Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpisolovava Nitady Fanampiana

Mpisolovava Nitady Fanampiana

Mpisolovava Nitady Fanampiana

Nalahelo ny mpisolovava iray noho ny habetsahan’ny olona misara-panambadiana, ka nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brezila. Hoy izy: “Mikasa hisara-panambadiana ny maro amin’ireo olona tonga any am-piasako. Tena mahakivy ny mandre azy ireo milaza ny antony haniriany hisaraka. Milaza, ohatra, izy ireo fa tsy mifampiresaka firy na koa tsy tena mifankatia. Tena tsy mahafantatra ny torohevitra ao amin’ny bokinareo mihitsy izy ireo.”

Mahafantatra tsara ny Vavolombelon’i Jehovah io mpisolovava io, ka hoy izy: “Tena faly aho raha handefasanareo boky, mba hozaraiko amin’ireo olona manatona ahy. Hanampy azy ireo izany mba hisaintsaina ny maha zava-dehibe ny fanambadiana, sy handinika indray ny fanapahan-kevitr’izy ireo, ary hahay hifanaraka sy ho sambatra indray.”

Raha tianao ny hahafantatra ireo torohevitra sarobidy avy ao amin’ny Baiboly mahakasika ny fomba hananana fanambadiana sambatra, dia faly izahay handefa ilay boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana ho anao. Resahina ao amin’io boky io ny fomba roa lehibe hanampy ny mpivady hifanaraka tsara, ka handraisan’izy ireo fitahiana maro. Raha te hahazo iray amin’io boky io ianao, dia fenoy ilay tapakila ary alefaso amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.