Fanondroana Sary
Sary Araka Ny Pejy Misy azy
Fonony Paoly, Tabita, Galio, Lioka, ireo apostoly sy mpiambina ny tempoly, Sadoseo, Paoly sy ny miaramila nanatitra azy ho any Kaisaria, fitoriana ampiasana grafofaonina sy fiara misy fanamafisam-peo.
Pejy 1 Paoly misy rojo vy, sy Lioka, eny ambony sambo ho any Roma.
Pejy 2, 3 Rahalahy J. Barr sy T. Jaracz, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, eo amin’ny sarintanin’izao tontolo izao.
Pejy 11 Maniraka ny apostoliny 11 sy ny mpianatra hafa i Jesosy, eo amin’ny tendrombohitra iray any Galilia.
Pejy 14 Miakatra eny amin’ny lanitra i Jesosy ary mibanjina azy ny apostoly.
Pejy 20 Miteny amin’ny fitenin’ireo vahiny tao Jerosalema ny mpianatra, tamin’ny Pentekosta.
Pejy 36 Apostoly mijoro eo anatrehan’i Kaiafa tezitra be. Mpiambina ny tempoly, vonona hisambotra raha vao mahazo baiko avy amin’ny Fitsarana Avo.
Pejy 44 Ambany: Nendrikendrehin’ny fitsarana tany Alemaina Atsinanana ho mpitsikilon’ny Amerikanina ny Vavolombelon’i Jehovah, taorian’ny Ady Lehibe II.—Gazetiboky Neue Berliner Illustrierte, 3 Oktobra 1950.
Pejy 46 Nampangaina teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy i Stefana. Sadoseo mpanankarena no erỳ lavidavitra, ary Fariseo nafana fo tafahoatra ireo eo ambany kokoa amin’ny sary.
Pejy 54 Petera mametra-tanana amin’ny mpianatra vaovao. Simona kosa ilay mihazona kitapo kely misy vola madinika.
Pejy 75 Miditra ny tranon’i Kornelio i Petera sy ireo niaraka taminy. Hita amin’ilay lamba manokana eo an-tsoroka havian’i Kornelio fa manamboninahitra mifehy miaramila 100 izy.
Pejy 83 Anjely mitari-dalana an’i Petera. Tao amin’ny Tilikambon’i Antonia angamba ilay fonja nisy an’i Petera.
Pejy 84 Ambany: Rotaka tany akaikin’i Montréal, any Québec, tamin’ny 1945.—Gazety Faran’ny Herinandro (anglisy), Jolay 1956.
Pejy 91 Noroahina hiala tao Antiokia any Pisidia i Paoly sy Barnabasy. Lakan-drano namatsy rano ny tanàna ilay tazana lavidavitra, ary angamba namboarina teo am-piandohan’ny taonjato voalohany.
Pejy 94 Tsy nanaiky hodokadokafana i Paoly sy Barnabasy tany Lystra. Matetika ny fanaovana sorona ampahibemaso no nampientanentana sy be tabataba ary nasiana mozika.
Pejy 100 Ambony: Mampahery ny fiangonana any Antiokia any Syria, i Silasy sy Jodasy. (Asa. 15:30-32) Ambany: Mpiandraikitra ny faritra manao lahateny any Ogandà.
Pejy 107 Nivory tany an-tranon’olona ny fiangonana tao Jerosalema.
Pejy 124 Paoly sy Timoty eny ambony sambo romanina. Misy tilikambo fanilon-tsambo eny lavitra.
Pejy 139 Mandositra vahoaka mirotaka i Paoly sy Silasy, eo amin’ny tokotany iray misy vavahady.
Pejy 155 Miteny mafy an’ireo mpiampanga an’i Paoly i Galio. Mifanentana amin’ny toerana ambony tanany ilay akanjo fotsy misy sisiny lehibe volomparasy sy ilay karazana kiraro anaovany.
Pejy 158 Miresaka amin’ireo mpanefy volafotsy tao Efesosy i Demetrio. Amidy mba hatao fahatsiarovana ireo tempoly kelin’i Artemisy.
Pejy 171 Mankao an-tsambo i Paoly sy ireo namany. Tazana lavidavitra ilay Tsangambaton-tseranana Lehibe, izay naorina tamin’ny taonjato voalohany T.K.
Pejy 180 Ambany: Rahalahy tanora mampiditra an-tsokosoko boky ara-baiboly, rehefa voarara tany Kanada ny bokintsika taorian’ny 1940. (Tsy tena izy.)
Pejy 182 Nilefitra i Paoly ka nanaraka ny tenin’ireo anti-panahy. Mipetraka erỳ lavidavitra i Lioka sy Timoty, izay nanampy tamin’ny fanaterana an’ireo vola fanomezana.
Pejy 190 Zanak’anabavin’i Paoly miresaka amin’i Klaodio Lysia ao amin’ny Tilikambon’i Antonia. Tao angamba ny fonja nisy an’i Paoly. Tazana avy ao ny tempolin’i Heroda.
Pejy 206 Mivavaka ho an’ireo mpandeha efa reraka i Paoly, ao amin’ny lakalin-tsambo.
Pejy 222 Paoly mifatotra rojo vy amin’ny miaramila romanina, ary mitazana ny ilany amin’ny tanànan’i Roma.