NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Efa Miomana ho Amin’ny Fahatsiarovana ve Ianao?
Tian’i Jesosy hiavaka ilay Paska farany hankalazainy. Efa akaiky ho faty izy tamin’izay. Nikasa hihinana ny Paska miaraka amin’ny apostoliny izy sady hanomboka fankalazana vaovao, dia ny Sakafo Harivan’ny Tompo izay hankalazaina isan-taona. Nirahiny hanomana ny efitra hanaovana azy io àry i Petera sy Jaona. (Lk 22:7-13; jereo ny sary, pejy 1) Mila miomana ho amin’ny Fahatsiarovana amin’ny 27 Martsa koa isika. Mety ho efa nalamin’ny fiangonana ny momba ny mpandahateny, ny mofo sy ny divay, sns. Inona anefa ny fiomanana azontsika tsirairay atao?
Omano ny fonao. Ataovy ny famakiana Baiboly ho amin’ny Fahatsiarovana, izay hita ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro sy ny bokikely Tari-dalana Hianarana ny Tenin’Andriamanitra Fizarana 16. (Jereo koa ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana, Aprily 2020.) Saintsaino ilay izy avy eo. Azon’ny fianakaviana dinihina mandritra ny fotoam-pivavahan’izy ireo ny hoe nahoana no sarobidy ny vidim-panavotana. Afaka mahita ny valin’izany izy ireo ao amin’ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Asao ny hafa. Mazotoa mandray anjara amin’ilay ezaka manokana hizarana fanasana. Eritrereto ny olona azonao asaina, ohatra hoe ny fiverenana mitsidika, mpianatra Baiboly taloha, olom-pantatra, ary ny havana. Tokony hanasa an’ireo tsy mitory intsony ny anti-panahy. Ahoana raha tsy mipetraka ao amin’ny faritaninareo ilay olona? Afaka mahita ny ora sy ny toerana hanaovana Fahatsiarovana any amin’ny toerana misy azy ianao. Midira ao amin’ilay hoe MOMBA ANAY, eo amin’ny pejy fandraisana ao amin’ny jw.org, ary fidio ilay hoe “Fahatsiarovana.”
Inona koa ny fiomanana azontsika atao?