Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manandrama Mampiasa “Ireo Mailaka”!

Manandrama Mampiasa “Ireo Mailaka”!

Manandrama Mampiasa “Ireo Mailaka”!

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY TAÏWAN

HITA soritra eny amin’ny endriny fa finaritra tanteraka ilay ankizivavy kely mankafy ny sakafony. Vilia lalin’aty feno vary misy legioma voatetika sy trondro, no eo amin’ny tanany havia. Hazokely manify roa vita amin’ny volotsangana kosa no eo amin’ny tanany havanana. Ireo rantsantanany kely no anetsiketsehany ireo hazokely mba hakana izay sombin-kanina tiany, ary hainy tsara ny mitondra izany ho ao am-bavany. Ampiakariny ho eo amin’ny molony ilay vilia lalin’aty indraindray, ary ahetsiketsiny ireo hazokely, ka raofiny ho ao am-bavany avy hatrany ny vary. Toa mandeha ho azy sy mora ary milamina erỳ ny fanaovany izany rehetra izany.

Mazava ho azy fa hazokely malaza fihinanana no teny an-tanan’ilay ankizivavy. Amin’ny fiteny sinoa, izy ireo dia antsoina hoe k’uai tzu (pinyin: kuaizi), izay midika hoe “ireo mailaka”. Na ahoana na ahoana, dia hita saika any amin’ny tokantrano rehetra atỳ Azia atsimoatsinanana, izy io. Angamba efa nanandrana nampiasa azy ireny ianao rehefa nisakafo tany amin’ny hotely sinoa. Fantatrao anefa ve hoe avy taiza no niavian’ilay hevitra ny amin’ny hazokely fihinanana? Ahoana sy oviana no nampiasana azy io voalohany? Ary ho tianao ve ny hahalala hoe ahoana no fomba mety hampiasana azy ireny?

“Ireo mailaka”

Hazokely manify mirefy 20 ka hatramin’ny 25 santimetatra eo ho eo izy ireny. Matetika ny tapany ambony no misy rirany efatra. Izany dia manamora ny fandraisana azy sy misakana azy tsy hikodiadia eo amin’ny latabatra. Mazàna ny tapany ambany no tsy misy rirany. Matetika ny an’ny Japoney no fohy kokoa noho ny an’ny Sinoa, ary maranitra kokoa ny tendrony.

Amin’izao andron’ny famokarana zavatra maro indray miaraka izao, dia hotely fisakafoana maro no manome hazokely fihinanana voafono mialoha, izay mbola mitambatra ny tendrony ambony. Ny mpihinana no tsy maintsy manasaraka azy ireo, alohan’ny hahafahany hampiasa azy ireo. Hazo tsotra na volotsangana no anaovana azy ireny, satria natao hampiasaina indray mandeha monja izy ireny. Matetika no tena tsara tarehy ireo ampiasaina any amin’ny toerana manao vidin-javatra ambony kokoa na any an-tokantrano: vita tamin’ny volotsangana voalambolambo, hazo nasiana verinia, plastika, vy tsy mety harafesina, na angamba aza volafotsy na ivoara mihitsy. Mety hisy poezia kely koa eo amin’izy ireny, na noravahana sary hoso-doko.

Fomba fampiasa azy

Mpitsidika maro any amin’ireo tany tatsinanana, toa an’i Chine sy i Japon, no variana rehefa mahita ankizy kely, vao roa taona monja angamba, mihinana amin’ny hazokely toa lehibe loatra ho azy. Ao anatin’ny fotoana fohy, dia tafafindra tsirairay ho ao am-bavan’ilay ankizy ny sakafo tao anatin’ilay vilia lalin’aty. Toa tena mora erỳ ny fanaovany azy.

Ho tianao ve ny hanandrana hampiasa “ireo mailaka”? Mety ho hafahafa aminao amin’ny voalohany ny hanetsika azy ireo araka ny ilanao azy, nefa raha manao fanazaran-tena kely fotsiny ianao, dia hanomboka ho mora ilay izy, ary hanjary ho toy ny hoe tohin’ny tananao izy ireo.

Ny tanana iray ihany no mihazona ireo hazokely, ny tanana havanana mazàna. (Jereo ny sary eo amin’ny pejy 15.) Voalohany, dia somary aforeto ny felatananao, ka ataovy mihataka amin’ny rantsantananao hafa ny ankibenao. Ataovy eo anelanelan’ny ankibenao sy ireo rantsantanana hafa ny hazokely fihinanana iray, ka ankino eo am-pototry ny fanondronao sy eo amin’ny tendron’ny rantsantananao fahefatra. Avy eo, dia apetraho eo ambonin’ilay voalohany ilay faharoa, ary hazòny amin’ny ankibenao sy ny fanondronao ary ny rantsantananao fahatelo, toy ny rehefa mihazona pensilihazo. Ampifanitsio ny tendrony amin’ny fikapohana kely azy ireo eo amin’ny latabatra. Aza avela hihetsika intsony izao ilay eo ambany, fa ilay eo ambony kosa ahetsika amin’ny fanaforetana miakatra sy midina ny fanondronao sy ny rantsantananao fahatelo. Manaova fanazaran-tena mandra-pahainao mora foana mampihaona ny tendron’ireo hazokely. Izao ianao dia vonona hampiasa ireo fitaovana azo ampiasaina amin’ny fomba maro samihafa ireo mba hakana sombiny matsiro izay aroso ao amin’ny sakafo sinoa — manomboka amin’ny voam-bary iray, ka hatramin’ny atodina papelika! Miaraka tsara amin’ny sakafo sinoa ny hazokely fihinanana, satria mazàna ilay sakafo no misy teti-kanina kely.

Ahoana indray raha akoho, ganagana, na fen-kisoa manontolo, fa tsy notetehina madinika, no sakafo aroso? Mazàna ilay hena no andrahoina tsara mba ho mora kokoa ny haka sombiny kely amin’ny alalan’ireo hazokely. Tena mety tsara hihinanana trondro, izay matetika no aroso manontolo, ny hazokely; mora ny miala amin’ny taolana, tsy toy ny rehefa mampiasa antsy sy forosety.

Ahoana rehefa mihinam-bary? Raha amin’ny sakafo andavanandro, dia azonao atao ny mandray amin’ny tananao havia ny vilia lalin’aty misy ny vary, ary mampiakatra azy ho eo amin’ny vavanao, ka mandraoka ny vary amin’ireo hazokely fihinanana ho ao am-bavanao. Fa amin’ny fanasana kosa, dia handray ny vary amin’ireo hazokely fihinanana ianao, vary kely isaky ny mandeha.

Ary ahoana raha lasopy, izay anisan’ny sakafo sinoa foana, no hanina? Omena sotro bakoly ianao mazàna. Raha misy paty lavalava, na vongan-tsakafo nofonosina lafarinina, na vaingana legioma, hena, na trondro ny lasopy, dia manandrama mampiasa ny hazokely fihinanana amin’ny tananao havanana mba handraisana ny sakafo, ary ny sotro amin’ny tananao havia mba hitondrana azy ho ao am-bavanao.

Fahalalam-pomba momba ny hazokely fihinanana

Raha asaina hisakafo ao amin’ny tokantrano sinoa iray ianao, dia manampy ny fahafantarana ny fahalalam-pomba sinoa eo ambony latabatra. Voalohany aloha, dia misy sakafo maromaro apetraka eo afovoan-databatra. Andraso aloha ny mpampiantrano na ny loham-pianakaviana haka ny hazokely fihinanany sy hanome baiko ny rehetra mba hanomboka. Izay no fotoana mety hisaoran’ireo vahiny noho ilay fanasana sy handraisany ny hazokely fihinanany, ary hanombohana ny sakafo.

Tsy mba toy ny amin’ny sakafo tandrefana sasany, fa tsy ampandalovina manodidina ny latabatra ny sakafo. Ny rehetra eo amin’ny latabatra kosa no mandoatra ho an’ny tenany. Rehefa miara-misakafo ny fianakaviana, dia fanao ny hampiasan’ny mpianakavy tsirairay ny hazokely fihinanany manokana mba hakana sombiny avy amin’ireo sakafo iombonana, ary hametrahana azy mivantana ao am-bavany. Na izany aza, dia heverina ho tsy fahalalam-pomba ny mitroka ny sakafonao, ny milelaka ny tendron’ny hazokely fihinananao, na ny mikarokaroka ao anaty sakafo mba hitadiavana ny sombiny tianao indrindra. Ny renim-pianakaviana atỳ Orient dia mampianatra ny zanany tsy hanaikitra ny tendron’ny hazokely fihinanany, tsy noho ny fanahian’izy ireo momba ny fahadiovana fotsiny, fa satria manimba ny endrik’ireo hazokely fihinanana koa izany.

Ho fanehoam-piheverana ny vahiny, dia asiana sotro na hazokely fihinanana fanampiny indraindray. Ampiasaina mba hakana sombiny avy ao amin’ny sakafo eo afovoany ho ao amin’ny sakafo hafa na ho ao amin’ny varinao, izy ireny. Na izany aza, dia aza tafintohina raha mampiasa ny hazokely fihinanany ny mpampiantrano anao mba handraisana sombiny tsara iray, ka hametraka azy io mivantana ao an-dovianao. Rehefa dinihina tokoa, dia tiany ho azo antoka fa mahazo ny sombiny tsara indrindra ny vahininy omem-boninahitra!

Heverina ho tsy fahalalam-pomba ny manondro amin’ny hazokely fihinanana, toy ny amin’ny antsy sy ny forosety ihany. Tsy fahalalam-pomba koa ny mandray zavatra hafa raha mbola eny an-tananao ny hazokely fihinananao. Koa rehefa mila mampiasa ny sotro fandoaran’ny rehetra na maka servieta na kaopy fisotroan-dite àry ianao, dia apetraho aloha ny hazokely fihinananao. Matetika no efa nasiana fitaovana kely tsara tarehy fametrahana azy eo.

Rehefa avy nihinana ianao, dia apetraho hilamina tsara ny hazokely fihinananao, makà toerana tsara ary miandrasa. Tsy fahalalam-pomba ny mandao ny latabatra alohan’ny hahatapi-mihinana ny rehetra. Amin’izay indray koa, dia ny mpampiantrano na ny loham-pianakaviana no mamarana ny sakafo rehefa mitsangana izy ka manasa ny rehetra mba handao ny latabatra.

Fantatrao izao ny fomba fampiasa azy ireo, ka ny hany ilainao hatao dia ny manao izay hahazoana hazokely fihinanana, sy ny manazatra tena amin’izy ireny. Raha vao misy manasa anao ho any amin’ny hotely sinoa, na any an-tranony mba hihinana sakafo sinoa, nahoana moa raha manandrana mampiasa “ireo mailaka”? Mety hahatonga ny sakafo hatsiro kokoa aza izany!

[Efajoro/Sary, pejy 14]

Tantara Kely Momba ny Hazokely Fihinanana

Misy manam-pahaizana sinoa mihevitra fa ny hazokely fihinanana voalohany, dia nampiasaina, tsy hihinanana, fa handrahoana. Nofonosina ravina ny sombiny bitika tamin’ny sakafo manta, ary nampiasaina ny hazokely mba hamindrana vato kilonjy mahamay ho eo amin’ny fonosana. Tamin’izay fomba izay no azo nandrahoana ny sakafo, nefa tsy may ilay mpahandro! Tatỳ aoriana, araka ny tantara, dia nampiasaina ny hazokely fihinanana mba hanesorana sombin-tsakafo avy tao amin’ny vilany.

Azo inoana fa hazo na volotsangana mora simba no nanamboarana ireo hazokely fihinanana tany am-boalohany. * Izany dia anisan’ny antony tsy ahafahana milaza marina hoe oviana no nampiasana azy ireny voalohany. Misy mihevitra fa nampiasaina tany aloha ela be tatsy Chine ny hazokely fihinanana, tamin’ny andron’ny tarana-mpanjaka Shang (tokotokony ho tamin’ny taonjato faha-16 ka hatramin’ny faha-11 al.f.i.). Misy antontan-taratasy ara-tantara vao taorian’ny andron’i Confucius indrindra (551-479 al.f.i.) nilaza fa nisy ‘nitsimpona’ sakafo avy tao amin’ny lasopy; izany dia manondro fa nampiasaina ny karazana hazokely fihinanana.

Toa efa fanao nahazatra ny fihinanana tamin’ny hazokely fihinanana, tany am-piandohan’ny andron’ny tarana-mpanjaka Han (206 al.f.i. ka hatramin’ny 220 am.f.i.). Nisy fasana tamin’izany fe-potoana izany nofongarina tany Changsha, ao amin’ny provansin’i Hunan, izay nahitana fitaovana fihinanana maromaro nisy verinia, anisan’izany ny hazokely fihinanana.

Mampiasa hazokely fihinanana koa ny ankamaroan’ny Japoney, ny Koreanina, ny Vietnamianina ary ny hafa tatỳ Orient, ary izany dia noho ny hery mitaonan’ny kolontsaina sinoa indrindra indrindra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 25 Amin’ny teny sinoa tranainy, dia samy soratana misy ilay fototeny hoe volotsangana ny soratra sinoa roa ho an’ny k’uai tzu (ireo mailaka), ka izany dia toa manondro fa volotsangana no nanaovana ny hazokely fihinanana, tamin’ny voalohany.

[Sary, pejy 15]

Ny fanazaran-tena no ahaizana mampiasa azy tsara