Fampidirana ny Fizarana 13
Tonga tetỳ an-tany i Jesosy mba hanome ny ainy hamonjena ny olona tsy lavorary. Nandresy an’izao tontolo izao izy, na dia maty aza. Tsy nivadika tamin’io Zanany io àry i Jehovah ka nanangana azy. Nanetry tena foana i Jesosy, sady tia nanampy olona sy namela heloka, mandra-pahafatiny. Niseho tamin’ny mpianany izy rehefa natsangana, dia nasainy nanao asa tena lehibe anankiray ry zareo. Raha manan-janaka ianao, dia resaho aminy hoe faly isika fa afaka manao an’io asa io koa amin’izao fotoana izao.
ATO AMIN’ITY FIZARANA ITY
LESONA 87
Ny Sakafo Harivan’ny Tompo
Nanome toromarika tena lehibe ho an’ny apostoly i Jesosy, tamin’ilay Sakafo Harivan’ny Tompo.
LESONA 88
Nosamborina i Jesosy
Nitarika vahoaka nitondra sabatra sy kibay nankao amin’ny Zaridainan’i Getsemane i Jodasy Iskariota. Tonga hisambotra an’i Jesosy ry zareo.
LESONA 89
Nanda An’i Jesosy i Petera
Inona no nitranga teo an-tokotanin’i Kaiafa? Ary inona no nitranga tamin’i Jesosy tao an-trano?
LESONA 91
Natsangana Tamin’ny Maty i Jesosy
Inona no zava-mahagaga nitranga taorian’ny namonoana an’i Jesosy?
LESONA 93
Niverina Nankany An-danitra i Jesosy
Talohan’i Jesosy hiakatra ho any an-danitra, dia nisy zava-dehibe noteneniny tamin’ny mpianany.