REHEFA MAMPIANATRA
LESONA 10
Aoka Ianao ho Tapa-kevitra Hanampy
Torolalana: “Tapa-kevitra [izahay] hoe tsy ny vaovao tsaran’Andriamanitra ihany no homenay anareo, fa na ny ainay koa aza. Tena maminay mantsy ianareo.”—1 Tes. 2:8.
Ahoana no nataon’i Jesosy?
1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Jaona 3:1, 2. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:
-
Nahoana no nety kokoa tamin’i Nikodemosy ny nandeha tany amin’i Jesosy tamin’ny andro alina?—Jereo ny Jaona 12:42, 43.
-
Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe tapa-kevitra ny hanampy ny olona hanara-dia azy izy?
Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?
2. Tapa-kevitra ny hanampy ny olona hanara-dia an’i Jesosy isika satria tia azy ireo.
Tahafo i Jesosy
3. Ataovy amin’ny fotoana sy toerana mety amin’ilay mpianatrao ny fianarana. Mety hisy andro na ora mety kokoa aminy ao anatin’ny herinandro. Any am-piasanany ve, sa any an-tranony, sa any amin’ny toerana be olona izy no hahazo aina kokoa rehefa mianatra? Raha azo atao dia ovao arakaraka izay ilain’ny mpianatrao ny fandaharam-potoananao.
4. Aza tapatapahina ny fianarany. Raha tsy ho eo ianao, dia aza foanana ny fianarany. Eritrereto kosa izao:
-
a. Afaka mampianatra azy amin’ny fotoana hafa ve ianao amin’iny herinandro iny ihany?
-
b. Afaka mampianatra azy amin’ny alalan’ny telefaonina na vidéoconférence ve ianao?
5. Mivavaha mba hanana toe-tsaina tsara. Angataho i Jehovah mba hanampy anao tsy ho kivy amin’ny mpianatrao, na dia tsy afaka mianatra matetika aza izy na elaela izy vao mampihatra. (Fil. 2:13) Azo antoka hoe manana toetra tsara be dia be ny mpianatrao, dia angataho i Jehovah mba hanampy anao hifantoka amin’izany.