Voninkazodia sa Ahidratsy?
Voninkazodia sa Ahidratsy?
Avy amin’ny mpanoratra ny Mifohaza! any Kanada
Mahavariana ny voninkazodia. Mba makà ange fotoana, handinihana ireo voniny niangaliana fatratra e! Jereo fa isan-karazany ny lokony sady marevaka. Fofòny fa manitra mamerovero! Tena mahate hikasika koa ny felany malefaka sy marefo! Manaitra ny vavahadin-tsaintsika ireny voninkazo kanto ireny. Mampihetsi-po antsika mihitsy aza izy ireny. Manatsara ny tontolo iainantsika tokoa ny voninkazodia, sady mahatonga antsika hankafy kokoa ny fiainana. Isaorantsika àry ilay namorona azy ireny!
Mitondra fahafinaretana ho antsika ny felam-boninkazo noho ny lokony marevaka sy ny endriny ary ny fofony. Tsy izany anefa no tena asany, fa ny hisarika ny bibikely sy ny vorona ary ny ramanavy mihitsy aza. Anisan’ny mamindra ny vovobony mantsy ireo, ka ahafahana mahazo voninkazo hafa indray. Ny voronkely mpihira sy ny lolo no tena mpitady voninkazodia. ‘Anisan’ny ahazoan’izy ireo sakafo ny voninkazodia’, hoy i Jim Wilson, mpanao zaridaina sy mpanoratra. ‘Tsy maka sakafo eny amin’ny voninkazo nambolena ireo biby ireo.’ Tsara homarihina fa “voninkazodia daholo ny voninkazo rehetra, tamin’ny voalohany”, araka ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy).
An’arivony maro ny voninkazo, maneran-tany. Ahoana àry no ahalalana ny voninkazodia? Inona no atao hoe voninkazodia? Raha lazaina amin’ny teny tsotra, dia izay voninkazo rehetra tsy nambolen’olombelona. Atỳ Amerika Avaratra fotsiny, dia voninkazo 10 000 mahery no sokajina ho voninkazodia. “Matetika io teny io no manondro zavamaniry manana tahony malemilemy sy felana mareva-doko. Misy zavamaniry manana tahony mafy koa anefa ao amin’ireo boky momba ny voninkazodia. Tena sarotra àry ny mamaritra ny atao hoe voninkazodia.” Izany no tenin’i Michael Runtz, mpandinika zavaboary, nanoratra ilay boky hoe Ilay Tsara Tarehy sy ny Biby—Ny Tontolo Miafin’ny Voninkazodia (anglisy).
Mety ho tongan’ny rivotra na rano any amin’ny toerana tena lavitra be ny voa sasany. Tsy lasa lavitra anefa
ny ankamaroany, satria efa misy toerana natao haniriany. Mety hoentin’ny rivotra any amin’ny kilaometatra maro, ohatra, ny voa mitovy habe amin’ny piti-bovoka. Tsy toy izany kosa ny voa maromaro mitambatra, toy ny voan’ny beroberobazaha. Maivana izy io sady miendrika elo mivelatra.Ity misy zavatra mety hahagaga anao, raha mipetraka atỳ Amerika Avaratra ianao: Avy any amin’ny tany samihafa ny voninkazodia maro maniry eto. Be dia be ny zavamaniry sy voa tonga tany an-tany hafa, rehefa nanomboka nisy fifamoivoizana an-dranomasina sy tany vaovao hita. Avy any Eoropa na Azia ny maro amin’ireny zavamaniry ireny. Ny sasany nentin’ny olona hambolena tany amin’ny tany vao hitany, fa ny hafa kosa sendra tafaraka taminy. Nilaza, ohatra, ny boky Voninkazodia Manerana An’i Amerika (anglisy), fa “ahidratsy tafaraka tamin’ny masomboly”, tamin’ny voalohany, ny voninkazodia maro mandravaka an’i Amerika Avaratra amin’izao fotoana izao. “Ny hafa tafaraka tamin’ny voa madinika, na famonosana entana toy ny mololo sy bozaka maina, na zavatra fanao ao anaty sambo mba tsy hampihilangilana azy. ... Nisy nentina hatao zavamanitra, na hanaovana loko sy ditin-kazo manitra ary fanafody.” Nahoana anefa izy ireny sy ny voninkazo hafa tsy hita isa no antsoina hoe ahidratsy, indraindray?
Rahoviana no lasa ahidratsy ny voninkazodia?
Azo antsoina hoe ahidratsy daholo, amin’ny ankapobeny, izay zavamaniry mameno ny toerana tsy tianao haniriany, na eo amin’ny bozaka nambolenao izany, na eo an-jaridainanao,
na eny anelanelan’ny volinao. Hoy ny boky Ahidratsin’i Kanada (anglisy): ‘Tsy ho velona ny zavamaniry maro antsoina hoe ahidratsy, raha tsy nisy ireo toerana namboarin’olombelona ireo.’ Hoy koa io boky io: ‘Isika ihany no manao izay hisian’ny toerana mampaniry tsara ny zavamaniry tiantsika hesorina.’ Misy voninkazodia nampidirina avy any an-tany hafa, maniry haingana be eo amin’ny toerana sasany. Tsy maniry tsara intsony àry ny zavamaniry vitsivitsy efa teo talohany. Manova tanteraka ilay toerana ireo voninkazodia, ka tsy toy ny voninkazo mahafinaritra intsony fa lasa ahidratsy.Ho azonao an-tsaina ny tiana holazaina amin’izany, raha efa nanana zaridaina ianao na dia faran’izay kely aza. Tena mora kaohin’ny rivotra sy ny rano ny tany mangadihady. Misy voan-javamaniry an-tapitrisany miparitaka foana anefa eo amin’ilay tany, ka voan’ahidratsy ny sasany. Raha mbola tsy misy voly àry eo, dia mitsimoka avy hatrany ireo voa ireo, mba hiaro azy io. Hita avy amin’izany fa manana ny asany ny ahidratsy sy ny voninkazodia, na dia mety hesorintsika foana aza.
Ankafizo io zavaboary mahavariana io
Finaritra erỳ isika amin’ny lohataona, rehefa mahita tehezan-tendrombohitra feno hazo, nefa mbola rakotry ny karazana lisy fotsy maniry ho azy. Mety ho feno heroka manga tanora koa eny. Mivelatra izy ireny amin’ny maraina, ka mitodika manaraka ny masoandro, ary mikombona amin’ny mitataovovonana. Vao fiandohany fotsiny ireo, fa mbola maro ny voninkazo tsara tarehy hamelana amin’ireo fizaran-taona manaraka. Toy ny hoe mifaninana misarika ny masonao izy rehetra.
Ary dia toy izany foana isan-taona. Vetivety ihany ny sasany no mamelana, toy ny lisy mivolombolamena. Ny hafa kosa mamelana foana rehefa mibaliaka ny masoandro, manomboka amin’ny faran’ny lohataona ka hatramin’ny faran’ny fahavaratra. Anisan’izany ny marigirity mavo. Eny an-tsaha na eny amoron-dalana no ahitana azy io.Zavaboary mahavariana tokoa ny voninkazodia. Mety hahita azy ireny ianao eo amin’ny bozaka nambolenao, na eo an-jaridainanao na eny amoron-dalana na any anaty ala. Makà fotoana amin’izay handinihana ireo felany niangaliana fatratra, sy mareva-doko ary manitra mamerovero. Fantaro fa fanomezana avy amin’ilay Mpamorona antsika malala-tanana izy ireny.
[Tabilao, pejy ]
Efa Fantatrao Ve?
Tsy nisy tatỳ Amerika Avaratra ny beroberobazaha taloha. Saika ahitana azy io daholo anefa izao eran-tany. Misy manam-pahaizana milaza fa avy any Azia Minora izy io. Mpihinana azy io ny Eoropeanina nifindra tatỳ Amerika, ka nitondra azy io hambolena. Ampiasaina amin’ny fanafody maro ny fakany, ary atao salady ny raviny tanora.
Anisan’ny voninkazo tena fahita eny amoron-dalana ny marigirity fotsy. Matetika no manatsara endrika ny manodidina io voninkazo avy any Eoropa io. Toy ny fehezam-boninkazo mihitsy ny voniny tsirairay. Misy voninkazo bitika mivolombolamena an-jatony eo afovoany, ary misy felana fotsy 20 na 30 manodidina an’ireo. Ireo voninkazo eo afovoany ireo no manome voa, fa natao hitsanganan’izay bibikely tonga kosa ireo felana fotsy eny amin’ny sisiny.
Voalaza fa avy any Azia ny lisy mivolombolamena, fa nisy nitondra tany Angletera, ary tatỳ Amerika Avaratra avy eo. Misy felany maro eo amin’ny tahony tsirairay. Iray andro ihany anefa ireo no mivelatra. Misokatra izy amin’ny maraina, ary mikombona mandrakizay ny harivan’io.
Voninkazo nentina avy any Eoropa koa ny odiandoha mavo. Eny amin’ny toerana mandomando sy eny amoron-dalana no tena ahitana azy, atỳ Amerika Avaratra. Mety hahatratra roa metatra na mahery ny haavony. Vitsy anefa ny olona mahalala fa mety hampidi-doza izy io. Mampangidihidy avokoa, saika ny karazany rehetra. Efa taonjato maro koa no nahalalana fa mampivontovonto hoditra ny odiandoha sasany. Izao, ohatra, no tenin’i Anne Pratt, mpanoratra britanika tamin’ny taonjato faha-19: ‘Matetika no manaintaina sy mangidihidy be ny takolaky ny mpitsangantsangana matoritory eo akaikin’io voninkazo io.’
[Sary nahazoan-dalana]
Beroberobazaha: Walter Knight © California Academy of Sciences; odiandoha mavo: © John Crellin/www.floralimages.co.uk
[Sary, pejy 16]
Heroka
[Sary, pejy 16]
Lisy mivolombolamena
[Sary, pejy 16, 17]
Karazana lisy fotsy
[Sary, pejy 17]
Marigirity mavo
[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]
Ambony ankavia: www.aborea.se; eo anelanelany: Courtesy John Somerville/www.british-wild-flowers.co.uk; lisy mivolombolamena: Dan Tenaglia, www.missouriplants.com, www.ipmimages.org