1-7 Febroary
NEHEMIA 1-4
Hira 126 sy Vavaka
Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Tena Tian’i Nehemia ny Fivavahana Marina”: (10 min.)
[Alefaso ilay video Fampidirana ny Bokin’i Nehemia.]
Ne 1:11–2:3: Tian’i Nehemia handroso tsara ny fivavahana marina, ary izay no tena nahafaly azy (w06 1/2 9 § 7)
Ne 4:14: Tsy kivy i Nehemia na dia nisy nanohitra aza ny fivavahana marina, satria nitadidy an’i Jehovah foana izy (w06 1/2 10 § 3)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)
Ne 1:1; 2:1: Ahoana no ahalalantsika fa mitovy ihany ireo “taona faharoapolo” ao amin’ny Nehemia 1:1 sy 2:1? (it “Fitopolo Herinandro” § 1-12)
Ne 4:17, 18: Tanana ilany fotsiny ve dia hahavita hiasa, amin’ilay fanorenana? Hazavao. (w06 1/2 9 § 1)
Inona no ianarako momba an’i Jehovah, amin’ny famakiana Baiboly amin’ity herinandro ity?
Ary inona ny hevitra azoko ampiasaina amin’ny fanompoana?
Famakiana Baiboly: Ne 3:1-14 (4 min. na latsaka)
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Omano ny Fitoriana Amin’ity Volana Ity: (15 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso tsirairay ireo video misy fomba fitory modely, ary iaraho midinika ny hevi-dehibe. Asongadino izay nataon’ilay mpitory mba ho mora aminy ny hanao fiverenana mitsidika. Ampirisiho ny mpitory hamorona fomba fitory mety aminy.
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Miomàna Dieny Izao mba Hanao Mpisava Lalana Mpanampy Amin’ny Martsa na Aprily: (15 min.) Fiaraha-midinika. Miresaha hevitra avy ao amin’ilay lahatsoratra hoe: “Ataovy Mahafinaritra ny Vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana.” (km 2/14 2) Hamafiso fa ilaina ny mandamina mialoha. (Oh 21:5) Manadinadìna mpitory roa efa nanao mpisava lalana mpanampy: Inona ny zava-tsarotra tsy maintsy nitadiavany vahaolana? Ary inona no nahafaly azy ireo?
Fianarana Baiboly: ia toko 8 § 1-16 (30 min.)
Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)
Hira 135 sy Vavaka