Ilay Tongolobe Tian’ny Olona
Ilay Tongolobe Tian’ny Olona
Avy amin’ny mpanoratra ny Mifohaza! any Meksika
Aiza no hisy lakozia tsy hahitana tongolobe? Saika azo asiana an’io legioma io daholo ny zava-drehetra: lasopy, lasary, laoka, fanafody. Mety hampitomany kely antsika koa anefa izy io.
Karazana voninkazo ny tongolobe, ary mamelana tsara tarehy izy io. Inona anefa ilay hita any amin’ny ankamaroan’ny lakozia? Ilay vodiny, izany hoe ilay bokony ao anaty tany iny.
Anisan’ny legioma nambolen’ny olona hatramin’ny ela ny tongolobe. Hita avy amin’ny tantara ao amin’ny Baiboly fa niely tokoa ny fampiasana azy io. Nanembona ny tongolo nohaniny tamin’izy ireo andevo tany Ejipta, ohatra, ny vahoakan’ny Israely, tamin’ny 1513 Talohan’i Kristy tany ho any.—Nomery 11:5.
Inona anefa no itiavan’ny olona isan-karazany azy io? Noho izy masiatsiaka sy ilay fofony miavaka, vokatry ny solifara ao anatiny. Ny karazan’asidra ao anatiny kosa no mahatonga ilay ranomaso efa fantatsika tsara.
Tsy hoe matsiro fotsiny
Mahasalama ny tongolobe. Misy zavatra mahavelona toy ny kalsioma, faosifaoro, ary vitaminina C ao aminy. Ny tena nitiavana azy hatry ny ela anefa dia noho izy azo atao fanafody. Mbola ampiasaina hitsaboana aretina maro izy io hatramin’izao. Anisan’izany ny sery, karazana aretin-tenda, aretin’ny lalan-dra, aretim-po, diabeta, ary asma. Voalaza koa fa miady amin’ny otrikaretina sy ny kansera ny tongolobe, mampihena kolesterola sy fanaintainana, ary misakana ny lalan-dra tsy ho tsentsina.
Misy karazany maro ny lokon’ny tongolobe: fotsy, mavo, volontsôkôlà, maitso, mena, ary volomparasy. Azonao hanina manta na masaka izy io. Misy koa efa anaty boaty, na milona vinaingitra, na maina, na vovony, na nofisahina, na natao tetika efajoro. Legioma mahavariana tokoa ny tongolobe, na dia mampitomany anao aza. Sa tsy izany?