NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Ny Olona Rehetra Mihitsy no Asao Hanatrika Fahatsiarovana!
Hanao ezaka manokana isika manomboka amin’ny 27 Febroary, ka hanasa olona betsaka araka izay azo atao ao amin’ny faritanintsika, mba hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Raha vao liana ilay olona, na dia kely aza, dia ataovy izay hitsidihana azy.
INONA AVY NO AZONAO ATAO?
ATOLORY ILAY FANASANA
“Mizara an’ity fanasana ity izahay, satria misy fotoan-dehibe iray tianay hanasana anao. Olona an-tapitrisany eran-tany no hiaraka hivory, amin’ny 23 Martsa, mba hahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. Hisy lahateny ara-baiboly amin’io, hanazava hoe inona ny soa azontsika, noho i Jesosy maty ho antsika. Efa voalaza ato ny ora sy ny toerana hanaovana an’izany. Maimaim-poana ilay izy. Mba tongava raha afaka ianao.”
Raha liana ilay olona, dia...
-
ATOLORY NY TILIKAMBO FIAMBENANA
Mametraha fanontaniana hovaliana amin’ny manaraka.
-
ASEHOY ILAY VIDEO MOMBA NY FAHATSIAROVANA
Mametraha fanontaniana hovaliana amin’ny manaraka.
Rehefa miverina ianao, dia...
-
ASEHOY ILAY VIDEO HOE NAHOANA IANAO NO TOKONY HIANATRA BAIBOLY?
Ary mametraha boky na bokikely fianarana Baiboly.
-
ATOLORY NY BOKY INONA MARINA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?
Ampiasao ny pejy 206-208, ka hazavao ny momba ny Fahatsiarovana. Atolory ilay boky.
-
ATOLORY NY BOKIKELY MIHAINOA AN’ANDRIAMANITRA
Ampiasao ny pejy 18-19, ka hazavao hoe nahoana i Jesosy no maty ho antsika. Atolory ilay bokikely.