Elatra Kanto any Amin’ny Tany Mafana
Elatra Kanto any Amin’ny Tany Mafana
Avy amin’ny mpanoratra ny Mifohaza! any Espaina
METY ho diso fanantenana ny mpizaha tany sasany, rehefa mitsidika voalohany ny alan’ny tany mafana. Manantena hahita biby sy vorona hafakely izy ireo. Amin’ny alina anefa vao mivoaka ny ankamaroan’ireo biby, ary maro amin’ireo vorona no takona any amin’ny tendronala.
Hoy ny boky Ilay Ala Midadasika (anglisy): “Ny feo maro henontsika no anisan’ny famantarana fa misy biby be dia be any an’ala.” Hoy ihany anefa ilay boky: “Mety tsy hahita afa-tsy lolo ny mpitsidika, raha tsy vonona hiandry elaela sy hikaroka.” Soa ihany fa tsara tarehy sady miloko mamirapiratra ireo lolo ireo. Noho izany, dia tsy hay hadinoina mihitsy ilay dia any amin’ny alan’ny tany mafana.
Mora hita ireo lolo ireo, noho ny habeny sy ny karazany ary ny lokony. Mety tsara amin’ireo lolo manga sy mena ary mavo ilay ala, satria afaka manidintsidina eny an-kalamanjana eny izy. Misy lolo tantera-pahazavana koa any Amerika Atsimo. Vao mainka tena manaitra ny elatry ny lolo sasany, satria tsara kokoa noho ny eo amboniny ny ao ambadik’izy ireny. Misy karazana lolo iray antsoina hoe lolo vorondolo satria misy pentina lehibe toy ny
masom-borondolo eo amin’ny elany. Io elany io no manazava ilay vatany mivolon-tsôkôla. Mitovitovy amin’ny ravinkazo maina kosa ny lolo sasany, ka tsy hahay hanavaka azy raha tsy olona tena mandinika tsara.Matetika ny mpizaha tany no variana, mahita ny haben’ny lolo any amin’ny tany mafana. Lehibe kokoa noho ny voronkely ny lolo sasany, ary mitovy fanidina amin’izy ireny. Misy karazany maro koa ny lolo any amin’ny alan’ny tany mafana. Efa ho arivo ny any Malezia, ary efatra arivo ny any Peroa, izany hoe ny ampahadimin’ny karazana lolo misy eran-tany.
Toa hita eo amin’ny elatry ny lolo avokoa rehefa karazan-doko. Tsy tena izany anefa no izy. Misy hoditra manify tantera-pahazavana mizarazara ho kirany an’arivony eo amin’ny elatry ny lolo. Loko iray ihany no ao amin’ny kirany tsirairay, ary tsy mitovy izy ireo. Toy ny hoe misy loko hafa miforona anefa, rehefa mifanakaiky ireo kirany tsy mitovy loko ireo.
Mety hieritreritra ianao fa amin’izy manidintsidina eny ambony voninkazo iny, no fotoana tsara indrindra hijerena ny lolo. Tsy toy izany anefa ny any amin’ny alan’ny tany mafana. Any amin’ny tendronala no mamelana ny ankamaroan’ny voninkazo, ka tsy ho hitan’ny mpitsidika avy etỳ ambany ny lolo rehefa maka mamimbony. Soa ihany fa midina etỳ amin’ny tany ny lolo lahy
rehefa mitady sira. Misy mihevitra mantsy fa lany ny mineraly tena ilaina ao aminy, rehefa avy manao firaisana izy, ka mila mitsentsitra ny hamandoana amin’ny tany izy, mba hamenoana izany. Eny amoron’ny rano mihandrona àry no tsara handinihana ny lolo, any amin’ny alan’ny tany mafana.Mety hahita lolo maromaro miara-mipetraka eo amin’ny toerana iray koa ianao. Mahazatra ny lolo any amin’ny tany mafana mantsy ny miara-matory. Mety ho azo hatonina ny sasany aminy, rehefa mitanina andro vao maraina eny ambony ravinkazo. Mahalana ny karazana lolo sasany vao hita mipetrapetraka eny rehetra eny. Hahafaly anao anefa na dia ny fijerena ny lokon’izy ireny eny am-panidinana fotsiny aza, rehefa mitsidika ny alan’ny tany mafana ianao.
[Efajoro/Sary, pejy 26]
Lolo sy Samoina Tsara Tarehy
Misy karazana lolo sy samoina tena miavaka, na dia sarotra aza ny mamantatra hoe iza amin’izy ireo no tsara tarehy indrindra. *
Lolo manana elatra misy rambo (Papilionidae) Fianakaviamben’ny lolo mareva-doko izy ireo, manana elatra misy “rambo” kely, sady haingam-panidina. Voninkazo any amin’ny tendronala matetika no ivelomany.
Lolo manga mamiratra (Morphidae) Any Amerika Atsimo sy Afovoany ihany no ahitana azy. Miloko manga tsara tarehy ny elatr’izy ireo. Miova arakaraka ny tara-pahazavana izy ireo, rehefa akopany moramora.
Lolo manana elatry ny vorona (Ornithoptera) Any Azia Atsimoatsinanana sy any Aostralia no ahitana azy. Vaventy sady manana elatra lehibe noho ny an’ny ankamaroan’ny vorona izy ireo, araka ny asehon’ny anarany. Tsara tarehy sy tsy fahita firy izy ireo ka tena sarobidy.
Samoina urania (Uraniidae) Nosokajina ho anisan’ny samoina io bibikely kanto manidina amin’ny antoandro io. Voalaza fa ny Chrysiridia madagascariensis any Madagasikara no “bibikely tsara tarehy indrindra eto an-tany.” Ahitana ireo loko rehetra ao amin’ny avana mantsy ny elatr’izy io.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 12 Anisan’ny bibikely manana elatra misy kirany, ny lolo sy ny samoina.
[Sary nahazoan-dalana]
Ravinkazo sy lolo mavo: Zoo, Santillana del Mar, Cantabria, España; sary hafa rehetra: Faunia, Madrid
[Sary, pejy 24]
Elatra tantera-pahazavan’ny lolo “Hypoleria oto”
[Sary, pejy 24]
Lolo mangan’i Hewitson. Tsara toy ny eo ambony (eo ambony) ny ao ambadiky ny elany (eo ankavia)
[Sary, pejy 24, 25]
Lolo Goliata (tena habeny)
[Sary, pejy 25]
Ny ao ambadiky ny elatry ny lolo vorondolo
[Sary, pejy 25]
Lolo toy ny ravinkazo maina
[Sary, pejy 26]
Lolon’ny tany mafana misotro rano masira
[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]
Hypoleria oto: Zoo, Santillana del Mar, Cantabria, España; sary hafa rehetra: Faunia, Madrid
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
Lolo manga mamiratra : Zoo, Santillana del Mar, Cantabria, España; sary hafa rehetra eo amin’ny efajoro: Faunia, Madrid