FIZARANA 5
Ny Fanompoan’i Jesosy Tany Atsinanan’i Jordana
“Maro no nino an’i Jesosy.”—Jaona 10:42
ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY
TOKO 82
Ny Fanompoan’i Jesosy Tany Pere
Nohazavain’i Jesosy tamin’ny mpihaino izay ilaina hatao mba ho voavonjy. Tena nilaina tamin’izany ny toroheviny. Ary ankehitriny?
TOKO 83
Fanasana Hisakafo
Nilaza fanoharana momba ny fanasambe tamin’ny sakafo hariva i Jesosy, tao amin’ny Fariseo iray. Inona no lesona lehibe nampitainy tamin’izay?
TOKO 84
Andraikitra Lehibe ny Manara-dia An’i Jesosy
Andraikitra lehibe ny manara-dia an’i Kristy. Nohazavain’i Jesosy izay tafiditra amin’izany. Tafintohina ny olona sasany rehefa nandre ny teniny.
TOKO 85
Fifaliana Noho Ilay Mpanota Nibebaka
Nokianin’ny Fariseo sy mpanora-dalàna i Jesosy satria nifandray tamin’ny sarambabem-bahoaka. Nasehony tamin’ny fanoharana ny fiheveran’Andriamanitra ny mpanota.
TOKO 86
Niverina Ilay Zanaka Very
Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ilay zanaka adala?
TOKO 87
Miezaha ho Malina ka Tsinjovy ny Hoavy
Tsy nampoizina ny lesona nampitain’i Jesosy tamin’ilay fanoharana momba ny mpitantana iray fetsy sy tsy nanao ny marina.
TOKO 88
Ny Fiovana teo Amin’ilay Mpanankarena sy Lazarosy
Mila fantarina aloha ny mifanitsy amin’i Lazarosy sy ilay mpanankarena, izay vao hazava ilay fanoharan’i Jesosy.
TOKO 89
Nampianatra tao Pere i Jesosy Tamin’izy ho any Jodia
Nasongadiny ny toetra hanampy antsika hamela heloka, na dia misy manota imbetsaka amintsika aza.
TOKO 90
“Fananganana ny Maty sy Fiainana”
Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa nilaza izy fa “tsy ho faty mihitsy” izay maneho finoana azy?
TOKO 91
Natsangana Tamin’ny Maty i Lazarosy
Tsy afaka nanda ny mpanohitra an’i Jesosy hoe tena nisy io fahagagana io, noho ny antony lehibe roa.
TOKO 94
Tena Ilaina ny Mivavaka sy Manetry Tena
Nasongadin’i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray ny toetra iray tena sarobidy.
TOKO 95
Ny Fisaraham-panambadiana sy ny Fitiavana ny Ankizy
Tsy nitovy mihitsy ny fiheveran’i Jesosy ny ankizy sy ny fiheveran’ny mpianany azy ireny. Nahoana?
TOKO 96
Namaly ny Fanontanian’ny Tovolahy Iray Mpanankarena i Jesosy
Nahoana i Jesosy no nilaza fa ho mora kokoa ny hidiran’ny rameva ao amin’ny vodifanjaitra, noho ny hidiran’ny mpanankarena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra?
TOKO 97
Fanoharana Momba Ireo Mpiasa tao An-tanimboaloboka
Ahoana no hahatonga ny voalohany ho farany ary ny farany ho voalohany?
TOKO 98
Te ho Ambony Indray Ireo Apostoly
Tsy i Jakoba sy Jaona ihany no te hahazo toerana manokana ao amin’ilay Fanjakana.
TOKO 99
Nanasitrana Jamba sy Nanampy An’i Zakaiosy i Jesosy
Toa tsy mifanaraka ny fitantaran’ny Baiboly ny nanasitranan’i Jesosy jamba iray tany akaikin’i Jeriko. Ahoana no ampifanarahana azy ireo?
TOKO 100
Ilay Fanoharana Momba ny Farantsa Folo
Inona no tian’i Jesosy holazaina amin’ny hoe: “Izay manana dia homena bebe kokoa, ary izay tsy manana, na izay ananany aza halaina aminy”?