Topy Maso Eran-tany
Topy Maso Eran-tany
Mandeha eny Ambony Rano ny Ganagana Plastika
Tratran’ny rivo-mahery ny sambo iray niainga avy tany Hong Kong nankany Etazonia tamin’ny Janoary 1992, ka very ny ganagana plastika 29 000, hoy ny Frankfurter Allgemeine Zeitung any Alemaina. Tany amin’ny morontsiraky ny Nosy Baranof, any Alaska, no nahitana voalohany ny sasany tamin’ireo ganagana ireo, tamin’ny Novambra 1992. Ny hafa kosa hita tany amin’ny “ranomandry mitsingevana any avaratry ny Andilan-dranomasin’i Béring”, roa taona taorian’ilay rivo-mahery. Antenaina fa ho hita any amin’ny morontsirak’i Nouvelle-Angleterre, any Amerika Avaratra, koa ireo kilalao tena mafy ireo. Tsara homarihina, araka ny voalazan’ilay gazety, fa nanampy ny mpahay siansa ilay rivo-mahery, satria nanamarina ilay teorian’izy ireo hoe “mikoriana any amin’ny Oseana Arktika avy hatrany ny ranomasina avy any amin’ny Pasifika, ary mankany amin’ny Atlantika avy eo.”
Ny Voangory no Nitondra Vahaolana!
“Karazana voangory roa no nanampy an’i Bénin, any Afrika Andrefana, tsy ho lany vola 260 tapitrisa dolara tao anatin’ny 20 taona”, hoy ny gazety New Scientist. “Resin’ireo voangory ireo ny tsinkafonkafona, izay zavamaniry velona an-drano sy mitombo haingana be. Mamono ny trondro sy manakantsakana ny fandehanan’ny lakana ary manimba ny fiainan’ny zavamananaina ao anaty farihy izy io.” Lazain’ilay gazety koa fa “tapa-bolana latsaka dia efa lasa avo roa heny ny habetsahan’ny tsinkafonkafona. Mandrobona be koa ny raviny, ka zara raha afaka manjono sy mandeha lakana ny olona.” Manala ny oksizenina ao amin’ny rano sy mampitombo ny asidra ao aminy ny tsinkafonkafona. Tsy mampikoriana tsara ny rano koa izy io, ka mihabetsaka ny fotaka miangona. Manjary tsy tazana koa ny voay, ka mampidi-doza ho an’ny olona mantsaka. Tsy nahafaka ny tsinkafonkafona ny milina, hoy ny New Scientist. Mety handoto ny rano sy hamono ny zavamaniry hafa koa anefa ny fampiasana fanafody simika. Ireo karazana voangory roa ireo ihany no nitondra vahaolana, satria tsy mihinana afa-tsy tsinkafonkafona izy ireo.
Miloka ny Vehivavy Mpikarakara Tokantrano
Hoy ny gazety Sunday Telegraph any Londres: “Mihamaro ny vehivavy mpikarakara tokantrano [eto Grande-Bretagne] no za-dratsy miloka amin’ny alalan’ny Internet. Mandany ora maro isan’andro izy ireo amin’izany, ka lasa midi-trosa be.” Misy vehivavy misalasala ny ho any amin’ny trano filokana. Hitan’izy ireo anefa fa tsy dia mahamenatra loatra ny miloka amin’ny alalan’ny Internet. Azony ampidirina ho anisan’ny zavatra ataony isan’andro ao an-trano koa ny filokana. Maro no lasa za-dratsy manao azy io. Matetika anefa izy ireo no tsy manaiky hoe lasa mpiloka, satria mahamenatra eo amin’ny fiaraha-monina ny vehivavy miloka. Hoy ny Profesora Mark Griffiths, avy any amin’ny Oniversiten’i Nottingham: “Tena niova ny fanaon’ny olona, satria tsy any amin’ny trano filokana intsony izy ireo no miloka fa any an-trano na any am-piasana.” Hoy koa izy: “Raha mpiloka gaigilahy ianao, . . . dia tena azo inoana fa tsy hahazo hiditra any amin’ny trano filokana. Tsy misy mahita kosa anefa ianao, raha miloka amin’ny alalan’ny Internet.”
Mihamaro ny Tanora Tsy Manan-kialofana
“Mihamaro ny tanora tsy manan-kialofana eto Madrid”, hoy ny fanontana tamin’ny teny anglisy ny gazety espaniola mpiseho isan’andro El País. “Tsy ampy 20 taona akory ny 1 250 eo ho eo amin’ireo olona 5 000 tsy manan-kialofana eto Madrid”, araka ny fanadihadian’ny oniversite iray. Hita tamin’ny fikarohana fa “nisaraka ny ray aman-drenin’ny ankamaroany, ka lasa mikorontan-tsaina izy ireo.” Ambonin’izany, dia “roa ao anatin’ny telo amin’izy ireo no zanaka mpisotro toaka na mpidoroka zava-mahadomelina, na koa nampijalina tao an-trano.” Nilaza i Manuel Muñoz, izay nanoratra an’ilay tatitra, hoe: “Manomboka tsy mifankatia toy ny hatramin’izay intsony ny mpianakavy any Mediterane.”
Mihamirongatra ny Angatra any Kanada
“Niakatra 40 isan-jato mahery ny isan’ny olona voan’ny angatra tao anatin’ny dimy taona farany, na dia tsy nitombo mihitsy aza izany nandritra ny 20 taona”, hoy ny gazety Vancouver Sun any Kanada. Aretina azo avy amin’ny firaisana ny angatra, ary mety tsy hampiteraka. “Mety hiparitaka any amin’ny ra izy io, ka hahatratra ny tonon-taolana, ary mety hiteraka fanaintainana sy fivontosan’ny tonon-taolana, na ilay atao hoe ‘aretin’ny tonon-taolana vokatry ny angatra.’” Lasa mahatohitra “ny fanafody rehetra natao iadiana aminy” koa ny bakteria miteraka ny angatra, hoy ny Sun. ‘Mety hampitombo ny isan’ny olona hitondra ny tsimokaretina VIH koa ny fitombon’ny isan’ny olona voan’ny angatra. Mety ho mora voa na hamindra an’io virosin’ny SIDA io mantsy izay olona voan’ny aretina hafa azo avy amin’ny firaisana.’ Milaza mihitsy aza ny dokotera fa manjary tsy dia atahoran’ny olona intsony ny VIH, ka izany no antony mampirongatra ny angatra. “Lasa tsy dia miraharaha intsony ny olona hoe iza ary firy no olona anaovany firaisana”, hoy ny Dr. David Fisman, manam-pahaizana momba ny aretina azo avy amin’ny firaisana.
Dadabe na Bebe Hofana
“Reny sy ray tokan-tena 1 000 mahery, manan-janaka hatramin’ny folo taona, no nahavita nifidy dadabe na bebe ho an’ny zanany”, hoy ny gazety alemà Nassauische Neue Presse. “Mipetraka lavitra be an’i Berlin ny tena dadabeko sy bebeko”, hoy i Melanie, fito taona. “Etsy akaiky etsy kosa i Bebe Klara no mipetraka. Maka ahy any am-pianarana izy, dia miaraka amiko any amin’ny toeram-pijerem-biby na any amin’ny toerana filalaovan’ny ankizy na any amin’ny dobo filomanosana. Mahandro sakafo koa izy, dia miara-misakafo aminay sy Neny ao an-trano.” Avy amin’ny fikambanana “dadabe sy bebe” i Bebe Klara. Mandefa zokiolona mba hokaramain’ny ray na reny tokan-tena io fikambanana io, ka telo hatramin’ny dimy dolara isan’ora no karaman’izy ireo amin’izany. “Mety tsara ho an’ny ray na reny tokan-tena tsy dia manam-bola firy io tetikasa io”, hoy ilay gazety.
Torapasika ho An’ny “Olona Mahazo Aina”
Nanokana toerana ho an’ireo menatra ny ho any amin’ny torapasika feno olona manifinify ny hotely iray any amoron-dranomasin’i Cancún, any Meksika, hoy ny gazety El Economista. Izao no teny fanevan’io hotely io: “Sambatra Izay Matavy.” Ny tanjony dia ny “hisarika ireo olona matavy loatra, izay menatra ny ho eny amoron-dranomasina manao ny fitafiany fitondra milomano.” Voalazan’ilay gazety fa misy mahia sy matavy ny mpiasan’io hotely io. Ampiofanina izy ireo mba tsy hanavakavaka ireo olona matavy loatra manao vakansy ao aminy, “satria efa tena avakavahana be izy ireny isan’andro.”
Mihamafana ny Ranomasina Mediterane
“Folo taona izao no nitananay an-tsoratra . . . ny fiakaran’ny hafanan’ny Ranomasina Mediterane”, hoy i Maurizio Wurtz, manam-pahaizana momba ny zavamananaina an-dranomasina, any amin’ny Oniversiten’i Gênes, any Italia. Milaza izy ao amin’ny tatitra nataony, izay nivoaka tao amin’ny gazety italianina La Repubblica, fa mahasarika zavamaniry sy biby vaovao velona an-drano, io ranomasina mihamafana io. “Karazany maro be amin’izy ireo no mifindra avy any amin’ny morontsiraka afrikanina, ka mankany avaratry ny Ranomasina Mediterane”, hoy i Wurtz. Anisan’izany ilay trondro atao hoe kongotry, avy any amin’ny ranomasina mafana sy ny karazan-trondro iray avy any amin’ny faritra mafanan’i Atlantika ary ny karazany iray hafa avy any amin’ny Oseana Indianina sy Pasifika. Eo koa ny karazana ahidrano iray, izay nanaraka ny Lakan-dranon’i Suez ka tonga tany amin’ny Ranomasina Mediterane.