HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Ho Afa-baraka Izay Sahisahy Ratsy
Nieritreritra i Saoly Mpanjaka hoe latsaka an-katerena izy (1Sa 13:5-7)
Sahisahy ratsy i Saoly fa tsy mba nanetry tena. Tsy narahiny ny toromarika nomen’i Jehovah (1Sa 13:8, 9; w00 1/8 13 § 17)
Nofaizin’i Jehovah i Saoly (1Sa 13:13, 14; w07 15/6 27 § 8)
Sahisahy ratsy ny olona iray rehefa maimay na dedadedaka manao zavatra tsy ananany zo. Tsy manetry tena ny olona hoatr’izany. Inona no mety hahatonga ny olona iray halaim-panahy ho sahisahy ratsy?