Lasa Olana Lehibe ve ny Tsy Fahampian-torimaso?
Lasa Olana Lehibe ve ny Tsy Fahampian-torimaso?
OLONA an-tapitrisa izao no bokan’ny “trosa.” Mety hahapotika ny fiarany io trosa io, na hahavoaroaka azy amin’ny asany, na mety handrava ny fanambadiany mihitsy aza. Mety hankarary sy hahafohy andro azy koa izy io. Mampahalemy ny rafi-kery fanefitra mantsy izy io, ka lasa mora voan’ny karazan’aretina maro ilay olona. Voalaza koa fa misy ifandraisany amin’ny diabeta, aretim-po, hatavezana be loatra, ary aretina maro hafa koa izy io. Maro amin’ireo tokony handoa azy io anefa no tsy mahatsapa izany akory.
Ny trosan-torimaso no resahintsika eto. Mitranga izy io rehefa tsy mahazo ny torimaso ampy mba hahasalama azy ny olona iray. Mety tsy ho ampy torimaso ilay olona noho ny fomba fiaina arahiny, na noho ny antony ara-pahasalamana.
Hita tamin’ny fikarohana fa mbola tokony hatory adiny iray fanampiny, isan’alina, ny mponina eran-tany amin’ny ankapobeny. Toa kely ihany izany, nefa mahatratra adiny enina arivo tapitrisa isan’alina raha atambatra. Ho vokany dia nitombo be ny fikarohana momba ny aretina vokatry ny tsy fahampian-torimaso sy ny akon’izy io eo amin’ny fiainan’ny olona.
Notsorina fotsiny hoe tsy fahitan-tory io toe-javatra io taloha. Hitan’ny vaomiera naorin’ny Kongresy Amerikanina anefa fa misy 17 karazana ny tsy fahitan-tory. Maro be ny antony tsy ahitan-tory, ary matetika izy io no eritreretina ho famantarana amin’ny olana ara-pahasalamana. Toy ny hoe rehefa manavy ny olona iray dia midika izany fa misy mikraoba tafiditra ao amin’ny tenany.
Mety hitera-doza na dia ny tsy fahampian-torimaso indraindray fotsiny aza. Efa hatramin’ny ela, ohatra, i Tom no saoferana kamiao mpitondra solika, nefa mbola tafavily tany an-kady ihany ilay kamiao nentiny. Raraka teo amin’ny arabe ireo asidra 400 litatra nentiny tamin’izay. Hoy izy: “Tena mamon’ny torimaso aho.” Tsikaritra koa fa vokatry ny tsy fahampian-torimaso avokoa ny antsasak’ireo lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’ny arabe midadasika roa nanaovana fanadihadiana tany Etazonia.
Tena mampidi-doza koa ny miara-miasa amin’ny olona tsy ampy torimaso. Hoy indrindra i Ann Williamson, mpikaroka avy any *
Aostralia: “Tsy nahavita niasa ara-dalàna ireo [nandramana] tsy nampatorina nandritra ny adiny 17 ka hatramin’ny adiny 19. Mitovy amin’ny olona manana fatrana alkaola 0,05% ao amin’ny rany mihitsy izy ireo.” Efa mihoatra ny fetra ahazoana mitondra fiara any amin’ny tany sasany izany, raha tsorina! Betsaka ny loza mitranga any am-piasana sy eo amin’ny fifamoivoizana, vokatry ny tsy fahampian-torimaso. Noho izany dia matiantoka ny orinasa maro ary fianakaviana maro koa no mijaly.Nahoana no mety tsy ho ampy torimaso ny olona? Intỳ no antony iray: Mahita atao foana ny olona isan’andro, na amin’ny firy na amin’ny firy. Nilaza ny gazety Etazonia Ankehitriny (anglisy) fa “tena mampisafotofoto ny fiainantsika izany.” Nomarihiny fa “mihabetsaka izao ireo mpivarotra enta-madinika sy mpanao raharaha hafa mivoha amin’ny alina, ka tsy voalanjalanja intsony ny fotoana tokony hatoriana.” Any amin’ny tany maro dia mijery televiziona na Internet mandritra ny ora tokony hatoriana ny olona. Tsy ahitan-tory koa ny famoizam-po vokatry ny fikorontanan-tsaina sy ny rotoroton’ny fiainana. Ary farany, dia eo koa ireo karazan’aretina samihafa mitarika ho amin’ny tsy fahitan-tory.
Dokotera maro no mahita fa tsy dia raharahain’ny marary loatra ny tsy fahampian-torimaso. Nisy dokotera aza nitaraina hoe eritreretin’ny olona sasany ho “mariky ny fahamboniana” ny harerahana lava. Tsikelikely koa ny fiharatsian’ny fahasalaman’ireo tsy ampy torimaso, ka mety hohamaivanin’izy ireo ny halehiben’ilay olana mahazo azy. Maro no mihevitra fotsiny hoe: ‘Efa antitra fotsiny aho e!’ na ‘Tsy haiko ny miatrika ny fiainana ka mila ho trotraka aho’ na koa ‘Vizana foana aho satria tsy ampy fialan-tsasatra.’
Tsy marina anefa izany. Tena raharaha lehibe mantsy ny tsy fahampian-torimaso. Ho vonona kokoa ny hiova ianao, raha fantatrao hoe inona no atao hoe torimaso mahasalama, sy ireo famantarana ny tsy fahampian-torimaso. Mety hamonjy aina ny fahafantarana ireo famantarana ireo.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 7 Ny havizanana no voalaza fa anisan’ny nahatonga ireo loza nahatsiravina indrindra nitranga nandritra iny taonjato faha-20 iny. Jereo ny Réveillez-vous! 8 Febroary 2001, pejy 6.
[Sary, pejy 4]
Mety hitera-doza mahatsiravina na dia ny tsy fahampian-torimaso indraindray fotsiny aza