Aspirinina Isan’andro — Tokony Hihinana ve Aho sa Tsia?
Aspirinina Isan’andro — Tokony Hihinana ve Aho sa Tsia?
Ny fitrangan-javatra noheverina manaraka eto, tantarain’ny mpitsabo iray, dia tena nisy. Mampiseho olana iray izay sady mampalahelo no mateti-pitranga izy io.
NITEBITEBY ny fianakaviana manontolo. Eny, na ilay mpitsabo aza dia nanahy koa. Hoy izy: “Raha tsy mitsahatra haingana ny fandehanan’ny rany, dia mety ho tokony hihevitra ny hampiditra ra isika.”
Very ra tsikelikely tamin’ny tsinainy ity lehilahy ity, efa hatramin’ny herinandro maromaro izao, ary fantatra fa firehetan’ny ambavafo ilay izy, na aretim-bavony. “Tena tsy mihinam-panafody mihitsy ve ianao?”, hoy ilay mpitsabo, kivy.
“Tsia. Tsy mihinana afa-tsy ity zavatra voajanahary tsy ilana taratasim-panafody ity, ho an’ny aretin’ny vanin-taolako aho”, hoy ilay lehilahy.
Nanongilan-tsofina tampoka ilay mpitsabo. “Ao hoe hojereko ilay izy.” Nahita ny zavatra notadiaviny izy rehefa nandinika tsara ny taratasy misy ny raiki-pohy. Acide acétylsalicyclique (aspirinina)! Voavaha ny olana! Rehefa tsy nihinana ilay fanafody misy aspirinina intsony ilay marary, ary nomena fanafody misy vy sy fanafody manasitrana ny vavony, dia nitsahatra ny fandehanan’ny ra ary niverina tsikelikely ho ara-dalàna ny isan’ny selan-drany.
Fahaverezan-dra vokatry ny fanafody
Zava-manahirana ara-pitsaboana lehibe ankehitriny ny fahaverezan-dra avy amin’ny tsinay sy ny vavony, ateraky ny fanafody. Na dia maro aza ny fanafody mahatonga izany, ny ankamaroan’ireny zava-manahirana ireny dia avy amin’ny fanafody ho an’ny aretin’ny vanin-taolana sy ny fanaintainana. Anisan’izany ny karazam-panafody antsoina hoe anti-inflammatoires non stéroidiens na AINS (fanafody mampitony ny firehetana). Mety hiova araka ny tany ny anarana.
Misy aspirinina ny fanafody maro azo vidina tsy ilana taratasim-panafody, ary tao anatin’ny taona faramparany dia nitombo ny isan’ny olona mampiasa aspirinina isan’andro, any amin’ny tany maro. Nahoana?
Hafanam-po ho an’ny aspirinina
Tamin’ny 1995, dia nanao tatitra ny Harvard Health Letter fa ny “fahazarana mampiasa aspirinina dia mamonjy aina”. Nanonona fandinihana maromaro natao naneran-tany, izay naverina imbetsaka hatramin’izay, ny mpikaroka, ka nanao izao fanatsoahan-kevitra izao: “Saika ny olona rehetra izay efa voan’ny fihetsehan’ny aretim-po, na tapaka lalan-dra, na marary noho ny fanaintainan’ny tratra, na nodidiana mba hamiliana lalan-dra tsentsina eo amin’ny fo, dia tokony hihinana aspirinina iray na tapany isan’andro, raha tsy hoe tsy mahazaka izany angaha izy.” *
Manantitrantitra ny mpikaroka hafa fa mahita soa amin’ny fihinanana aspirinina isan’andro ny lehilahy maherin’ny 50 taona sy ny vehivavy mety ho voan’ny fihetsehan’ny aretim-po. Ankoatra izany, dia misy fandinihana mampiseho fa mety hampihena ny mety hahavoan’ny kanseran’ny tsinay ny fihinanana aspirinina isan’andro, ary mety hanampy hampihena ny tahan’ny siramamy ao amin’ny ran’ny olona voan’ny diabeta ny fihinanana azy amin’ny fatrany betsaka, mandritra ny fotoana ela.
Amin’ny fomba ahoana no hitondran’ny aspirinina izany soa izany? Na dia tsy fantatra daholo aza ny zava-drehetra momba ny aspirinina, dia voaporofo fa ny asany dia mahatonga ny plaquettes ao anaty ra ho tsy dia madity loatra, ka misakana ny fiforonan’ny vaingan-dra. Lazaina fa manampy ny mpanelira madinika mankany amin’ny fo sy ny atidoha tsy ho tsentsina izany, ka misoroka ny fahasimban’ny taova tena ilaina.
Nahoana àry no tsy mihinana aspirinina daholo ny olona, raha lazaina fa mitondra ireo soa rehetra ireo ilay izy? Ny antony iray mahatonga izany dia mbola betsaka ny zavatra tsy fantatra. Na ny fatra tena mety aza dia tsy voafaritra mazava. Aspirinina roa isan’andro ka hatramin’ny aspirinina kely 81 miligrama isaky ny roa andro no anoroana hevitra. Tokony ho samy hafa ve ny fatra ho an’ny vehivavy sy ny lehilahy? Tsy azon’ny mpitsabo antoka izany. Na dia mahasoa ihany aza ny aspirinina izay any amin’ny tsinay vao levona, dia mbola miteraka adihevitra ihany ny soa azo avy amin’ny aspirinina mifangaro amin’ny fanafody manala asidra.
Antony hitandremana
Na dia zavatra voajanahary aza ny aspirinina raha ny tena izy — nahazo taharon’ny aspirinina avy tamin’ny hoditry ny hazomalahelo ny Indianina any Amerika — dia misy vokany hafa maro izy io. Ankoatra ny fahaverezan-dra eo amin’ny olona sasany, ny aspirinina dia mety hahatonga zava-manahirana maro hafa, anisan’izany ny fisehoan’ny tsy fahazakan-javatra eo amin’ny olona tsy mahatanty azy mihitsy. Mazava àry fa tsy ho an’ny olona rehetra ny fihinanana aspirinina isan’andro.
Ny olona mety ho voan’ny fihetsehan’ny aretim-po na mety ho tapaka lalan-dra na ahitana ireo lafin-javatra mety hampidi-doza anefa dia afaka manontany ny mpitsabony momba ny lafy tsara sy ny lafy ratsin’ny fampiasana aspirinina isan’andro. Tsy isalasalana fa hanao izay hahazoany antoka ilay marary fa tsy misy fahaverezan-dra, mahazaka aspirinina, tsy marary ambavafo ary tsy marary tsinay na vavony izy. Alohan’ny hanombohana ny fitsaboana dia tokony hodinihina miaraka amin’ny dokotera ireo zava-manahirana hafa mety hitranga sy ny fanafody azo ampiarahina.
Araka ny voalaza tetsy aloha, ny aspirinina sy ny fanafody mitovitovy aminy dia tena mety hitondra fahaverezan-dra. Ary mety ho saro-pantarina, tsy tonga dia hita, ary mety hitombo araka ny fandehan’ny fotoana izany. Tokony hodinihina amim-pitandremana ihany koa ny fanafody hafa, indrindra ny fanafody hafa mampitony ny firehetana. Aza hadinoina ny mampahafantatra ny dokoteranao raha mampiasa izany ianao. Matetika dia fahendrena ny mampiato ny fihinanana ilay fanafody, alohan’ny fandidiana. Angamba hahasoa mihitsy ny hanaraha-maso tsy tapaka ny isan’ny sela ao amin’ny ra any amin’ny laboratoara.
Raha te hiaro ny tenantsika amin’ny zava-manahirana mety hiseho isika, dia hanaraka ilay ohabolana ao amin’ny Baiboly manao hoe: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.” (Ohabolana 22:3). Eo amin’ity raharaha ara-pitsaboana ity, dia enga anie isika ho anisan’ireo mahira-tsaina mba tsy hahasimba ny fahasalamantsika.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 11 Ny Mifohaza! dia tsy mampirisika hanaraka karazana fitsaboana manokana.
[Efajoro/Sary, pejy 21]
Iza no Mety Hihevitra ny Hihinana Aspirinina Isan’andro?
● Ny olona voan’ny aretim-po mifandray amin’ny mpanelira na nihatsentsina ny mpanelira mankany amin’ny atidoha (lalan-dra lehibe indrindra ao amin’ny tenda).
● Ny olona efa tapaka lalan-dra (vokatry ny vaingan-dra) na efa voan’ny fihetsehan’aretina tsy maharitra vokatry ny ra tsy mikoriana tsara ao amin’ny atidoha.
● Ny lehilahy mihoatra ny 50 taona no ho miakatra, ary mety ho voan’ny aretim-po sy ny lalan-dra noho ny: fifohana sigara, fiakaran’ny tosidra, diabeta, fatran’ny kôlesterôla ambony, fatran’ny kôlesterôla tsara ambany, hatavezana be, fisotroana zava-pisotro misy alkaola tafahoatra, fisian’ny mpianakavy efa voan’ny aretin’ny mpanelira aloha be (fihetsehan’ny aretim-po alohan’ny 55 taona) na tapaka lalan-dra, ary fomba fiaina tsy ampiasana vatana firy.
● Ny vehivavy mihoatra ny 50 taona ka ahitana roa na mihoatra amin’ireo lafin-javatra mety hampidi-doza voalaza etsy aloha.
Mety hirinao ny hanatona ny dokoteranao, alohan’ny hanapahana hevitra momba izany.
[Sary nahazoan-dalana]
Loharanon-kevitra: Consumer Reports on Health