NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Fehezo ny Fanirianao
Tsy lavorary isika, dia tsy maintsy miady mafy foana mba hifehy ny faniriantsika. Ho tezitra amintsika i Jehovah raha manao izay tiantsika fotsiny isika. Misy, ohatra, te hisakafo foana na te hividy akanjo foana na tena te hanana trano, dia lasa ireo indray no tiany kokoa noho i Jehovah. Misy indray te hanao firaisana, dia tsy raharahiany ny lalàn’Andriamanitra momba an’izany. (Ro 1:26, 27) Ny hafa indray manaiky hotaomin’ny olona hanao ratsy, satria te ho naman-dry zareo.—Ek 23:2.
Inona no hanampy antsika hifehy ny faniriantsika? Ny zavatra mampifaly an’i Jehovah foana no tsy maintsy eritreretintsika. (Mt 4:4) Mila miangavy an’i Jehovah koa isika mba hanampy antsika. Nahoana? Satria fantany izay tena mahasoa antsika. Izy koa no mahay hoe ahoana no hanatanterahana ny zavatra tsara irintsika.—Sl 145:16.
JEREO ILAY VIDEO HOE AZA SIMBANA AMIN’NY SETROKA NY FIAINANAO ARY VALIO IRETO:
-
Nahoana ny olona sasany no mifoka sigara?
-
Inona no ho vokany raha mifoka sigara ianao?
-
Nahoana no ratsy ny mifoka sigara tsotra na sigara elektronika?—2Ko 7:1
-
Inona no hanampy anao tsy ho voataona hifoka sigara, ary inona no hanampy anao tsy hifoka intsony?