Topy Maso Eran-tany
Topy Maso Eran-tany
Fandripahana Antsantsa
Mamakivaky an’ireo ranomasimbe eran-tany ny mpanjono mpihaza antsantsa. Ny vombon’antsantsa ihany anefa no alainy fa ny vatabeny kosa ariany any an-dranomasina. Hoy ny gazety Science News: “Lasopy [vombon’antsantsa] lafo be no mba anton’io fandripahana mahatsiravina io.” Nahatratra sambo avy any Hawaii feno vombon’antsantsa milanja 32 taonina, tany amin’ny morontsirak’i Meksika, ny mpiandry morontsiraka amerikanina tamin’ny Aogositra 2002. Tsy nahita tapany hafa amin’ny antsantsa, ankoatra ny vombony izy ireo tao amin’ilay sambo. Hoy ihany ilay gazety: “Antsantsa 30 000, fara fahakeliny, no naripaka mba hahazoana an’ireo vombon’antsantsa ireo, ary henan’antsantsa 580 000 kilao eo ho eo no nariana. Tombanana ho 100 tapitrisa isan-taona, ny antsantsa azon’ireo mpanjono eran-tany.” Mihoatra ny 222 dolara (1 400 000 FMG eo ho eo) ny antsasa-kilao amin’ny vombon’antsantsa eny amin’ny mpivarotra, ary tena miroborobo ny tsena ka tsy maharaka ny famatsiana.
Tsy Mahay Mandamim-potoana
Hita tamin’ny fanadihadiana vao haingana fa “mamita-tena ny maro amin’ireo mitaraina ho tsy manam-potoana.” Izany no fanambaran’ny gazety The Australian. Toy izao no ilazany ny fanadihadiana nataon’ny Oniversiten’i Nouvelle-Galles du Sud sy ny Oniversitem-pirenen’i Aostralia: “Maro amintsika no mandany fotoana be loatra any am-piasana, ary manao asa mihoatra ny tena ilaina rehefa any an-trano.” Nanao kajy ny mpikaroka hoe tokony hiasa adiny firy ny mpivady tsy manan-janaka, mba hahazoana ny tena ilaina eo amin’ny fiainana. Nampitahaina tamin’ny fotoana tena iasan’izy ireo izany avy eo. Milaza ilay gazety fa ny mpivady tsy manan-janaka dia “mandany adiny 79 isan-kerinandro any am-piasana, adiny 37 hiasana ao an-trano ary adiny 138 hikarakarana izay ilainy manokana. Ny tena ilainy anefa raha ny marina, dia adiny 20 [folo avy] isan-kerinandro mba hiasana, adiny 18 ho an’ny asa ao an-trano ary adiny 116 hikarakarana izay ilainy manokana [anisan’izany ny sakafo sy torimaso].” Afaka mahazo fotoana malalaka amboniny, adiny 100 isan-kerinandro ny mpivady vonona hanatsotra ny fiainany. Nasehon’ilay fanadihadiana fa ny mpivady miasa, nefa tsy manan-janaka, no “mitaraina ho tsy nanam-potoana indrindra, nefa izy ireo raha ny marina no malalaka indrindra. Mbola sahirana lavitra noho izy ireo ny ray aman-dreny mitaiza.”
Mihabetsaka ny Voan’ny Diabeta any Inde
Tombanan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana ho 170 tapitrisa ny olona voan’ny diabeta eran-tany. I Inde no firenena be mararin’ny diabeta indrindra, satria 32 tapitrisa izao no voan’izy io any, araka ny gazety Deccan Herald. Hihoatra ny 57 tapitrisa izany amin’ny taona 2005. Nisy fivoriana iraisam-pirenena tany Sri Lanka, niresahana momba ny diabeta any Azia. Ireto no antony fototra mahatonga an’io fitomboana be io hoy ny manam-pahaizana: Sakafo, fiovan’ny fomba fiaina, fikorontanan-tsaina, toe-batana nolovana tamin’ny ray aman-dreny, tsy fahampian-danja teo am-pahaterahana, ary sakafo tsy voalanjalanja omena ny zazakely. Anisan’ny mora indrindra eran-tany ny saram-pitsaboana ny diabeta any Inde. Mbola betsaka anefa ny maty sy mijaly noho io aretina io any, satria tsy fantatry ny ankamaroan’ireo marary hoe voan’izy io ny tenany, ary ny sasany indray diso aoriana loatra vao mahafantatra izany. Hita tamin’ny fanadihadiana natao tany amin’ny tanàn-dehibe sasany tany Inde, fa ny 12 isan-jaton’ny olon-dehibe no voan’ny diabeta. Ny 14 isan-jato kosa manana vatana tsy afaka mandevona tsara ny siramamy, ary miafara amin’ny diabeta izany matetika.
Mpanao Gazety Mikorontan-tsaina Mafy
Hoy ny gazety The New York Times: “Maro ny [mpanao gazety niasa tany an’ady] no lasa mikorontan-tsaina mafy noho ny zavatra hitany sy niainany.” Resahiny koa ny momba “ny fanadihadiana natao tamin’ny mpanao gazety vahiny [140], avy amin’ny fikambanana mpampiely vaovao enina lehibe, nalefa foana mba hitatitra vaovao avy tany an-tany misy ady.” Manazava ilay gazety hoe: “Mikorontan-tsaina mafy ireo mpanao gazety niasa tany an’ady ireo, ary mihorohoro foana noho ny zavatra niainany, [raha ampitahaina amin’ireo 107 hafa] tsy niasa tany an’ady.” Ireny olona ireny dia “mieritreritra foana ilay zava-nitranga mampalahelo, manonofy ratsy matetika, mora tezitra, tsy mahay mifantoka, ary saro-tahotra.” Ankoatra izany, dia “maro koa no lasa tsy mahay mifandray amin’ny olona, . . . ka tsy mahay miaina eo anivon’ny fiaraha-monina, malaina mifanerasera amin’ny namana, miady lava amin’ny olona, ary mamono eritreritra amin’ny fibobohana toaka.” Raha atao ny salanisa, ireo lehilahy sy vehivavy nanaovana fanadihadiana ireo dia “nandany 15 taona tany amin’ny toerana nisy ady toa an’i Bosnia, Rwanda, Tchétchénie, Somalia, ary Afghanistan.”
Mihantitra ny Eoropeanina
Hoy ny El País, gazety espaniola: “Vao mainka mety tsara amin’i Eoropa izao ny anarany hoe kontinanta antitra.” Mihoatra ny ampahadimin’ny mponina any amin’ireo firenena anisan’ny Vondrona Eoropeanina mantsy no mihoatra ny 60 taona. Milaza ny manam-pahaizana fa amin’ny taona 2050 dia olona 4 amin’ny 10 no hihoatra ny 60 taona, any an-tanàn-dehiben’ny tany sasany toa an’i Aotrisy, Italia, ary Espaina. Hitaky fanitsiana ara-tsosialy sy ara-toe-karena io fitomboan’ny isan’ny be taona io. Izany no noresahina nandritra ny Fivoriambe Faharoa Momba ny Be taona natao tany Madrid, any Espaina. Sarotra ny mahita vola ho an’ny fisotroan-dronono sy hanonerana ny saram-pitsaboana. Azon’ny mpampiasa atao àry ny mandray mpiasa efa zokinjokiny ka hanao fandaharam-potoana azo ovaovana, na hanome azy ireo asa azony atao miaraka. Afaka manao fandaminana koa izy mba tsy hisy mpiasa be dia be hiara-miala, satria miara-tonga ny taona hakan’izy ireo fisotroan-dronono. Ankoatra izany, dia hoy i Josep Maria Riera, mpandraharaha espaniola hoe: “Ho vitsy ny tanora, koa tsy maintsy hampiasa olona be taona kokoa ireo kompania raha te hiroborobo.”
Vao Mainka Ilaina ny Fampianarana Momba ny Firaisana
Araka ny tarehimarika ofisialy, teo anelanelan’ny 1996 sy 2001, dia nitombo be ny isan’ny ankizivavy nanala zaza, tany Alemaina. Milaza ny gazety Der Spiegel fa nitombo 60 isan-jato izany teo amin’ireo ankizy 15 ka hatramin’ny 17 taona, ary 90 isan-jato teo amin’ireo latsaka ny 15 taona. Nilaza i Norbert Kluge ao amin’ny Oniversiten’i Koblenz-Landau, fa maoty aloha be ny ankizy ankehitriny. ‘Sady kely anefa no mbola tara be koa ny fampianarana azy momba ny firaisana sy ny fiterahana.’ Nilaza i Kluge fa tsara raha alohan’ny fahafolo taonany ny ankizy no ampianarina ny marina momba ny firaisana sy ny fiterahana. Ray aman-dreny maro anefa no tsy manao izany. Niresaka momba izany ny mpitantana ny Konsily Federalin’ny Ray Aman-dreny any Bonn, araka ny Berliner Morgenpost. Ampirisihiny ny ray aman-dreny hiresaka bebe kokoa foto-kevitra ara-pihetseham-po, rehefa mampianatra ny zanany momba ny firaisana. Afaka miresaka momba “ny fitiavana sy ny fiarahan’ny lahy sy ny vavy”, ohatra, izy ireo fa tsy hianina fotsiny amin’ny fanazavana momba ny fiterahana.
Ny E-mail sy ny Fahaiza-miresaka
Taterin’ny gazety kanadianina Globe and Mail, ny fanadihadiana nataon’ny mpikaroka roa. Hita tamin’io fanadihadiana io fa zatra miresaka amin’ny alalan’ny e-mail ny mpiasa, na mifanakaiky toeram-piasana izy ireo na mifanalavitra be. Niresaka momba ny mety ho vokatry ny e-mail eo amin’ny fahaiza-miresaka i David Crystal, mpampianatra momba ny teny ao amin’ny Oniversiten’i Galles. Nolazainy fa “mitaky fieritreretana sy famaliana eo no ho eo ny firesahana mivantana amin’ny olona.” Tsy mamela ny hanaovana izany anefa ny e-mail satria misy fotoana lava manelanelana ny fandraisana sy fandefasana taratasy. Afaka miresaka maharitra tsy misy manapatapaka koa ny mpampiasa e-mail. Hoy anefa ny gazety Globe: “Tena ilaina hahaizana miresaka ny fihainoana sy famaliana eo no ho eo mandritra ny resaka atao mivantana.”
Misy Rafi-pitatitra Roa Ve?
Milaza ny Bild der Wissenschaft, gazety ara-tsiansa, fa manana rafi-pitatitra manokana ny olombelona hahatsapany fitiavana sy tambitamby. Nisy mpahay siansa soedoà nahita fa na dia ny vehivavy efa maty hoza-pitatitra aza dia mbola mahatsapa fahafinaretana ihany rehefa kasihina moramora amin’ny borosy malefaka. Mahatsapa fahafinaretana izy satria ao amin’ny hoditra dia misy rafi-pitatitra iray hafa, misy fibra miadam-pitatitra antsoina hoe fibra C. Taterin’ny fitambaran-kozatra ny safosafo, ka taitra ireo faritra ao amin’ny atidoha izay mifandray amin’ny fihetseham-po. Hoy ny International Herald Tribune mahakasika izany rafi-pitatitra roa ao amin’ny olombelona izany: “Miasa mandritra ireo ora voalohany aorian’ny fahaterahana, na angamba aza hatrany an-kibo ireo fibra miadam-pitatitra. Mitombo miandalana aorian’ny fahaterahana kosa ireo fibra haingam-pitatitra. Afaka mahatsapa ny fitiavan’ny ray na ny reny ny zaza vao teraka trotroina na dia mbola tsy tsapany aza hoe misy mikasika azy.”