’i Jehovah?
4 Ampahatsiahivin’ireo tenin’i Jehovah ireo isika fa tsy tokony ho fanaraham-pomba fotsiny ny fivavahana. Tsy maintsy ho avy amin’ny fo izy io. Tsy maneho “toe-panahy araka an’Andriamanitra” ny fanompoana anarany fotsiny, izay atao mba hampifaly ny hafa na hahatonga azy hidera antsika fotsiny angamba. (2 Petera 3:11) Ny fihamboan’ny olona iray ho Kristianina akory tsy mahatonga ny fivavahany hankasitrahan’Andriamanitra. (2 Timoty 3:5) Tena ilaina ny manaiky fa misy Andriamanitra, nefa vao fiandohana fotsiny izany. Tian’i Jehovah raha avy amin’ny fo sy atosiky ny fitiavana sy fankasitrahana lalina azy ny fivavahantsika.—Kolosiana 3:23.
Filazana zava-baovao mialoha
5. Inona avy no sasany amin’ireo “zavatra taloha” nolazain’i Jehovah mialoha?
5 Nisy zava-dehibe hadinon’ireo Jiosy tany Babylona ireo angamba. Nampahatsiahivin’i Jehovah indray àry izy ireo fa izy no Andriamanitra mahay milaza faminaniana marina. Hoy izy: “Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin’ny fahiny, ary naloaky ny vavako izany sady nambarako; tampoka no nanaovako izany, ary tonga izany.” (Isaia 48:3) Efa notanterahin’Andriamanitra ireo “zavatra taloha”, dia ny fanafahana ny Isiraelita avy tany Ejipta sy ny fanomezana azy ireo ny Tany Nampanantenaina. (Genesisy 13:14, 15; 15:13, 14) Andriamanitra no niavian’ireny faminaniana ireny, izay naloaky ny vavany. Nambarany tamin’ny olona ny didiny, ary tokony hankatoavin’izy ireo. (Deoteronomia 28:15) Manao zavatra haingana izy, mba hanatontosana izay nolazainy. Azo antoka tokoa fa ho tanteraka ny fikasan’i Jehovah, satria izy no Tsitoha.—Josoa 21:45; 23:14.
6. Nanao ahoana ny ditran’ny Jiosy sy ny fiodinany?
6 Nanjary ‘naditra sy niodina’ ny vahoakan’i Jehovah. (Salamo 78:8) Tsy nihambahamba izy nilaza tamin’izy ireo hoe: “Maditra hianao, . . . ka oza-by ny hatokao, ary varahina ny handrinao.” (Isaia 48:4) Noharina tamin’ny metaly ireo Jiosy, izay tsy azo nofolahina sy tsy nety nilefitra. Izany no antony iray ilazan’i Jehovah zavatra alohan’ny hisehoany. Raha tsy izany, dia izao no holazain’izy ireo momba ny zavatra nataon’i Jehovah: “Ny sampiko no nanao izany, ary ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra an-idina no nandidy izany.” (Isaia 48:5) Hisy vokany eo amin’ireo Jiosy nivadika ireo ve ny zavatra holazain’i Jehovah? Hoy izy tamin’izy ireo: “Efa renao, ka dia jereo izany rehetra izany, moa hianareo tsy hanambara izany va? Mampandre anao zava-baovao kosa Aho hatramin’izao, dia zavatra miafina izay tsy fantatrao. Vao izao no namoronana azy, fa tsy hatramin’ny fahiny, ary tsy mbola nandre azy hianao talohan’ny andro anio, fandrao hianao hanao hoe: Indro, ny efa fantatro ihany izany.”—Isaia 48:6, 7.
7. Inona no tsy maintsy neken’ny Jiosy, ary inona no azony nampoizina?
7 Efa nanoratra ela be mialoha momba ny hianjeran’i Babylona i Isaia. Mbola tany an-tsesitany tany Babylona ny Jiosy izao, ka nasaina nijery ny hahatanterahan’io faminaniana io. Afaka mandà ve izy ireo hoe i Jehovah no Isaia 48:14-16) Toa hipoitra tampoka, tsy nampoizina, ny zava-manaitra toy izany. Tsy nisy afaka nanampo azy ireny, raha ny fizotran’ny toe-draharaha teto an-tany fotsiny no nodinihiny. Toy ny hoe tongatonga ho azy izy ireny. Iza no nahatonga azy ireny? I Jehovah no nilaza azy ireny 200 taona mialoha, koa mazava àry ny valiny.
Andriamanitra manatanteraka faminaniana? Ary noho izy ireo nahita sy nandre fa Andriamanitry ny fahamarinana i Jehovah, tsy tokony hanambara izany amin’ny hafa koa ve izy ireo? Ny teny nambaran’i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia dia naminany zava-baovao, toy ny handresen’i Kyrosy an’i Babylona sy ny hanafahana ny Jiosy. (8. Zava-baovao inona avy no antenain’ny Kristianina ankehitriny, ary nahoana izy no matoky tanteraka ny faminanian’i Jehovah?
8 Ankoatra izany, dia manatanteraka ny teniny araka ny fandaharam-potoanany i Jehovah. Hitan’ny Jiosy fahiny sy ny Kristianina ankehitriny fa porofon’ny maha Andriamanitra azy ny fahatanterahan’ireo faminaniany. Manome toky koa ireo faminaniana maro be tanteraka tamin’ny lasa (“ny zavatra taloha”) fa ho tanteraka ireo zava-baovao nampanantenain’i Jehovah: ny “fahoriana lehibe”, ny “olona betsaka” izay ho tafita velona amin’io fahoriana io, ny “tany vaovao”, ary zavatra maro hafa. (Apokalypsy 7:9, 14, 15; 21:4, 5; 2 Petera 3:13) Matoky ny amin’izany ny olona tso-po ankehitriny, ka voatosika hiresaka momba azy amin-jotom-po. Mitovy fihetseham-po amin’ilay mpanao salamo izy, ka manao hoe: “Efa nilaza teny mahafaly ny amin’ny fahamarinana teo amin’ny fiangonana lehibe Aho; indro, ny molotro tsy mba nakomboko.”—Salamo 40:9.
Mifehy tena i Jehovah
9. Ahoana no nahitana fa “mpiodina hatrany an-kibo” ny firenen’ny Isiraely?
9 Tsy nino ny faminanian’i Jehovah ny Jiosy, ka tsy nankatò ny fampitandremany. Nanohy ny teniny toy izao Isaia 48:8) Nanentsin-tadìny tsy handre ny vaovao tsaran’i Jehovah ny Joda. (Isaia 29:10) Hita avy amin’ny fihetsik’ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fanekena fa tena “mpiodina hatrany an-kibo” izy ireo. Tsy nitsahatra nikomy izy ireo, hatramin’ny nahaterahany sy nandritra ny tantarany manontolo. Zavatra fanaon’ilay firenena ny nandika lalàna sy namitaka, fa tsy fahotana sendra natao akory.—Salamo 95:10; Malakia 2:11.
àry i Jehovah: “Fa tsy nandre na nahalala hianao; eny, hatramin’ny fahiny aza no tsy mbola nisokatra ny sofinao; fa fantatro fa tena mpivadika hianao sady natao hoe mpiodina hatrany an-kibo.” (10. Nahoana i Jehovah no hifehy tena?
10 Tsy nisy azo nantenaina intsony ve anefa? Tsia. Nikomy sy namitaka ny Joda, fa i Jehovah kosa marina sy mahatoky foana. Noho ny anarany be voninahitra, dia hifehy tena tsy hanampatra ny fahatezerany izy. Hoy izy: “Noho ny anarako dia ononiko ny fahatezerako, ary mba hiderana Ahy dia manindry fo ny aminao Aho, mba tsy hamongorana anao.” (Isaia 48:9) Endrey izany fahasamihafana! Nivadika tamin’i Jehovah ny vahoakany—na ny Isiraely na ny Joda. Izy kosa anefa tsy hamongotra an’ilay vahoaka voafidiny, mba hanamasinana sy hanomezam-boninahitra ny anarany manokana.—Joela 2:13, 14.
11. Nahoana Andriamanitra no tsy hamela ny vahoakany ho fongotra?
11 Nahitsy fo ny sasany tamin’ireo Jiosy tany an-tsesitany, ka tonga saina tamin’ilay fitenenan’Andriamanitra mafy azy, ary tapa-kevitra ny hanaraka ny fampianarany. Tena nampahery azy ireo izao fanambarana izao: “Indro, nodioviko hianao, nefa tsy toy ny volafotsy; efa nizaha toetra anao tao amin’ny memy fahoriana Aho. Noho ny tenako, eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany; indrisy, lotoina ny anarako! Ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.” (Isaia 48:10, 11) Ny fitsapana mafy (toy ny tao amin’ny “memy fahoriana”) navelan’i Jehovah hahazo ny vahoakany dia nisedra sy nanadio azy ireo, ka nampiharihary izay tao am-pony. Nisy zavatra nitovy tamin’izany, taonjato maro taloha, fony i Mosesy nilaza tamin’ny razambeny hoe: ‘Nitondra anao tany an’efitra izao efapolo taona izao i Jehovah Andriamanitrao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao.’ (Deoteronomia 8:2) Nikomy ilay firenena, nefa tsy namongotra azy i Jehovah tamin’izay, ary tsy hamongotra azy koa izy izao. Ho voaro ny anarany sy ny voninahiny, noho izany. Raha ringan’ny Babylonianina tanteraka kosa ny vahoakany, dia tsy ho voahaja ny fanekeny ary ho voaloto ny anarany. Ho toy ny hoe tsy hanan-kery hamonjy ny olony ilay Andriamanitry ny Isiraely.—Ezekiela 20:9.
12. Ahoana no nanadiovana ny Kristianina marina, tamin’ny Ady Lehibe Voalohany?
12 Tamin’izao androntsika izao koa, dia nila fanadiovana Matio 24:14) Naminany i Malakia mpaminany fa hisy asa fanadiovana toy izany indrindra, rehefa ho avy ao amin’ny tempoliny i Jehovah. (Malakia 3:1-4) Tanteraka tamin’ny 1918 ny teniny. Nandia fotoam-pisedrana nivaivay ny Kristianina marina, tamin’ny fotoana nampirehitra indrindra ny Ady Lehibe Voalohany. Nampidirina an-tranomaizina i Joseph Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, sy ny sasany tamin’ny tompon’andraikitra ambony tao. Nandray soa avy tamin’izany fanadiovana izany ireny Kristianina tso-po ireny. Rehefa vita ny Ady Lehibe I, dia vao mainka izy ireo tapa-kevitra ny hanompo an’ilay Andriamaniny lehibe, na inona na inona nangatahin’izy io taminy.
ny vahoakan’i Jehovah. Tany am-piandohan’ny taonjato faha-20, dia maro tamin’ny Mpianatra ny Baiboly mbola vitsy an’isa no tso-po sy naniry hampifaly an’Andriamanitra. Nisy anefa nanompo azy noho ny antony ratsy, ka nitady laza, ohatra. Nila ny hodiovina io antokon’olom-bitsy io, vao afaka niroso hitory ny vaovao tsara naneran-tany, araka ny faminaniana momba ny andro farany. (13. Nanao ahoana ny fihetsiky ny vahoakan’i Jehovah, rehefa nenjehina izy ireo taorian’ny ady lehibe voalohany?
13 Niharan’ny fanenjehana feno habibiana imbetsaka ny Vavolombelon’i Jehovah, nanomboka tamin’izay. Tsy nahatonga azy ireo hisalasala momba ny tenin’ny Mpamorona azy anefa izany. Neken’izy ireo kosa aza ireto tenin’ny apostoly Petera tamin’ny Kristianina nenjehina tamin’ny androny ireto: “Ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ny fakam-panahy maro samy hafa . . . hianareo, . . . mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo . . . amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy.” (1 Petera 1:6, 7) Tsy ravan’ny fanenjehana faran’izay mafy ny tsy fivadihan’ny Kristianina marina. Vao mainka aza miharihary ny hatsaran’ny antony anompoany. Nozahan-toetra ka voaporofo ny hatsaran’ny finoany, ary miseho ny halalin’ny fitiavany.—Ohabolana 17:3.
“Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany”
14. a) Amin’ny heviny ahoana i Jehovah no “voalohany” sy “farany”? b) Inona avy ireo asa mahery nataon’i Jehovah tamin’ny ‘tanany’?
14 Niangavy tamim-pitiavana ny vahoakany izao i Jehovah hoe: “Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy ry Isiraely izay nantsoiko: Tsy miova Aho; Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany. Eny, ny tànako no nanorina ny fanambanin’ny tany, ary ny tànako ankavanana no namelatra ny lanitra; raha antsoiko ireo, dia indray miseho avokoa.” (Isaia 48:12, 13) Tsy toy ny olombelona Andriamanitra, fa mandrakizay ary tsy miova. (Malakia 3:6) Hoy izy ao amin’ny Apokalypsy: “Izaho no Alfa sy Omega, ny Voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.” (Apokalypsy 22:13) Tsy misy Andriamanitra Tsitoha ankoatra an’i Jehovah, na talohany na aoriany. Izy no ilay Fara Tampony sy Mandrakizay, sady Mpamorona. Ny ‘tanany’, na ny heriny miasa, no nanorina ny tany sy namelatra ny lanitra feno kintana. (Joba 38:4; Salamo 102:25) Rehefa miantso ny zavatra noforoniny izy, dia indray miseho ireo, vonona ny hanompo azy.—Salamo 147:4.
15. Amin’ny heviny ahoana ary noho ny antony inona no ‘nitiavan’i’ Jehovah an’i Kyrosy?
15 Nandefasana izao fanasana lehibe izao ny Jiosy sy ny tsy Jiosy: “Mivoria hianareo rehetra, ka mihainoa: Iza moa amin’ireny no mba efa nanambara izany; ilay tian’i Jehovah no hahefa ny sitrapony amin’i Babylona, ary ny sandriny ho amin’ny Kaldeana. Izaho dia Izaho ihany no miteny sady miantso azy, nitondra azy Aho, ka hambinina ny làlany.” (Isaia 48:14, 15) I Jehovah irery no faran’izay mahery sy afaka maminany zavatra araka ny marina. Tsy misy na iray aza “amin’ireny” sampy tsinontsinona ireny, afaka manao toy izany. I Jehovah, fa tsy ny sampy, no ‘tia’ an’i Kyrosy, izany hoe nifidy azy hanao zavatra voafaritra tsara. (Isaia 41:2; 44:28; 45:1, 13; 46:11) Hitany mialoha ny hipoiran’i Kyrosy hanao zavatra lehibe iray, ary izy no nofidiny mba handresy an’i Babylona.
16, 17. a) Nahoana no azo lazaina fa tsy niafina i Jehovah rehefa nanome ny faminaniany? b) Ahoana no ampahafantaran’i Jehovah ny fikasany ankehitriny?
16 Hoy ny tohin’ny tenin’i Jehovah, niangavy ny olony: “Manatòna Ahy hianareo, ka mihainoa; hatramin’ny taloha no efa tsy nitenenako tamin’ny mangingina, hatry ny fony vao nisian’ireo dia teo Aho.” (Isaia 48:16a) Tsy niafina i Jehovah rehefa nanome ny faminaniany, no sady tsy olom-boafidy vitsivitsy monja no nilazany azy. Tsy niolakola-piteny ireo mpaminaniny, rehefa nitondra ny teniny. (Isaia 61:1) Nanambara ampahibemaso ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo. Ohatra, nolazain’Andriamanitra an-karihary tamin’ny alalan’i Isaia, 200 taona mialoha, ireo zava-nitranga nifandray tamin’i Kyrosy, izay efa fantany tsara sy hitany mialoha.
17 Toy izany koa ankehitriny, tsy manafinafina ny fikasany i Jehovah. Olona an-tapitrisa any amin’ny tany sy nosy an-jato no manambara ny faran’ity tontolo ity sy ny vaovao tsara ny amin’ireo fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Isan-trano sy eny an-dalana ary na aiza na aiza ahafahany, no anaovany izany. Tena Andriamanitra milaza ny fikasany tokoa i Jehovah.
‘Henoy ny didiko!’
18. Inona no fanirian’i Jehovah momba ny vahoakany?
18 Nomen’ny fanahin’i Jehovah hery ilay mpaminany mba hilaza hoe: “Jehovah Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny. Izao no lazain’i Jehovah, Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin’ny Isiraely: Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao.” (Isaia 48:16b, 17) Io fanehoam-pitiavana avy amin’i Jehovah io dia tokony hanome toky ny firenen’ny Isiraely fa hanafaka azy avy tao Babylona Andriamanitra. Izy no Mpanavotra azy. (Isaia 54:5) Ny fanirian’ny fon’i Jehovah dia ny hihavanan’ny Isiraelita aminy indray, sy ny hihainoan’izy ireo ny didiny. Miorina amin’ny fankatoavana ny toromarik’Andriamanitra ny fivavahana marina. Tsy afaka nandeha teo amin’ny lala-marina ny Isiraelita, raha tsy nampianarina ny ‘lalana tokony halehany.’
19. Inona no fiangaviana nataon’i Jehovah?
19 Tsy tian’i Jehovah hiharan’ny loza ny vahoakany, fa hahazo fiainana kosa, ka hoy izy nampiasa teny kanto toy izao: “Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao.” (Isaia 48:18) Endrey izany fiangaviana feno hatsoram-po avy amin’ilay Mpamorona tsitoha! (Deoteronomia 5:26; Salamo 81:13) Tsy hoentina ho babo ny Isiraelita, fa ho be kosa ny fiadanany, sahala amin’ny ranon’ny ony iray. (Salamo 119:165) Tsy mety tapitra toy ny onjan-dranomasina ny fanaovan’izy ireo ny fahamarinana. (Amosa 5:24) Tena tia ny Isiraelita i Jehovah, ka niangavy azy, ary nanoro azy tamim-pitiavana ny lalana tokony halehany. Raha mba hihaino mantsy izy ireo!
20. a) Inona no fanirian’Andriamanitra ho an’ny Isiraely, na dia nikomy aza izy ireo? b) Inona no ianarantsika avy amin’ny fifandraisan’i Jehovah tamin’ny vahoakany? (Jereo ny pejy 133.)
20 Inona avy no fitahiana ho azon’ny Isiraely, raha nibebaka izy ireo? Hoy i Jehovah: “Ho tahaka ny fasika ny taranakao, ary ny aloaky ny kibonao ho tahaka ny sombim-pasika; ny anarany tsy ho tapaka na ho foana eo anatrehako.” (Isaia 48:19) Nampahatsiahivin’i Jehovah ny vahoakany ilay fampanantenany fa ho maro be ny taranak’i Abrahama, “ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina.” (Genesisy 22:17; 32:12) Kanefa niodina ireo taranak’i Abrahama ireo, ary tsy nanana zo hahita ny fahatanterahan’ilay fampanantenana. Tena maro be tokoa ny faharatsiany, hany ka mendrika ny hofoanana ilay firenena, araka ny Lalàn’i Jehovah ihany. (Deoteronomia 28:45) Na izany aza, dia tsy tian’i Jehovah ho ringana na holavina tanteraka ilay vahoakany.
21. Fitahiana inona avy no ho azontsika, raha mitady ny fampianaran’i Jehovah isika?
21 Mihatra amin’ny mpivavaka amin’i Jehovah ankehitriny ireo toro lalana ao ambadik’io hafatra mahery io. I Jehovah no Loharanon’ny fiainana, ary mahafantatra tsara, mihoatra noho ny olon-kafa rehetra, ny fomba tokony hampiasantsika ny fiainantsika, izy. (Salamo 36:9) Tsy mba hampijaliana antsika akory no nanomezany tari-dalana antsika, fa mba hahitantsika soa kosa. Manaiky izany ny Kristianina marina, ka mitady hampianarin’i Jehovah. (Mika 4:2) Miaro ny fifandraisantsika aminy sy ny fahasalamantsika ara-panahy ny toro lalana omeny, no sady misakana antsika tsy ho resin’ny fitaomana ratsin’i Satana. Rehefa takatsika ireo fototra iorenan’ny lalàn’Andriamanitra, dia ho hitantsika fa mampianatra antsika mba hahitantsika soa i Jehovah. Manaiky isika fa “tsy mavesatra ny didiny.” Noho izany, dia tsy ho ringana isika.—1 Jaona 2:17; 5:3.
“Mivoaha hiala any Babylona”
22. Inona no nasaina nataon’ny Jiosy nahatoky, ary inona no toky nomena azy ireo?
22 Hisy Jiosy haneho toe-po tsara ve, rehefa hianjera i Babylona? Hahay hanararaotra ny famonjen’Andriamanitra ve izy ireo, ka hody any an-tanindrazany, ary hamerina amin’ny laoniny ny fivavahana madio? Eny. Asehon’i Jehovah ao amin’ny teniny manaraka fa mino izany ny tenany. “Mivoaha hiala any Babylona; miezaha avy any amin’ny Kaldeana; torio amin’ny feo mahafaly, ary ambarao, ka aelezo hatrany amin’ny faran’ny tany, lazao hoe: Jehovah efa nanavotra an’i Jakoba mpanompony. Ary tsy nangetaheta ireo tamin’ny nitondrany azy tany an-efitra; nampiboiboika rano ho azy avy tamin’ny vatolampy Izy, eny, nampitresaka ny vatolampy Izy, ka dia nigororoana ny rano.” (Isaia 48:20, 21) Nasaina niala haingana avy tao Babylona ny vahoakan’i Jehovah, araka io faminaniana io. (Jeremia 50:8) Tsy maintsy nambara hatrany amin’ny faran’ny tany ny nanavotana azy ireo. (Jeremia 31:10) Fony niala tany Ejipta izy ireo, dia nomen’i Jehovah izay nilainy tany an’efitra. Hanome izay hilain’ny vahoakany toy izany koa izy, rehefa hiala any Babylona izy ireo ka hody.—Deoteronomia 8:15, 16.
23. Iza no tsy hahazo ny fiadanana avy amin’Andriamanitra?
Isaia 48:22) Tsy hahazo ilay fiadanana natokan’Andriamanitra ho an’ireo tia azy ny mpanota tsy mibebaka. Tsy natao ho an’ireo mikiry hanao ratsy na ireo tsy mino, ny famonjena, fa ho an’ireo manam-pinoana ihany. (Titosy 1:15, 16; Apokalypsy 22:14, 15) Tsy ho an’ny ratsy fanahy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra.
23 Misy toro lalana tena lehibe iray hafa tsy maintsy notadidin’ny Jiosy momba ny famonjen’i Jehovah. Mety hijaly noho ny vokatry ny fahotany ny olona marina, nefa tsy ho ringana. Tsy toy izany anefa ny amin’ny tsy tia ny marina. “Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy Jehovah.” (24. Inona no nahafaly ny vahoakan’Andriamanitra tamin’izao androntsika izao?
24 Tamin’ny 537 T.K., dia tena nifaly ny Isiraelita nahatoky, rehefa niala tany Babylona. Tamin’ny 1919 koa, dia niravoravo ny vahoakan’Andriamanitra, rehefa nafahana ka tsy babon’i Babylona Lehibe intsony. (Apokalypsy 11:11, 12) Feno fanantenana izy ireo, ary nahay nanararaotra ilay fahafahana hanitatra ny asany. Nila herim-po tokoa ireny Kristianina vitsy kely ireny, mba hampiasana ireo fahafahana vaovao hanitatra ny fitoriany teo anivon’ny tontolo tsy tia azy. Nampian’i Jehovah anefa izy, ka niroso nitory ny vaovao tsara. Hamarinin’ny tantara fa notahin’i Jehovah izy ireo.
25. Nahoana no tena ilaina ny mitandrina ireo didin’Andriamanitra?
25 Asongadin’iny faminanian’i Isaia iny fa mampianatra antsika mba hahitantsika soa i Jehovah. Tena ilaina ny mitandrina ireo didy marin’Andriamanitra. (Apokalypsy 15:2-4) Ho mora kokoa amintsika ny hanao izay lazain’i Jehovah fa tsara, raha tadidintsika ny fahendreny sy ny fitiavany. Natao mba hahasoa antsika ny didiny rehetra.—Isaia 48:17, 18.
[Fanontaniana]
[Efajoro/Sary, pejy 133]
Mifehy Tena Ilay Andriamanitra Tsitoha
“Ononiko ny fahatezerako, ary . . . manindry fo ny aminao Aho”, hoy i Jehovah tamin’ny Isiraelita nivadi-pinoana. (Isaia 48:9) Ny teny toy izany dia manampy antsika hahita fa tsy manampatra fahefana mihitsy i Jehovah. Tena tsy misy mahery noho Andriamanitra. Izany no iantsoantsika azy hoe Ilay faran’izay mahery, Ilay matanjaka indrindra. Tena mety ny nakany ny anaram-boninahitra hoe “Tsitoha.” (Genesisy 17:1) Tsy ny heriny ihany no tsy voafetra, fa ny fahefany koa, satria izy no Tompo Fara Tampony eo amin’izao rehetra izao noforoniny. Tsy misy àry afaka mihambo hahasakana azy na hilaza aminy hoe: “Inona no ataonao?”—Daniela 4:32.
Tsy mora tezitra anefa Andriamanitra, na dia rehefa tsy maintsy mamely ny fahavalony amin-kery aza izy. (Nahoma 1:3) Mahay ‘mifehy ny fahatezerany’ i Jehovah, ka mety ny hilazana azy hoe “tsy mora tezitra”, satria ny fitiavana no toetrany lehibe indrindra, fa tsy ny fahatezerana. Marina foana sy ara-drariny foana ary voafehy tsara foana, ny fanehoany ny fahatezerany.—Eksodosy 34:6; 1 Jaona 4:8.
Nahoana i Jehovah no manao izany? Satria hainy ny mampifandanja tsara ny heriny tsitoha amin’ireo toetrany fototra telo hafa: fahendrena sy rariny ary fitiavana. Mifanaraka amin’ireo toetra hafa ireo foana ny fampiasany hery.
[Sary, pejy 122]
Nanome fanantenana an’ireo Jiosy nahatoky tany an-tsesitany ny hafatr’i Isaia momba ny fampodiana azy ireo
[Sary, pejy 124]
Nolazain’ny Jiosy fa ireo sampy no nanao ireo zavatra nataon’i Jehovah
1. Ishtar 2. Biriky malambolambo misy sary, teo amin’ny Lalan’ny Filaharam-be tany Babylona 3. Dragona mampiseho an’i Mardoka
[Sary, pejy 127]
Ahariharin’ny “memy fahoriana” raha tsara ny antony manosika antsika hanompo an’i Jehovah
[Sary, pejy 128]
Niaritra ny fanenjehana feno habibiana indrindra ny Kristianina marina