Fijerena An’izao Tontolo Izao
Fijerena An’izao Tontolo Izao
Ho Lany Tamingana ve ny Orsa Manja any Eoropa?
Tandindomin-doza ny orsa manja any Eoropa Andrefana, araka ny voalazan’ny Tahiry Iraisam-pirenena ho An’ny Tontolo Iainana (WWF). Nihena ny isan’izy ireo ka toerana enina monja no ahitana vitsy amin’izy ireo. “Mora lany tamingana indrindra ny orsa manja any Frantsa, Espaina, ary Italia, izay misy mpiaro ny loharanon-karena voajanahary mampitandrina fa azo inoana ny hanjavonan’ireo orsa ireo, raha tsy hoe ampitomboina angaha ny isan’izy ireo, amin’ny fitondrana orsa avy any an-toeran-kafa”, hoy ny The Daily Telegraph any Londres. “Any Italia, dia efatra monja ny orsa any amin’ny faritra atsimo amin’ny Alpes”, hoy ny teny nanampin’ilay gazety. Any Gresy, dia olana iray lehibe ny fihazana orsa ataon’ireo mpiompy omby sy tantely, izay sosotra satria ripaka ny andian’omby na ny tranon-tantely. Mifanohitra amin’izany fa misy tatitra avy any amin’ny faritra maro any Eoropa Atsinanana milaza fa mitombo isa ny orsa any. Ny fepetra hentitra momba ny fiarovana ny orsa sy ny fandaharan’asa fampitomboana indray ny tahirim-biby any Romania no nahafahana nampitombo tsikelikely ny isan’ny orsa. Ary any Rosia, izay iarovana ny orsa, dia misy orsa 36 000 eo ho eo. “Tsy maintsy misy zavatra atao haingana mba hamonjena ireo orsa sisa tavela any Eoropa Andrefana”, hoy i Callum Rankine, ao amin’ny Ezaka Manokan’ny WWF ho An’ny Biby Mpihina-nofo any Eoropa. “Ho lany tamingana ireny orsa ireny, raha tsy misalovana haingana ny tompon’andraikitra.”
Fanaovan-tsoa Novidina Lafo
Olona an-tapitrisany maro no nandray soa avy tamin’ny fanafody natao fanomezana tamin’ny fotoan-tsarotra. Misy anefa fanadihadiana, nataon’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS) vao tsy ela izay, mampiharihary fa matetika ireo fanafody natao fanomezana no tsy fantatra tsara, na voafetra ny fotoana hananany hery. Na dia faran’izay tsara fikasa aza ny nandefa azy, dia fanafody maro no “tsy manome fahafaham-po an’ireo izay tena mila azy maika indrindra, ary raha vantany vao tonga any amin’ilay tany izy ireny, dia manentsina ny rafi-pizaram-panafody efa feno dia feno, ka manjary sarotra ny fanariana azy”, hoy ny Dr. Jonathan Quick, manam-pahefana ao amin’ny OMS. Tsy nifanentana tamin’ny nilana azy ny antsasany mahery tamin’ny fanafody nomena an’i Bosnia. Nisy fitaovana manokana fandoroana fako voatery nalefa tany Armenia sy tany Mostar, any Bosnia-Herzegovina, mba hanesorana ny fanafody tsy nilaina. Notombanana ho teo anelanelan’ny roa sy efatra tapitrisa dolara ny vidin’ny fandefasana fanafody tsy nilaina 1 000 taonina, avy tany Kroasia, mba hariana araka ny tokony ho izy tany amin’ny toerana iray.
Feo no Atao Jono
Raha mampiasa loko na fofona ny ankamaroan’ny zavamaniry mba hisarihana ny mpamindra vovobony, dia manao izany amin’ny alalan’ny fampiverenan’ny feo kosa ny zavamaniry tropikaly Mucuna holtoni, hoy ny tatitra nataon’ilay gazety alemà hoe Das Tier. Mitsidika an’io zavamaniry mandady io ny ramanavy, izay mamantatra ny endriky ny manodidina azy amin’ny alalan’ny fandefasana feo tsy re tsaika. Hitan’ireo mpahay siansa ao amin’ny Oniversiten’i Erlangen, fa ny mamimbonin’ilay zavamaniry dia mandefa miverina, mivantana any amin’ireo ramanavy, ny feo voarain’ilay mamimbony. “Amin’izany fomba izany no anaovan’ilay zavamaniry izay hahamora ny fahitan’ireo ramanavy ny voninkazo”, hoy ilay gazety.
Loza Entin’ny Holatra
“Misy olona maro be maty sy voapoizina isan-taona any Eoropa Atsinanana sy any amin’ny faritra avaratra amin’i Italia, izay mahazatra ny olona ny mioty holatra”, hoy ny tatitra nataon’ny The Times, any Londres. Koa satria nanjary betsaka ny olona manisy holatradia ao amin’ny sakafo handrahoiny, dia mampitandrina ny amin’ny loza entin’ny fihinanana ny karazany na iza na iza amin’ireo karazany 250 eo ho eo misy poizina, izay maniry any ambanivohitr’i Grande-Bretagne, ny manam-pahaizana manokana. Samy azo inoana hahafaty na ny Amanita Phalloides na ny Amanita virosa manimba, raha hohanina. Mba hiarovan’ireo mpioty holatra ny tenany, dia ampirisihina mafy izy ireo mba hiaraka maromaro sy hotarihin’olona matihanina mahay mamantatra holatra. “Tsy misy fitsipika tsotra hilazana raha mety hankarary na tsia ny [holatra] iray, koa hadalana àry ny handehanana hioty holatra irery, tsy miaraka amina manam-pahaizana manokana momba izany”, hoy ny fampitandreman’ny mpikambana zokiolona iray ao amin’ny Fikambanana Britanika Momba ny Holatra.
Ny Vokatra Ara-toe-karenan’ny SIDA
Tsy loza mandrahona ny fahasalamam-bahoaka fotsiny ny SIDA fa vetivety dia manjary loza ara-toe-karena any Afrika, araka ny tatitra nataon’ny Le Monde. Noho ny fisian’ny olona 23 tapitrisa eo ho eo mitondra ny tsimokaretina VIH, sy ny olona 2 tapitrisa maty isan-taona noho ilay virosy, dia “tsy ho ela ny valanaretina SIDA dia hanafoana tanteraka ny soa entin’ny fandrosoana ara-toe-karena any Afrika”. Miady mafy amin’ny fitomboan’ny isan’ny mpiasa tsy tonga miasa, na maty, vokatr’ilay aretina, ireo kompania afrikanina. Namoy ny 10 isan-jato mahery tamin’ireo mpiasa tao aminy ny kompania iray momba ny lalambim-pirenena. Ao amin’ny kompania lehibe iray hafa, dia mitondra ny tsimokaretina VIH ny 3 400 amin’ireo mpiasa 11 500 ao aminy. Mihamihena ny fambolena sy ny fiompiana, satria matin’ny
SIDA ny mpamboly sy ny mpiompy. Fanampin’izany, dia mihamihena ny fahazoana fampianarana, ary mihamitombo ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra, satria sady tsy manam-bola no tsy manam-potoana handefasana ny ankizy any an-tsekoly ny fianakaviana, ary matin’ny SIDA ny mpampianatra an-jatony maro.Mitombo Izaitsizy ny Isan’ny Vorona any Mexico
Tsy voafehy ny fitomboan’ny isan’ny vorona any Mexico. Araka ny tatitra nataon’ny gazety Reforma, dia voromahailala 1 335 000 eo ho eo no monina any amin’ny faritra an-drenivohitra. Ny tsangambato sy ny sarivongana no toeram-pialan-tsasatra tian’ireo vorona indrindra. Nanao tatitra ireo manam-pahaizana manokana momba ny vorona fa “ireo vorona izay nanazatra ny tenany amin’ny any an-drenivohitra dia mizara ny dia fanaony isan’andro ho telo”, hoy ilay gazety. “Mifidy toerana iray izy ireo handaniana ny alina, iray hafa hitadiavana sakafo, ary iray hafa hipetrapetrahana, nefa mamela marika ao [amin’ny toerana tsirairay] izy ireo, amin’ny alalan’ny dikiny.” Miteraka aretina maro samihafa koa izy ireo, manomboka amin’ny tsy fahazakan-javatra ka hatramin’ny areti-mifindra vokatry ny bakteria sy ny holatra ary ny virosy. Ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho Amin’ny Fiarovana ny Tontolo Iainana sy ny Fitadiavana Toerana Hafa Milamina ho An’ny Voromahailala An-tanàn-dehibe dia “nanolo-kevitra ny hanaovana lalàna iray izay handrara ny fanomezana sakafo ny vorona eny amin’ny toerana ho an’ny besinimaro”. Kanefa, dia manolo-kevitra ny “hanasaziana izay rehetra mamono ny vorona ho fepetra hifehezana [ny fitomboany]” koa izy.
Habetsahan-drano toy Inona no Ilain’ny Ankizy?
Matetika ny ankizy eo anelanelan’ny herintaona sy efa-taona no tsy misotro rano firy. Izany no nahariharin’ny fandinihana iray nataon’ny Ivon-toeram-pikarohana Momba ny Sakafon’ny Zaza, any Dortmund, Alemaina, ary natao tatitra tao amin’ilay gazetin’ny mpanjifa hoe Test. Mora tratran’ny fahaverezan-drano malia ny ankizy eo anelanelan’ireo taona ireo, ka tokony hisotro ranon-javatra efa ho iray litatra isan’andro, ankoatra an’izay miaraka amin’ny sakafo. Amin’ny antsalany, dia latsaka ny ampahatelon’io no sotroin’izy ireo — ary tsy safidin’izy ireo foana izany. Hitan’ireo mpikaroka fa, tamin’ny toe-javatra 1 tao anatin’ny 5, dia nolavin’ny ray na ny reny ny fangatahan’ny zaza iray zavatra hosotroina. Inona ny zava-pisotro tsara indrindra? Any amin’izay misy rano madio, dia rano tsotra no tsara indrindra, hoy ny Test.
“Fihinina Mandra-pahafaty”
“Fihinina mandra-pahafatiny ny iray amin’ireo hazo antitra sy lehibe indrindra eran-tany”, hoy ny tatitra nataon’ny The Australian. Misy mpizaha tany an’arivony maro isan-taona tonga mba hijery ny hazo kauri, any amin’ny faritra avaratra amin’i Auckland, any Nouvelle-Zélande, izay anaovan’izy ireo fombafomba ka ifampitantanan’izy ireo manodidina ny vatan’ilay hazo goavana, ka hanitsakitsahany ny fotony. “Mihoatra ny 50 metatra ny halavan’ilay hazo, nefa tsy izy io no hazo avo indrindra eran-tany”, hoy ilay gazety. “Anisan’ny hazo lehibe indrindra anefa izy io, raha ny habetsahan’ny hazo fisaka azo avy aminy no jerena.” Fantatra ho “ilay anti-dahin’ala” izy io, ary 2 000 taona ny taonany ofisialy, nefa heverina ho avo roa heny noho izany ny tena taonany. Tsy maty ‘noho ireny taona maro nisian’ny loza araka ny natiora ireny, sy ny bibikely mpanimba, izy io, ary tsy notanterahina ny fikasana hikapa azy. Mety ho fatin’ny famihinana azy izy io, ankehitriny. Hoy ny tompon’andraikitra iray mpiaro ny loharanon-karena voajanahary: “Angamba mihamaty izy io, nefa tsy fantatray na azo ovana izany, na tsia.”
Miangavy mba Hisian’ny Fahanginana ny Astrônôma
Mihasorena dia sorena ireo astrônôma momba ny feo ampitaina amin’ny alalan’ny radio, izay mihaino feo famantarana ny amin’ny nahaterahan’ireo vahindanitra sy kintana voalohany, noho ny fisian’ny “fitaovana kely maoderina amin’izao andro izao”, hoy ny tatitra nataon’ny International Herald Tribune. Mandrakotra ny feo avy amin’ireo taratra kôsmika avy any ambony tsy taka-maso, izay iezahan’ireo mpahay siansa henoina ny foibena televiziona, ny mpampita feo amin’ny alalan’ny radio, ny satelita mpampifandray, ary ny telefaonina azo entina mandehandeha. Mba hahafahany hanohy ny fikarohany, dia mitady toerana mangina izao ireo astrônôma, toerana “izay tsy andrenesana feo, amin’ny endriny rehetra, ampitain’ny radio”. Mikasa ny hanorina antenina parabôlika maro any ry zareo, ka izany dia hivelatra handrakotra kilaometatra an-jatony maro, ary “ho avo 100 heny ny heriny, raha oharina amin’ny an’ny fitaovana ampiasaina amin’izao andro izao”. Manantena ireo mpahay siansa fa ny fanazavana ho azony dia hanampy mba hamantarana ny valin’ny fanontaniana momba ny niandohan’ny fotoana sy ny habakabaka ary ny raha rehetra.
Mifehy ny Fitomboan-danja ve ny Fampinonoana?
Misy mpikaroka milaza fa nahita soa iray hafa avy amin’ny fampinonoana izy ireo: Mety hanampy mba hisakanana ny fahatongavan’ilay zazakely ho matavy loatra any aoriana izy io. Araka ny tatitra ao amin’ilay gazetiboky alemà hoe Focus, ny ekipana mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Munich, dia namantatra ny lanjan’ny ankizy 9 357, dimy taona ka hatramin’ny enin-taona, ary nandinika akaiky ny sakafon’ny tsirairay fony mbola zazakely. Nasehon’ny valin’ny fikarohana fa ireo ankizy nampinonoina nandritra ny telo ka hatramin’ny dimy volana dia latsaka 35 isan-jato ny mety hampahatavy azy, rehefa niditra nianatra izy ireo, noho ireo ankizy tsy nampinonoina mihitsy. Raha ny marina, arakaraka ny maha lava ny fotoana ninonoan’ny zazakely iray no mety tsy hampahatavy azy. Ny taharo ao amin’ny nonon-dreny, izay manampy ny fanodinan’ny vatana ny sakafo voarainy, no lazain’ny mpikaroka iray ho mahatonga io vokany mahasoa io.