Hiaina any An-danitra sa Eto An-tany ny Vahoaka Be?
Toko 12
Hiaina any An-danitra sa Eto An-tany ny Vahoaka Be?
TSY mitovy amin’ny Kristianina Anarana ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah, satria manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany, fa tsy any an-danitra. Nahoana?
Tsy izany foana no zava-nisy. Fanantenan’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny hiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy any an-danitra. (Matio 11:12; Lioka 22:28-30) Niteny anefa i Jesosy fa “ondry vitsy” ihany no handova ilay Fanjakana. (Lioka 12:32) Iza no ho anisan’izany? Ho firy ny isany? Tatỳ aoriana vao fantatra ny tsipiriany.
Voahosotry ny fanahy masina mba ho mpiara-mandova amin’i Kristy, ireo Jiosy mpianatr’i Jesosy voalohany, tamin’ny Pentekosta taona 33. Hita tamin’ny asan’io fanahy io, tamin’ny taona 36, fa hahazo amin’ilay lova koa ny Jentilisa tsy voafora. (Asa. 15:7-9; Efes. 3:5, 6) Afaka 60 taona taorian’io indray vao fantatry ny apostoly Jaona fa 144 000 ireo halaina eto an-tany, mba hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra.—Apok. 7:4-8; 14:1-3.
Nanantena izany koa i Charles Russell sy ny namany ary ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ireo taona 1930. Hitany tao amin’ny Soratra Masina fa ny hoe voahosotry ny fanahy masina, dia midika hoe ho mpanjaka sy mpisorona miaraka amin’i Kristy any an-danitra, sady manana asa manokana atao mandritra ny fahavelomana eto an-tany. (1 Pet. 1:3, 4; 2:9; Apok. 20:6) Inona izany? Fantany tsara sady noresahiny matetika ny Isaia 61:1, manao hoe: “Ny Fanahin’i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra.”
Inona no zava-kendren’ilay fitoriana?
Vitsy izy ireo nefa niezaka nilaza tamin’ny olona ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy ny fikasany. Nanao pirinty sy nizara boky maro be izy ireo, mba hilazana ny vaovao tsara momba ny famonjena amin’ny alalan’i Kristy. Tsy ny hanova ny finoan’ny olona nitoriany anefa no nokendren’izy ireo. Nahoana àry izy ireo no nitory? Hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) Jolay 1889: “[Solontenan’i Jehovah] eto an-tany isika. Tsy maintsy hamarinina ny voninahitry ny anarany, eo anatrehan’ny fahavalo sy ireo zanany maro voafitaka. Tsy maintsy ampahafantarina ny fikasany be
voninahitra, mba hanoherana ny tetika foronin’ireo olon-kendrin’ity tontolo ity.”Noheverina manokana ireo nilaza ho vahoakan’ny Tompo, mbola tany amin’ny Kristianisma Anarana. Inona no antony nitoriana tamin’izy ireny? Matetika ny Rahalahy Russell no nanazava hoe tsy zava-kendren’ny Mpianatra ny Baiboly voalohany ny hitarika ireo mpivavaka ho amin’ny fivavahana hafa, fa ny hanampy azy kosa ho anisan’ilay hany fivavahana marina, ka hanatona kokoa an’Andriamanitra. Fantatry ny Mpianatra ny Baiboly anefa fa tsy maintsy mivoaka ao amin’i “Babylona” ireny olona ireny, araka ny Apokalypsy 18:4. Io Babylona io, dia ny Kristianisma Anarana sy ny fampianarany tsy araka ny Soratra Masina, ary ny fizarazarany. Hoy ny Rahalahy Russell, tao amin’ny nomerao voalohany tamin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) Jolay 1879: “Heverinay fa ny ‘Haka olona ho an’ny anarany’ no zava-kendren’ny fitoriana ankehitriny, dia ny Fiangonana hiaraka amin’i Kristy amin’ny fiaviany, ary handray ny anarany. Apok. iii. 12.”
Takatr’izy ireo fa iray ihany ny “fiantsoana” ho an’ny Kristianina marina rehetra tamin’izany. Izany dia ny fanasana ireo 144 000 ho anisan’ny vadin’i Kristy. (Efes. 4:4; Apok. 14:1-5) Niezahany notairina ireo nilaza ho nino ny soron’i Kristy, na mpivavaka tamin’ireo fiangonana izy na tsia, mba hahatakatra ny “fampanantenana sarobidy sady tena lehibe” nomen’Andriamanitra. (2 Pet. 1:4; Efes. 1:18) Niezahany koa ny hampirisika azy ireny hazoto hanaraka ny zavatra takina amin’ireo ondry vitsy mpandova ilay Fanjakana. Noheverina ho isan’ny “mpianakavin’ny finoana” izy ireny, satria nilaza ho nanaiky ny vidim-panavotana. Nataon’ny Rahalahy Russell sy ny namany àry izay hampaherezana azy ireny, ka nomena tao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy boky ara-baiboly hafa ny sakafo ara-panahy “amin’ny fotoana mety.”—Gal. 6:10; Matio 24:45, 46.
Nisy tamin’ireo nilaza ho “nanolo-tena” (na ‘nanolotra tanteraka ny tenany ho an’ny Tompo, araka ny fahazoana azy) anefa no nanjary tsy nahafoy tena, ka tsy zava-dehibe teo amin’ny fiainany intsony ny fanompoana ny Tompo. Nohazavaina fa vonona handa ny toetran’olombelona ny Kristianina nanolo-tena, ary nibanjina ny lova tany an-danitra; tsy tokony hisy hivadika izy; hiandry azy ny fahafatesana faharoa, raha tsy azony ny fiainana any an-danitra. (Heb. 6:4-6; 10:26-29) Nampiadan-tena kosa ny maro tamin’ireo nanolo-tena, ka tsy tena nazoto niasa ho an’ny Tompo, ary tsy nahafoy tena. Tsy nanda ny vidim-panavotana anefa izy ireo, ary nadio ihany ny fiainany. Hanao ahoana izy ireny?
Efa an-taonany ny Mpianatra ny Baiboly no nihevitra fa ny olona toy izany no tondroin’ny Apokalypsy 7:9, 14, izay miresaka momba ny “vahoaka be”, izay tafavoaka amin’ny fahoriana lehibe sy mijoro ‘eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra’ sy eo anatrehan’i Jesosy Kristy, Zanak’ondry. Ninoan’izy ireo fa na dia tsy nahafoy tena aza ireo olona ireo, dia hisy fitsapana ny finoany, izay hahafaty azy, mandritra ny fahoriana aorian’ny nanomezam-boninahitra ny farany tamin’ny vadin’i Kristy. Ninoany koa fa hatsangana ho any an-danitra ireo anisan’ny vahoaka be ireo, raha tsy mivadika amin’io fotoana io, nefa tsy ho mpanjaka fa ho eo anoloan’ny seza fiandrianana kosa. Noheverina koa fa tsy ampy ny fitiavan’ny vahoaka be ny Tompo, satria tsy ampy ny zotom-po nasehony, ka izany no nahatonga azy hahazo io toerana ambany kokoa io. Noheverina fa nateraky ny fanahy masina ireo olona ireo, nefa nanao tsirambina ny fankatoavana an’Andriamanitra, satria angamba mbola tia ny fivavahan’ny Kristianisma Anarana ihany.
Noheveriny koa fa angamba (angamba ihany) hiaina any an-danitra ihany ireo “olo-mendrika fahiny”, izay ho lasa andriana eto an-tany mandritra ny arivo taona, amin’ny faran’io fotoana io. (Sal. 45:16) Nihevitra izy ireo fa hahazo izany koa izay ‘nanolo-tena’ rehetra, rehefa voafidy daholo ireo 144 000 mpandova ilay Fanjakana, nefa alohan’ny hamerenana ny tany amin’ny laoniny. Hevitry ny Kristianisma Anarana ilay hoe ho any an-danitra daholo ny olona tsara. Nisy finoana tsy nitovian’ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny Kristianisma Anarana mihitsy anefa. Inona izany?
Fiainana mandrakizay eto an-tany ao anaty fahalavorariana
Takatr’izy ireo fa na dia hisy olona vitsy hiaina any an-danitra aza, dia ho maro lavitra kosa ireo hiaina mandrakizay eto an-tany, hanana fiainana toy ilay tany amin’ny Paradisan’i Edena. Nampianatra ny mpianany mba hivavaka i Jesosy hoe: “Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.” Hoy koa izy: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.”—Matio 5:5; 6:10.
Nisy tabilao a navoaka tao amin’ny fanampin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) Jolay-Aogositra 1881, nifanaraka tamin’izany. Nasehon’izy io fa hisy olona maro hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy, ka ho anisan’ireo “olona hahazo ny fiainana sy ho lavorary.” Nampiasaina nandritra ny taona maro io tabilao io, mba hanaovana lahateny ho an’ny besinimaro.
Hanao ahoana ny fiainan’ny olona mandritra ilay arivo taona? Hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Jolay 1912: “Ny Saha Edena no nomen’Apok. 21:4, 5.”
Andriamanitra an’ireo ray aman-drenintsika voalohany, talohan’ny nidiran’ny ota tamin’izao tontolo izao. Hibanjina ny hoavy isika, eo am-pieritreretana izany, sady tarihin’ny Tenin’Andriamanitra. Azontsika an-tsaina ilay Paradisa tafaverina, nefa tsy zaridaina fotsiny izy io, fa ny tany manontolo mihitsy no tsara tarehy sy mamokatra, ary tsy misy ota, sady feno fahasambarana. Tadidintsika amin’izay ny fampanantenana efa fantatsika tsara, dia ny hoe ‘hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana’, fa efa lasa ny zavatra taloha sy ny fahafatesana, ary natao vaovao ny zava-drehetra!—Iza no hiaina mandrakizay eto an-tany?
Tsy nieritreritra mihitsy ny Rahalahy Russell hoe nomen’Andriamanitra safidy ny olona hoe hiaina any an-danitra no tiany sa ho eto an-tany. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Septambra 1905: “Tsy ny fihetseham-po na ny faniriantsika no fiantsoana antsika. Raha izany mantsy, dia isika ihany no miantso antsika. Hoy ny Apostoly, momba ny fisoronantsika: ‘Raha misy mahazo izany voninahitra izany, dia tsy noho ny sitrapony akory, fa noho ny fiantsoan’Andriamanitra ihany.’ (Heb. 5:4) Tsy ny fihetseham-pontsika àry no itadiavana ilay fiantsoan’Andriamanitra, fa ao amin’ny Teniny, na ny fanambarany.”
Nino kosa ny Mpianatra ny Baiboly fa tsy ho tonga ilay fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, raha tsy efa mahazo ny valisoany ny ondry vitsy rehetra, ary manomboka ny arivo taona. Amin’izay no noheverin’izy ireo fa ho tonga ny fotoana “hamerenana ny zava-drehetra amin’ny laoniny”, araka ny Asan’ny Apostoly 3:21. Hatsangana mihitsy ny maty amin’izay, mba hahazo izany fitahiana izany. Ninoan’ireo rahalahy fa ho afaka hifidy ny ho velona ny olona rehetra (ankoatra ireo nantsoina ho any an-danitra). Ninoany fa amin’izay i Kristy mpanjaka any an-danitra no hanavaka ny olona, toy ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy. (Matio 25:31-46) Ho anisan’ny “ondry hafa” ireo mpankatò, na Jiosy na Jentilisa.—Jaona 10:16. b
Noheverin’izy ireo fa ho tonga haingana aorian’ny faran’ny Andron’ny Jentilisa ny famerenana amin’ny laoniny, ka nambarany, nanomboka ny 1918 ka hatramin’ny 1925 fa “Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy.” Ny olona rehetra tamin’izany, hoy izy ireo, no nety tsy ho faty ka hahita ilay famerenana amin’ny laoniny, ary hampianarina ny zavatra takin’i Jehovah mba hahazoana fiainana. Ho lavorary tsikelikely izy ireo, raha mankatò. Ho faty mandrakizay kosa izay mikomy.
Tsy takatr’ireo rahalahy tamin’izany fa hotorina be dia be sy mandritra ny taona maro be noho ny hatramin’izay ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nanohy nianatra ny Soratra Masina hatrany anefa izy ireo, ary niezaka nanao izay voalaza ao fa asa nasain’Andriamanitra nataony.
“Ondry” eo ankavanan’i Kristy
Dingana lehibe nahatakarana ny fikasan’i Jehovah miorina amin’i Jesosy, ny fanoharana momba ny ondry sy ny osy, ao amin’ny Matio 25:31-46. Hoy i Jesosy: “Rehefa tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, miaraka amin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany be voninahitra izy. Dia hangonina eo anatrehany ny firenena rehetra. Ary hanavaka ny olona izy, toy ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy. Ary hametraka ny ondry eo ankavanany izy, fa ny osy eo ankaviany.” Hita amin’ny tohin’ilay fanoharana fa ireo nanampy ny ‘rahalahin’i’ Kristy no “ondry”, ary niezaka izy ireo nanampy azy nandritra ny fanenjehana sy fanaovana am-ponja mihitsy.
Noheverina fa tanteraka io fanoharana io mandritra ilay arivo taona, fotoana famerenana amin’ny laoniny. Ilay fitsarana farany resahin’ilay fanoharana kosa, dia noheverina fa hitranga amin’ny faran’ilay Arivo Taona. Nilaza hevitra hafa noho izany anefa i J. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 1923, nandritra ny lahateniny tany Los Angeles, Kalifornia. Navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Oktobra 1923 izy io.
Niresaka momba ny fotoana hahatanterahan’io fanoharana io ilay lahatsoratra, ary nasehony fa anisan’ny valin-tenin’i Jesosy izy io, tamin’ilay fangatahana ‘famantarana ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.’ (Matio 24:3) Nomen’ilay lahatsoratra ny porofo fa tsy ny Jiosy tamin’ny andron’ny Filazantsara ireo “rahalahy”, sady tsy ny olona maneho finoana mandritra ny arivo taona fitsapana sy fitsarana. Ireo mpiara-mandova ilay Fanjakana amin’i Kristy kosa izy ireo, ka midika izany fa mbola olombelona mitafy nofo izy ireo, mandritra ny fahatanterahan’ilay fanoharana.—Ampitahao amin’ny Hebreo 2:10, 11.
Niezaka nitory tamin’ny mpitondra fivavahana sy mpivavaka tsotra teo anivon’ny Kristianisma anarana, ireo voahosotra rahalahin’i Kristy. Ny zavatra hitan’izy ireo tamin’izany koa, dia nahatonga azy hihevitra fa efa tanteraka ny faminaniana tao amin’ilay fanoharan’i Jesosy. Ahoana izany? Tsy nandray azy ireo tsara ny mpitondra fivavahana sy olona ambony teo anivon’ny fiangonana. Tsy nanome rano mamelombelona (na ara-bakiteny na tsia) izy ireo, fa nisy kosa nitarika olona handrovitra ny akanjon’ireo rahalahy sy hikapoka azy, na nangataka ny mpitondra mba hanagadra azy. (Matio 25:41-43) Maro anefa ny mpivavaka nanetry tena, faly nandray ny hafatra momba ilay Fanjakana, namelombelona an’ireo nitondra azy io, ary nanao izay azony natao mba hanampiana ireo voahosotra, izay nisy nogadraina noho ny vaovao tsara.—Matio 25:34-36.
Ninoan’ireo Mpianatra ny Baiboly fa mbola tany anivon’ny Kristianisma Anarana ireo ondry noresahin’i Jesosy. Nolazainy fa tsy nihambo ho nanolo-tena ho an’ny Tompo ireo olona ireo, nefa tena nanaja an’i Jesosy Kristy sy ny vahoakany. Afaka nijanona tao amin’ny fivavahany ve anefa izy?
Nanao zavatra hentitra ho an’ny fivavahana madio
Nanazava izany ny fianarana ny Ezekiela, boky ara-paminaniana ao amin’ny Baiboly. Navoaka tamin’ny 1931 ny boky voalohany tamin’ireo boky telo hoe Fanamarinana. Nohazavainy ny dikan’ny zavatra nosoratan’i Ezekiela momba ny fahatezeran’i Jehovah tamin’i Joda sy Jerosalema fahiny, Ezek. 8:5-18; 16:26, 28, 29; 20:32) Nitovy tanteraka izy ireo sy ny Kristianisma Anarana, ka hanatanteraka ny didim-pitsarany amin’izy io koa i Jehovah, sahala amin’ny nataony tamin’i Joda sy Jerosalema tsy nahatoky. Hisy homarihina mba hovonjena anefa, alohan’ny hanaovan’i Jehovah izany, araka ny Ezekiela toko faha-9. Iza izany?
izay nivadi-pinoana. Nilaza ho nanompo an’ilay Andriamanitra marina ny Joda, nefa nanaraka ny fombam-pivavahan’ny firenena nanodidina azy, nanolotra ditin-kazo manitra ho an’ny sampy tsy manana aina, ary niantehitra tamin’ny fifanekena ara-politika, fa tsy naneho finoana an’i Jehovah. (Lazain’ilay faminaniana fa izy ireo dia olona “misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao” eo anivon’ny Kristianisma Anarana, mifanandrify amin’i Jerosalema. (Ezek. 9:4) Tsy mandray anjara amin’ireo fahavetavetana ireo àry izy ireo. Nolazain’ny Fanamarinana, Boky I, fa olona tsy manaiky ho anisan’ny Kristianisma Anarana ireo manana ilay marika, ary azo lazaina hoe miandany amin’ny Tompo.
Noresahina tamin’ny 1932 koa ny tantaran’i Jeho sy Jonadaba ao amin’ny Baiboly, sy ireo zavatra ara-paminaniana mifanitsy aminy. Notendren’i Jehovah ho mpanjakan’ny foko folon’ny Israely i Jeho, ary hanatanteraka ny didim-pitsarany amin’ny ankohonan’i Ahaba sy Jezebela ratsy fanahy. Notsenain’i Jonadaba, zanak’i Rekaba, izy teny an-dalana hamongotra ny fivavahana amin’i Bala tany Samaria. Hoy izy tamin’i Jonadaba: “Marina va ny fonao tahaka ny foko amin’ny fonao?” “Eny”, hoy i Jonadaba. Hoy i Jeho: “Aoka isika hifandray tànana”, ary nampidiriny tao amin’ny kalesiny i Jonadaba. Hoy i Jeho, avy eo: “Andeha hiaraka amiko, ka izahao ny zotompoko ho an’i Jehovah.” (2 Mpanj. 10:15-28) Nanaiky ny zavatra nataon’i Jeho i Jonadaba, na dia tsy Israelita aza. Fantany fa i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, irery ihany no tokony hivavahana. (Eks. 20:4, 5) Mbola naneho toe-tsaina tian’i Jehovah ihany ny taranak’i Jonadaba, taonjato maro tatỳ aoriana, ka hoy i Jehovah: “Jonadaba, zanak’i Rekaba, tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay.” (Jer. 35:19) Nipoitra àry ilay fanontaniana hoe: ‘Mbola misy olona toa an’i Jonadaba ve eto an-tany, nefa tsy Israelita ara-panahy ho any an-danitra?’
Hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Aogositra 1932: “Misy olona mifanandrify amin’i Jonadaba ankehitriny. ... Tsy miaraka amin’ny fandaminan’i Satana izy ireo, fa miandany amin’ny fahamarinana, sady ho anisan’ireo hotsimbinin’ny Tompo mandritra ny Hara-magedona, harovany mandritra izany fotoan-tsarotra izany, ary homeny fiainana mandrakizay eto an-tany. Ireo no ‘ondry’ mankasitraka ny voahosotr’Andriamanitra, satria fantany fa manao ny asan’ny Tompo ireo voahosotra.” Nasaina hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana, toy ireo voahosotra, ireo manana izany toe-tsaina izany.—Apok. 22:17.
Nisy (vitsy ihany) tamin’ireo niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa, nahatsapa fa tsy nahatonga azy hanantena fiainana any an-danitra
ny fanahy masina. Nanjary nantsoina hoe Jonadaba izy ireo, satria heveriny ho tombontsoa koa ny miaraka amin’ny mpanompon’i Jehovah voahosotra, sady mahafaly azy ny mizara ny tombontsoa lazain’ny Tenin’Andriamanitra fa ho azy ireny. Ho betsaka ve ireo olona ho afaka ny tsy ho faty mihitsy, alohan’ny Hara-magedona? Mety hisy an-tapitrisany, araka ny nolazaina ve, izy ireo?Iza ireo “vahoaka be”?
Nampandrenesina fa hanao fivoriambe tany Washington ny Vavolombelon’i Jehovah, ny 30 Mey–3 Jona 1935. Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana hoe: “Mbola vitsy ny Jonadaba nanana tombontsoa hanatrika fivoriambe hatramin’izao, ary mety hampahery sy hahasoa azy ireo io fivoriambe any Washington io.” Tena marina izany.
Noresahina manokana tamin’io fivoriambe io ny Apokalypsy 7:9, 10 hoe: “Taorian’izany, dia nahita aho, ary indro, nisy vahoaka be tsy tambo isaina, avy tamin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra, nijoro teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry, nanao akanjo fotsy lava, ary nisy sampana palmie teny an-tanany. Ary niantsoantso mafy tsy an-kijanona izy ireo, nanao hoe: ‘Ny famonjena dia azontsika avy amin’Andriamanitsika, izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy avy amin’ny Zanak’ondry.’ ” Iza ireo “vahoaka be” ireo?
Tsy noheverina ho anisan’ireo ondry tao amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ny ondry sy osy izy ireo, hatramin’ny 1935. Noheverina ho antokon’olona faharoa ho any an-danitra kosa izy ireo, satria nanao tsirambina ny fankatoavana an’Andriamanitra.
Be anefa ny fanontaniana nipoitra momba izany. Noresahina tamin’ny fiandohan’ny 1935 ny sasany, nandritra ny sakafo antoandro tao amin’ny foiben’ny Fikambanana. Nisy nilaza tamin’izany fa mety ho olona ho eto an-tany ny vahoaka be. Hoy i Grant Suiter, izay lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana tatỳ aoriana: “Nanontany aho, nandritra ny fianaran’ny Betela, notarihin’ny Rahalahy T. Sullivan hoe: ‘Tsy maintsy mahatoky ve ny vahoaka be, satria hahazo fiainana mandrakizay?’ Maro no nanome valin-teny, saingy tsy nisy valiny hentitra.” Nisy valiny nahafa-po nomena anefa, ny zoma 31 Mey 1935, nandritra ilay fivoriambe tany Washington. Nipetraka teo ambonimbony ny Rahalahy Suiter, mba hijery an’ireo mpanatrika maro be, ary tena nihetsi-po izy, nandritra ilay lahateny!
Navoaka haingana tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 sy 15 Aogositra 1935 izay voalaza tamin’ilay lahateny. Nolazainy fa iray tamin’ireo hevitra nanampy, ny fahatakarana hoe tsy ny famonjena ny olona no fikasan’i Jehovah lehibe indrindra, fa ny hanamarina ny anarany (na fanamarinana ny zony hitondra, araka ny iantsoantsika azy). Ireo tsy mivadika aminy àry no ankasitrahan’i Jehovah. Tsy omeny valisoa kosa ireo
manaiky hanao ny sitrapony, nefa manala baraka ny anarany, satria manaiky ny fandaminan’ny Devoly. Takina amin’izay rehetra te hahazo sitraka amin’Andriamanitra ny tsy fivadihana.Nanamafy izany Ny Tilikambo Fiambenana hoe: “Ny Apokalypsy 7:15 no tena fototra nahafantarana ny vahoaka be. ... Lazainy ao fa ‘eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra [izy ireo], ary manompo azy.’ ... Hitan’izy ireo sady azony sy ankatoaviny ny tenin’i Jesosy, Zanak’ondrin’Andriamanitra, izay milaza aminy hoe: ‘Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina’, ary mihatra amin’ny zavaboary rehetra ankasitrahan’i Jehovah izany.” (Matio 4:10) Tsy mifanentana amin’ireo mihambo ho tia an’Andriamanitra nefa malaina hanao ny sitrapony àry, izay voalazan’ny Baiboly momba ny vahoaka be.
Ary ho any an-danitra ve ny vahoaka be? Nolazain’ny Tilikambo Fiambenana fa tsy milaza izany ny Soratra Masina. Marina fa “eo anatrehan’ny seza fiandrianana” izy ireo. Milaza koa anefa ny Matio 25:31, 32 fa angonina eo anatrehan’ny seza fiandrianan’i Kristy ny firenena rehetra, nefa etỳ an-tany ireo firenena ireo. “Mitsangana” eo anatrehan’ny seza fiandrianana ilay vahoaka, satria nahazo sitraka tamin’ilay mipetraka eo.—Ampitahao amin’ny Jeremia 35:19.
Aiza anefa no ahitana an’ireo vahoaka ireo? Avy ‘amin’ny firenena rehetra’ mantsy izy ireo, ary tsy anisan’ny Israely ara-panahy (voalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:4-8), nino ny vidim-panavotana (nanasa ny akanjony tamin’ny ran’ny Zanak’ondry), nihoby an’i Kristy Mpanjaka (misy palmie eny an-tanany, toy ilay vahoaka niarahaba an’i Jesosy Mpanjaka niditra tany Jerosalema), olona nanatona ny seza fiandrianan’i Jehovah mba hanompo azy. Nisy olona toy izany ve teto an-tany?
Apokalypsy toko fahafito. Nandritra ireo taona vitsivitsy farany, ary mandritra ilay fotoana ‘itoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity mba ho vavolombelona’, dia nihamaro ny olona manaiky an’i Jesosy Tompo ho Mpamonjy azy, sy manaiky an’i Jehovah ho Andriamaniny, izay tompoiny amim-pifaliana amin’ny fanahy sy ny fahamarinana. Antsoina hoe ‘Jonadaba’ izy ireny. Atao batisa mba ho marika koa izy ireny, ka porofoiny amin’izany fa ... niandany tamin’i Jehovah sy manompo azy sy ilay Mpanjaka voatendriny izy.”
I Jehovah ihany no nanome ny valiny, rehefa nanatanteraka ny faminaniany. Nahatsiaro ny zava-nitranga tamin’ilay fivoriambe tany Washington i Webster Roe, ka nilaza fa niteny toy izao ny Rahalahy Rutherford, tamin’ilay lahateniny: “Iangaviana ireo rehetra manantena hiaina mandrakizay eto an-tany mba hitsangana.” Nilaza ny Rahalahy Roe fa “maherin’ny antsasaky ny mpanatrika no nitsangana.” Nilaza toy izao koa Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Aogositra 1935: “Hitantsika izao ireo olona mifanitsy tsara amin’ny fanazavana momba ny vahoaka be, ao amin’nyHita tamin’izany fa anisan’ireo “ondry hafa” noresahin’i Jesosy (Jaona 10:16) ny vahoaka be lazain’ny Apokalypsy 7:9, 10; ireo no namonjy ny ‘rahalahin’i’ Kristy (Matio 25:33-40); voamarika mba hovonjena izy ireo, satria naharikoriko azy, sady nialany ny fahavetavetana ataon’ny Kristianisma Anarana (Ezek. 9:4); toa an’i Jonadaba izy ireo, ka niaraka tamin’ny voahosotr’i Jehovah mba hanao ny asa nanirahan’Andriamanitra azy (2 Mpanj. 10:15, 16). Takatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika ny vahoaka be, ka ho voatsimbina mandritra ny Hara-magedona, sady hiaina mandrakizay eto an-tany haverina ho Paradisa.
Asa maika tsy maintsy atao
Nisy akony lalina teo amin’ny asan’ny mpanompon’i Jehovah ny fahatakarany ireo andinin-teny ireo. Takany fa tsy anjarany ny mifidy sy manangona an’ireo vahoaka be, ary tsy izy ireo no hiteny amin’ny olona hoe ho any an-danitra izy sa ho eto an-tany. Ny Tompo no hitarika ny zava-mitranga, araka ny sitrapony. Manana andraikitra lehibe anefa ireo Vavolombelon’i Jehovah. Tsy maintsy mitory ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, ka hizara ny fahamarinana azon’izy ireo taminy, mba hahalalan’ny olona ny fandaharan’i Jehovah sy hahafahany hankasitraka izany.
Takatr’izy ireo koa fa asa tena maika ilay izy. Nanazava toy izao Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1936, tao amin’ireo lahatsoratra nifampitohy, nitondra ny lohateny hoe “Fanangonana ny Vahoaka Be”: “Tena tohanan’ny Soratra Masina ilay hevitra hoe handringana ny olona eto an-tany i Jehovah mandritra ny Hara-magedona, ka tsy hamonjy afa-tsy ireo nankatò ny didiny sy niaraka tamin’ny fandaminany ihany. Olona an’arivony tapitrisa fahiny no efa maty, nefa mbola tsy nandre momba an’Andriamanitra sy Kristy mihitsy. Hofohazina ireny, amin’ny fotoana mety, ka hampianarina ny fahamarinana, mba hahafahany hisafidy. Tsy mitovy amin’izany kosa ny olona velona ankehitriny. ... Tsy maintsy mandre ity vaovao tsara ity ny vahoaka be, alohan’ny andron’ilay ady lehiben’Andriamanitra Hery Fara Tampony, dia ny Hara-magedona izany. Ho tara loatra, raha efa manomboka ilay fandringanana vao ho azony ilay hafatry ny fahamarinana.”—Jereo ny 2 Mpanjaka 10:25; Ezekiela 9:5-10; Zefania 2:1-3; Matio 24:21; 25:46.
Nitombo indray ny zotom-pon’ny Vavolombelon’i Jehovah teo amin’ny fitoriana, vokatr’izany fahatakarana ny Soratra Masina izany. Hoy i Leo Kallio, izay lasa mpiandraikitra mpitety faritany tany Failandy: “Mbola tsy faly sy nazoto toy izany mihitsy aho, ary mbola tsy tsaroako ho nivoy mafy dia mafy ny bisikiletako toy izany aho, rehefa nandeha tany amin’ireo olona liana mba hilaza ilay vaovao hoe ho afaka hiaina mandrakizay eto an-tany izy ireo, noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa nasehon’i Jehovah.”
Nihamaro ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ireo dimy taona nanaraka, fa nihavitsy kosa ireo nihinana tamin’ny mofo sy divay nandritra ny
Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Tsy haingana araka ny noeritreretin’ny Rahalahy Rutherford anefa ny fahatongavan’ny vahoaka be. Efa nilaza tamin’i Fred Franz (lasa prezidà fahefatry ny Fikambanana) mihitsy izy indray mandeha hoe: “Toa tsy be araka ny noeritreretina ihany ilay ‘vahoaka be’, rehefa dinihina.” Nitombo ho an-tapitrisany anefa ny Vavolombelon’i Jehovah taorian’izay, fa nihena hatrany kosa ireo manantena ho any an-danitra.Andiany iray andrasan’ny mpiandry iray
Tsy mifandrafy ny voahosotra sy ny vahoaka be. Tsy manambany an’ireo manantena mafy ny hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany ireo manantena ho any an-danitra. Samy manaiky sy mankasitraka ny tombontsoa nomen’Andriamanitra azy avy izy ireo, sady tsy mihevitra hoe mahatonga azy ho tsara kokoa na ambany kokoa, ny toerany. (Matio 11:11; 1 Kor. 4:7) Efa nilaza tokoa i Jesosy fa ho “andiany iray” hanompo eo ambany fitarihany, izay ‘mpiandry iray ihany’, izy ireo.—Jaona 10:16.
Manazava tsara ny fiheveran’ny voahosotra rahalahin’i Kristy an’ireo vahoaka be, ny boky Fiadanana Eran-tany eo Ambany Fitondran’ilay “Andrian’ny Fiadanana” (frantsay). Hoy izy io: “Ny asa ataon’ny ‘vahoaka be’ anisan’ny ‘ondry hafa’ no tena mahatanteraka ny faminanian’i Jesosy momba ny ‘fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity’, nanomboka taorian’ny Ady Lehibe II. Manazava ny fon’izy ireo ny fahazavan’ny jiron’ireo sisa, ary ampiana izy ireo mba hampamirapiratra ny fahazavany amin’ireo mbola ao anatin’ny haizin’ity tontolo ity. ... Manjary namana tsy misaraka amin’ireo sisa amin’ny ampakarina izy ireo. ... Isaorana betsaka àry ireo ‘vahoaka be’ eran-tany sy miteny amin’ny fiteny maro, noho ny anjara asa lehibe raisiny eo amin’ny fahatanterahan’ny faminaniana momba ny Mpampakatra, ao amin’ny Matio 24:14!”
Nanjary niavaka noho ny antony hafa, ankoatra ny fahazotoana mitory, anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, anisan’izany ny vahoaka be, rehefa niara-nitory ilay vaovao be voninahitra momba ny Fanjakan’Andriamanitra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoaka tao amin’ny boky Ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra io “Tabilaon’ireo Taona” io, tatỳ aoriana.
b Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona 15 Martsa 1905, p. 88-91.
[Teny notsongaina, pejy 159]
Manantena hiaina mandrakizay eto an-tany ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah
[Teny notsongaina, pejy 161]
Finoana tsy nitovizan’izy ireo tamin’ny Kristianisma Anarana
[Teny notsongaina, pejy 164]
Fotoana fahatanterahan’ilay fanoharana momba ny ondry sy osy
[Teny notsongaina, pejy 165]
Nanjary nantsoina hoe Jonadaba izy ireo
[Teny notsongaina, pejy 166]
Fantatra mazava tamin’ny 31 Mey 1935 ny “vahoaka be”
[Teny notsongaina, pejy 170]
Iza no mifidy hoe ho any an-danitra sa ho eto an-tany?
[Efajoro, pejy 160]
Fotoana Fahatakaran-javatra
Nanoratra zava-mahaliana momba ny fahatakarana faminaniana (anisan’izany ny momba ny “vahoaka be” ao amin’ny Apokalypsy 7:9, 10) Atoa Isaac Newton, 250 taona lasa izay. Nilaza toy izao izy tao amin’ny “Fanamarihana Momba ny Faminanian’i Daniela sy ny Apokalypsy Nataon’i Md. Joany” (anglisy), navoaka tamin’ny 1733: “Tsy tokony ho azo ny Faminanian’i Daniela sy Joany, raha tsy amin’ny fotoan’ny farany: na amin’izay aza, dia hijaly sy halahelo mandritra ny fotoana maharitra ireo haminany momba izany, sady ho ao anatin’ny haizina, nefa ho vitsy ihany no ho voaovany. ... Nilaza i Daniela fa maro no hihazakazaka etsy sy eroa aorian’izay, ka hitombo ny fahalalana. Tsy maintsy torina amin’ny firenena rehetra aloha ny Filazantsara, alohan’ny fahoriana lehibe sy ny faran’izao tontolo izao. Tsy ho tonga olona tsy hita isa avy amin’ny firenena rehetra ilay vahoaka mitondra palmie hivoaka avy amin’ny fahoriana lehibe, raha tsy nisy ny fitoriana ny Filazantsara talohan’izay.”
[Efajoro/Sary, pejy 168]
Fonenan’ny Olona Mandrakizay ny Tany
Inona no fikasan’Andriamanitra ho an’ny olona?
“Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.”—Gen. 1:28.
Niova ve ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany?
‘Ny teniko tsy hiverina amiko foana, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.’—Isaia 55:11.
“Izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary ny lanitra (Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana): Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa.”—Isaia 45:18.
“Koa mivavaha toy izao ianareo: ‘Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.’ ”—Matio 6:9, 10.
“Ny mpanao ratsy hofongorana; ary izay miandry an’i Jehovah no handova ny tany. Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.”—Sal. 37:9, 29.
Hanao ahoana ny fiainana eo ambany Fanjakan’Andriamanitra?
‘Misy lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany.’—2 Pet. 3:13.
“Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony. Fa samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy; fa ny vavan’i Jehovah, Tompon’ny maro, no efa niteny.”—Mika 4:3, 4.
“Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa; fa ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany.”—Isaia 65:21, 22.
“Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho.”—Isaia 33:24.
“Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apok. 21:3, 4; jereo koa ny Jaona 3:16.
“Iza no tsy hatahotra anao, Jehovah ô, ary iza no tsy hanome voninahitra ny anaranao, satria ianao irery ihany no mahatoky? Fa ho avy hivavaka eo anatrehanao ny firenena rehetra, satria efa naseho ny didim-pitsaranao ara-drariny.”—Apok. 15:4.
[Efajoro/Sary, pejy 169]
Ireo ho any An-danitra
Firy ny olona ho any an-danitra?
“Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.”—Lioka 12:32.
“Nahita aho, ary indro, ny Zanak’ondry [Jesosy Kristy] nitsangana teo amin’ny Tendrombohitra Ziona [any an-danitra], ary nisy efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy niaraka taminy, nanana ny anaran’ny Zanak’ondry sy ny anaran’ny Rainy voasoratra teo amin’ny handrin’izy ireo. Ary nihira toa hira vaovao teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny zavamananaina efatra sy ny anti-panahy izy ireo. Ary tsy nisy nahay izany hira izany, afa-tsy ny efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy, izay novidina avy teto an-tany.”—Apok. 14:1, 3.
Jiosy daholo ve ireo 144 000?
“Ary tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy na vavy. Fa olona iray ihany tafaray amin’i Kristy Jesosy ianareo rehetra. Ary raha an’i Kristy ianareo, dia tena taranak’i Abrahama, sady mpandova araka ny fampanantenana.”—Gal. 3:28, 29.
“Tsy izay Jiosy etỳ ivelany no Jiosy, ary tsy izay voafora etỳ ivelany eo amin’ny nofo no voafora. Fa izay Jiosy ao anatiny no Jiosy, ary voafora fo izy ka ny fanahy no namorana azy, fa tsy ny fehezan-dalàna an-tsoratra.”—Rom. 2:28, 29.
Nahoana no misy asain’Andriamanitra ho any an-danitra?
“Ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo, ka hiara-manjaka aminy arivo taona.”—Apok. 20:6.
[Efajoro/Tabilao, pejy 171]
Tatitra Momba ny Fahatsiarovana
Avo zato henin’ireo nihinana sy nisotro, ny mpanatrika Fahatsiarovana, tao anatin’ny 25 taona
[Tabilao]
(Jereo ny boky)
Nihinana sy Nisotro
Nanatrika
1 500 000
1 250 000
1 000 000
750 000
500 000
250 000
1935 1940 1945 1950 1955 1960
[Sary, pejy 167]
Nisy 840 no natao batisa tamin’ilay fivoriambe tany Washington