7-13 Martsa
ESTERA 6-10
Hira 131 sy Vavaka
Teny Fampidirana (3 min. na latsaka)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Vonona Hiaro ny Vahoakan’i Jehovah i Estera fa Tsy Tia Tena”: (10 min.)
Es 8:3, 4: Tsy natahorana ho faty intsony i Estera, nefa mbola nanao vivery ny ainy ho an’ny hafa indray (ia 143 § 24-25)
Es 8:5: Nitandrina tsara i Estera rehefa niresaka tamin’i Ahasoerosy (w06 1/3 11 § 8)
Es 8:17: Betsaka no lasa nanaraka ny fivavahan’ny Jiosy (w06 1/3 11 § 3)
Andao Hikaroka Harena Miafina: (8 min.)
Es 8:1, 2: Hazavao fa tanteraka ilay faminanian’i Jakoba momba an’i Benjamina, hoe “hizara izay nobaboiny izy amin’ny hariva.” (ia 142, efajoro)
Es 9:10, 15, 16: Nahoana ny Jiosy no tsy nandroba ny fananan’ireo olona novonoiny, na dia namela azy hanao an’izany aza ilay didy navoaka? (w06 1/3 11 § 4)
Inona no ianarako momba an’i Jehovah, amin’ny famakiana Baiboly amin’ity herinandro ity?
Ary inona ny hevitra azoko ampiasaina amin’ny fanompoana?
Famakiana Baiboly: Es 8:1-9 (4 min. na latsaka)
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Omano ny Fitoriana Amin’ity Volana Ity: (15 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso tsirairay ireo video misy fomba fitory modely, ary iaraho midinika ny hevi-dehibe. Diniho ilay lahatsoratra hoe “Hatsarao ny Fanompoanao: Mamoròna Fomba Fitory Rehefa Hametraka Gazety.”
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
“Raiso Tsara Izay Rehetra Tonga”: (15 min.) Fiaraha-midinika. Matetika no tsara ny vokany rehefa raisina tsara izay rehetra tonga amin’ny Fahatsiarovana. Asao ny mpanatrika hilaza fitantarana hitany momba izany. Ataovy fampisehoana ny zava-nitranga niavaka iray.
Fianarana Baiboly: ia toko 10 § 12-21, famerenana p. 91 (30 min.)
Famintinana sy Santionan’izay Hodinihina Amin’ny Herinandro (3 min.)
Hira 147 sy Vavaka