Tsy Hijaly Intsony ve Isika Indray Andro Any?
Mieritreritra ve ianao hoe...
-
tsy hijaly intsony?
-
mbola hijaly foana?
-
mety tsy hijaly intsony?
INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?
“Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra ... ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo na fitarainana na fahoriana intsony.”—Apokalypsy 21:3, 4, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.
INONA NO VOKATR’IZANY EO AMINAO?
Matoky fa tsy avy amin’Andriamanitra ny olana mahazo antsika.—Jakoba 1:13.
Faly mahalala hoe miara-miory amintsika Andriamanitra.—Zakaria 2:8.
Manantena fa tsy hisy intsony ny fijaliana rehetra.—Salamo 37:9-11.
TENA AZO INOANA VE IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY?
Eny! Ireto misy antony roa:
-
Tsy tian’Andriamanitra ny fijaliana sy ny tsy rariny. Nanao ahoana i Jehovah Andriamanitra rehefa nisy nampijaly ny vahoakany fahiny? Milaza ny Baiboly fa nalahelo izy noho ny nataon’ireo “nampijaly” azy ireo.—Mpitsara 2:18, Fandikan-teny Katolika.
Tezitra amin’izay mampijaly ny hafa Andriamanitra. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa halany “ny tanana mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny.”—Ohabolana 6:16, 17, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.
-
Mikarakara antsika tsirairay Andriamanitra. Samy mahafantatra ny zavatra mampijaly azy ny tsirairay, ary mahafantatra an’izany koa i Jehovah.—2 Tantara 6:29, 30.
Kely sisa i Jehovah dia hanala ny fijalian’ny olona, amin’ny alalan’ny Fanjakany. (Matio 6:9, 10) Efa mampahery an’izay tena te hifandray aminy anefa izy ankehitriny.—Asan’ny Apostoly 17:27; 2 Korintianina 1:3, 4.
FANONTANIANA HOSAINTSAININA
Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny fijaliana?
Mamaly izany ny Baiboly ao amin’ny ROMANINA 5:12 sy 2 PETERA 3:9.