Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fihazonana Finoana tao Anatin’ny Fampahorian’ny Fitondrana Jadona

Fihazonana Finoana tao Anatin’ny Fampahorian’ny Fitondrana Jadona

Fihazonana Finoana tao Anatin’ny Fampahorian’ny Fitondrana Jadona

NOTANTARAIN’I MICHAEL DASEVICH

“Any Alemaina, dia tifirinay ny Vavolombelon’i Jehovah. Hitanao ve iry basy iry?”, hoy ny nanontanian’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Gestapo, nanondro ny basy iray teo an-joron-trano. “Afaka manatrobaka anao amin’io benitra io aho, ary tsy hahatsiaro tena ho meloka akory.”

Vao 15 taona monja aho, fony niatrika an’io fandrahonana, nandritra ny nifehezan’ny Nazia ny tanindrazanay, io, tamin’ny 1942.

TERAKA tamin’ny Novambra 1926 aho, tao amin’ny tanàna kely iray, eo akaikin’i Stanislav (antsoina ankehitriny hoe Ivano-Frankivs’k), izay anisan’i Polonina tamin’izany. Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, nanomboka tamin’ny Septambra 1939 ka hatramin’ny May 1945, dia nofehezin’ny Firaisana Sovietika aloha ny faritra nisy anay, ary avy eo, nandritra ny fotoana kelikely, dia nofehezin’i Alemaina, ary farany dia nofehezin’ny Sovietika indray. Taorian’ny ady, dia nanjary anisan’ny Repoblika Sosialista Sovietikan’i Ukraine izy io, ary rehefa tsy nisy intsony ny Firaisana Sovietika, tamin’ny 1991, dia nanjary anisan’i Ukraine.

Mpikambana tao amin’ny Eglizy Katolika Grika ny raiko, izay poloney, sy ny reniko, izay belôrosianina. Avy eo anefa, tamin’ny 1939, dia nametraka taminay ny bokikely Akaiky ny Ady Maneran-tany Iray (Rosianina), ny vehivavy roa tao amin’ny kongregasiona iray nisy Vavolombelon’i Jehovah 30, tao Horyhliady, tanàna kely teo akaiky. Nilazalaza fisehoan-javatra izay natrehiko maso izy io. Noho izany, rehefa nanontany ilay bokikely hoe “Inona no tena antony ihazakazahan’ireo firenena ho amin’ny ady?”, dia nomarihiko tamim-pitandremana ilay fanazavana ara-baiboly nomeny.

Tsy ny ady ihany no zava-nanahirana anay teto Ukraine. Teo koa ny mosary mafy. Ny paikady narahin’i Joseph Staline, Praiminisitra sovietika, dia nitarika ho amin’ny fanaovana sesitany an-tery tany Rosia. Nahatonga ahy handinika akaiky ny Baiboly ny fijaliana hitako. Nangatahiko mba hiara-mianatra Baiboly tamiko ny Vavolombelona iray tao Horyhliady.

Eo ampitan’ny Ony Dniester, mifanolotra amin’i Horyhliady, no misy an’i Odajiv, tanàna kelinay. Ary imbetsaka isan-kerinandro aho no nandeha lakana kely, nita an’io rano io, mba hahafahako hianatra Baiboly. Tamin’ny Aogositra 1941, dia natao batisa tao amin’io ony io, niaraka tamin’olona roa hafa, izahay sy i Anna, anabaviko.

Nototofan’ny Gestapo fanontaniana

Nanomboka tamin’ny 1941 ny fifehezan’ny Alemà ny taninay, ary na dia nitohy aza ny fandrahonana hanasazy, dia tsy nampitsahatra ny asanay kristianina izahay. Ny taona nanaraka, dia nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana aho, ka bisikileta no nampiasaiko hivezivezena. Tsy ela taorian’izay aho no nifanehatra tamin’ny Gestapo alemà, araka ny nolazaiko tetsy amin’ny teny fampidirana. Toy izao no nitranga.

Rehefa niverina nody avy tany amin’ny fanompoana aho, indray andro, dia nitsidika Kristianina roa hafa, dia ny reny iray sy ny zanany vavy. Nanohitra ny finoanay ny vadin’ilay zanany vavy, ka dodona ny hahafantatra izay nahazoan’ny vadiny ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly nananany. Tamin’io andro io, dia tsy vitan’ny hoe zavatra vita an-tsoratra fotsiny no teny amiko, fa tatitra momba ny fanompoan’ny Kristianina hafa koa. Hitan’ilay rangahy ny nialako tao amin’ilay trano.

“Mijanòna ialahy!”, hoy ny fibetrony. Norombahiko ny kitapoko, dia nandositra aho.

“Mijanòna ialahy! Mpangalatra e!”, hoy ny filelalelany. Nihevitra ireo mpiasa teny an-tsaha hoe avy nangalatra zavatr’olona aho, ka notereny hijanona. Nentin’ilay rangahy tany amin’ny paositry ny polisy aho, ary tao indrindra ny tompon’andraikitry ny Gestapo.

Rehefa nahita ireo zavatra vita an-tsoratra tao anatin’ny kitapoko ilay tompon’andraikitra, dia niantsoantso tamin’ny teny alemà hoe: “Rutherford! Rutherford!” Tsy nila mpandika teny hilaza izay nahatezitra azy aho. Niseho teo amin’ny fonon’ny boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny anaran’i Joseph F. Rutherford, izay prezidàn’ny Watch Tower Bible and Tract Society. Avy eo, dia niampanga ahy ho sakaizan’ny vadiny ilay rangahy. Hitan’ilay polisy sy ilay tompon’andraikitra tao amin’ny Gestapo fa nahatsikaiky izany, satria ampy taona mba ho reniko ny vadiny. Avy eo, dia nanomboka naka am-bavany ahy izy ireo.

Tian’izy ireo ho fantatra hoe iza aho sy hoe avy aiza, ary indrindra indrindra hoe avy taiza no nahazoako ireo boky. Tsy nolazaiko tamin’izy ireo anefa izany. Nikapoka ahy imbetsaka izy ireo, sady naneso ahy, ary avy eo, dia nanidy ahy tao anaty lakaly. Nalaina am-bavany aho, nandritra ireo telo andro nanaraka. Avy eo, dia nentina tany amin’ny biraon’ilay tompon’andraikitry ny Gestapo aho, ary tao izy ilay nandrahona ny hanatrobaka ahy tamin’ny benitra. Nandritra ny fotoana kelikely, dia tsy fantatro raha hanatanteraka ny fandrahonany izy na tsia. Nanondrika ny lohako aho, ary nisy toa fanginana lava be nanaraka an’izany. Avy eo izy dia niteny tampoka hoe: “Afaka mandeha ialahy.”

Hitanareo araka izany fa tena sarotra ho anay ny fitoriana tamin’izany fotoana izany, toy izany koa anefa ny fanaovana ny fivorianay. Nankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy, fanao isan-taona, izahay, tamin’ny 19 Aprily 1943, ka nampiasa ny efitra roa tao amin’ny trano iray teto Horyhliady. (Lioka 22:19). Rehefa iny handeha hanomboka ny fivorianay iny izahay, dia nisy kiakiaka hoe nanatona ilay trano ny polisy. Niafina tany an-jaridaina ny sasany taminay, fa i Anna, anabaviko, sy ny vehivavy telo hafa kosa nankany ambany lakaly. Hitan’ny polisy tao izy ireo, ka nosintoniny hivoaka tsirairay mba halaina am-bavany. Niaritra herisetra nandritra ny ora maro izy ireo, ka naratra mafy ny iray taminy.

Niova ny sehatr’izao tontolo izao

Tamin’ny fahavaratry ny 1944, dia nisintona ny Alemà, ary niverina indray ny Sovietika. Amin’ny maha mpanompon’i Jehovah anay, dia nifikitra tamin’ireo foto-pitsipika ara-baiboly narahinay, fony teo ambanin’ny fifehezan’ny Nazia, ihany izahay. Nanda tsy handray anjara tamin’ny raharaha miaramila na tamin’ny politika izahay. Tsy ela dia voasedra ny tsy fivadihanay tamin’ireny foto-pitsipika ara-baiboly ireny. — Isaia 2:4; Matio 26:52 ; Jaona 17:14.

Tao anatin’ny andro vitsivitsy, dia nanomboka niantso ny tovolahy rehetra hanao raharaha miaramila ny Sovietika. Nihasarotra kokoa ny raharaha, satria tsy ny Sovietika ihany no niantso miaramila. Nanao sava hao ilay toerana ny mpitolona ukrainien, mba hahitana tovolahy, izay nentiny tany an’ala mba hampiofaniny ho amin’ny ady. Sarotra àry ny toerana nisy anay Vavolombelona, satria tsy maintsy nanaporofo ny fialanalananay izahay tamin’ireo ankolafiny roa nifanohitra ireo — ny Sovietika sy ny mpitolona.

Nifandona teo amin’ny tanànanay mihitsy ireo antoko roa ireo, ka namela mpitolona roa maty teo amin’ny lalana teo anoloan’ny tranonay. Tonga tao an-tranonay ny manam-pahefana sovietika mba hahafantarana raha fantatray ireo olona maty ireo. Ireo manam-pahefana izay tonga tao aminay dia nanapa-kevitra ny hitondra ahy niaraka taminy sy hiantso ahy ho miaramila tao amin’ny tafiny, izay nanangana rezimanta iraisan’ny miaramila poloney. Koa satria Poloney no fiaviako, dia tsy maintsy voantso aho.

Izahay sy ny Vavolombelona efatra hafa, dia nanda tsy ho miaramila tao amin’ilay tafika, koa nentina tamin’ny lamasinina izahay ho any Dnipropetrovs’k, tanàna iray tokony ho 700 kilaometatra tany atsinanana. Tany, rehefa avy nanazava izahay fa tsy afaka ny hanao raharaha miaramila, noho ny zavatra ara-baiboly inoanay mafy, dia nentina hotanana, mandra-panomana ny fiampangana anay. Rehefa niseho teo amin’ny fitsarana izahay, dia fantatray fa Jiosy ilay mpanao famotorana sivily. Nandritra ny fiarovan-tenanay, izay nohenoin’ilay mpanao famotorana tamim-pitandremana, dia nanazava ny zavatra ninoanay izahay. Nilaza zavatra izay fantatray fa hahaliana azy izahay, anisan’izany ny fampahoriana ireo Isiraelita sy ny fanafahana azy ireo avy tany Ejipta, tamin’ny alalan’i Mosesy.

Nandritra ireo volana izay nilain’ny fitsarana mba hamoahana ny sazinay, dia napetraka tao amin’ny efitra figadrana nisy voafonja 25 hafa izahay. Rehefa fantatr’izy ireo fa nanda tsy hiditra tao amin’ny tafika izahay, dia nihiaka izy ireo hoe: “Rahalahinay ianareo!” Tsy ela anefa dia hitanay fa tsy Vavolombelona izy ireo, fa Batista. Vonona ny hiditra tao amin’ny tafika izy ireo, nefa nogadraina, rehefa nanda tsy hitondra fiadiana.

Tamin’ny May 1945, fony izahay mbola tany amin’ny fonjan’i Dnipropetrovs’k, dia notairin’ny poa-basy sy ny kiakiaka avy tao amin’ireo tobin’ny miaramila sy ny arabe teo ivelany, tamin’ny misasakalina, izahay. Nanontany tena izahay raha toa izany ka rotaka, ady, na fety. Ny ampitso maraina, tamin’ny sakafo, dia nandre ireo vaovao avy tany amin’ny trano fanetezana izahay hoe: Nifarana ny ady! Tsy ela taorian’izay, dia namoaka ny sazinay ny fitsarana. Nitovy ny sazy nomena anay sy an’ireo Batista — folo taona an-tranomaizina.

Tobin’ny voafonja tany Rosia

Nalefa tany amin’ny tobin’ny voafonja tany Rosia izahay Vavolombelona dimy mirahalahy. Tamin’ny farany, taorian’ny dia an-damasinina naharitra tapa-bolana, dia niala tao Sukhobezvodnoje, tanàna kely tokony ho 400 kilaometatra any atsinanan’i Moscou, izahay. I Sukhobezvodnoje no foibem-pitantanana ny toby fiasana an-terivozona 32, nanaraka ny lalamby. Nahazaka voafonja an’arivony maro ny toby tsirairay. Enim-bolana taorian’ny nijanonako tao Sukhobezvodnoje, dia nalefa tany amin’ny Toby No.18 aho. Mpanao heloka bevava na mpandika lalàna ara-politika ny ankamaroan’ny voafonja tao.

Nasain’ny manam-pahefana nikapa hazo, izay tena asa mafy, izahay. Indraindray izahay dia tsy maintsy namakivaky ranomandry hatreny am-balahana, sy nanapaka hazo tamin’ny tsofa, ary avy eo dia nitarika ireo vatan-kazo tao anaty ranomandry. Indray mandeha isan-kerinandro, ny alahady taorian’ny sakafo maraina, dia nanana fahafahana hiresaka zavatra ara-baiboly tamin’ireo Vavolombelona efatra hafa tao amin’ilay toby aho. Izany no fivorianay. Nankalaza ny Fahatsiarovana koa izahay, ka indray mandeha dia nanao izany tao amin’ny trano fandroana. Nampiasa ranom-boaroy izahay, satria tsy nanana divay hampiasaina ho marika nampiseho ny ran’i Jesosy.

Nahery be loatra ny fahatsapana ho mitoka-monina. Namboraka ny tao am-poko tamin’i Jehovah aho, ka nanatanjaka ahy izy, tahaka ny nanatanjahany an’i Elia, fony io mpaminany io novesaran’ny fihetseham-po toy izany. (1 Mpanjaka 19:14, 18). Nanampy ahy Andriamanitra mba hahitako fa tsy irery izahay. Tena andry mafy orina teo amin’ny fiainako mihitsy izy, na dia tao anatin’ireny tarehin-javatra sarotra ireny aza.

Vavolombelona vitsy kely ihany no tao amin’ny toby tsirairay hafa, teo akaikin’i Sukhobezvodnoje, ary afaka nifandray tamin’izy ireo tsindraindray izahay, tamin’ny alalan’ny Vavolombelona iray, izay nanana asa namela azy hitsidika ny toby rehetra. Toy ny mpanelanelana izy, ka nampiditra sy namoaka an-tsokosoko zavatra vita an-tsoratra tao amin’ireo toby. Izany dia nahatonga anay ho afaka hizara izay zavatra vita an-tsoratra kely nanananay. Fampaherezana toy inona moa no azonay tamin’izany!

Fiverenana teto Ukraine

Noho ny famotsoran-keloka nambaran’ny Fitondrana, dia nahena ho dimy taona ny saziko izay folo taona teo aloha. Noho izany, tamin’ny Aprily 1950, dia niverina tany amin’ny kongregasiona niaviako, tao Horyhliady, aho. Mbola voarara ny asanay teto Ukraine, ary nampidi-doza be ny fandraisana anjara tamin’ny fanompoana. Be dia be koa anefa ny valisoa.

Tsy ela taorian’ny niverenako no niresahako tamin’ny lehilahy iray nantsoina hoe Kozak, izay nipetraka tany Zhabokruky, tanàna kely tokony ho 20 kilaometatra avy teo amin’ny tranonay. Nanontany aho raha mandeha tsara ny fiainany sy ny an’ny fianakaviany. Fantatro fa nanahy ny amin’ny hahitana vola ampy hivelomana ny mpiasa tao amin’ireo toeram-piompiana niombonana, koa fantatro fa ny fanontaniana toy izany dia fomba nety tsara hanombohan-dresaka. Nohazavaiko fa ny Baiboly dia nanambara mialoha ny tsy fahampian-tsakafo sy ny ady amin’izao fotoana iainantsika izao. (Matio 24:3-14). Naniry hahafantatra bebe kokoa izy. Koa nitsidika azy indray aho. Isan-kerinandro isan-kerinandro aho dia nandeha an-tongotra 40 kilaometatra teo ho eo, nandroso sy niverina tany Zhabokruky, mba hiara-mianatra Baiboly tamin’ny fianakaviana Kozak. Tsy tsaroana intsony ny loza sy ny fotoana be dia be lany, rehefa natao batisa ry Kozak mianakavy, tamin’ny Aogositra 1950.

Vantany vao vita batisa ry Kozak, dia natao sesitany niaraka tamin’ny Vavolombelona an’arivony maro hafa. Noraofin’ny miaramila nitam-piadiana tampoka izy ireo, teo am-piandohan’ny Aprily 1951 ary — tsy nisy fitsarana na fahafahana hiaro tena — dia natao sesitany tany Siberia. Tany, dia voatery nanorina ny fonenany vaovao ry Kozak mianakavy sy ny maro tamin’ny namako hafa. *

Tamin’ireo fianakaviana vavolombelona niisa 15 teto Horyhliady, dia efatra monja no natao sesitany. Tany amin’ny kongregasiona hafa anefa, dia betsaka kokoa ny Vavolombelona natao sesitany. Ahoana no nandaminana ireny fanaovana sesitany tambabe ireny? Nanana lisitry ny Vavolombelona ny manam-pahefana, ka afaka nandraoka be dia be tamin’izy ireo, araka izay tiany. Toa efa voangona tamin’ny 1950 ireo lisitra, fony aho mbola tany am-pigadrana tany Rosia, ka tsy tao ny anarako. Iray volana talohan’io, tamin’ny Martsa 1951, dia nanambady an’i Fenia, mpanompon’i Jehovah nahatoky, aho. Natao sesitany daholo ny fianakavian’i Fenia, fa izy kosa afaka tamin’izany, satria efa nanambady ahy, ka izao izy dia nitondra ny anarako, izay tsy tao amin’ilay lisitra.

Fitsapam-pinoana sarotra

Taorian’ireo fanaovana sesitany, dia voatery nandamina indray ny asa izahay, izay tafajanona. Nangatahina aho mba hikarakara ny kongregasiona teo amin’ny faritra akaikin’i Ivano-Frankivs’k, izay na dia taorian’ireo fanaovana sesitany aza, dia mbola nahitana Vavolombelona tokony ho 30 tafajanona ihany, tao amin’ny tsirairay tamin’ireo kongregasiona 15. Mpandrafitra niasa tena aho, ka afaka nanovaova ny fandaharam-potoanako, ary nihaona tamim-piafenana tamin’ireo rahalahy avy tany amin’ny kongregasiona tsirairay, indray mandeha isam-bolana.

Matetika izahay no nihaona tamin’ny alina, tao amin’ny toeram-pandevenana iray, satria nahazo antoka izahay fa irery tao. Raharaha lehibe iray tsy maintsy nodinihina ny fomba nahazoana antoka fa nanana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly ny kongregasiona rehetra. Indraindray izahay dia nahazo ny nomerao farany tamin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana, amin’ny fiteny poloney na romanianina, ka nandika azy io ho amin’ny fiteny okrainianina. Kanefa, nanao andry maso anay tsy an-kijanona ny manam-pahefana, ka nanandrana nitady sy namotika ny milinay fanaovana kopia faran’izay tsotra.

Ny zava-nanahirana lehibe indrindra anay anefa dia noho izahay tafasaraka tamin’ireo rahalahinay kristianina tany amin’ny tany hafa, anisan’izany ireo tany Brooklyn, any New York, izay nitari-dalana ny asanay kristianina. Ny vokany dia voakorontana matetika noho ny tsy firaisan-tsaina sy ny tsaho ary ny fiokoana, ny kongregasionanay. Nandao ny fandaminana ny Vavolombelona sasany, ka nanorina antoko mpanohitra. Nisy filazana diso sy ratsy mihitsy aza niely, nahakasika an’ireo izay nitarika tao Brooklyn.

Araka izany, dia hitan’ny maro taminay fa ny fitsapam-pinoana sarotra indrindra ho anay, dia tsy ny vokatry ny fanenjehan’ny mpanohitra, fa ny fifanoherana teo anivon’ny kongregasiona kosa. Na dia nifidy ny tsy hiara-manompo taminay intsony azy ny sasany, dia fantatray fa zava-dehibe ny hifikirana amin’ny fandaminana sy ny hiandrasana an’i Jehovah mba handamin-javatra. Soa ihany fa nanao izany ny ankamaroan’ny Vavolombelona teto amin’ny faritra nisy anay. Faly koa aho milaza fa maro tamin’ireo izay nandao ny fandaminana no nahatsapa ny fahadisoany, ka niverina nanompo an’i Jehovah niaraka taminay, tatỳ aoriana.

Na dia nandritra ireny fotoam-pitokana-monina sarotra ireny aza, dia nandany fotoana be teo amin’ny fanompoana izahay, ka nahazo fitahiana tondraka. Ary toy inona moa ny valisoa azonay! Isaky ny manatrika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasionanay aho izao, dia mahatsiaro foana ireo fitahian’i Jehovah. Ny tsirairay amin’ireo olona 20 mahery iray fianarana boky aminay, dia nampian’ny mpianakaviko hahafantatra ny fahamarinana.

Ny ray aman-dreniko sy i Anna, anabaviko, dia samy efa maty, nahatoky teo anatrehan’i Jehovah hatramin’ny farany. Izahay sy i Fenia dia mbola marisika araka izay azonay atao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Tena nihazakazaka be ny fotoana. Nandritra ireo 30 taona farany, ny Vavolombelon’i Jehovah teto Ukraine dia nandia fisehoan-javatra nampangitakitaka, izay tsy voatantara ato amin’ity fitantarana fohy ity. Mahatsiaro ho afa-po anefa aho, rehefa mitodika any amin’ireo taona maro lasa nanompoako an’i Jehovah, ka matoky fa hitoetra ho andriko sy ho mpanohana mafy orina ho ahy hatrany izy, satria hoy izy hoe: “Izaho Jehovah dia tsy miova”. — Malakia 3:6.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 32 Jereo ny lahatsoratra hoe “Maherin’ny 40 Taona teo Ambany Fandraran’ny Kôminista”, tao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 1999, pejy 24-29, sy ny lahatsoratra ao amin’ny Mifohaza! 8 May 1999 hoe “Natao Sesitany Tany Siberia!”, pejy 20-25.

[Teny notsongaina, pejy 21]

Tian’izy ireo ho fantatra hoe iza aho sy hoe avy aiza, ary indrindra indrindra hoe avy taiza no nahazoako ireo boky. Tsy nolazaiko tamin’izy ireo anefa izany

[Teny notsongaina, pejy 22]

Nahery be loatra ny fahatsapana ho mitoka-monina. Namboraka ny tao am-poko tamin’i Jehovah aho, ka nanatanjaka ahy izy

[Sary, pejy 20]

Izahay sy i Fenia tamin’ny 1952

[Sary, pejy 23]

Miaraka amin’i Fenia amin’izao andro izao