Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Fianarana Mpampianatra aho, ary vao avy namaky ny andian-dahatsoratra “Afaka Mankafy Fianarana Ianao na Tanora na Antitra.” (8 Aogositra 2004) Matetika aho no manontany tena hoe ahoana no ahafahanareo manoratra lahatsoratra fohy, nefa tena mazava sady azo ampiharina tsara. Tena mampiaiky ahy ny hafanam-ponareo mampirisika ny rehetra hianatra, na kely izy na lehibe.

F. S., Italia

Tsy tiako ny nankany am-pianarana tamin’izaho mpianatry ny lise, ka neken’ny ray aman-dreniko ny hanohizako ny fianarako tatỳ an-trano. Roapolo taona aho izao ary faly satria tiako indray ny mianatra. Nampahatsiahy ahy io andian-dahatsoratra io, fa afaka mankafy fianarana ny rehetra, na inona na inona zavatra iainany.

N. G., Etazonia

Manahirana ahy ny zanako lahimatoa, fito taona. Tsy tia mamaky boky na manao entimody izy. Tsy tiany koa ny mianatra mandritra ireo fivoriana ataon’ny fiangonana. Tapa-kevitra ny hampihatra ny torohevitra ao amin’io andian-dahatsoratra io aho.

M. O., Japon

Manoro hevitra ilay lahatsoratra hoe isaky ny avy mianatra zavatra iray ianao, dia tokony haverinao kely ilay izy, satria matetika isika no mora manadino. Mianatra teny hindi izahay mivady, mba hahafahanay hitory amin’ny Karàna. Hitako fa mety ny manoratra amin’ny taratasy kely ireo teny vao nianarako. Miverina mijery azy ireny aho, isaky ny malalaka kely. Manampy ahy hitadidy ny zavatra vao avy nianarako izany.

E. T., Etazonia

Vehivavy 56 taona aho, ary misy fivoriana ho an’ny olona mampiasa baikon’ny moana eo anivon’ny fiangonanay. Tsy dia mahay loatra aho nefa miara-mivory aminy, satria te hanampy azy ireo. Natahotra aho sao tsy hahay ilay baikon’ny moana, nefa tamin’izay indrindra aho no namaky ilay andian-dahatsoratra. Tena nampahery ahy ny fanazavana teo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Mbola afaka mianatra ianao na dia efa antitra aza” sy ilay lahatsoratra farany. Lasa mazoto mianatra araka izay vitako indray aho, sady mifanerasera hatrany amin’ilay antokon’olona mampiasa baikon’ny moana.

R. N., Japon

Bika Aman’endrika Misaotra tamin’ilay lahatsoratra hoe “Rehefa Lasa Aretina ny Fiahiana ny Bika Aman’endrika.” (8 Aogositra 2004) Toy ny hoe natao ho ahy mihitsy izy io. Tovovavy 19 taona aho, ary efa elaela izao no tsy ara-dalàna ny fihinanako sakafo. Tsy mora ny mitsabo io aretina io. Misaotra be dia be mamoaka lahatsoratra miresaka momba izany. Tena mampieritreritra ahy ilay izy, ary manantena aho fa hanampy ahy izany hamaha ilay olana mahazo ahy.

G. L., Italia

Laza Valin’ny vavaka nataoko mihitsy ilay lahatsoratra hoe “Zavatra Tsara Kokoa Noho ny Laza.” (8 Septambra 2004) Vao mainka aho miaiky fa tsara ny fanapahan-kevitro hiverina hitory ny vaovao tsara manontolo andro. Voatantara ao amin’ilay lahatsoratra fa tsy nanaiky ny fanapahan-kevitr’i Charles ny rainy tamin’ny voalohany. Nahazo fitahiana be dia be anefa izy tatỳ aoriana! Manantena aho fa hanaiky ny fanapahan-kevitro hanitatra ny fanompoako an’i Jehovah koa ny reniko amin’ny farany. Misaotra anareo mampahafantatra anay an’ireny mpanompon’i Jehovah mahatoky ireny.

Y. P., Ukraine

Nampiaiky volana ahy ny nahalala fa naniry hanompo an’i Jehovah manontolo andro ny Anadahy Sinutko, ka tsy nihira intsony na dia nahazoany vola be aza izany. Mahafaly ahy sy ny vadiko ny manao ny asan’ny mpisava lalana. Tianay ny hanao sahala amin’ny Anadahy Sinutko, izany hoe hatoky an’i Jehovah sy hanao ny Fanjakany ho loha laharana hatrany. Misaotra anareo namoaka an’iny tantaram-piainana mampahery iny!

E. S., Japon