Mamela Heloka
Tena vonona hamela heloka ve i Jehovah?
Jereo koa ny 2Pe 3:9
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Sl 78:40, 41; 106:36-46—Imbetsaka ny Israelita no nanao izay nampalahelo an’i Jehovah, nefa namela ny helony foana i Jehovah
-
Lk 15:11-32—Nasehon’i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray hoe vonona hamela heloka i Jehovah, hoatran’ilay raim-pianakaviana namela ny heloky ny zanany izay nanao fahadisoana lehibe nefa avy eo nibebaka
-
Inona no nataon’i Jehovah mba hahazoantsika famelan-keloka?
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
He 9:22-28—Nohazavain’ny apostoly Paoly hoe ny ran’i Kristy ihany no ahazoantsika famelan-keloka
-
Ap 7:9, 10, 14, 15—Noresahin’ny apostoly Jaona hoe mamela ny heloky ny “vahoaka be” Andriamanitra noho ny ra nalatsak’i Kristy
-
Raha tiantsika hamela ny helotsika i Jehovah, inona no tsy maintsy ataontsika rehefa misy manota amintsika?
Mt 6:14, 15; Mr 11:25; Lk 17:3, 4; Jk 2:13
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Jb 42:7-10—Nasain’i Jehovah nivavaka ho an’izy telo lahy nanaratsiratsy azy aloha i Joba, izay i Jehovah vao nanasitrana sy nitahy azy
-
Mt 18:21-35—Nilaza fanoharana iray i Jesosy mba hampisehoana fa tena ilaina ny mamela ny heloky ny hafa raha tiantsika ho voavela ny helotsika
-
Nahoana no ilaina ny miaiky heloka sy mibebaka?
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Sl 32:1-5; 51:1, 2, 16, 17—Torotoro fo sy kivy i Davida Mpanjaka satria nanao fahotana lehibe. Nibebaka tamin’ny fony manontolo anefa izy
-
Jk 5:14-16—Nilaza i Jakoba hoe tokony hanatona anti-panahy isika raha nanao fahotana lehibe
-
Inona avy ny fiovana tsy maintsy ataontsika raha tiantsika havelan’i Jehovah ny helotsika?
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
1Mp 21:27-29; 2Ta 18:18-22, 33, 34; 19:1, 2—Rehefa nomelohina i Ahaba Mpanjaka dia nanetry tena. Tsy nibebaka tamin’ny fony manontolo anefa izy ka tsy navelan’i Jehovah ny helony, ary novonoina ho faty izy tatỳ aoriana
-
2Ta 33:1-16—Nanao zavatra tena ratsy be dia be i Manase Mpanjaka. Namela ny helony anefa i Jehovah rehefa tena nibebaka izy. Tena niova izy satria niezaka nanafoana ny fanompoan-tsampy sy nanampy ny vahoaka hanompo an’i Jehovah indray
-
Ahoana no ahitana hoe tena vonona hamela ny helok’izay mibebaka amin’ny fo manontolo i Jehovah?
Sl 103:10-14; Is 1:18; 38:17; Je 31:34; Mi 7:19
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
2Sa 12:13; 24:1; 1Mp 9:4, 5—Nanao fahotana lehibe i Davida Mpanjaka, nefa namela ny helony i Jehovah satria nibebaka izy. Lehilahy tsy nivadika no fahitan’i Jehovah azy tatỳ aoriana
-
Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe vonona hamela heloka hoatran’i Jehovah koa izy?
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Mt 26:36, 40, 41—Resin-tory ny mpianatr’i Jesosy tamin’i Jesosy tena nila an-dry zareo. Tsara fanahy anefa izy dia niaiky hoe reraka be ry zareo
-
Mt 26:69-75; Lk 24:33, 34; As 2:37-41—Nanda an’i Jesosy intelo i Petera, nefa nibebaka izy dia namela ny helony i Kristy. Niseho tamin’i Petera koa i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, ary nanankinan’i Jesosy andraikitra lehibe teo anivon’ny fiangonana izy
-
Ahoana no ahafantarantsika hoe tsy mamela ny heloky ny olona rehetra i Jehovah?
Mt 12:31; He 10:26, 27; 1Jn 5:16, 17
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Mt 23:29-33—Nampitandrina ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo i Jesosy hoe raha tsy miova ry zareo dia homelohina ho any amin’ny Gehena, izany hoe haringana mandrakizay
-
Jn 17:12; Mr 14:21—Nantsoin’i Jesosy hoe “ilay zanaky ny fandringanana” i Jodasy Iskariota, ary nolazainy hoe tsara kokoa ho an’io mpamadika io raha tsy teraka akory
-
Inona no hanampy ny Kristianina mba ho vonona hamela heloka?