Mety Hahafaty ny Propagandy
Mety Hahafaty ny Propagandy
“Efa mahatety ny antsasak’izao tontolo izao ny lainga, nefa ny marina mbola vao mampiditra ny kirarony.” — Tenin’i MARK TWAIN.
“ILAY Jiosy ratsy tsy misy ilana azy ity!”, hoy ny teny masiaka nataon’ny mpampianatra iray tamin’ny mpianany iray fito taona, sady nasiany tehamaina izy io. Avy eo dia nasainy nilahatra hankeo amin’io mpianatra io ny mpiara-mianatra taminy rehetra, ka handrora amin’ny tarehiny.
Samy nahafantatra mazava tsara mihitsy, na ilay mpampianatra, na ilay mpianatra (izay zafikelin’ny rahavavin-dreniny ihany), fa tsy taranaka Jiosy akory ilay zazalahikely io sy ny ray aman-dreniny. Tsy mpanaraka ny fivavahana Jiosy koa izy ireo. Vavolombelon’i Jehovah kosa izy ireo. Nanararaotra ny fitsarana an-tendrony mahakasika ny Jiosy ilay mpampianatra, ka nitaona tsikelikely ny hafa hankahala ilay mpianany. Nandritra ny taona maro, ny pretran’izy ireo dia nilaza tamin’ilay mpampianatra sy ny mpianany fa olona tokony hohamavoina ny Vavolombelon’i Jehovah. Ireo ray aman-drenin’ilay zazalahy dia sady nantsoina hoe kominista no natao koa hoe mpiasan’ny CIA (mpitsikilon’ny fanjakana amerikanina). Noho izany, dia nilahatra nankeo amin’ilay zazalahy ireo mpiara-mianatra taminy, sady maika erỳ handrora tamin’ny tarehin’ilay “Jiosy ratsy tsy misy ilana azy”.
Tafavoaka velona io zazalahy io ka afaka nanambara ny zavatra niainany. Tsy mba toy izany kosa anefa ireo Jiosy enina tapitrisa tany Alemaina sy ireo tany manodidina azy, 60 taona lasa teo ho eo izay. Natao fitaovana ny propagandy feno halozana, mba hamonoana ireo Jiosy ireo tany amin’ny efitra famonoana amin’ny gaza sy ny toby fitanana nazia. Niely patrana ny fankahalana ny Jiosy, dia fankahalana lalina sy tsy marim-pototra ary feno faharatsiana, ka izany dia nitarika ny olona maro hihevitra azy ireo ho fahavalo izay mendrika ny hofongorana tanteraka satria hoe sady tena ilaina izany no rariny koa. Hita ho fitaovana nampiasaina hanaovana vono moka ny propagandy, tamin’io tarehin-javatra io.
Mety haseho mivantana amin’ny alalan’ny fampiasana ireo mariky ny fankahalana toy ny swastika (lakroa mifaraingo), ny propagandy, nefa koa mety ho amin’ny endrika an-kolaka kokoa toy ny amin’ny teny vazivazy tsy dia tsara loatra. Mampiasa tsy tapaka ny teknika fandresen-dahatra amin’ny propagandy ny mpanao didy jadona, ny mpanao politika, ny mpitondra fivavahana, ny mpanao dokam-barotra, ny mpahay varotra, ny mpanao gazety sy ny olo-malaza ao amin’ny radio sy ny televiziona ary ny mpanoratra an-gazety sy ny hafa izay liana amin’ny fitaomana ny toe-tsaina sy fihetsiky ny olona.
Mazava ho azy fa azo atao koa ny mampiasa ny hafatra ao amin’ny propagandy ho amin’ny zava-kendrena mahasoa ny fiaraha-monina. Ohatra, mandritra ny fampielezan-kevitra natao hampihenana ny isan’ny mpamily fiarakodia mamo. Azo ampiasaina koa anefa ny propagandy mba hampirisihana fankahalana antokom-pirazanana na antokom-pivavahana, na mba hitaomana ny olona hividy sigara. Izao no nomarihin’ireo mpanao fikarohana, atao hoe Anthony Pratkanis sy Elliot Aronson: “Isan’andro isika dia tototry ny fampandrenesana mandresy lahatra misesisesy. Tsy amin’ny alalan’ny toriteny na adihevitra mahafinaritra akory no andresen’ireny fitaomana ireny lahatra antsika, fa amin’ny alalan’ny filalaovana ny kolon-tsaintsika sy ny fihetseham-po fototra maha olona antsika. Ny androntsika dia andron’ny propagandy, na ho amin’ny tsara izany, na ho amin’ny ratsy.”
Ahoana no nampiasana ny propagandy mba hisy vokany teo amin’ny fisainan’ny olona sy ny zavatra nataony, nandritra ireo taonjato? Inona no azonao atao mba hiarovan-tena amin’ny propagandy mampidi-doza? Misy loharanom-panazavana azo itokisana ve? Horesahina ao amin’ireo lahatsoratra manaraka ireo fanontaniana ireo sy ny fanontaniana hafa.
[Sary, pejy 3]
Nampiasaina mba hamelezana ny Jiosy nandritra ny Fandripahana Tambabe ny propagandy