Olana Mihalehibe ny Aretina Afindran’ny Bibikely
Olana Mihalehibe ny Aretina Afindran’ny Bibikely
ALINA NY ANDRO any Amerika Latinina. Faly ilay reny mandrakotra an’ilay zanany hatory, sady manao veloma azy. Nisy bibikely mainty mpanoroka anefa tao anaty haizina tao. Zara raha misy telo santimetatra ny halavany. Nivoaka moramora avy teo amin’ny lavaka amin’ny valitafo teo ambonin’ilay fandriana izy, ary nitsambikina ho eo amin’ny tarehin’ilay zaza matory. Toa tsy re akory ny nanekerany ny hoditra malemilemin’ilay zaza. Sady mitroka ra izy, no mandatsaka ny malotony misy katsentsitra. Tsy taitra ilay zazakely, fa nohaoriny ny tarehiny, ka tafiditra tao amin’ilay ratra ilay maloto.
Voan’ny aretin’i Chagas ilay zaza, taorian’io. Manavy be izy afaka herinandro na tapa-bolana, ary mivonto ny vatany. Na afaka aza ilay fanaviana, dia mety hipetraka ao anatiny ny katsentsitra, ka tonga hatrany amin’ny fony sy ny hozany ary ny atin’ny hodiny. Mety tsy hisy soritr’aretina mihitsy ao anatin’ny 10 na 20 taona. Aorian’izay dia mety hisy ratra ao amin’ny taovam-pandevonan-kaniny, sy any amin’ny atidohany, ka ho fatin’ny aretim-po izy.
Tsy tena nisy io tantara io, nefa mampiseho tsara ny fomba mety hahazoana ny aretin’i Chagas. Olona an-tapitrisa any Amerika Latinina no mety hahazo an’io oroky ny fahafatesana io.
Ny biby maro tongotra sy ny olona
Hoy ny Rakipahalalana Britannica (anglisy): “Ny ankamaroan’ny fanaviana mahazo ny olona dia avy amin’ny zavamiaina bitika dia bitika nafindran’ny bibikely.” Ny antsoin’ny olona hoe “bibikely”, dia tsy ireo bibikely manan-tongotra enina ihany, toy ny lalitra, parasy, moka, haofotsy, ary voantay, fa ireo manan-tongotra valo koa, toy ny koroka sy kongona.
Tsy mampidi-doza ho an’ny olona ny ankamaroan’ny bibikely, ary mety hahasoa mihitsy aza ny sasany. Raha tsy misy azy ireny, dia maro ny zavamaniry sy hazo tsy hamelana na hamoa, nefa ilain’ny olona sy ny biby izany mba hahazoana sakafo. Misy bibikely manodina ny loto. Maro aminy no mihinana zavamaniry, fa misy kosa mihinana bibikely hafa.
Eo koa anefa ireo bibikely manelingelina ny olona sy ny biby, satria manaikitra maharary, na mameno tanàna. Misy manimba voly. Mbola ratsy kokoa anefa ireo bibikely mamindra aretina sy mahafaty. Nilaza toy izao i Duane Gubler, ao amin’ny Foibe Amerikanina Miady Amin’ny Aretina: “Maro kokoa ny olona narary na maty [noho ny aretina afindran’ny bibikely] tamin’ny taonjato faha-17 ka hatramin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20, noho ny antony hafa rehetra atambatra.”
Olona 1 ao anatin’ny 6 izao no voan’ny aretina afindran’ny bibikely. Mampijaly olona izany, sady mandany vola be, indrindra fa atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, izany hoe ireo tany tsy manam-bola indrindra. Tena andaniam-bola be ny aretina mirongatra. Nitranga tany andrefan’i Inde izany tamin’ny 1994, ka voalaza fa an’arivo tapitrisa ny vola niala tamin’ilay tany sy maneran-tany. Araka ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS), dia tsy ho afaka handroso ara-toe-karena ireo tany mahantra indrindra, raha tsy voafehy io olana ara-pahasalamana io.
Fomba amindran’ny bibikely aretina amintsika
Fomba roa lehibe no amindrany aretina. Ny voalohany, dia entin’ny vatany ilay aretina. Mety hitondra loto ho ao an-trano, ohatra, ny kiraron’ny olona. Hoy koa ny Rakipahalalana Britannica: “Mitondra zavamiaina bitika dia bitika an-tapitrisa, amin’ny alalan’ny tongony koa ny lalitra, ka ampy izany mba hiteraka aretina.” Mitondra aretina avy amin’ny diky, ohatra, ny vatan’ny lalitra, ary mamindra izany amin’ny sakafo na zava-pisotro ho antsika. Izany no ahazoan’ny olona aretim-be sy mahafaty toy ny tefoedra, fivalanan-dra, ary kôlerà. Ny lalitra koa no anisan’ny mamindra ny trachome, izay antony voalohany mahajamba ny olona eran-tany. Simbain’io aretina io ny sarontapotsimaso. Olona 500 000 000 no voan’io aretina io eran-tany.
Heverina ho mitondra ny aretina amin’ny vatany koa ny kalalao, izay betsaka amin’ny toerana maloto. Lazain’ny manam-pahaizana koa fa ny tsy fahazakana kalalao no nampitombo be ny olona voan’ny sohika tato ho ato, indrindra fa ny ankizy. Anisan’izany i Ashley, zazavavy 15 taona. Sempotra matetika izy isan’alina, satria voan’ny sohika. Raha handeha hihaino ny tratrany iny indrindra ny dokotera, no nisy kalalao nipitika avy tao anaty akanjon’i Ashley, sady nihazakazaka teo amin’ilay latabatra fizahana marary.
Aretina avy ao anaty
Mety hitondra virosy, na bakteria, na katsentsitra, ao anatiny koa ny bibikely. Fomba faharoa amindrany aretina àry ny kaikitra, na fanaovana zavatra hafa. Vitsy ihany ny bibikely mamindra aretina amin’ny olona amin’io fomba io. An’arivo, ohatra, ny karazana moka, nefa ny anofela ihany no mamindra tazo, izay areti-mifindra faharoa mahafaty (ny tioberkilaozy no voalohany).
Mamindra aretina maro anefa ny moka hafa. Hoy ny OMS: “Ny moka no tena atahorana indrindra amin’ny bibikely mpamindra aretina, satria mamindra tazo sy dengue ary tazo vony. Ireo aretina ireo no mahafaty olona an-tapitrisa maro sady mamely olona an-jato tapitrisa isan-taona.” Ny 40 isan-jaton’ny olona eran-tany, fara fahakeliny, no mety ho voan’ny tazo, ary ny 40 isan-jato kosa mety ho voan’ny dengue. Mety ho samy hahavoa olona any amin’ny toerana maro izy ireo.
Mazava ho azy fa tsy ny moka ihany no mitondra aretina ao anatiny. Ny lalitra tsetse no mamindra ny prôtôzôera mahatonga ny aretin’ny torimaso, izay mahazo olona ana hetsy, sy mahatonga olona maro be handao ny tany lonaka niasany. Afrikanina 400 000 no jamba, satria nifindran’ilay kankana kely miteraka fahajambana avy amin’ny renirano, nentin’ny lalitra mainty. Mamindra an’ilay prôtôzôera miteraka ny leishmaniose ny lalitra kely. Sady mampahalemy io fitambaran’aretina io, no manimba endrika, ary matetika no mahafaty. Olona samy hafa taona an-tapitrisa izao no voan’izy io eran-tany. Ireto avy ny aretina mety hoentin’ny parasy: kankam-pisaka, fanaintainan’ny atidoha, tularémie (mpahazo ny biby mpikiky), ary hatramin’ny Pesta Mainty koa. Ny Pesta Mainty dia nandripaka ny ampahatelon’ny Eoropeanina, na maherin’izany, nandritra ny enin-taona monja, tamin’ny andro fahiny.
Mety hamindra typhus sy aretina maro hafa ny haofotsy sy koroka ary kongona. Mety hitondra ny aretin’i Lyme ny kongona any amin’ny tany mafanafana eran-tany. Ny aretin’i Lyme dia ilay aretina lehibe afindran’ny bibikely hita any Etazonia sy Eoropa. Nasehon’ny fikarohana tany Soeda fa mety hitondra kongona any amin’ny an’arivo kilaometatra ireo vorona mpifindra monina, ka hamindra ilay aretina any an-tany hafa. Ny “kongona”, hoy ny Britannica, no “bibikely mahery indrindra (aorian’ny moka), raha ny famindrany aretina amin’ny olona no resahina.” Mety hitondra zavamananaina telo samy hafa mpitondra aretina, ny kongona iray, ary afaka mamindra azy telo amin’ny kaikitra indray mandeha monja!
Tsy nisy vetivety ny aretina
Vao tamin’ny 1877 no nasehon’ny mpahay siansa fa afaka mamindra aretina ny bibikely. Nanomboka niezahana mafy tamin’izay ny hifehy na hamongotra bibikely mpitondra aretina. Nanomboka nampiasaina tamin’ny 1939 ilay famonoana bibikely atao hoe DDT. Tsy noheverina ho mandrahona ny fahasalamam-bahoaka tany ivelan’i Afrika intsony àry ny aretina afindran’ny bibikely, tamin’ny 1960. Tsy nantitranterina intsony ny fifehezana an’ireo mpamindra aretina, fa ny fampiasana fanafody mba hitsaboana haingana an’ireo efa marary no nasongadina. Tsy nahaliana intsony ny fianarana momba ny bibikely sy ny fiainany. Nisy fanafody vaovao hita koa, ary toa hitan’ny siansa ny “fomba mahagaga” hiadiana amin’ny aretina rehetra. Tsy nisy vetivety ny areti-mifindra teo amin’izao tontolo izao. Nandalo ihany anefa izany. Horesahin’ilay lahatsoratra manaraka ny anton’izany.
[Teny notsongaina, pejy 3]
Olona 1 ao anatin’ny 6 izao no voan’ny aretina nafindran’ny bibikely
[Sary, pejy 3]
Bibikely mpanoroka
[Sary, pejy 4]
Mitondra ny aretina amin’ny tongony ny lalitra
[Sary, pejy 5]
Maro ny bibikely mitondra ny aretina ao anatiny
Mitondra fahajambana avy amin’ny renirano ny lalitra mainty
Mitondra tazo sy “dengue” ary tazo vony ny moka
Mety hamindra “typhus” ny haofotsy
Mety hamindra fanaintainan’ny atidoha sy aretina hafa ny parasy
Mamindra aretin’ny torimaso ny lalitra tsetse
[Sary nahazoan-dalana]
WHO/TDR/LSTM
CDC/James D. Gathany
CDC/Dr. Dennis D. Juranek
CDC/Janice Carr
WHO/TDR/Fisher
[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]
Clemson University - USDA Cooperative Extension Slide Series, www.insectimages.org