Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

SIERRA LEONE SY GUINÉE

Karatry ny Fivoriambe no Natao Pasipaoro

Karatry ny Fivoriambe no Natao Pasipaoro

HOY i Everett Berry, misionera taloha: “Olona 1 000 mahery no nanatrika ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra ‘Matokia An’i Jehovah’ tao Guékédou, any Guinée, tamin’ny 1987. Teo akaikin’ny sisin-tanin’i Sierra Leone sy Liberia io toerana io, ka maro tamin’ny olona avy any amin’ireo tany ireo no nikasa ny hody isan-kariva. Tsy nanana pasipaoro ahafahana mivezivezy anefa izy ireo. Nifanaraka tamin’ireo mpanara-maso ny sisin-tany àry ireo rahalahy tompon’andraikitra hoe aleo ny karatry ny fivoriambe no atao solona pasipaoro. Navelan’ny polisy mpiambina sisin-tany handeha ireo rahalahy, raha vao hitany ny karatra volondaoranjy teny aminy.”

Nazoto homana ireo rahalahy tany amin’io fivoriambe io