Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampilamina ny Sainy Ilay Izy

Nampilamina ny Sainy Ilay Izy

Nampilamina ny Sainy Ilay Izy

Vao haingana, dia nanoratra ny tovovavy iray avy any Japon, fa nahatsiaro ketraka izy hatramin’ny mbola kely. Nilaza izy fa nampilamina ny sainy ny nahita sarina zazakely trotroin’ny rainy, tao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana. Izao no fanazavana teo akaikin’ilay sary: “Toy ny tambitambin’ny ray be fitiavana, dia afaka mampitony ny fanahiantsika ny fampiononan’i Jehovah.”

Nohazavainy fa nilamin-tsaina koa izy rehefa namaky ilay boky hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Nahoana? ‘Toy ny firesaky ny ray amin’ny zanany kely no fomba nanoratana ilay boky. Toy ny hoe trotroin’i Jehovah aho teo am-pamakiana ilay izy, ka tsy tanako ny ranomasoko. Tiako erỳ mantsy raha mba nisy olona nihaino ahy sy niresaka tamiko indraindray. Izany indrindra no ilain’ny ankizy, nefa tsy nisy mba namihina na niresaka tamiko. Toy ny hoe mamihina sy miresaka amiko mihitsy i Jehovah, rehefa mamaky ilay boky aho.’

Nivoaka tamin’ny taon-dasa io boky 256 pejy, feno sary tsara tarehy io. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eo ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.