Mpivady Hafakely
Mpivady Hafakely
Misy mpahay siansa manao antsitrika amin’ny alina, any amin’ny ranomasina misy ny Grande Barrière, any Aostralia. Sambany izy ireo vao nahita karazana horita lahy velona. Inona no mahagaga amin’izany?
Samy hafa ny haben’ny horita lahy sy vavy amin’ilay karazany hitan’izy ireo. Lazaina mihitsy aza fa ireo no “biby lahy sy vavy tsy mitovy habe indrindra eto an-tany.” Mirefy roa metatra mantsy ny vavy, ary milanja folo kilao. Telo santimetatra monja anefa ny lahy ary 300 miligrama! Raha ny marina, dia mitovy amin’ny voamason’ny vavy ny haben’ny lahy. Avo 40 000 heny noho ny lanjan’ny lahy àry ny vavy. Ireo no biby tsy mitovy habe indrindra amin’ny biby hitan’ny maso. Mivelona any anaty ranomasimbe izy ireo, ary hatramin’izay dia horita lahy efa maty sy horita vavy no azon’ny mpanarato.
Ahoana no ahafahan’izy ireo miteraka, nefa tena tsy mitovy ny habeny? Valo ny tanan’ny horita lahy, ary poakaty ny iray. Feno tsirilahy io tanany io rehefa mahita horita vavy izy. Tapaka iny avy eo, ary miditra ao anatin’ny vatan’ny vavy. Mijanona ao iny mandra-pahamatoy ny atodin’ny vavy. Matoy mantsy ireo rehefa potsiriny eo aminy ny tsirilahy.
Noho ny hakeliny, dia toa mangalatra tanan’ny biby atao hoe physalie ny horita lahy, mba hiarovany tena. Apetany amin’ireo tanany eo anoloana ireny, saingy tsy mahavonjy azy, satria maty izy rehefa avy niray tamin’ny horita vavy. Tsy mahagaga àry raha variana ireo mpahay siansa, rehefa nahita horita lahy velona!
Na inona na inona antony mahasamy hafa ireo horita hafakely ireo, dia tena marina ny lazain’ny Baiboly hoe: “Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, dia zava-miaina, na kely na lehibe.”—Salamo 104:25.
[Sary, pejy 31]
Horita vavy: mirefy roa metatra; milanja folo kilao
Horita lahy: mirefy telo santimetatra; milanja 300 miligrama
Haben’ny horita lahy ampitahaina amin’ny vavy
[Sary nahazoan-dalana]
Horita vavy: Photo P. Wirtz; lahy: Photo: D. Paul