Nahoana Aho no Mitady ny ho Tonga Lafatra Foana?
Manontany ny Tanora Hoe . . .
Nahoana Aho no Mitady ny ho Tonga Lafatra Foana?
“Nantenain’ny olona rehetra fa izaho no hahazo ny naoty ambony indrindra amin’ny taranja rehetra, satria mpampianatra i Dada. Nitomany aho indraindray mandra-paharesin-tory ahy.”—Leah. *
“Mitady ny tonga lafatra foana aho. Tsy maintsy izaho no mahay indrindra amin’izay zavatra atao, na tsy maintsy miavaka tanteraka amin’ny an’ny hafa ny fomba hanaovako azy. Raha tsy izany, dia tsy misy antony hanaovana ilay izy.”—Caleb.
MITADY ny ho tonga lafatra foana ve ianao? Manahy foana ve ianao sao tsy tena hahafa-po ny zava-bitanao, na toy inona na toy inona fiezahanao? Tsy mahatanty kianina mihitsy ve ianao? Rehefa misy zavatra tsy mandeha tsara, moa ve ianao manome tsiny ny tenanao ka mieritreritra hoe: ‘Vendrana sy tsy mahay mihitsy aho raha oharina amin’ny hafa, sady tsy misy ilana ahy’? Raha misy zavatra tianao ho vita tsara, heverinao ve fa tsy maintsy ianao no manao azy? Tena matahotra ny tsy hahomby ve ianao indraindray ka mangataka andro, na tsy mahavita na inona na inona?
Manao ahoana ny fifandraisanao amin’ny olona? Tsy mana-namana ve ianao, satria tsy misy tonga lafatra araka ny itiavanao azy ny olona manodidina anao? Mahasorena anao ve ny fahadisoan’ny hafa? Raha ‘eny’ ny valin-teninao amin’ny iray amin’ireo fanontaniana ireo, dia angamba ianao anisan’ireo olona mitady ny tonga lafatra foana. Raha izany no izy, dia tsy irery ianao. Tanora maro no toy izany, indrindra fa ireo manan-talenta miavaka, na mahay be. *
Inona no mahatonga ny olona hitady ny tonga lafatra foana? Tombantombana no hany azon’ny mpikaroka aroso. Hoy ilay boky hoe Fitadiavana ny Tonga Lafatra—Inona no Maharatsy ny Tsara Loatra? (anglisy): “Tsy aretina izy io, ka hoe nifindra taminao; ary tsy manaranaka koa, ka hoe vao teraka ianao dia efa mitady ny tonga lafatra foana. Ahoana àry no mahatonga ny olona hanana io toetra io? Misy manam-pahaizana mino fa miforona mandritra ny fahazazana izy io. Eo ny zavatra takin’ny fianakaviana sy ilay olona ihany, ary ny manodidina azy. Eo koa ireo olona asehon’ny fampitam-baovao ho toy ny tonga lafatra, sy ireo modely sarotra tahafina. Ireo rehetra ireo no mahatonga ny sasany hanahy lava, sy hahatsiaro tena ho meloka, ary hiasa mafy loatra mandritra ny androm-piainany.”
Mety hanimba ny fiainanao ny fitadiavana ny tonga lafatra foana, na inona na inona mahatonga izany. Andeha hojerentsika io toetra io sy ny antony mety hahatonga azy io hanimba anao.
Inona no atao hoe mitady ny tonga lafatra foana?
Ny olona mitady ny tonga lafatra foana dia tsy vitan’ny hoe miezaka mafy hahavita asa faran’Ohabolana 22:29. Derainy koa ny olona maromaro nanan-talenta isan-karazany. (1 Samoela 16:18; 1 Mpanjaka 7:13, 14) Tsara àry ny miezaka mafy mba hahavita zavatra tena tsara sy hametra tanjona ambony nefa azo tratrarina. ‘Ho finaritra amin’ny fisasarany’ izay manao izany.—Mpitoriteny 2:24.
izay tsara fotsiny, na ho afa-po amin’izany. Midera ny olona “mailaka amin’ny raharahany” mihitsy aza ny Baiboly, ao amin’nyTsy mahazo fahafaham-po toy izany anefa ny olona mitady ny tonga lafatra foana. Tsy tsara ny fomba fiheviny ny zava-bita. Milaza ny manam-pahaizana sasany fa ny olona manana io toetra io dia mametra “tanjona tsy azo tratrarina (izany hoe ny tonga lafatra), ary tsy afa-po mihitsy, na tsara toy inona aza ny zava-bita.” Vokatr’izany, dia ‘rera-tsaina foana izy, ka mihevi-tena ho tsy mahavita na inona na inona.’ Misy boky mamaritra ny atao hoe fitadiavana ny tonga lafatra ho “finoana tsy marim-pototra hoe tsy maintsy lavorary ilay olona sy ny manodidina azy.” Izy io dia “toe-tsaina latsa-paka, mahatonga ny olona hihevitra fa na inona na inona iezahany hatao eo amin’ny fiainana, dia tsy maintsy atao tsy misy mivaona, tsy misy diso, sady mirindra tanteraka.”
Kanefa, tsy nilaza ve i Jesosy hoe: “Aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra”? (Matio 5:48) Marina izany, nefa tsy nilaza izy hoe afaka ny ho tanteraka na tonga lafatra amin’ny heviny feno ny olona. Ny Baiboly dia mampianatra fa ‘samy efa nanota ny rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.’ (Romana 3:23) Inona àry no tian’i Jesosy holazaina? Ao amin’ny Baiboly ilay teny hoe “tanteraka” dia midika hoe feno. (Matio 19:21) Niresaka momba ny fitiavana i Jesosy, rehefa nilaza fa tsy maintsy ho tanteraka isika. Tamin’izay dia nampirisika ny mpianany haneho fitiavana tamin’ny fomba feno kokoa izy. Ahoana izany? Tokony ho tian’izy ireo na dia ny fahavalony aza. Nilaza toy izao i Jesosy, hoy i Lioka mpanoratra ao amin’ny Baiboly: “Aoka ho mpamindra fo hianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo.”—Lioka 6:36.
Mikely aina ny olona mitady ny tonga lafatra foana, noho ny fiheverana fa azo atao ny ho lavorary amin’ny heviny feno. Zavatra be loatra àry no takin’izy ireo amin’ny hafa. Milaza ny boky iray manampy ny olona hiala amin’io toetra io fa ireo mitady ny tonga lafatra foana dia “olona kivy noho ny fomba fiasan’ny hafa . . . Araka ny heviny, dia sady tsy mivaky loha hanao asa tsara ny olona no tsy mikaly ny asany.”
Mpianatra mahay, ohatra, i Carly, ary nasaina hanaraka fandaharana iray natao ho an’ny mpianatra mahay be. Tsy nahay nifandray firy tamin’ny olon-kafa anefa izy. Nandao azy ny ankamaroan’ny namany, satria tiany ho tonga lafatra foana ny zava-drehetra. “Hitako fa be loatra ny zavatra azo nokianina tamin’izy ireo”, hoy izy.
Misy koa ireo mety hitaky fahalavorariana amin’ny tenany, fa tsy amin’ny olon-kafa. Hazavain’ilay boky voalaza etsy aloha fa ny olona toy izany dia mihevitra fa “tsy mahay izy, na tsy mahafa-po ny zavatra ataony . . . ary tena atahorany ny fiheveran’ny hafa azy.”
Olana ateraky ny fiezahana ho tonga lafatra
Tsy mahasoa ny mitady ny tonga lafatra, fa matetika no manimba. Tsy mitarika ho amin’ny fanaovan-javatra tena tsara izy io, fa mahatonga tsy fahombiazana matetika. Tsaroan’ny lehilahy kristianina atao hoe Daniel ny fiezahany nandritra ny ora maro, nanomana famelabelarana hataony tao amin’ny Efitrano Fanjakanan’Ohabolana 19:20) Tsy nandray tsara an’ilay torohevitra mahasoa anefa i Daniel, fa nihevitra hoe tsy nahavita na inona na inona ny tenany. Izao no tsaroany: “Te hilevim-belona aho tamin’izay.” Tsy nahita tory izy nandritra ny herinandro maromaro.
ny Vavolombelon’i Jehovah. Maro ny mpanatrika nidera azy satria tena tsara ilay lahateniny. Nomen’ilay mpampianatra fanoloran-kevitra mahasoa sy voalanjalanja tsara izy avy eo. Mampirisika antsika ny Baiboly mba ‘hihaino ny saina atolotra ary handray ny fananarana.’ (Mety hisakana ny olona tsy hianatra, ny fitadiavana ny tonga lafatra foana. Tao amin’ny lahatsoratra ho an’ny tanora tao amin’ny Internet, dia nanoratra toy izao ny ankizivavy atao hoe Rachel: “Tapa-kevitra ny hianatra tsara aho rehefa tafiditra teny amin’ny lise. Nahazo naoty ambony be foana aho, ary tsy hitako izay tokony hampiova izany.” Tsy ela anefa dia hitan’i Rachel fa tsy nahay matematika izy, ka latsaka kely noho ny teo aloha ny naoty “mba” azony. Hoy izy: “Ny ankizy rehetra nilaza fa tsara ilay naoty, nefa nahamenatra ahy ilay izy. Nanomboka nitebiteby sy natahotra aho . . . Natahotra hangataka fanampiana tamin’ny mpampianatra aho, satria nieritreritra fa raha niaiky aho hoe nila fanampiana tamin’ny fanaovana ny devoarako, dia toy ny niaiky hoe tsy haiko ilay izy. . . . Nieritreritra mihitsy aho indraindray hoe aleo maty toy izay tsy hahomby.”
Nisy aza tanora nieritreritra ny hamono tena mihitsy, noho ny tahotra ny tsy hahomby. Soa ihany fa tsy lasa lavitra toy izany ny eritreritry ny ankamaroan’izy ireo. Araka ny nomarihin’i Sylvia Rimm, mpitsabo aretin-tsaina anefa, dia mety tsy hanandrana hanao ilay devoara mihitsy izy ireny, mba hialana amin’ny tsy fahombiazana. Nilaza i Rimm fa ny mpianatra sasany mitady ny tonga lafatra foana, dia “tsy mamerina na manadino ny devoarany, tsy mikaly ny asany, na mitady fialan-tsiny.”
Misy indray tanora mety hanao zavatra tafahoatra mba hahazoana antoka fa hahomby. Niaiky toy izao i Daniel: “Niari-tory aho rehefa nanomana ny famelabelarana natao tany am-pianarana, mba tsy hisy hokianina mihitsy ilay izy.” Tsy araka ny antenaina anefa mazàna ny vokatra azo rehefa manao zavatra tafahoatra toy izany. Vao mainka tsy mahafa-po ny zava-bitan’ny mpianatra rehefa te hatory izy.
Tsy mahagaga àry raha lazaina fa misy ifandraisany ny hoe mitady ny tonga lafatra sy ny hoe tezi-dava, mihevi-tena ho tsinontsinona sy meloka, mijery lafy ratsin-javatra, tsy misakafo ara-dalàna, ary ketraka. Mety ho simba ny fahasalamana ara-panahin’ny olona mitady ny tonga lafatra foana, ary izay no ratsy indrindra. Ny Baiboly, ohatra, dia mandidy ny Kristianina hanambara ny finoany amin’ny olona. (Romana 10:10; Hebreo 10:24, 25) Nisalasala hanome valin-teny tany amin’ny fivoriana kristianina anefa ny tanora atao hoe Vivian, satria natahotra sao tsy hazava tsara ny teniny. Toy izany koa ny tovovavy atao hoe Leah. Hoy izy: “Raha diso ny teniko, dia ho diso koa ny fiheveran’ny olona ahy, ka aleoko mangina.”
Mazava àry fa tsy mahasoa ny mitady ny tonga lafatra. Raha manana lafin-toetra sasany voalaza ato anatin’ity lahatsoratra ity ianao, dia angamba hila hanova ny fomba fisainanao. Handinika ny fomba azonao anaovana izany ny lahatsoratra any aoriana.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.
^ feh. 6 Mirona hitady ny tonga lafatra foana ny 87,5 isan-jaton’ireo mpianatra mahay be, araka ny fanadihadiana iray.
[Sary, pejy 12]
Misakana tanora sasany tsy hamita ny devoarany ny tahotra ny tsy hahomby
[Sary, pejy 13]
Mety ho ketraka sy hihevi-tena ho tsinontsinona ny olona mitady ny tonga lafatra foana