Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ento Hoatran’ny Reny ny Vehivavy Zokiolona ary Hoatran’ny Anabavy ny Vehivavy Tanora

Ento Hoatran’ny Reny ny Vehivavy Zokiolona ary Hoatran’ny Anabavy ny Vehivavy Tanora

Milaza ny Soratra Masina hoe tokony hoentintsika hoatran’ny ray aman-drenintsika ny be taona, ary hoatran’ny mpiray tam-po amintsika ny tanora. (Vakio ny 1 Timoty 5:1, 2.) Tokony hanaja ny anabavy isika, indrindra fa ny rahalahy.

Tsy tokony hanadaladala anabavy mihitsy ny rahalahy, na hanao zavatra hahatonga azy tsy hahazo aina. (Jb 31:1) Tsy tokony hilalao ny fihetseham-pon’ny anabavy ny rahalahy mpitovo. Raha tsy te hiaraka amin’ny anabavy iray izy dia tsy tokony hanao zavatra hahatonga an’ilay anabavy hanantena an’izany.

Tokony ho tsara fanahy sy hihaino tsara ny anti-panahy rehefa misy anabavy mametraka fanontaniana amim-panajana, na miresaka momba ny zavatra mety hila hodinihina mihitsy aza. Ireo anabavy tsy manana vady hiaro azy no tena mila ahin’ny anti-panahy.—Rt 2:8, 9.

JEREO ILAY VIDEO HOE MIEZAHA FOANA HANEHO FITIAVANA AMIN’NY MPIARA-MANOMPO: NY MATY VADY SY NY KAMBOTY RAY. VALIO IRETO AVY EO:

  • Ahoana no ahitana hoe tena tia an’ny Ranabavy Myint ny fiangonana?

  • Nahoana izany no fitoriana vita ho azy tamin’ny iray tanàna?

  • Inona no vokatry ny fitiavana nasehon’ny fiangonana teo amin’ny zanak’ilay anabavy?

Inona no azonao atao ho an’ny anabavy ao amin’ny fiangonanareo mba hampisehoana hoe tsara fanahy sy tia azy ireo ianao?