Mandainga Ireo Demonia Rehefa Milaza fa Velona Ireo Maty
Milaza ny Baiboly fa “mamitaka ny tany onenana manontolo” i Satana. (Apokalypsy 12:9, MN ). Tsy tian’i Satana sy ireo demoniany ny hinoantsika ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly. Miezaka ny hampino ny olona fa hoe velona any ho any any amin’ny faritra ara-panahy izy ireo. Aoka hojerentsika ny fomba anaovany izany.
Ny fivavahan-diso
Mampianatra ny fivavahana maro fa ny olona tsirairay dia manana fanahy (âme) izay mifindra mankany amin’ny faritra ara-panahy aorian’ny hahafatesan’ny vatana ara-nofo. Milaza izy ireo fa ny vatana dia maty fa ny fanahy (âme) kosa dia tsy maty. Ambonin’izany, dia manantitrantitra izy ireo fa ny fanahy (âme) dia tsy mety maty, izany hoe tsy iharan’ny fahafatesana.
Tsy mampianatra izany anefa ny Tenin’Andriamanitra. Mampiseho ny Baiboly fa ny fanahy (âme) dia ilay persona mihitsy, fa tsy zavatra ao anatin’ny persona iray akory. Ohatra, rehefa milazalaza ny amin’ny namoronana an’i Adama ny Baiboly dia manambara hoe: “Ary i Jehovah Andriamanitra nanao ny olona avy tamin’ny vovoka avy amin’ny tany, ary nitsoka fofonaina mahavelona tao amin’ny vavorony izy, ary tonga fanahy [âme] velona ny olona.” (Genesisy 2:7, MN ). Tsy nomena fanahy (âme) àry i Adama; fanahy izy.
Antsoina hoe fanahy (âme) koa ny biby. — Genesisy 1:20, 21, 24, 30, MN.
Koa satria ny teny hoe “fanahy [âme]” ao amin’ny Baiboly manondro ilay persona mihitsy, dia tsy tokony hahagaga antsika ny mianatra fa ny fanahy (âme) dia mety maty ary tena maty tokoa. Hoy ny Soratra masina:
-
“Ny fanahy [âme] izay manota no ho faty.” — Ezekiela 18:4.
-
“Ary i Samsona nanao hoe: ‘Aoka hiara-maty amin’ny Filistina ny fanahiko [âme].” — Mpitsara 16:30, MN.
-
“Inona no araka ny lalàna ny fanaovana azy amin’ny sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy, ny mamonjy sa ny mamono fanahy [âme] iray?” — Marka 3:4, MN.
Misy andinin-teny hafa mampiseho fa ny fanahy (âme) dia azo fongorana (Genesisy 17:14, MN ), vonoana amin’ny sabatra (Josoa 10:37, MN ), kendaina (Joba 7:15) ary atao maty an-drano (Jona 2:5). Araka izany àry, dia maty ny fanahy (âme).
Raha mamaky ny Baiboly hatrany am-boalohany ka hatrany amin’ny farany ianao, dia tsy hahita mihitsy ny fitenenana hoe “fanahy (âme) tsy mety maty”. Tsy fanahy (esprit) akory ny fanahy (âme) olombelona. Tsy fampianarana ao amin’ny Baiboly ny fampianarana ny amin’ny fanahy (âme) tsy mety maty. Fampianaran’i Satana sy ireo demoniany izy io. Halan’i Jehovah ny lainga ara-pivavahana rehetra. — Ohabolana 6:16-19; 1 Timoty 4:1, 2.
Ireo mihambo ho mahay mifandray amin’ny maty
Ny fomba hafa iray amitahan’i Satana ny olona dia amin’ny alalan’ireo mihambo ho mahay mifandray amin’ny maty. Ny olona iray mihambo ho mahay mifandray amin’ny maty dia afaka mandray hafatra avy any amin’ny tontolo ara-panahy mivantana. Olona maro be, anisan’izany ireo mihambo ho mahay mifandray amin’ny maty mihitsy, no mino fa avy amin’ny fanahy (esprits) an’ireo maty ireny hafatra ireny. Nefa, araka ny hitantsika tao amin’ny Baiboly teo, dia tsy afaka ny ho izany no izy. — Mpitoriteny 9:5, 6, 10.
Avy amin’iza àry ireny hafatra ireny? Avy amin’ireo demonia mihitsy! Afaka mandinika ny olona iray mandritra ny fahavelomany ireo demonia; fantatr’izy ireo ny fomba firesaky ny olona iray, ny fisehoany, ny nataony ary koa ny zavatra fantany. Mora ho azy ireo àry ny manahaka ireo olona maty. — 1 Samoela 28:3-19.
Tantara tsy marina
Ny fomba hafa iray koa hampandrosoan’i Satana ny lainga momba ireo maty dia amin’ny alalan’ny tantara tsy marina. Ireny tantara ireny matetika dia mampihodina ny olona tsy hanaraka ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. — 2 Timoty 4:4, MN.
Atsy Afrika, dia misy angano maro be momba ny olona izay hita velona taorian’ny nahafatesany. Ny mampiavaka ireny toe-javatra ahitana azy ireo ireny dia ny fitrangany any amin’ny toerana lavitra ny niainan’ilay olona. Manontania tena anefa: ‘Toa mifanaraka amin’ny azon’ny saina ekena ve ny hiverenan’ny olona iray any amin’ny toerana lavitra ny misy ny fianakaviany sy ny namany, raha toa izy ka manana ny hery hiverenana avy any amin’ny misy ireo maty?’
Ary koa, tsy mety ho olona nitovy tamin’ilay olona maty fotsiny ve ilay hitany? Ohatra, ny kristiana roa nanao ny asa fitoriana tany ambanivohitra dia nahamarika rangahy antitra iray nanaraka azy ireo efa nandritra ny ora maro. Rehefa nanontany azy izy ireo, dia nilazan’io lehilahy io fa noheveriny fa ny rahalahiny izay maty taona vitsivitsy talohan’izay, hono, ny iray tamin’ireo mpitory ireo. Mazava ho azy fa diso hevitra izy, nefa tsy nety nino fa diso hevitra ny tenany. Alao sary an-tsaina ny tantara nolazain’io rangahy antitra io tatỳ aoriana tamin’ny namany sy ny mpiray tanàna taminy!
Fahitana, nofy ary feo
Tsy isalasalana fa mahafantatra ny amin’ireo zavatra hafahafa hitan’ny olona, na reny, na nonofisiny, ianao. Ireny zavatra mitranga tsy araka ny natiora ireny mazàna dia mampitahotra ireo iharany. I Marein, nonina tatsy Afrika Andrefana, dia nahare tsy tapaka ny feon’ny renibeny efa maty niantso azy tamin’ny alina. Isaky ny nitranga izany, dia raiki-tahotra i Marein ka nikiakiaka mafy ary nanaitra ny ankohonany manontolo. Tamin’ny farany izy dia nanjary very saina.
Izao àry, raha tena velona tokoa ireo maty, mifanaraka amin’ny azon’ny saina ekena ve ny hanaovany izay haharaiki-tahotra ireo olon-tiany? Mazava ho azy fa tsy izany mihitsy. Ny loharanon’ireny hafatra manimba ireny dia ireo demonia.
Ahoana anefa ny amin’ireo hafatra izay toa mahasoa ary mitondra fampiononana? Ohatra, i Gbassay, vehivavy iray avy any Sierra Leone, dia narary. Tao amin’ny nofy iray nonofisiny, dia niseho taminy ny rainy efa maty. Nasainy nankany amin’ny hazo iray izy, naka ravinkazo iray, nampifangaro izany tamin’ny rano ary nisotro izany. Tsy nahazo niresaka ny amin’izany tamin’iza na iza talohan’ny nahavitany izany izy. Nataony avokoa izany ary dia sitrana izy.
Ny vehivavy hafa iray dia nilaza fa niseho taminy ny vadiny indray alina taorian’ny nahafatesany. Nilaza io vehivavy io fa tsara erỳ ny fisehoan’ny vadiny izay nanao fitafiana tsara tarehy.
Salamo 31:5). Na oviana na oviana izy tsy hanaiky ny hanambaka na hamitaka antsika. Ireo demonia ihany no manao izany.
Toa tsara sy mahasoa ny hafatra sy fahitana toy izany. Avy amin’Andriamanitra ve izy ireny? Tsia. I Jehovah dia “Andriamanitry ny fahamarinana.” (Kanefa misy demonia tsara ve? Tsia. Na dia toa miseho ho manampy aza izy ireo indraindray, dia ratsy avokoa izy rehetra. Rehefa niresaka tamin’i Eva ny Devoly, dia niseho ho tsara fanahy. (Genesisy 3:1). Kanefa inona no nanjo an’i Eva rehefa avy nihaino azy sy nanaraka izay nolazainy izy? Maty izy.
Fantatrao fa tsy hoe tsy mahazatra ho an’ny olona ratsy iray ny ho tsara fanahy amin’ireo izay tiany hofitahina sy hofetsena. “Nify fotsy, fo mainty”, hoy ny ohabolana afrikana iray. Ary ny Tenin’Andriamanitra dia manao hoe: “Ny tenan’i Satana dia tsy mitsahatra mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava.” — 2 Korintiana 11:14, MN.
Tsy mifandray amin’ny olona eto an-tany amin’ny alalan’ny nofy, ny fahitana na ny feo avy any amin’ny tontolo ara-panahy intsony Andriamanitra. Mitarika sy manome toromarika azy ireo amin’ny alalan’ny Baiboly, izay afaka mahatonga ny olona iray “ho ampy fitaovana tanteraka ho amin’ny asa tsara rehetra”, izy. — 2 Timoty 3:17, MN.
Noho izany, raha mampitandrina antsika amin’ny fitaky ny Devoly i Jehovah, dia noho izy tia antsika. Fantany fa fahavalo mampidi-doza ireo demonia.