Vorompotsy Naman’ny Olona sy ny Biby
Vorompotsy Naman’ny Olona sy ny Biby
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ESPAINA
IZANY ka fanjanahan-tany tsy nisy ady mihitsy, teo amin’ny tantara! Tsy nisy basy nipoaka na ra latsaka. Tsy nohararaotina koa ny tompon-tany, ary tsy nisy harena norobaina. Nanorim-ponenana tany amin’izay firenena nalehany anefa ireo mpanafika, ary tsy nisy nahasakana azy.
Nandritra ny taonjato faha-20 no nitranga ilay fanafihana. Tsy dia tsikaritry ny olona anefa ilay izy, satria vorona ireo mpanjanaka. Vorompotsy no anarany, ary antsoin’ny mpahay siansa hoe Bubulcus ibis. Misy an’ireo vorona mahay mahita hevitra ireo ankehitriny, ny kontinanta dimy.
Fanjanahana mbola tsy nisy toy izany
Tany amin’ny faritra afovoan’i Afrika no tena nahitana vorompotsy, nandritra ny taonjato maro. Nahavita nanjanaka an’i Afrika Atsimo anefa izy ireo, 100 taona teo ho eo izay. Misy boky milaza fa nisy vorompotsy maro niampita ny ranomasimbe Atlantika mba hanjanaka an’i Amerika Atsimo, nandritra ireo taona 1930. Tonga tany Floride izy ireo, tany amin’ireo taona 1950. Folo taona taorian’izay, dia nahitana azy ireo nanomboka hatrany Kanada tany avaratra, ka hatrany Arzantina tany atsimo. Nanoratra toy izao i Roger Peterson, tamin’ny 1954: ‘Raha kopak’elatra sy rivotra no hany nitondra ny vorompotsy tany Amerika, dia izy irery no vorona avy any Eoropa nahavita nanorim-ponenana tany Amerika, tsy nampian’ny olombelona.’
Voamarin’ireo manam-pahaizana momba ny vorona, fa nahavita io dia niavaka io tokoa ny vorompotsy. Araka ny kajy nataon’izy ireo, dia adiny 40 eo ho eo no iampitany ny ranomasimbe manasaraka an’i Afrika Andrefana sy Amerika Atsimo, raha ampian’ny rivotra alizay izy. Tsy ny Oseana Atlantika ihany anefa no niampitany. Nisy koa niantsinanana mandra-pahatongany tany Nouvelle-Zélande. Nanorim-ponenana tany Azia sy Eoropa izy ireo tamin’izay. Midadasika be ny faritra misy azy ireo ankehitriny, hatrany amin’ny Saikinosy Iberika any andrefana, ka hatrany Japon any atsinanana.
Manorim-ponenana any amin’ny tany manana toetrandro antonony ny vorompotsy. Mamirifiry kosa ny ririnina any amin’ny tany sasany ka mifindra any amin’ny faritra mafana kokoa ireo vorona any, rehefa afaka manidina ny zanany. Mitohy foana ilay dia lavitra sy mahavariana, ka misy vorompotsy mandalo tsy tapaka any amin’ireo nosy mitokana any Pasifika, na any amin’ny Tendrontany Atsimo mihitsy aza.
Ny mahatonga azy hiely patrana
Inona no tena nahatonga ny vorompotsy hiely patrana? Mahay mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny olombelona izy, indrindra fa ny mpiompy omby. Mihinana hazandrano ny ankabeazan’ny vano, fa bibikely no tena tian’ny vorompotsy. Miaraka matetika amin’ny omby àry izy, nefa koa mety ho eny akaikin’ny elefanta, kangoroa, traktera, na doro ala mihitsy aza, izany hoe izay rehetra manaitra ny bibikely fihinany.
Marina fa mahay mitady irery ny sakafony ny vorompotsy. Ny omby anefa no tena mpanaitra ny rembin’ireo vorona mpihaza ireo. Manaitra ny valala sy lalitra ary voangory miafina any anaty bozaka ilay omby, isaky ny mamindra.
Mandrapaka an’izay bibikely manidina kosa ireo vorompotsy miara-dia aminy, izay efa miandry kendry tohina fotsiny. Manampy ny vorompotsy hahita sy hahazo ny rembiny àry ny omby. Rehefa natao ny kajy, dia hita fa mahazo bibikely roa na telo isa-minitra izy ireo. Tombanan’ny manam-pahaizana ho ny telo ampahefatry ny herin’ny vorompotsy ihany no laniny rehefa miaraka amin’ny omby izy, ary manan-tombo antsasany ny remby azony.Tsy noho ny vorompotsy mana-namana manampy azy hitady sakafo ihany, no mahatonga azy hahavita hanjanaka an’izao tontolo izao. Matanjaka koa izy ireo. Mety hiadana kokoa ny fikopaky ny elany, tsy toy ny gana na ny voromailala, izay manidina mahitsy sy haingana be. Mahavita misidina eo ambonin’ny faritr’i Sahara anefa ny vorompotsy. Vitany koa ireo 4 000 kilaometatra manasaraka an’i Afrika Andrefana sy Amerika Atsimo, araka ny hita terỳ aloha.
Toa tia mifindrafindra monina ny vorompotsy, ary izany no mahatonga azy hiely patrana. Iza tokoa moa no vorona mpihinana bibikely, sahy handeha lavitra hatrany amin’ny faritra aolo any amin’ny Tendrontany Atsimo, noho ny fitia te hahafanta-javatra fotsiny?
Toa nahita toerana tena tsara azony nonenana foana ny vorompotsy, tany amin’ny kontinanta rehetra nalehany. Nataon’ny tantsaha toeram-piompiana omby mantsy ireo faritra midadasika, ary nanjary feno bibikely koa ireo toeram-pambolena. Nifindra tany àry ny vorompotsy, ka nihabetsaka.
Mahasoa ny olona sy ny biby
Mora hita ny vorompotsy, satria miloko fotsy ranoray sy zatra miara-dia, ary tia miaraka amin’ny omby. Tsy hoe manome endrika ny toerana andalovany fotsiny ireo vorona fotsy mangatsakatsaka miara-dia ireo, fa manatontosa asa sarobidy koa. Mampihena ny bibikely mpanimba voly mantsy izy ireo. Nihinana andiam-balala tany Tanzania, ohatra, ny vorompotsy 40 000, indray mandeha. Misy tantsaha mihevitra fa vorona mahasoa ny vorompotsy, ka alefany eny amin’ny toeram-pamboleny izy ireny, mba hihinana ny bibikely mpanimba voly. Mety hahalany valala sy angely 600 mahery ny vorona tsirairay isan’andro.
Mandray soa avy amin’ny andiam-borompotsy koa ny omby. Mihinana ireo lalitra sy bibikely mpanorisory azy mantsy ireny vorona ireny. Toa fantatry ny omby hoe namany ny vorompotsy, ka tsy mampaninona azy na dia sahy miteronterona ao andamosiny aza izy ireny indraindray.
Manao andiany
Tia miaraka amin’ny vorona hafa ny vorompotsy rehefa manatody, matory, na mitady sakafo. Tian’izy ireo ny manao ny akaniny eny ambonin’ny hazo iray ihany, miaraka amin’ny vano hafa, rehefa hanatody. Toa mampahatahotra ny fahavalo izany fanaovana andiany izany, ka mandray soa ireo vorona tafaraka. Sahirana sy be tabataba foana izy ireo. Tia mangalangalatra rantsankazo eny amin’ny akanim-borona eny akaikiny ny vorompotsy, ka rafitra ny ady. Ny sasany mijanona ao amin’ny akaniny, fa ny hafa kosa sahirana mikaroka rantsankazo latsaka, eny ambanin’ny hazo. Tsy miraharaha izany korontana izany matetika ireo vano hafa, izay manana akany lehibe eny amin’ny tendrony kokoa.
Be fihetsiketsehana ny vorompotsy rehefa mitady vady. Mampidera elatra izy, manapoapoaka vava, ary mampidera ny volony mavo. Mavomavo mantsy ny volon’ny lahy mandritra izany fotoana izany. “Fiarahabana manetriketrika” no andraisan’ny iray ny vadiny, rehefa tonga ao amin’ny akaniny izy. Aderaderany ny volo ao andamosiny. Mora hita izany fampisehoana izany, satria tsy dia matahotra olona izy ireo.
Mety hahita ireny vorona mahafinaritra ireny ianao, na any Afrika, na eny amin’ny toeram-piompiana omby any Amerika Avaratra, na eny an-tanimbary any Azia. Mety handehandeha eny akaikin’ny elefanta izy, na hiedinedina eny andamosin’ny omby, na hanidina hamonjy fodiana rehefa hilentika ny masoandro. Mahakanto ny any ambanivohitra izy ireny, sady mahasoa ny olona sy ny biby, na aiza na aiza ahitanao azy. Anisan’ny mpanjana-tany tsara fanahy indrindra hatramin’izay tokoa izy ireo.
[Sary, pejy 14, 15]
Nanjanaka kontinanta dimy ny vorompotsy, ary tia miaraka amin’ny elefanta sy ny omby
Guyana
Aostralia
Kenya
Etazonia
Espaina
[Sary nahazoan-dalana]
© Joe McDonald