Ny Fitsaboana Fidinao
Ny Fitsaboana Fidinao
AO AMIN’ILAY bokiny momba ny fomba fitsaboana hafa, dia nanantitrantitra izao hevitra izao ny Dr. Isadore Rosenfeld: “Raha omena toky ny antokon’olona na iza na iza sendra nofantenana fa ‘handaitra’ aminy ny fitsaboana iray na inona na inona, dia mety hitondra fihatsaran’ny fahasalamana tokoa izany, amin’ny antsasak’izy ireo.”
Antsoina hoe vokatry ny fitsaboana tsy mandaitra fa natao hampandriana saina fotsiny izany, ary midika hoe na pilina siramamy aza dia mety handaitra rehefa inoan’ny olona. Io fitsaboana natao hampandriana saina io dia afaka manamaivana soritr’aretina noforomporonin’ny saina, toy ny fanaintainana, ny fisaleboleboana, ny havizanana, ny fanimpanina, ny fanahiana, ary ny fahaketrahana. Inona no asehon’izany zava-misy izany?
Voalohany aloha, izany dia mampiseho fa anton-javatra lehibe mitondra fihatsaran’ny
fahasalamana ny fatokisan’ny olona iray ny fitsaboana na inona na inona atao aminy, amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra. Etsy an-danin’izany, dia mety ho fahendrena ny manamarina mba hahitana raha mitsabo ny fototr’ilay aretina ny fomba fitsaboana iray, fa tsy ny soritr’aretina fotsiny. Azo atao izany amin’ny fitsapana ny vokatr’ilay fitsaboana amin’ny alalan’ny fitaovana mampiseho ny tena zava-misy, toy ny fitaovam-pitsirihana any amin’ny laboratoara sy ny taratra X.Tsy izay ihany anefa no azon’ny olona iray atao rehefa mifidy fomba fitsaboana iray izy.
Dingana lehibe tokony hatao
Fahendrena ny manao fikarohana, alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra. Mametraha fanontaniana. Inona avy no vokany azo ampoizina? Inona avy no lafy tsarany, lafy ratsiny, ary fandaniana azo ampoizina sy faharetan’ny fitsaboana? Miresaha amin’olona izay efa nanaraka ilay fitsaboana. Anontanio azy raha nahasoa ilay izy. Tadidio anefa fa mety hamitaka ny porofo miorina amin’ny fitantarana fotsiny.
Mety ho tsy fahendrena ny hanarahana fomba fitsaboana iray tsy mahazatra, raha toa ilay izy ka mahatonga olona iray hampihemotra ny fanarahana fitsaboana mahazatra izay efa voaporofo ny fahombiazany, na dia voafetra ihany aza izany. Ny tatitra iray nataon’ny gazetiboky The New England Journal of Medicine dia manaporofo fa manimba tokoa izany. Io gazetiboky io mantsy dia nilazalaza ny fitaran’ny kansera nahazo ny marary tanora roa izay tsy nanaiky fitsaboana mahazatra fa nampiasa fanafody hafa kosa. Maty ny iray taminy.
Fahendrena ny hahamailo ny olona voan’ny aretina mitaiza na aretina mety hahafaty, satria izy ireny mety ho mora voafitak’ireo mpisandoka milaza ho mahay, izay mikendry ny marary toa azy ireny, ka mampirisika ny hampiasana fitsaboana sandoka. Mitandrema tena amin’ny fanafody na inona na inona izay lazaina fa mahasitrana aretina maro samihafa. Ohatra, vao haingana izay dia voalaza fa misy vitaminina vaovao izay efa “nanaisotra ny aretina rehetra, manomboka amin’ny aretim-pisefoana, ny tsy fahampian-kery ka hatramin’ny aretina mety hahafaty”. Rehefa natao analizy ilay “vitaminina”, dia hita fa, hay ilay izy ranon-tsira fotsiny.
Tsy isalasalana fa mety hahasoa sy hanatsara ny fahasalamana ny sasany amin’ireo fomba fitsaboana hafa. Aoka anefa ianao tsy hanantena zavatra tsy araka ny tena izy. Fahendrena ny miezaka mihinana sakafo mahavelona, manao izay hahazoana torimaso ampy, manao fampiasan-tena ampy, ary maneho fahamalinana rehefa mifidy fitsaboana.
Ho tanteraka ilay nokatsahina
Miharihary fa tsy misy fitsaboana noforonin’ny olombelona afaka mamarana ny aretina rehetra sy ny fahafatesana hoentin’izany amin’ny farany. Nolovana avy tamin’i Adama razambentsika, ilay lehilahy voalohany, mantsy ny aretina sy ny fahafatesana. (Joba 14:4; Salamo 51:5; Romana 5:12). Angamba mety ho hita ho mahasoa tokoa ny fitsaboana maro, na inona na inona karazany. Fanaovan-javatra vonjy maika fotsiny ihany anefa izy ireny, izay mety hanalava ny fiainana sy mahatonga azy io hahafinaritra kokoa mandritra ny fotoana voafetra. Misy anefa fanafodiny azo antoka ho amin’ny tsy fahasalamana, ary olona an-tapitrisany maro no efa nahita azy io.
I Jehovah Andriamanitra, Mpamorona antsika, ilay Dokotera Lehibe, no nanome izany fanafodiny izany. Raha toa ianao ka maneho finoana azy sy manao izay handraisan-tsoa avy amin’ny vidin’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy, Zanany, izay sorona manavotra amin’ny fahotana, dia ho afaka hanana fahasalamana tonga lafatra sy hiaina mandrakizay ao amin’ny tontolo iray tsy hisy aretina ianao! (Matio 20:28). Mampanantena ny Baiboly fa “tsy hisy amin’ny mponina ao [amin’izany tontolo vaovao izany] hilaza hoe: Marary aho”. — Isaia 33:24.
[Teny notsongaina, pejy 12]
Olona an-tapitrisany maro no efa nahita ilay hany fanantenana azo antoka fa hisy fahasalamana tonga lafatra