FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA | TE HO FALY KOKOA VE IANAO REHEFA MANOMPO?
Miezaha Hafana Fo Rehefa Mampianatra
Mifindra ny hafanam-po. Lasa liana kokoa amin’ny zavatra lazaintsika ny hafa rehefa mafana fo isika. Ho hita koa hoe sarobidy amintsika ilay hafatra resahintsika. Afaka ny hafana fo daholo isika, na tsy mitovy aza ny zavatra niainantsika na ny toetrantsika. (Ro 12:11) Inona no hanampy antsika?
Voalohany, saintsaino ny hasarobidin’ilay hafatra torinao. Manana tombontsoa ‘hitory ny vaovao tsara momba ny zava-tsoa’ ianao. (Ro 10:15) Faharoa, saintsaino ny soa ho azon’ny olona noho ilay vaovao tsara torinao. Tena mila maheno an’izany izy ireo. (Ro 10:13, 14) Farany, miezaha hafana fo rehefa miteny. Ataovy hita amin’ny fihetsikao sy ny endrikao koa izany.
JEREO ILAY VIDEO HOE MAHAFALY NY MANAO MPIANATRA: HATSARAO NY FAHAIZANAO... MAMPIANATRA SADY MAFANA FO. VALIO IRETO AVY EO:
-
Inona no nahatonga an’i Nita tsy hafana fo intsony rehefa nampianatra an’i Sendra?
-
Inona no nanampy an’i Nita hafana fo indray?
-
Nahoana isika no tokony hifantoka amin’ny toetra tsaran’ny olona ampianarintsika?
-
Raha mafana fo isika, inona no mety ho vokatr’izany eo amin’ny olona ampianarintsika Baiboly sy ny olon-kafa?