10-16 Mey
NOMERY 30-31
Hira 51 sy Vavaka
Teny Fampidirana (1 min.)
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA
“Efao ny Voadinao”: (10 min.)
Vatosoa Ara-panahy: (10 min.)
No 30:10-12: Nivoady i Hana hoe homeny an’i Jehovah i Samoela mba hanompo azy. Ahoana no ahafantarantsika hoe neken’i Elkana izany? (1Sa 1:11; it “Jefta”: “Nanao voady” § 4)
Tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity, inona ny vatosoa ara-panahy hitanao momba an’i Jehovah, ny fanompoana, na zavatra hafa?
Famakiana Baiboly: (4 min.) No 30:1-16 (th lesona 5)
FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA
Video Fiverenana Mitsidika: (5 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso ilay video hoe Fiverenana Mitsidika: Fikasan’Andriamanitra—Is 55:11. Ajanòny ilay video isaky ny misy fiatoana, ary iaraho midinika ny fanontaniana mipoitra eo.
Fiverenana Mitsidika: (3 min.) Ampiasao ilay hevitra azo resahina. (th lesona 6)
Fiverenana Mitsidika: (5 min.) Atombohy amin’ilay hevitra azo resahina. Manolora boky na bokikely fianarana Baiboly ary manomboha fampianarana Baiboly. (th lesona 19)
NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Mampianatra Antsika Hahay Hiaritra ny Zavaboary: (15 min.) Fiaraha-midinika. Alefaso ilay video. Fanontaniana isaky ny zavaboary tsirairay: Inona no ianarantsika avy amin’izy io momba ny fiaretana? Ahoana no ampisehoantsika hoe mahavita miaritra toa azy io isika?
Fianarana Baiboly: (30 min.) lv toko 8 § 19-26, efajoro “Miezaka Mafy Hanao ny Tsara ve Aho?”, “Hain’Andriamanitra ny Zava-drehetra”
Teny Famaranana (3 min.)
Hira 75 sy Vavaka