Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA | TE HO FALY KOKOA VE IANAO REHEFA MANOMPO?

Ampio ny Olona Ampianarinao Baiboly mba Tsy Hiaraka Amin’ny Naman-dratsy

Ampio ny Olona Ampianarinao Baiboly mba Tsy Hiaraka Amin’ny Naman-dratsy

Tsy maintsy mahay mifidy namana ny mpianatra Baiboly raha te ho naman’i Jehovah. (Sl 15:1, 4) Lasa te hanao ny tsara izy raha manana namana tsara.—Oh 13:20; lff lesona 48.

Mahaiza miombom-pihetseham-po amin’ilay mpianatrao rehefa manampy azy tsy hiaraka amin’ny naman-dratsy. Mety ho sarotra aminy ny tsy hiaraka amin’ny namany intsony. Asehoy hoe mahatsiaro azy ianao na dia amin’ny andro tsy fianaranareo aza. Andefaso SMS izy, ohatra, na antsoy, na tsiditsidiho. Rehefa mandroso izy dia azonao asaina miaraka amin’ny mpanompon’i Jehovah. Ho tsapany amin’izay hoe na tsy miaraka amin’ny namany taloha intsony aza izy dia mahazo namana vaovao be dia be. (Mr 10:29, 30) Ho faly koa ianao satria mitombo ny olona anisan’ny fianakavian’i Jehovah.

JEREO ILAY VIDEO HOE AMPIO NY OLONA AMPIANARINAO BAIBOLY MBA TSY HIARAKA AMIN’NY NAMAN-DRATSY. VALIO IRETO AVY EO:

  • Inona no atao hoe naman-dratsy?—1Ko 15:33

  • Noheverin’i Sendra fa hoatran’ny ahoana ny fety na ny fiarahana ataon’ny Kristianina?

  • Inona no nataon’i Nita mba hiarahan’i Sendra amin’ny namana tsara fa tsy naman-dratsy?