Toko 1
Hafatr’i Jehovah Taloha sy Ankehitriny
1, 2. Ahoana no ataon’ny olona sasany mba hitadiavana harena? Inona anefa no hanampy anao hanana fiainana mahafinaritra?
EFA hatry ny ela ny olona maro no naniry hahita harena nafenina, ary angamba ianao efa namaky tantaran’olona nitrandraka harena toy izany. Mety tsy hanao toa azy ireny ianao, nefa ahoana raha mahita harena tokoa ianao? Azo antoka fa ho afa-po ianao, raha toa izany harena izany ka hahatonga ny fiainanao ho tsara sy hahafinaritra ary hahomby kokoa!
2 Mety tsy hitrandraka harena any ambanin’ny tany ny ankamaroan’ny olona, nefa toy ny mitady harena ihany izy ireo rehefa mikatsaka fahasambarana. Miezaka mafy hanam-bola, ohatra, izy ireo, ho salama tsara, ary ho sambatra am-panambadiana. Tsy hita any ambanin’ny tany anefa izany harena izany, sady tsy misy sarintany manondro ny toerana misy azy. Tsy mora koa ny mitady izany. Maro àry no faly rehefa mahazo torohevitra, izay manampy azy hanatratra ny tanjony sy hanana fiainana mahafinaritra sady mahomby kokoa.
3, 4. Aiza no ahitanao torohevitra mahasoa eo amin’ny fiainana?
3 Eo am-pelatananao izany torohevitra mahasoa izany, ary efa nanampy ny hafa ho sambatra. Maro no nahita fa ny Baiboly no mirakitra ny torohevitra mahasoa indrindra eo amin’ny fiainana. Hoy i Charles Dickens, mpanoratra anglisy: ‘Io no boky tsara indrindra amin’izay rehetra efa nisy na mbola hisy eto an-tany, satria
manome ny tari-dalana tsara indrindra ho an’ny olombelona.’4 Miombon-kevitra amin’izany izay rehetra mino fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Ekenao angamba ny voalazan’ny 2 Timoty 3:16 hoe: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana.” Ao amin’ny Baiboly no ahitana ny torohevitra manampy ny olona hiatrika ny olana eto amin’ity tontolo ity. Afaka ny hanana fiainana mahafinaritra sy mahomby kokoa izay manaiky ny tari-dalan’izy io.
5-7. Boky aiza ao amin’ny Baiboly no mety hitadiavanao tari-dalana mahasoa?
5 Boky aiza ao amin’ny Baiboly anefa no tonga ao an-tsainao, raha mitady torohevitra toy izany ianao? Ny Toriteny teo An-tendrombohitra ve? Misy ny torohevitra mahasoa nomen’i Jesosy momba ny fiainana andavanandro ao. Sa ireo boky nosoratan’ny apostoly Paoly? Sa ny Salamo sy ny Ohabolana, izay ahitana torohevitra feno fahendrena? Mahasoa daholo ny boky ao amin’ny Baiboly, raha ny marina, na inona na inona toe-javatra misy anao na olana atrehinao. Mahasoa na dia ireo boky mirakitra tantara aza, toy ny bokin’i Josoa ka hatramin’i Estera. Misy fampitandremana ho an’izay te hanompo an’Andriamanitra amim-pifaliana ao amin’izy ireo. (1 Korintianina 10:11) Ahitana torohevitra hitari-dalana anao sy hahatonga ny fiainanao hahomby àry ireo boky rehetra ireo. Tadidio fa marina foana izao: “Izay rehetra voasoratra taloha dia nosoratana ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny alalan’ny fiaretantsika sy ny fampiononana avy ao amin’ny Soratra Masina.”—Romanina 15:4; Josoa 1:8; 1 Tantara 28:8, 9.
6 Misy ampahany amin’ny Baiboly anefa zara raha fantatry ny olona. Toy ny faritra mbola tsy nisy nahita izy ireny nefa misy harena. Tsy inona izany fa ireo boky 12 manomboka amin’ny Hosea ka hatramin’ny Malakia. Aorian’ny bokin’i Ezekiela sy Daniela izy ireo, ary alohan’ny Filazantsaran’i Matio. (Toy izao ny filaharany ao amin’ny ankamaroan’ny Baiboly: Hosea, Joela, Amosa, Obadia, Jona, Mika, Nahoma, Habakoka, Zefania, Hagay, Zakaria, ary Malakia.) Araka ny efa hitantsika, dia avy amin’Andriamanitra ny Baiboly, sady mahasoa mba hampianarana ny olona ny fomba fiaina tsara indrindra. Anisan’izany koa ve ireo boky 12?
7 Tena izany tokoa! Mirakitra harena tena mahasoa antsika ankehitriny ireo boky ireo. Misy anefa mihevitra fa tsy dia sarobidy izy ireo satria fohy kely. Izany tokoa ve anefa no izy?
TSY DIA SAROBIDY VE IREO BOKY 12?
8. a) Iza no nirahin’Andriamanitra hanome tari-dalana ny mpanompony? b) Ahoana no tokony hiheverantsika ireo boky 12?
8 Hoy ny apostoly Paoly: “Fahiny ela be, dia niteny tamin’ny razantsika tamin’ny alalan’ny mpaminany Andriamanitra. Ary imbetsaka sady tamin’ny fomba maro no nanaovany izany. Amin’izao andro farany izao kosa, dia miteny amintsika amin’ny alalan’ny Zanaka izy.” (Hebreo 1:1, 2) Andriamanitra no naniraka an’ireo mpaminany, ka tsy tokony hohamaivanintsika ny boky nosoratan’izy ireo. Marina fa fohy kely ireo boky 12, kanefa tena zava-dehibe ny ao anatiny. Mavesa-danja ny hafatra raketiny, toy ny ao amin’ny boky hafa rehetra ao amin’ny Baiboly ihany.
9. Nahoana no mbola sarobidy ihany ny boky iray na dia fohy aza?
Rota 4:17-22) Diniho koa ny bokin’i Joda, izay alohan’ny boky farany ao amin’ny Baiboly. Fohy kely izy io, ka tsy mahafeno pejy iray akory ao amin’ny Baiboly sasany. Misy fanazavana sy tari-dalana tena sarobidy anefa ao. Voaresaka ao ny nataon’Andriamanitra tamin’ny anjely ratsy. Misy fampitandremana momba ny olona mitady hanimba ny fiangonana koa ao, ary fampirisihana ny Kristianina mba hiady mafy hiaro ny finoana. Tena sarobidy àry ireo boky nosoratan’ny mpaminany 12, na dia fohy aza.
9 Tsy hoe rehefa fohy ny boky iray, dia midika izany hoe tsy dia sarobidy izy io. Fohy kokoa noho ireo boky eo alohany sy aoriany, ohatra, ny bokin’i Rota, nefa tena mampihetsi-po! Asongadin’izy io fa tokony hifikitra amin’ny fivavahana marina isika, ary sarobidy amin’i Jehovah ny vehivavy. Omeny ao koa ny tsipiriany mahaliana momba ny razamben’i Jesosy. (MIRAKITRA FAMINANIANA FOTSINY VE?
10, 11. a) Inona no mety ho tonga ao an-tsaina rehefa mandre ny teny hoe “mpaminany”? b) Inona no atao hoe “mpaminany”, rehefa jerena ny Baiboly?
10 Tsara dinihina koa ny dikan’ny hoe “mpaminany.” Ho tonga ao an-tsain’ny ankamaroan’ny olona avy hatrany angamba ny hoe mpilaza mialoha ny hoavy, dia olona mety hampiasa teny saro-pantarina nefa azo hazavaina amin’ny fomba maro samihafa. Toy izany koa no iheveran’ny olona sasany an’ireo mpaminany 12.
11 Hahita faminaniana maro be tokoa ianao rehefa hamaky an’ireo boky 12 ireo, ary momba ny fiavian’ny andro lehiben’i Jehovah ny ankamaroany. Olona mifandray akaiky amin’Andriamanitra mantsy no atao hoe “mpaminany”, ary matetika no mampahafantatra mialoha izay hitranga. Tena nilaza ny hoavy tokoa ny 1 Samoela 3:1, 11-14; 1 Mpanjaka 17:1; Jeremia 23:18; Asan’ny Apostoly 3:18; Joda 14, 15.
ankamaroan’ny mpaminany, ary i Enoka no voalohany tamin’izany.—12. Nahoana no lazaina fa tsy manambara ny hoavy fotsiny no asan’ny mpaminany?
12 Tsy hoe milaza faminaniana avy amin’Andriamanitra fotsiny anefa ny mpaminany. Matetika koa izy ireny no nampiasainy hitondra ny teniny mba hampahafantatra ny sitrapony. Tsy ho tonga ao an-tsaintsika mihitsy angamba hoe nilaza ny hoavy i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Mpaminany anefa izy ireo, araka ny Salamo 105:9-15. Nampiasain’Andriamanitra hilaza ny hoavy izy ireo indraindray. Izany, ohatra, no nataon’i Jakoba tamin’izy nitso-drano ny zanany lahy. Nampita ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fianakaviany koa anefa ireo loham-pianakaviana ireo, ka niresaka momba ny anjara asan’ny mpianakaviny tsirairay amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. (Genesisy 20:7; 49:1-28) Manampy antsika hahafantatra ny dikan’ny hoe “mpaminany” koa ny asan’i Arona. Natao hoe mpaminanin’i Mosesy izy satria mpitondra teny, na “vava” ho an’i Mosesy.—Eksodosy 4:16; 7:1, 2; Lioka 1:17, 76.
13, 14. a) Porofoy fa tsy nilaza faminaniana fotsiny ireo mpaminany. b) Inona no soa azontsika rehefa mamaky ireo boky nosoratan’ny mpaminany?
13 Diniho koa i Samoela sy Natana mpaminany. (2 Samoela 12:25; Asan’ny Apostoly 3:24; 13:20) Nasain’i Jehovah nilaza ny hoavy izy ireo, nefa koa nasainy nanao zavatra hafa. Nampirisika ny Israelita hiala amin’ny fanompoan-tsampy, ohatra, i Samoela mpaminany, ary nanasa azy ireo hiverina amin’ny fivavahana madio. Nanambara tamin’i Saoly Mpanjaka ny didim-pitsaran’Andriamanitra koa izy, ary nilaza fa sarobidy kokoa amin’i Jehovah ny mankatò noho ny manao sorona. Anisan’ny asan’i Samoela koa àry ny nilaza ny fomba fiaina eken’Andriamanitra. (1 Samoela 7:3, 4; 15:22) Ary i Natana? Nilaza mialoha izy fa hanorina tempoly i Solomona ary ho mafy orina ny fanjakany. (2 Samoela 7:2, 11-16) Nankany amin’i Davida koa anefa izy ka nilaza taminy ny fahotany, dia ny nijangajangany tamin’i Batseba sy ny namonoany an’i Oria. Tsy hay hadinoina mihitsy ny fanoharana nataon’i Natana tamin’izay, momba ny mpanankarena naka ny ondrivavy kelin’ilay mahantra! Anisan’ny asan’i Natana koa ny nandamina ny andraikitr’ireo nanompo tao amin’ny toerana masin’Andriamanitra.—2 Samoela 12:1-7; 2 Tantara 29:25.
14 Tsy tokony hihevitra àry isika fa faminaniana, na filazana ny hoavy, fotsiny no ao amin’ireo boky 12. Resahin’izy ireo koa ny fomba fiaina tian’Andriamanitra hananan’ny vahoakany tamin’izany fotoana izany sy tiany hananantsika ankehitriny. Matoky isika fa tena mahasoa sady manampy ny olona hanana ny fomba fiaina tsara indrindra ny Baiboly, anisan’izany ireo boky 12. Ahitantsika tari-dalana mahasoa ao amin’izy ireo, izay manampy antsika “hisaina tsara sy hanao izay mahitsy ary hahafoy tena ho an’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, eto amin’ity tontolo ankehitriny ity.”—Titosy 2:12.
TENA MAHASOA IREO BOKY 12
15, 16. a) Inona no hita ao amin’ireo boky 12? b) Inona avy ny sary an’ohatra ao amin’ireo boky ireo?
15 Maro be ny soa raisintsika rehefa mamaky ny Tenin’Andriamanitra. Mirakitra tantara ny boky sasany ao, ny hafa kosa tononkalo, kanefa samy sarobidy izy ireo. Tantara manana heviny an’ohatra kosa no misongadina ao amin’ny boky hafa, toy ny ao amin’ireo boky 12. Niresaka zavatra voatantara ao amin’ny bokin’i Jona, ohatra, Matio 12:39-41.
i Jesosy rehefa nilaza hoe: “Mitady famantarana foana ny taranaka ratsy fanahy sy mpanitsakitsa-bady, nefa tsy hisy famantarana homena azy afa-tsy ilay famantarana ny amin’i Jona mpaminany. Fa tahaka ny nitoeran’i Jona telo andro sy telo alina tao an-kibon’ilay trondro goavana, no hitoeran’ny Zanak’olona telo andro sy telo alina ao an-kibon’ny tany koa. Hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity mandritra ny fitsarana ny mponin’i Ninive ka hanameloka azy, satria nibebaka izy ireo rehefa nitory taminy i Jona. Misy lehibe noho i Jona anefa eto.”—16 Voatantara ao amin’ny bokin’i Jona ny zavatra nataon’Andriamanitra tamin’i Jona, sy ny fitoriany tany Ninive, ary ny vokatry ny nanambarany ny fampitandreman’Andriamanitra. Tsy nihevitra an’io boky io ho tantara fotsiny anefa i Jesosy Kristy. Takany hoe sary an’ohatra mifanitsy amin’ny fahafatesany sy ny fananganana azy amin’ny andro fahatelo, ny zava-nitranga tamin’i Jona. Ankoatra izany, dia tsy nitovy mihitsy ny nataon’ny Ninivita sy ny ankamaroan’ny Jiosy. Nanaiky ny fitorian’i Jona mantsy ny Ninivita, fa nanda ny fitorian’i Jesosy sy ny fahagagana nataony kosa ireo Jiosy. (Matio 16:4) Ahitana faminaniana, na sary an’ohatra mifanitsy amin’izay ataon’Andriamanitra amin’ny vahoakany ankehitriny, àry ao amin’ireo boky 12. Tena mahaliana sy mahasoa ny mianatra momba azy ireny. *
17. Hifantoka amin’inona ity boky ity?
17 Tsy hanazava an’ireo sary an’ohatra ao amin’ny bokin’i Jona na ao amin’ireo boky 11 hafa anefa ity boky ity. Tsy hamakafaka isan’andininy an’ireo boky ireo koa Titosy 2:12; Joela 2:1; 2 Timoty 3:1) Hahita valiny mahafa-po ianao ato, ary hahita andinin-teny mbola tsy nampiasainao mihitsy tamin’ianao nanome torohevitra ny hafa, nefa hanjary hankamaminao. Ho maro kokoa àry ny andinin-teny fantatrao.—Lioka 24:45.
izy ity, fa hifantoka kosa amin’izay azontsika ampiharina eo amin’ny fiainana andavanandro. Eritrereto àry ireto fanontaniana ireto: ‘Inona no torohevitra mahasoa omen’i Jehovah ahy ao amin’ireo boky 12 ireo? Ahoana no anampian’ireo ahy “hisaina tsara sy hanao izay mahitsy ary hahafoy tena ho an’Andriamanitra eo amin’ny fiainako, eto amin’ity tontolo ankehitriny ity”? Koa satria “ho avy ny andron’i Jehovah, sady efa akaiky”, inona no resahin’ireo boky ireo momba ny fomba fiaina sy ny fitondran-tena kristianina, ny fiainam-pianakaviana, ary ny zavatra tokony hatao amin’izao fotoan-tsarotra izao?’ (18. Lazao ny mombamomba an’ity boky ity. Ahoana no andraisanao soa avy amin’izany?
18 Misy fizarana efatra ato amin’ity boky ity. Ataovy topy maso ny fizarana tsirairay alohan’ny hamakianao azy. Hisy efajoro roa hanampy anao hitadidy izay nianaranao, isaky ny toko. Misy fanontaniana ao amin’ireo efajoro ireo, ka hanampy anao hisaintsaina an’izay novakinao sy ny fomba hampiharana izany ary ny soa ho Matio 13:8, 9, 23; 15:10; Lioka 2:19; 8:15) Ny efajoro faharoa kosa hanampy anao hisaintsaina sy hitadidy tsara izay novakinao tao amin’ny tapany farany amin’ilay toko. Ianaro tsara àry ireo efajoro ireo, fa tena hanampy anao handray soa avy amin’izay ianaranao.
azonao. Eo amin’ny antsasaky ny toko no misy ny efajoro voalohany. Diniho tsara ireo fanontaniana ao mba ho latsa-paka ao am-ponao izay zavatra ianaranao. (19. Inona no tokony hoeritreretinao alohan’ny hianarana an’ireo boky 12?
19 Alohan’ny hianaranao an’ity boky ity, dia eritrereto izay efa fantatrao momba ireo boky 12. Iza no nampanoratin’Andriamanitra an’ireo hafatra ireo, ary olona nanao ahoana izy ireo? Oviana izy ireo no velona, ary inona no zava-nitranga tamin’ny fotoana naminaniany? (Tena hanampy anao ilay tabilao eo amin’ny pejy 20 sy 21, ka jereo matetika rehefa mianatra ianao.) Inona no hafatra nampitainy, ary nahoana izany no tena nilaina tamin’izany fotoana izany? Nahoana izany no manampy anao hahatakatra ny toe-javatra nisy tamin’izany? Hovaliana ao amin’ny toko manaraka ireo fanontaniana lehibe ireo.
^ feh. 16 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 2006, pejy 20-29, sy ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1997, pejy 6-22, ary ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1996, pejy 8-22, izay mamakafaka ny bokin’i Hagay sy Zakaria.