8-14 Martsa
NOMERY 9-10
Hira 31 sy Vavaka
Teny Fampidirana (1 min.)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Ny Fomba Itarihan’i Jehovah ny Vahoakany”: (10 min.)
Vatosoa Ara-panahy: (10 min.)
No 9:13: Inona no ianaran’ny Kristianina avy amin’io toromarika ho an’ny Israelita io? (it “Fivoriana, Fivoriambe”: “Zava-dehibe ny fivoriana”)
Tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity, inona ny vatosoa ara-panahy hitanao momba an’i Jehovah, ny fanompoana, na zavatra hafa?
Famakiana Baiboly: (4 min.) No 10:17-36 (th lesona 5)
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Fanasana Olona Hanatrika Fahatsiarovana: (3 min.) Atombohy amin’ilay hevitra azo resahina. Liana ilay olona, ary asehonao azy ilay video hoe Tsarovy ny Nahafatesan’i Jesosy (tsy tena alefa anefa ilay izy). Iaraho midinika ilay izy avy eo. (th lesona 11)
Fiverenana Mitsidika: (3 min.) Asao hanatrika Fahatsiarovana ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra efa nitorianao taloha. (th lesona 2)
Fampianarana Baiboly: (5 min.) bhs 214, fanamarihana 16: Asao hanatrika Fahatsiarovana ny mpianatrao, ary mampiasà andinin-teny manazava hoe nahoana izy no tsy tokony hihinana amin’ilay mofo na hisotro amin’ilay divay. (th lesona 17)
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Mampandeha Tsara ny Fitoriana ny Fanovana Natao tao Amin’ny Betela: (10 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso ilay video. Fanontaniana: Inona no nampandrenesina tamin’ny fivoriana fanao isan-taona 2015, ary inona ireo antony roa nanaovana an’ireo fanovana? Inona ny fanitsiana natao tao amin’ny Betela, ary nahoana izany no tena mety? Inona no vokatr’io fampandrenesana io tamin’ny fanorenana ny biraon’ny sampana vaovao tany Grande-Bretagne? Nahoana ireny fanitsiana ireny no mampiseho hoe mitarika antsika i Jehovah?
Nitsidika Betela Izahay: (5 min.) Alefaso ilay video.
Fianarana Baiboly: (30 min.) lv toko 6 § 1-9
Teny Famaranana (3 min.)
Hira 108 sy Vavaka