Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Filazana Amboamboarina

Filazana Amboamboarina

Filazana Amboamboarina

“Rehefa ampiasaina amin-kafetsena sy amim-pikirizana ny propagandy, na ny lanitra aza dia azo aseho amin’ny olona ho toy ny afobe; ary mifanohitra amin’izany, ny fiainana faran’izay mahantra indrindra, ho toy ny paradisa.” — ADOLF HITLER, MEIN KAMPF.

ARAKARAKA ny nitomboan’ny fomba fifandraisana, manomboka amin’ny milina fanontam-pirinty ka hatramin’ny telefaonina, ny radio sy ny televiziona ary ny Internet, dia nitombo tsy nisy ohatra izany koa ny fampitana hevitra natao handresen-dahatra. Nanjary be loatra ny vaovao voaray noho io fiovana tampoka teo amin’ny fomba fifandraisana io, hany ka tototry ny fanazavana tsy hita isa sy tsy fanta-piaviana ny olona. Manoloana izany fanerena izany dia maro no mandray ireny hafatra ireny haingana kokoa, ka manaiky azy ireny tsy misy fisalasalana na fandinihana akory.

Tian’ireo mpanao propagandy fetsifetsy ny olona mihinana amam-bolony toy izany, indrindra fa ireo izay tsy miraharaha ny hevitra voasaintsaina tsara. Mampirisika ny hanaovana izany ny propagandy, ka entaniny ny fihetseham-po, hararaotiny ny tsy fatokian-tena sy ny hevi-teny tsy mazava loatra ary aolany ny fitsipiky ny lojika. Manaporofo tokoa ny tantara fa mandaitra dia mandaitra loatra ny tetik’ady toy izany.

Tantaran’ny propagandy

Manana heviny ratsy ny teny hoe “propagandy” amin’izao fotoana izao. Toa manondro tetik’ady misy tsy fahamarinana, izy io. Tsy izany anefa no hevitra tiana hampitaina tamin’io teny io, tany am-boalohany. Ilay hoe “propagandy” dia toa avy tamin’ny anarana Latinina hoe Congregatio de Propaganda Fide (Kongregasiona Natao Hampielezana ny Finoana), izay anaran’ny antokona kardinaly katolika. Natsangan’ny Papa Grégoire XV tamin’ny 1622 mba hanara-maso ny misionera io komity io, izay nantsoina hoe Propaganda, ho fanafohezana ny anarany. Niova tsikelikely ny dikan’ny hoe propagandy, ka nanjary nidika hoe izay ezaka rehetra atao mba hampielezana ny finoana.

Tsy tamin’ny taonjato faha-17 anefa vao teraka ny hevitra momba ny propagandy. Efa hatramin’ny taloha ny olona no nampiasa izay fomba fampitam-baovao rehetra nisy mba hampielezana firehan-kevitra, na mba hampitomboana laza sy hery. Nampiasaina hanaovana propagandy, ohatra, ny zavakanto, nanomboka tamin’ny andron’ireo Faraon’i Ejipta. Namolavola ny piramidany ireny mpanjaka ireny, mba hampitana amin’ny olona ilay hevitra hoe mahery sy mateza. Toy izany koa fa nampiasaina ho amin’ny zava-kendrena ara-politika, ho fanomezam-boninahitra ny fanjakana, ny maritrano romanina. Nandray heviny ratsy amin’ny ankapobeny ilay teny hoe propagandy, tamin’ny Ady Lehibe Voalohany, satria tamin’izay ireo fitondram-panjakana dia nanomboka nandray anjara mavitrika nanamboamboatra ny vaovao momba ny ady izay naparitak’ireo fampitam-baovao. Hita ho kingalahy teo amin’ny fanaovana propagandy i Adolf Hitler sy i Joseph Goebbels, nandritra ny Ady Lehibe Faharoa.

Niova tsikelikely hanjary ho ny fitaovana lehibe indrindra nampandrosoana ny politikam-pirenena ny propagandy, taorian’ny Ady Lehibe Faharoa. Na ny vondron’ny tany tandrefana na ny vondron’ny tany tatsinanana, dia samy niezaka araka izay azony natao mba hanaovana fampielezan-kevitra hitaomana ireo olona maro be mbola tsy niandany tamin’iza na tamin’iza, mba hiandany aminy. Nohararaotina mba hanaovana propagandy ny lafiny rehetra tamin’ny fiainana sy ny politikam-pirenena. Nandritra ireo taona faramparany dia nanjary niharihary ny teknika ary fomba fanaovana propagandy mandritra ireo fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana, sy ny dokam-barotra ataon’ireo orinasa mpanao sigara sy paraky. Nampiasaina ireo olona lazaina fa manam-pahaizana manokana sy ireo mpitarika hafa, mba hampiseho ny fifohana sigara ho toy ny manintona sy mahasalama, fa tsy ho toy ny maha izy azy io marina, dia ny hoe mandrahona ny fahasalamam-bahoaka.

Lainga ranofotsiny!

Ny fitaka feno hafetsena indrindra ataon’ny mpanao propagandy, dia mazava ho azy fa ny fampiasana lainga an-kitsirano. Eritrereto, ohatra, ny lainga nosoratan’i Martin Luther tamin’ny 1543, momba ireo Jiosy tany Eoropa. Hoy izy: “Nasian’izy ireo poizina ny loharano, namono olona izy ireo, nangala-jaza (...) Feno haratsiam-panahy izy ireo, mpankahala, mpamaly faty, bibilava fetsy sy mpamono olona ary zanaky ny devoly izay manindrona sy mandratra.” Inona no nampirisihany hataon’ireo olona lazaina hoe Kristianina? Izao: “Dory ny synagogany sy ny trano fianarany (...) [Tokony] hopotehina sy horavana koa ny tranony.”

Milaza toy izao ny mpampianatra siansa momba ny fitondram-panjakana sy fiaraha-monina, izay nianatra momba io vanim-potoana io: “Raha ny tena izy, ny fankahalana Jiosy dia tsy misy ifandraisany mihitsy amin’ny zavatra nataon’ny Jiosy, ka noho izany dia tsy misy ifandraisany mihitsy koa amin’ny fahafantaran’ireo mpankahala Jiosy momba ny tena toetran’ny Jiosy.” Nanamarika koa izy hoe: “Ny Jiosy no tao an-tsaina raha vao nisy zavatra tsy nety na inona izany na inona, hany ka raha vao nisy zava-nanahirana araka ny natiora na zava-nanahirana teo amin’ny fiaraha-monina, dia nandeha ho azy ny fiheverana fa ny Jiosy no loharanon’izany.”

Firesahana amin’ny ankapobeny fotsiny

Ny tetik’ady iray hafa tena mahomby eo amin’ny propagandy, dia ny filazan-javatra amin’ny ankapobeny fotsiny. Ny zava-kendren’ny filazan-javatra amin’ny ankapobeny dia ny hanafina ny zava-misy lehibe momba ilay tena raharaha dinihina, ary matetika izany no ampiasaina mba hanambaniana antokon’olona iray manontolo. Ny fehezanteny iray fandre matetika any amin’ny tany eoropeanina sasantsasany, ohatra, dia hoe: “Mpangalatra ny Tziganes [na mpifindra monina]”. Marina ve anefa izany?

Milaza ny mpanoratra an-gazety iray, atao hoe Richardos Someritis, fa tany amin’ny tany iray, ny fomba fihevitra toy izany dia niteraka karazana “rotaka hampisehoana fankahalana vahiny ary matetika fanavakavaham-bolon-koditra”, namelezana ireo mpiavy. Naseho koa anefa fa raha ny fanaovana heloka no resahina, dia saika toa mitovy amin’ny isan’ireo tompon-tany ny isan’ny vahiny voaheloka, any amin’io tany io. Nomarihin’i Someritis, ohatra, fa ny fanadihadiana iray natao tany Gresy, dia mampiseho hoe “96 amin’ireo heloka bevava 100, no nataon’ny [Grika]”. Nanamarika izy fa “antony ara-toe-karena sy ara-tsosialy no mahatonga ny fanaovana heloka bevava, fa tsy ‘ara-pirazanana’ ”. Manome tsiny ny fampahalalam-baovao izy, satria “tonga dia mampirisika hankahala vahiny sy hanavakava-bolon-koditra [izy io] isaky ny mihetsika”, amin’ny alalan’ny fanolanana ny fomba firesahana ny heloka bevava.

Fanevatevana

Misy olona sasany manevateva izay tsy mitovy hevitra aminy, ka tsy mifantoka amin’ny zava-misy, fa mametraka fisalasalana kosa ny amin’ny toetra mampiavaka ilay olona, na ny antony manosika azy io. Ny fanevatevana dia manome laza ratsy mora tadidy, momba ny olona iray, na antokon’olona iray, na hevitra iray. Manantena ilay mpanevateva fa hotsaroana foana ilay teny. Nahomby ny tetik’adin’ilay mpanevateva raha toa ny olona ka manomboka mandà ilay olona na ilay hevitra vokatr’ilay fanevatevana, fa tsy vokatry ny fandinihan’ny tenany manokana ny tena zava-misy kosa.

Tao anatin’ireo taona faramparany, ohatra, dia nisy tsy fitiavana sekta mafy nanenika ny tany maro any Eoropa sy any an-tany hafa. Io fironana io dia nanentana fihetseham-po sy nahatonga ny saina hieritreritra fahavalo iray ary nanamafy ny fitsarana an-tendrony izay efa nisy momba ireo mpivavaka vitsy an’isa. Nanjary teny famantarana matetika, ilay teny hoe “sekta”. Hoy ny nosoratan’ny mpampianatra iray atao hoe Martin Kriele, avy any Alemaina, tamin’ny 1993: “Fomba hafa iray ilazana ny hoe ‘heretika’, ny teny hoe ‘sekta’, ary ny heretika amin’izao fotoana izao eto Alemaina, sahala amin’ny taloha ihany, dia [voaheloka ho faty], raha tsy amin’ny afo (...), dia amin’ny fanosoram-potaka sy ny fanokanana ary ny fanapotehana ara-bola.”

Marihin’ny Ivon-toerana Mpamakafaka Propagandy, fa “nanana anjara tena lehibe teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao sy teo amin’ny fivoarantsika mihitsy ny anarana apetaka manambany. Nanimba tanteraka lazan’olona izy io, (...) nandefa [olona] tany amin’ny efitra figadrana ary nahatonga olona ho tezitra mafy ka hirotsaka tamin’ny ady sy hamono ny mpiara-belona taminy”.

Filalaovana ny fihetseham-po

Na dia tsy manana anjara firy aza ny fihetseham-po eo amin’ny firesahana ny tena zava-misy na eo amin’ny lojikan’ny hevitra iray, dia manana anjara tena lehibe kosa izy io eo amin’ny fandresen-dahatra. Ny fanairana ny fihetseham-po dia foronin’ireo mpanoratra an-gazety za-draharaha, izay kinga milalao ny fihetseham-po, tsy misy hafa amin’ireo mpitendry zavamaneno tena mahay mitendry piano.

Fihetseham-po iray mety hanakona ny fahaiza-mitsara zavatra, ohatra, ny tahotra. Azo hararaotina, toy ny fitsiriritana, ny tahotra. Nitatitra an’izao zavatra avy any Moscou manaraka izao, ilay gazety kanadianina atao hoe The Globe and Mail, tamin’ny 15 Febroary 1999: “Rehefa nisy ankizivavy telo namono tena tany Moscou tamin’ny herinandro lasa, dia nanipy hevitra avy hatrany ny fampitam-baovao rosianina fa mpanaraka ny Vavolombelon’i Jehovah mafana fo tafahoatra izy ireo.” Mariho ilay teny hoe “mafana fo tafahoatra”. Mazava ho azy fa atahoran’ny olona ny fivavahana mafana fo tafahoatra izay lazaina fa mitaona tanora hamono tena. Tena nisy lafiny nifandraisany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tokoa ve anefa ireo ankizivavy nampalahelo ireo?

Hoy ny tohin’ny tenin’ny Globe: “Niaiky ny polisy tatỳ aoriana fa tsy nisy ifandraisana tamin’ny [Vavolombelon’i Jehovah] mihitsy ireo ankizivavy ireo. Tamin’izay anefa ny televiziona iray tao Moscou dia efa namely indray ny sekta, ka nilaza tamin’ireo mpijery fa niara-niasa tamin’i Adolf Hitler tany Alemaina Nazia ny Vavolombelon’i Jehovah — na dia teo aza ireo porofo ara-tantara fa an’arivony maro tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah no maty tany amin’ireo toby famonoan’ny nazia.” Tany an-tsain’ny sarambabem-bahoaka nilazana hevi-diso sady angamba koa raiki-tahotra, dia hoe sekta mpamono tena, na mpiara-miasa amin’ny Nazia ny Vavolombelon’i Jehovah!

Fihetseham-po mafy iray hararaotin’ireo mpanao propagandy, ny fankahalana. Mahomby indrindra mba hanairana ny fankahalana, ny teny an-kolaka. Toa tsy lany lanina ny teny masiaka izay mampirisika sy manararaotra ny fankahalana firazanana iray, na foko iray, na antokom-pivavahana iray.

Manararaotra ny hambom-po ny mpanao propagandy sasany. Matetika no hitantsika ny fanairana ny hambom-po, rehefa ampiasaina ny teny manan-danja toy ny hoe: “Fantatry ny olona manan-tsaina rehetra fa...”, na hoe: “Raha ny olona nahita fianarana toa anao aloha dia tsy maintsy mahafantatra fa...” Lafiny iray hafa fanairana ny hambom-po ny fanararaotana ilay tahotra sao hoheverina ho tsy mahay na inona na inona. Mahafantatra tsara izany ireo matihanina amin’ny fandresen-dahatra.

Teny faneva sy famantarana

Ny teny faneva dia teny manana heviny malalaka izay ampiasaina matetika mba hanambarana ny hevitra itompoana na zava-kendrena. Koa satria malalaka ny hevitr’izy ireny, dia matetika no mora ny miray hevitra aminy.

Amin’ny fotoan’ny korontana na fifandonana eo amin’ny firenena, ohatra, ny mpanao kobaka am-bava dia mety hampiasa teny faneva toy ny hoe: “Ny ahy ny tanindrazako ihany, na ahoana na ahoana”, “Tanindrazana, Fivavahana, Fianakaviana”, na hoe “Fahafahana na Fahafatesana”. Moa ve anefa ny ankamaroan’ny olona mandinika amim-pitandremana izay tena raharaha tafiditra amin’ilay korontana na fifandonana? Sa kosa tonga dia manaiky izay lazaina aminy izy ireny?

Nanamarika toy izao i Winston Churchill, rehefa nanoratra momba ny Ady Lehibe Voalohany: “Baiko tokana monja no ilaina, dia lasa tafika matanjaka hifandramatra ireo antokona tantsaha sy mpiasa milamina ireo.” Nanamarika koa izy avy eo fa rehefa ilazana ny olona hoe izao no tokony hatao, ny ankamaroany dia manatanteraka izany tsy amim-pisainana akory.

Manana famantarana sy marika maro be isan-karazany koa ireo mpanao propagandy, mba hampitana ny hafany. Anisan’izany ny poa-basy 21 miara-mirefotra, ny fanomezana sapaoritra ho an’ny miaramila, ny saina. Azo hararaotina koa ny fitiavana ny ray aman-dreny. Araka izany, dia fitaovana sarobidy eo am-pelatanan’ny mpandresy lahatra mahay, ny teny famantarana toy ny hoe tanindrazana, firenena (avy amin’ny hoe reny), na fivavahan-drazana.

Araka izany àry, dia hita fa afaka mahatonga ny eritreritra ho ngoly tsy afa-miasa ary manakana ny fisainana mazava sy ny fahaiza-manavaka sady mamolavola ny olona hiara-mirodorodo hanao zavatra, ny fahaizana feno hafetsena amin’ny propagandy. Ahoana no ahafahanao miaro ny tenanao?

[Teny notsongaina, pejy 8]

Afaka mahatonga ny eritreritra ho ngoly tsy afa-miasa ny fahaizana feno hafetsena amin’ny propagandy

[Efajoro/Sary, pejy 7]

Miendrika Propagandy ve ny Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Ny sasany amin’ireo mpanohitra ny Vavolombelon’i Jehovah dia niampanga azy ireo ho mpanao propagandin’ny Siônisma. Ny hafa indray miampanga hoe mampandroso ny Kominisma ny asan’ny Vavolombelona. Mbola misy hafa aza milaza fa mampandroso ny zava-kendrena sy ny tombontsoan’ny “Imperialisma amerikanina”, ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ary mbola eo koa ireo izay manizingizina hoe mpanohitra izay mety ho fahefana ny Vavolombelona, ary mitarika korontana mba hanovana ny rafitry ny fiaraha-monina, na ny toe-karena, na ny politika, na ny lalàna. Mazava ho azy fa tsy afaka ny ho samy marina daholo ireo fiampangana mifanohitra ireo.

Tsotra ny marina, dia izao: Tsy misy mihatra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo zavatra voalaza etsy ambony ireo. Matoa ny Vavolombelona manao ny asany, dia ho fanarahana amim-pahatokiana ny baikon’i Jesosy Kristy tamin’ny mpianany, manao hoe: “Ho vavolombeloko (...) hatramin’ny faran’ny tany [ianareo].” (Asan’ny Apostoly 1:8). Ny asa ataon’izy ireo dia tsy mifantoka afa-tsy amin’ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana any an-danitra, dia ilay fitaovana ampiasain’Andriamanitra hitondrana fiadanana manerana ny tany manontolo — ary tsy misy ankoatra izay. — Matio 6:10; 24:14.

Ireo mpitazana ny Vavolombelon’i Jehovah dia mahita fa tsy misy porofo mihitsy manamarina hoe hery nanakorontana ny filaminan’ny tany iray io antokon’olona kristianina io.

Mpanao gazety sy mpitsara ary olona maro hafa no nanao fanamarihana fa nisy soa nentin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho an’ny fiaraha-monina misy azy ireo. Ireto misy ohatra vitsivitsy. Nanao fanamarihana toy izao ny mpanao gazety iray avy any Eoropa Atsimo, rehefa avy nanatrika ny iray tamin’ireo fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Mafy ny fatoram-pianakavian’ireo olona ireo, ampianarina haneho fitiavana sy hanaraka ny feon’ny fieritreretany izy ireo, mba tsy hanisy ratsy ny hafa.”

Hoy ny nolazain’ny mpanao gazety iray hafa, izay nanana fomba fihevitra ratsy momba ny Vavolombelona teo aloha: “Fakan-tahaka ny fiainan’izy ireo. Tsy mandika ny fari-pitsipika momba izay tsara sy izay marina, izy ireo.” Nanamarika toy izany koa momba ny Vavolombelona, ny mpahay siansa politika iray: “Mampiseho hatsaram-panahy sy fitiavana ary fahalalam-pomba fatratra amin’ny olon-kafa, izy ireo.”

Mampianatra ny Vavolombelon’i Jehovah fa mety ny manaiky ny manam-pahefana. Vahoaka mpanara-dalàna izy ireo, ka noho izany, dia manaraka ny fari-pitsipiky ny Baiboly momba ny fanaovana ny marina sy ny tsy fandaingana ary ny fahadiovana. Manao izay hananan’ny fianakaviany fitondran-tena tsara izy ireo, ary manampy ny hafa hianatra ny fomba hanaovana toy izany koa. Miaina amim-pihavanana amin’ny olona rehetra izy ireo, ka tsy voarohirohy amin’ny fihetsiketseham-pikomiana, na amin’ny revolisiona politika. Miezaka ny ho modely amin’ny fankatoavana ny lalàn’ny olombelona manam-pahefana ambony, ny Vavolombelon’i Jehovah. Etsy an-danin’izany koa anefa, izy ireo dia miandry amim-paharetana ny hamerenan’ilay Fahefana Tampony, dia i Jehovah Tompo Manam-piandrianana, ny fiadanana sy ny fanapahana marina tanteraka eto amin’ity tany ity.

Asa fampianarana koa anefa, etsy an-kilan’izany, ny asan’ny Vavolombelona. Mampiasa ny Baiboly ho fototry ny fampianarany izy ireo, ka mampianatra ny olona maneran-tany mba hisaintsaina momba ireo foto-pitsipika ara-baiboly. Amin’izany no ananan’izy ireo miandalana fari-pitsipi-pitondran-tena marina sy tsy fivadihana amin’izay tsara. Ireo toetra tsara izay andrianin’izy ireo sy ampirisihany dia manatsara ny fiainam-pianakaviana, ary manampy ny tanora hizaka ny zava-tsarotra mpitranga aminy. Manampy ny olona koa izy ireo hahazo ilay hery handresena fahazaran-dratsy sy hampitombo tsikelikely ny fahaizana mifandray tsara amin’ny hafa. Tsy ho azo antsoina hoe “propagandy” velively ny asa toy izany. Araka ny nolazain’ny The World Book Encyclopedia, dia “tsy mitovy ny propagandy sy ny fampianarana”, ao anatin’ny faritra isian’ny fifanakalozan-kevitra malalaka.

[Sary]

Ny zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelon’i Jehovah dia mampirisika ny hisian’ny toetra tsara andrianin’ny fianakaviana sy ny fari-pitsipi-pitondran-tena ambony

[Sary, pejy 5]

Anisan’ny niteraka fahafatesan’olona maro be ny propagandy mampirisika ny ady sy ny fifohana sigara