Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bitro sy Saobakaka—Manafika Kontinanta

Bitro sy Saobakaka—Manafika Kontinanta

Bitro sy Saobakaka—Manafika Kontinanta

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY AOSTRALIA

MANGADIHADY sy simba ilay tany fiadiana. Nanjary feno lavaka lalina ilay izy, nefa tany lonaka teo aloha. Miparitaka etsy sy eroa ny fatin’ireo mpiady. Tsy manao akanjo maitso sy baoty ireo miaramila, fa akanjo misy volombolony malefaka. Tsy mitondra basy izy, fa ny nifiny maranitra no iadiany. Tsy iza izy ireo, fa ireo bitrodia nanafika ny kontinantan’i Aostralia.

Bitro hatraiza hatraiza

Nanafika avy tany amin’ny tendrony atsimoatsinanan’i Aostralia ny bitro eoropeanina, tamin’ny 1859. Nohafarana mba hampiala voly ny mpihaza izy ireo, nefa tsy ela tatỳ aoriana, dia nohazaina mba tsy hitombo isa intsony.

Sivinjato taona ny bitro eoropeanina vao nahavita nanorim-ponenana tany Grande-Bretagne. Tao anatin’ny 50 taona monja kosa anefa dia feno azy ny faritra midadasika be teto Aostralia. Maherin’ny antsasaky ny velaran-tanin’i Eoropa manontolo mihitsy no feno azy ireo, raha atao ny fampitahana. Miteraka efa ho 40 isan-taona ny bitro vavy lehibe, hany ka nandroso 100 kilaometatra isan-taona ny fanafihan’izy ireo an’ilay kontinanta. Hoy ny Sampan-draharaha Mpanolo-tsaina Momba ny Siansa: “Izany no haingana indrindra tamin’ny fanafihan’ny biby mampinono, teto an-tany.” Nandrava ilay izy.

Mihinana ny sakafon’ireo biby eto an-toerana, sy maka an-keriny ny fonenan’izy ireo ny bitro, ka lany tamingana ny karazam-biby maro. Tompon’andraikitra amin’ny fandripahana ny ala mihitsy aza izy ireo. Hoy ny mpikaroka iray: “Hanin’izy ireo ny zana-kazo, ka rehefa maty ireo hazo lehibe, dia tsy misy mandimby azy intsony.” Loza no vokany rehefa manafika nosy kely izy ireo. Hoy ilay sampan-draharaha tetsy aloha: “Nisy bitro nentina tao amin’ny Nosy Laysan tamin’ny 1903. Vokatr’izany, dia karazam-borona telo sy karazan-javamaniry 22 tamin’ireo 26 nisy tao amin’ilay nosy, no lany tamingana, tamin’ny 1936. ... Tsy nisy afa-tsy fasika sy hazo madinika vitsivitsy teo amin’ilay nosy, tamin’ny 1923.”

Nampiasaina ny fitaovam-piadiana mahery vaika

Notifirina, nofandrihana, ary nopoizinina ireo bitro teto Aostralia. Natsangana koa ilay Fefy Fisakanana Bitro, mirefy 1 830 kilaometatra, mamakivaky an’i Aostralia Andrefana. * Niroso ihany anefa ilay tafika.

Nisy valim-panafihana natao àry tamin’ny 1950. Fitaovam-piadiana biolojika no nampiasaina, dia ny virosy myxomatose. Noho izany, dia nihena be ny isan’ny bitro, izay nisy 600 tapitrisa tany ho any tamin’izany. Ny bitro ihany no tratran’ilay virosy nentin’ny moka sy ny parasy, ary 500 tapitrisa no maty tao anatin’ny roa taona monja. Vetivety anefa dia nanjary tsy nandairan’ilay aretina intsony ireo bitro, ka vao mainka niteraka be indray ireo sisa tsy maty. Niakatra efa ho 300 tapitrisa àry ny isany, tamin’ireo taona 1990, ka nilaina maika indray ny fiadiana hafa.

Vaovao tsara sady ratsy

Nisy fitaovam-piadiana biolojika hafa namelezana ny bitro teto Aostralia, tamin’ny 1995. Aretina mahavery ra ny bitro izy io, ary niseho voalohany tany Chine tamin’ny 1984. Niparitaka tany Eoropa ilay izy tamin’ny 1998, ary tsy ela taorian’izay dia namono bitro fiompy 30 tapitrisa tany Italia. Vaovao ratsy ilay izy ho an’ireo orinasa mpiompy bitro tany Eoropa, fa vaovao tsara kosa ho an’ireo tantsaha aostralianina. Bitrodia folo tapitrisa mantsy no maty, roa volana taorian’ny nampielezana io aretina io. Toa ny bitro ihany no voan’ilay aretina, ary 30 na 40 ora aorian’izay izy dia maty, nefa tsy hita hoe mijaly. Nihena 85 isan-jato na maherin’izany àry ny isan’ny bitro, tany amin’ny faritra maro maina kokoa teto Aostralia, tamin’ny 2003.

Tsy ampy dimy taona akory, dia nitombo avo valo heny ny isan’ny orkide tao amin’ny valam-pirenena iray tany Aostralia Atsimo, satria tsy nisy bitro intsony nihinana ny raviny. Nilaza koa ny gazety Ecos, fa ‘vetivety dia naniry be indray ireo hazo madinika tany amin’ny faritra hafa nanaparitahana matetika an’ilay aretina.’ Nihavitsy koa ny biby mpiremby, toy ny amboadia sy ny sakadia, tany amin’ny faritra sasany, satria tsy nisy bitro nohaniny intsony. Samy faly na ny mpiaro ny tontolo iainana na ny tantsaha, satria nahomby ilay fitaovam-piadiana vaovao. Efa ho 600 tapitrisa dolara isan-taona mantsy no lanin’ny Aostralianina noho ny fahavoazana ateraky ny bitro. Mbola tsy fantatra anefa raha hisy vokany foana eo amin’ireo bitro mafy toton’i Aostralia io aretina io.

Saobakaka nantenaina hamonjy nefa nivadika

Nandresy ny bitro angamba ny mpahay siansa, nefa toa tsy resin’izy ireo ny mpanafika niseho vao haingana kokoa, dia ny saobakaka. Nohafarana toy ny bitro ihany io biby ratsy io, fa tsy niditra an-tsokosoko. Nahoana?

Mampidi-bola roa arivo tapitrisa dolara isan-taona ankehitriny, ny orinasa mpanodina fary. Nisy karazam-boangory roa saika nanimba ny fambolena fary anefa teto Aostralia, tany am-piandohan’ireo taona 1900. Tamin’ny 1935, dia noheverina fa hamonjy ireo mpamboly fary, ny karazana saobakaka atao hoe Bufo marinus. Mpihinana voangory izy io, ary mitovy habe amin’ny totohondry. Nisalasala ny mpahay siansa sasany, nefa nohafarana ihany ireo saobakaka avy tany Amerika Atsimo. Nalefa tany amin’ny saha fambolena fary tany Queensland (faritra avaratratsinanan’i Aostralia) izy ireo, rehefa avy nandalo tany Hawaii.

Nivadika anefa ny saobakaka rehefa navotsotra, satria tsy nohaniny akory ireo voangory mpanimba fary. Misy poizina foana izy ireny, manomboka amin’izy atody ka mandra-pahalehibeny. Misy fihary hafakely ao ambanin’ny hoditry ny tsiboboka, rehefa hiova ho saobakaka izy. Mamoaka ranon-javatra fotsy sy madity feno poizina io fihary io, rehefa tezitra izy. Mahafaty androngo, bibilava, alikadia, ary voay mihitsy aza izy, raha miadaladala mihinana azy ireny biby ireny. Maro anaka ny saobakaka, ka efa miparitaka any amin’ny 900 kilaometatra miala eo amin’ny toerana namotsorana azy izy izao. Avo folo heny noho ny any Venezoelà toerana niaviany, ny isan’izy ireny ankehitriny. Toy ilay loza ny amin’ny sahona resahin’ny Baiboly, dia mandrakotra ny saha, tonga any an-trano, ary miafina any an-kabine izy ireo. Mandroso 30 kilaometatra isan-taona izy ireo, ka tonga ao amin’ny Valam-pirenen’i Kakadu any avaratr’i Aostralia izy izao. Anisan’ny lova iraisam-pirenena io vala io, ary mety tsara hiveloman’ny saobakaka. Nandany an-tapitrisany dolara ny fitondram-panjakana aostralianina, mba hanaovana fikarohana hisakanana ny firongatry ny saobakaka. Tsy nahita vahaolana mandaitra anefa izy ireo. Mitohy foana ny ady, nefa mbola mandresy ny saobakaka hatramin’izao.

Inona no anton’ilay ady?

Voafehy ho azy ny isan’ny zavamananaina, rehefa ara-dalàna ny toe-piainana misy azy. Rehefa esorina amin’ny toerana niaviany anefa ny zavaboary iray toa tsy atahorana, dia mety ho haingana be sy tsy voafehy ny fitomboany ka hanimba zavatra be.

Tsy noeritreretin’ireo Eoropeanina nipetraka voalohany teto Aostralia, fa miteraka fahavoazana lehibe ny fitomboan’ny isan’ny biby sy ny zavamaniry nohafarana avy any ivelany, rehefa tsy voafehy. Marina aloha fa nitondra soa ny biby sy zavamaniry maro nohafarana. Miankina tanteraka amin’ny biby sy zavamaniry avy any ivelany mihitsy aza ny Aostralianina. Anisan’izany ny varimbazaha, vary sy sakafo hafa, ary ny biby fiompy toy ny ondry sy omby. Ny bitro sy ny saobakaka anefa dia mampahatsiahy fa mila mitandrina ny olona, amin’izay ataony amin’ireo zavamananaina mahatalanjona sy mifampiankina.

[Fanamarihana ambany pejy]

[Sary, pejy 26]

Mbola manafika ny saobakaka, ilay biby nahasoa nefa nivadika

[Sary nahazoan-dalana]

U.S. Geological Survey/photo by Hardin Waddle

[Sary, pejy 26]

Mpanafika mangetaheta, eo amin’ny dobo iray any amin’ny Nosy Wardang, Hoalan’i Spencer, Aostralia Atsimo

[Sary nahazoan-dalana]

By courtesy of the CSIRO

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Bitro: Department of Agriculture, Western Australia; saobakaka: David Hancock/© SkyScans