Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona moa ny Hazapotsy?

Inona moa ny Hazapotsy?

Inona moa ny Hazapotsy?

Avy amin’ny mpanoratra ny Mifohaza! atsy Afrika Atsimo

◼ Mampihomehy ny filazan’i Sibongile ny hodiny indraindray. Sady mitsiky izy no miteny hoe: “Mainty hoditra aho tamin’ny vao teraka, nihafotsy aho avy eo, ary tsy fantatro intsony izao ny volon-koditro.” Voan’ny hazapotsy (vitiligo) izy.

Voan’ny hazapotsy na hazaka fotsy ny olona, rehefa mihena ny sela manome loko ny hodiny, ka manjary misy pentina sy faritra fotsy. Faritra kely ihany no misy fotsy, amin’ny olona sasany, ary tsy mitatra intsony. Manenika haingana ny vatany kosa izy io amin’ny hafa. Mety hitatra miadana mandritra ny taona maro koa anefa ilay aretina indraindray. Tsy manaintaina na mifindra anefa izy io.

Tsy voatery ho hita be toy ny an’i Sibongile akory ny karazana hazapotsy rehetra, satria amin’ny olona mainty izy io no tena misongadina. Maro anefa no voan’izy io, fa samihafa ny habetsahany. Iray na roa isan-jaton’ny mponina no voa, araka ny antontan’isa. Tsy mifidy firazanana izy io, ary mety ho voa na lehilahy na vehivavy. Mbola tsy fantatra ny mahatonga ilay aretina.

Misy zavatra maro azo atao, na dia tsy misy fitsaboana tena mahasitrana azy aza. Mora hita kokoa izy io, ohatra, amin’ny olona fotsy, rehefa main’ny andro ny hodiny tsy misy ilay aretina. Tsy ho hita loatra àry ny hazapotsiny, raha tsy mitanina andro izy. Misy zavatra manokana koa azo atao ho an’ny olona mainty, mba hanafenana ny fahasamihafan’ny lokon’ny hodiny. Mihinam-panafody mandritra ny volana maromaro ilay olona, ary tsaboina amin’ny alalan’ny taratra ultraviolet. Natao mba hamerenana ny lokon’ny hoditra izany, ary hita fa nandaitra tamin’ny olona sasany. Misy koa mifidy fitsaboana hafa. Potehina ny sela rehetra manome loko ny hoditra, mba hitovy amin’ilay faritra fotsy ny vatany manontolo. Fanafody no ampiasaina amin’izany.

Mety hampiferinaina ny hazapotsy, indrindra fa raha tonga hatreo amin’ny tarehy. Nanazava i Sibongile hoe: “Vao haingana dia nisy ankizy roa nahita ahy, ka nitsoaka sady nikiakiaka. Miahotra ny hiresaka amiko ny olona, satria mihevitra izy ireo fa mifindra ny aretiko na nisy nanozona aho. Izao anefa no mba tiako ho fantatry ny olona: Tsy tokony hatahorana ny olona voan’ny hazapotsy. Tsy mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana na ny rivotra izy io.”

Tsy avelan’i Sibongile hanakivy azy amin’ny asa fampianarana Baiboly ataony ny aretiny. Vavolombelon’i Jehovah mantsy izy, ary tiany tokoa io asa io. Mitsidika ny olona any an-tranony izy, ary miresaka mifanatrika amin’izy ireo. Hoy izy: “Namboariko ny saiko, satria efa izao mihitsy ny lokon’ny hoditro. Tsy miferinaina intsony aho, ary tsy andriko ny hahatongavan’ilay Paradisa an-tany nampanantenain’i Jehovah Andriamanitra. Hiverina ho toy ny tamin’izaho vao teraka ny lokon’ny hoditro amin’izay.”—Apokalypsy 21:3-5.

[Sary, pejy 18]

Fony mbola tsy niova ny lokon’ny hoditro, 1967