Angonin’i Jehovah sy Omeny Fitaovana ny Vahoakany ho Amin’ny Asa Hotontosaina
Angonin’i Jehovah sy Omeny Fitaovana ny Vahoakany ho Amin’ny Asa Hotontosaina
Araka ny fandehan’ireo taonjato, dia niely nanerana ny tany manontolo ny fivadiham-pinoana. Ireo fiangonana maro dia nitahiry sasantsasany tamin’ireo fampianaran’ny Baiboly, kanefa ny notandreman’izy ireo indrindra dia lovantsofin’olombelona sy fanao maro be avy tamin’ny mpanompo sampy. Tamin’ny ankapobeny dia nailika ny fiandrasana ny fiverenan’i Kristy. — Ampitahao amin’ny Matio 13:24-30, 37-43.
Nilaza ny amin’ny tokony hiambenana hatrany ho amin’ny fiverenany anefa i Jesosy! Nanaraka an’io torohevitra io ny antokon’olona iray tany Allegheny, any Etazonia. Teo am-piandohan’ireo taona 1870, i Charles Taze Russell sy ny sasantsasany tamin’ireo namany dia nandalina ny Baiboly tamin’ny saina tsy miangatra, nahakasika ny fiverenan’i Kristy. Nanomboka nitady ny fahamarinana ara-baiboly momba ny fampianarana fototra hafa maro koa izy ireo. Tamin’izany no nanombohan’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny. — Matio 24:42.
Nanjary takatr’io antokon’olona io fa ny fampianarana ny amin’ny Trinite dia tsy misy fototra araka ny Baiboly mihitsy, fa i Jehovah irery ihany no Andriamanitra tsitoha sady Mpamorona, fa i Jesosy Kristy no zavaboariny voalohany, Zanany lahitokana, ary ny fanahy masina dia hery miasan’Andriamanitra tsy hita maso fa tsy andriamanitra. Takatr’ireny olona ireny koa fa mety maty ny fanahy fa tsy hoe tsy mety maty, fa ny fitsanganana amin’ny maty no fanantenana ho an’ny maty ary ny sazy voatokana ho an’ny ratsy fanahy tsy mibebaka dia ny fanafoanana fa tsy ny fampijaliana mandrakizay.
Noheverina ho foto-pampianarana araka ny Baiboly ny nanoloran’i Jesosy ny ainy ho avotra ho an’ny olombelona. Voalohany indrindra, dia lehilahy sy vehivavy 144 000, nofidina raha vao tamin’ny taonjato voalohany ka hatramin’izao androntsika izao, no tokony havotana avy amin’ny tany mba ho tonga mpiray lova amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakana any an-danitra. Faharoa manaraka izany, ny avotra naloan’i Kristy dia hanome fahafahana ho an’ny olona an’arivo tapitrisany maro hahatratra ny fahatanterahana, mba hahafahana hiaina mandrakizay eto an-tany eo ambany fanapahan’io Fanjakana io. Olona hatsangana amin’ny maty ny ankamaroan’izany maro be izany.
Fantatr’i Russell sy ireo namany koa fa ny fanatrehan’i Kristy dia tsy ho hita maso, amin’ny fanahy (esprit). Tokony hifarana tamin’ny 1914 ny Andron’ny Jentilisa, izay vanim-potoana tsy nisian’ny fitondram-panjakana teto an-tany nampiseho ny fiandrianan’Andriamanitra. Amin’izay, ny Fanjakan’Andriamanitra dia haorina any an-danitra. Mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao ireo fampianarana ireo.
I Russell sy ireo namany dia nanambara ireo fahamarinana ireo hatraiza hatraiza tamin’ny alalan’ny lahateny sy ny zavatra vita an-tsoratra. Tamin’ny Jolay 1879, i Russell dia namoaka ny nomerao voalohany tamin’ny Tilikambon’i Ziona (Ny Tilikambo Fiambenana amin’izao andro izao). Nanapa-kevitra izy fa ny asa fitorian’ny Mpianatra ny Baiboly dia hiankina tanteraka amin’ireo fanomezana an-tsitrapo ary tsy hisy fanantazan-drakitra mihitsy. Afa-tsy izany koa, ny hafatra dia hampahafantarina ny maro amin’ny alalan’ny fiezahana an-tsitrapo fa tsy handraisan-karama, ataon’ny mpino. Ny tenan’i Russell koa aza dia nanolotra ho fanomezana ny vola azony hatreo tamin’ny fandraharahana nataony.
Ireo Mpianatra ny Baiboly dia nahaforona kilasy, araka ny niantsoana tamin’izany ny kongregasionan’izy ireo. Nivory hatramin’ny intelo isan-kerinandro izy ireo mba hihaino lahateny, hianatra ny Soratra Masina sy hanao fivoriana fanaovana fanambarana. Nisy lehilahy nampiseho fahaiza-mandray andraikitra nofidin’izy ireo tsy tapaka ho loholona ary nanara-maso ny asa ara-panahin’ny kilasy tsirairay avy.
Tamin’ny 1884, tany Pennsylvanie (Etazonia)
dia naorina ho fikambanana ara-dalàna tsy mikendry ny hahazoam-bola ny Zion’s Watch Tower Tract Society. Tokony hofidina isan-taona ny prezidàn’io fikambanana io. Io fiasana ara-pitsarana io, izay tsy niankina velively tamin’ny faharetam-pahaveloman’ny lehilahy iray, dia hampandroso ny asa fampianarana ny Baiboly. Nofidina ho prezidà i Charles Taze Russell ary noheverina ho toy ny foiben’io fikambanana io ny biraony.Nisy fiezahana mafy natao mba hanitarana ny asa tany amin’ny tany hafa. Tonga tany Kanada sy Angletera izany tamin’ny fiandohan’ireo taona 1880. Tamin’ny 1891, dia nandeha tany Eoropa sy tany Moyen-Orient i Russell mba hahitana ny fomba fampielezana ny fahamarinana tao amin’ireo tany ireo. Teo am-piandohan’ireo taona 1900, ny Fikambanana Watch Tower dia nanokatra sampana tany Grande-Bretagne, tany Alemaina sy tany Aostralia.
Tamin’ny 1909, ny birao foiben’ny Fikambanana dia nafindra tany Brooklyn (Etazonia) mba hanitarana ho iraisam-pirenena ny asa fitoriana. Nanjary nilaina ny hanorenana fikambanana fanampiny nofehezin’ny lalàn’ny fanjakan’i New York, dia fikambanana fantatra amin’izao andro izao amin’ny anarana hoe Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc. Tamin’ny 1914, ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena dia naorina tany Londres, any Angletera, ho fampandrosoana ny asan’ny Mpianatra ny Baiboly nanerana ny Commonwealth Britanika. Amin’izao fotoana izao, dia fikambanana maherin’ny 100 voaorina ara-dalàna no miasa ho an’ny tombontsoan’ny Fikambanana Watch Tower any amin’ny tany maro eo amin’izao tontolo izao. Ireny fikambanana rehetra ireny dia natao hampisehoana fitiavana ny mpiara-belona, ka tohanana amin’ny fanomezana an-tsitrapo sy ny mpiasa tsy terena.
Maty i Charles Taze Russell tamin’ny 1916. Nandimby azy tamin’ny naha prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower i Joseph Franklin Rutherford. Teo amin’ny faramparan’ny Ady Lehibe Voalohany, dia nosedraina mafy ireo Mpianatra ny Baiboly, ka nahatratra ny fara heriny izany fanenjehana izany tamin’ny fampidirana an-tranomaizina tamin’ny fomba tsy ara-drariny ny rahalahy valo nanankinana ny andraikitra tao amin’ny foiben’ny Fikambanana tany Amerika. Toa notandindomin-doza ny asan’ny Mpianatra ny Baiboly. Tamin’ny 1919 anefa, dia nalefa sy nafahana tamin’ny fiampangana ireo kristianina ireo; tamin’izay dia nanomboka nahita fandrosoana lehibe kokoa ny asa fitoriana.
Tamin’ny alalan’ny foiben’ny Fikambanana, ny fitambaran’ireo kristianina voahosotra, Mpianatra ny Baiboly, dia tsy nitsahatra nanome sakafo ara-panahy tamin’ny fotoana nety ho an’izay rehetra niaraka tamin’ny fandaminana. Sahala amin’ny kongregasionan’ny Kristianina voahosotra tamin’ny taonjato voalohany nahaforona ny “mpanompo mahatoky sy malina” nolazain’i Jesosy, ny antoko voahosotra amin’ny Mpianatra ny Baiboly koa, izay nirotsaka hanao ny asan’ilay Fanjakana, dia mahaforona ny kilasin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” amin’izao androntsika izao. Rehefa tonga mba hizaha ny kongregasiona i Jesosy dia nahita an’io kilasy io teo am-pizarana ny sakafo ho an’ireo mpiasa tao amin’ny ankohonany; notendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra àry izy. — Matio 24:45-47, New World Translation; Lioka 12:42.
Fotoana fohy taorian’ny Ady Lehibe Voalohany, dia nanjary niharihary fa ny Fanjakan’Andriamanitra sy Kristy dia naorina tany an-danitra tamin’ny 1914. Afaka nahita ny fahatanterahany feno àry ireto tenin’i Jesosy manaraka ireto: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; ary avy eo dia ho tonga ny farany.” I Joseph Rutherford dia nanao izay rehetra azony natao mba hitondrana io hafatra momba ilay Fanjakana io any amin’ny olona maro kokoa ihany. — Matio 24:14, NW.
Noho izany, dia tapa-kevitra ny Fikambanana fa hanana ny fanontam-pirintiny, ka hisy olona nanolo-tena ho an’Andriamanitra an-tsitrapo hiasa, mba ho azo antoka ny famoahana foana boky momba ny Baiboly amin’ny sarany ambany indrindra. Ny Mpianatra ny Baiboly rehetra dia nampirisihina mba handray anjara tsy tapaka amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. Tany amin’ny tany sasany, dia nisy fandefasana lahateny momba ny Baiboly tao amin’ny radio.
Talohan’ny 1918, dia takatr’ireo Mpianatra ny Baiboly fa ny zava-kendrena amin’ny fitorian’izy ireo dia ny hanangonana ny sisa amin’ireo voahosotra voantso ho eo anilan’i Kristy Jesosy any an-danitra sy hampiomanana izao tontolo izao ny amin’ny fitsaran’i Jehovah ho avy. Tsy nisy firesahana firy ny amin’ny fanangonana ireo ho tafita velona amin’ny faran’ny fandehan-javatra izay hiaina eto an-tany. Nanomboka tamin’ny 1918 anefa, ilay lahateny nitondra ny lohateny hoe “Olona An-tapitrisany Maro Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy!” dia natao tany amin’ny toerana maro.
Tamin’ny 1923, ny fianarana nifototra tamin’ny fanoharana nataon’i Jesosy momba ny ondry sy ny osy (Matio 25:31-46) dia nampiharihary fa alohan’i Haramagedona, dia hisy olona tia ny fahamarinana tsy voantso ho ao amin’ny Fanjakana any an-danitra, hahazo koa ny fankasitrahan’Andriamanitra ka ho voavonjy ny ainy amin’i Haramagedona. Tamin’ny 1935, ny fianarana hafa iray dia nampahafantatra an’ireny “ondry” ireny ho ny olona betsaka tsy tambo isaina voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:9-17. Hangonina avy any amin’ny firenena rehetra ireo ary hanana fahatsinjovana ny ho tafita velona amin’ny Fahoriana Lehibe ka hahazo ny fiainana mandrakizay eto an-tany. Izany fanazavana izany dia nanome fampirisihana vaovao sy nahery ho an’ny asa fitoriana. — Jaona 10:16.
Tamin’ny 1931 ireo Mpianatra ny Baiboly dia nandray ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. Teo aloha izy ireny dia fantatra ho Mpianatra ny Baiboly, Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena, Mpino ny Fanombohan’ny Fanjakana Arivo Taona, sy Mpikambana ao amin’ny Watch Tower. Nomena anaram-bosotra hoe “Russellistes” sy “Rutherfordistes” aza izy ireny. Tsy nisy na dia iray monja aza tamin’ireo fitenenana ireo tena nampahafantatra azy ireny marina. Raha nihatra tsara tamin’izy ireo ny anarana hoe Kristianina nomena an’ireo mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany noho ny fitondran’Andriamanitra, io anarana io dia nampiasain’ny antokon’olona maro hafa koa izay nanaraka fampianaran-diso. Mba
hanavahana azy ireny tamin’ireo Kristianina anarana an-tapitrisany maro, dia nilain’izy ireny ny anarana iray nampahafantatra azy ireny niavaka ho tena mpianatr’i Kristy amin’izao androntsika izao.Ny fianarana ny Soratra Masina dia nanaporofo mazava fa toy ny niantsoan’i Jehovah ny firenen’ny Isiraely hoe vavolombelony, dia toy izany koa fa mety ny nandraisan’ny vahoakan’i Jehovah amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra, izay vahoaka nanolo-tena mba hampahafantatra ny anaran’i Jehovah sy ny fikasany, ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. Io anarana io dia tena nampiavaka tokoa ireo Kristianina mpivavaka marina amin’i Jehovah tamin’izay rehetra nihambo ho Kristianina amin’izao andro izao. — Salamo 83:18; Isaia 43:10-12.
Tamin’ny 1942, tao anatin’ny Ady Lehibe Faharoa, dia maty i Joseph Rutherford. Nandimby azy i Nathan Knorr tamin’ny naha prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower azy. Nasehon’ireo faminaniana niharihary fa aorian’ny ady dia hisokatra ny vanim-potoam-pandriampahalemana sy fahafahana voafetra, amin’izay ny asa fitoriana dia hitatra be, alohan’ny fahataperan’ny fandehan-javatra ankehitriny. Tamin’ny Febroary 1943, dia naorina ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower ho fampiofanana minisitra manontolo andro ho amin’ny asa misionera any an-tany hafa. Tatỳ aoriana kely, tamin’io taona io ihany, dia nisy fampianarana manokana ho amin’ny fanompoana nanampy ny fandaharana isan-kerinandro tamin’ireo fivoriana fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Tamin’ny 1950, ny Fikambanana dia nanomboka namoaka nifampitohy ny New World Translation of the Holy Scriptures (Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao). Izany dia fandikana ny Baiboly amin’ny teny anglisy maoderina avy amin’ireo soratra azo nampiasaina tamin’ireo fiteny tany am-boalohany. Io fandikan-teny araka ny marina io, izay mora azo sy navoakan’ny fanontam-pirintin’ny Fikambanana tamin’ny vidiny mirary, dia nilaina tokoa teo amin’ny asa fitoriana. Amin’izao andro izao, dia 101 tapitrisa mahery aminy no navoaka tamin’ny fiteny 30 mahery.
Tamin’ny 1999, dia efa ho enina tapitrisa ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah mpitory marisika tany amin’ny tany sy nosy maherin’ny 230. Tamin’io taona io ihany, ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy dia nahavory mpihaino maro be mbola tsy nisy toy izany mihitsy tany amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah niisa 89 985, izany hoe olona 14 088 751.
Ny amin’ny hoe ampiasain’Andriamanitra tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah, dia miharihary amin’ny tsy fitsaharan’ny asan’izy ireo, ny firaisan-tsainy maneran-tany, ny zotom-pony hiaro ny anaran’i Jehovah sy hitory ny Fanjakany, ny foto-pitsipika ara-pitondran-tena madio arahiny, ny fanajany ny Baiboly manontolo, izay heveriny ho Tenin’Andriamanitra tsy mety diso, ary ny nanafahany tena tamin’ny finoanoam-poana sy ny spiritisma.
Ireo toko manaraka dia hilaza aminao ny fomba handraisan-tsoa avy amin’izany famerenana amin’ny laoniny ny fanompoam-pivavahana marina amin’Andriamanitra izany.
• Foto-pampianarana inona avy no nampiavaka ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ireo fiangonana hafa?
• Dingana inona avy no nataon’ny Mpianatra ny Baiboly eo amin’ny lafiny fandaminana, hatreo amin’ny 1918?
• Ahoana no azo ilazana fa io antokon’olona Mpianatra ny Baiboly voahosotra io no nahaforona “ny mpanompo mahatoky sy malina” voalazalaza ao amin’ny Matio 24:45-47, NW?
• Fanazavana inona momba ny fikasan’Andriamanitra no nanome fampirisihana vaovao sy mahery ho an’ny fanitarana ny asa fitoriana?
• Miasa ho an’ny fikasana inona moa ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah?
• Inona avy no porofo manamarina fa tena mampiasa ny Vavolombelon’i Jehovah tokoa Andriamanitra?
[Sary, pejy 8]
Charles Russell tamin’ny 1879
Nomerao tamin’ny Jolay 1879
Antoko-mpianatra ny Baiboly voalohany tany Pittsburgh
[Sary, pejy 9]
Ny foiben’ny Fikambanana tany Pittsburgh, 1889-1909
Ireo birao lehibe indrindra tany Brooklyn, 1909-1918
Fonenan’ireo mpikambana niasa tao amin’ny foibe tany Brooklyn, 1909-1926
[Sary, pejy 10]
Foibe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn
Eo ambony, ankavia: Trano misy ireo birao
Eo ambony, ankavanana: Trano fonenana
Eo ambany, ankavia: Ny fanontam-pirinty
Eo ambany, ankavanana: Foibe fandefasana entana
[Sary, pejy 11]
Fandraisan’i Joseph Rutherford anjara tao amin’ny fampielezam-peo
Milina rotativa voalohany an’ny Fikambanana Watchtower ampiasain’ny mpiasa an-tsitrapo
Ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao avoaka ankehitriny amin’ny fiteny 30 mahery