Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bibikely Tsara Tarehy toy ny Firavaka

Bibikely Tsara Tarehy toy ny Firavaka

Bibikely Tsara Tarehy toy ny Firavaka

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ESPAINA

MISY zavamiaina sarobidy an’arivony ao amin’ny alan’ny tany mafana, saingy tsy tsikaritra akory izy ireny. Mamiratra toy ny volamena sy volafotsy ny sasany, ary ny hafa indray manjelatra toy ny emeraoda sy vatosoa mena ary safira. Tsy hitan’ny olona ny ankamaroan’ireny firavaky ny ala ireny, dia ny fianakaviamben’ny voangory.

Inona no tonga ao an-tsainao, rehefa mieritreritra ny voangory? Bibikely mainty hafahafa endrika mandehandeha amin’ny tany ve? Raha ny marina, dia anisan’ny zavaboary mareva-doko sy maro karazana ary maro an’isa indrindra eto an-tany ny voangory. Milaza ny Boky Guinness Momba ny Biby Miavaka Indrindra (anglisy), fa misy karazany 400 000 eo ho eo ny voangory. Efa ho ny ampahatelon’ny karazam-biby fantatra eto an-tany izany. Ary raha maniry hahita karazam-biby vaovao ianao, dia ao amin’ny fianakaviamben’ny voangory angamba no tsara hikarohanao. Nanombantombana i Dr. Terry Erwin, manam-pahaizana momba ny bibikely, fa mbola misy karazam-boangory an-tapitrisany tsy fantatry ny mpahay siansa. Mahagaga fa nahita karazany 1 200 teo ho eo i Erwin, tamin’ny hazo lehibe 19 monja.

Maro karazana aoka izany

Tsy mahagaga raha samihafa ny bika sy haben’ny voangory, rehefa jerena ny hamaron’ny karazany. Nilaza ny gazetiboky Jeografiam-pirenena (anglisy) fa ‘tena lehibe [ny voangory sasany], ka nampiasa basy nisy bala fasika ireo mpanangona karazam-boangory fahiny, mba hisamborana azy ireny. Tena bitika kosa ny hafa, ka afaka mipetraka eo amin’ny vavan’ny tantely. Mitsofoka any amin’ny tranombakoka mihitsy aza ny sasany, ary mihinana ireo voangory aranty ao.’

Mety hahazoam-bola be tokoa ny voangory isan-karazany voangona, arakaraka ny lokony sy ny tsy fahitana azy firy. Miloko isan-karazany ny voantay: maitso, mena, mivolom-bolamena, ary manopy volafotsy. Eo amin’ny 2 400 000 FMG eo ho eo, ohatra, ny vidin’ny voantay mena midorehitra, ary mety ho avo roa heny mihitsy ny vidiny, raha mivolom-bolamena izy.

Maro loko sy manaitra ny maso ny soratsoratra amin’ny voangory lava tandroka sasany. Ahitana loko maro mamirapiratra kosa ny hafa. Marevaka kokoa na mitovitovy amin’ny kôlibria, ny lokony maitso manopy manga. Tsy ny lokony ihany anefa no mahasarobidy ny voangory. Mihinana ny zavamaniry efa lo sy ny loto avy amin’ny biby izy ireny, ka mampirindra tsara ny tontolo iainana.

Firavaka vita amin’ny bibikely

Tsy ny mpanangona karazam-boangory ihany no mankafy ireny bibikely toy ny firavaka ireny. Any Amerika, ohatra, dia akamban’ny vehivavy sasany mba ho lasa vakana ary iambozonany, ny elatry ny voangory miloko isan-karazany. Misy koa karazam-boangory antsoina hoe voangory firavaka, ka anamboaran’ny olona haingon’akanjo any amin’ny faritra sasany any Meksika. Ametahan’izy ireo poti-pitaratra miloko sy zavatra mampihaingo azy, ny lamosin’ilay bibikely mbola velona. Asiany rojo kely ilay izy avy eo, ary paingoriny amin’ny akanjony.

Asehon’ireny bibikely toy ny firavaka ireny, fa kanto sy be pitsiny ny zavaboary eto an-tany. Marina foana izany na lavitra na akaiky no tianao hijerena ireo voangory.

[Efajoro/Sary, pejy 16]

Voangory Mpihinan-dravina

Mety hanimba zavatra ny voangory sasany, na dia tsara tarehy aza. Mihinana ravina sy taho ary fakan-javamaniry sy voly isan-karazany, ohatra, ny voangory mpihinan-dravina.

Misy karazany 25 000 ny voangory mpihinan-dravina. Ny voangory mpihinana ravin’ovy avy any Colorado anefa no tonga avy hatrany ao an-tsain’ny mpamboly maro, rehefa miresaka an’io karazany io. Tamin’ny 1859 no voalohany nahafantaran’ny mponina tany Amerika Avaratra, fa mpanimba voly izy io. Nirongatra tany Eoropa ny voangory tany am-piandohan’ny taonjato faha-20, ary nanenika ilay kontinanta sy tonga hatrany Azia mihitsy aza.

Tena fahavalo lehibe ny voangory mpihinan-dravina, noho izy nanjary tsy nandairan’ny poizim-bibikely intsony. Ireto avy no atao ankehitriny, mba hiadiana amin’ireny voangory mirangorango ireny: fikarakarana manokana ny tany, fampiasana bibikely na zavamaniry tsy tian’ny voangory, ary poizina.

[Sary]

Voangory mpihinana ravin’ovy avy any Colorado, Etazonia

[Sary nahazoan-dalana]

Scott Bauer/Agricultural Research Service, USDA

[Efajoro/Sary, pejy 17]

Ireo Voangory Tompon-daka

◼ Ny voangory no ela velona indrindra amin’ny bibikely. Tsy mahatratra herintaona akory ny ankamaroan’ny bibikely dia maty, nefa velona 30 taona mahery ny voangory firavaka. Nisy boky nilaza fa nahatratra 47 taona ny iray tamin’izy ireo. Manazava ny Boky Guinness Momba ny Biby Miavaka Indrindra fa “manatody ao ambadiky ny hoditry ny hazo maniry” ireny voangory ireny. “Matetika no mbola velona ny sakivy sasany, rehefa tapahina ny hazo iray. Manaraka ilay hazo any amin’izay tany rehetra alehany izy, ka indraindray aza rehefa lasa voangory mihitsy vao mipoitra avy ao anaty fanaka, taona maro atỳ aoriana.”

◼ Ny voangory Goliata avy any atsimon’i Afrika no mavesatra indrindra amin’ny bibikely eto an-tany. Mety hahatratra hatramin’ny 100 grama ny lanjan’ny voangory lahy amin’io karazany io, izany hoe intelon’ny lanjan’ny totozy.

◼ Lasan’ny voangory tokantandroka ny lokan’ny fibatana zavatra mavesatra indrindra (raha oharina amin’ny habeny). Matanjaka be izy ireny, ka mahazaka zavatra in-850 henin’ny lanjany.

[Sary]

Voangory Goliata, Repoblika Demokratikan’i Congo

[Sary nahazoan-dalana]

Faunia, Madrid

[Sary]

Voangory tokantandroka, Guinée Équatoriale

[Sary, pejy 16]

Voangory firavaka, Meksika

[Sary, pejy 16]

Voangory firavaka, Honduras

[Sary, pejy 16]

Voangory firavaka, Costa Rica

[Sary, pejy 17]

Voangory lava tandroka, Indonezia

[Sary, pejy 17]

Voantay, Tailandy

[Sary, pejy 17]

Voangory mpandoaka hazo, Tailandy

[Sary, pejy 17]

Voangory mpandoaka hazo, Hongria

[Sary, pejy 17]

Voangory firavaka, Honduras

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Ambony havia sy afovoany: © David Hawks; havanana: © Barbara Strnadova/Photo Researchers, Inc.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]

Ambony, havia miankavanana: Telo voalohany: Faunia, Madrid; fahefatra: Gyorgy Csoka, Hungary Forest Research Institute, www.insectimages.org; fahadimy: © Barbara Strnadova/Photo Researchers, Inc.