Fanadinadinana Mpahay Simia
Fanadinadinana Mpahay Simia
MPAMPIANATRA ao amin’ny Oniversiten’i Lehigh, any Etazonia, i Michael Behe, sady mpikaroka momba ny zavatra simika ao amin’ny zavamananaina. Tamin’ny 1996 izy no namoaka ilay bokiny hoe Ilay Zava-miafina Tsy Fantatr’i Darwin: Manohitra ny Evolisiona ny Porofo Ara-tsimia (anglisy). Niresaka an’io bokin’i Behe io ny Mifohaza! (frantsay) 8 Mey 1997, tao amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Ahoana no Niandohan’ny Fiainana? Kisendrasendra ve sa Nisy Namorona?” Niezaka nanohitra ny porofo naroson’i Behe ireo mpahay siansa mino ny evolisiona na fiovana miandalana, tao anatin’izay folo taona nivoahan’io boky io izay. Nilaza ny mpanao tsikera fa navelan’i Behe hanan-kery teo amin’ny fanapahan-keviny mifandray amin’ny asany ny finoany, satria Katolika izy. Ny hafa indray nilaza fa mifanipaka amin’ny siansa ny fanazavany. Niresaka tamin’ny Profesora Behe àry ny Mifohaza!, mba hahafantarana hoe nahoana ny heviny no niteraka adihevitra be toy izany.
MIFOHAZA!: ARAKA NY HEVITRAO, NAHOANA NY FIRAFITRY NY ZAVAMIAINA NO MANAPOROFO FA MISY NY MPAMORONA?
PROFESORA BEHE: Raha vao mahita fitaovana be pitsiny sy mahavita asa sarotra isika, dia manatsoaka hevitra avy hatrany hoe nisy namorona izy ireny. Diniho, ohatra, ireo milina fampiasantsika, toy ny fanapahana bozaka, fiara, ary na dia ny zavatra tsotra kokoa toy ny tontam-boalavo aza. Tena tiako ny mampiasa an’io ohatra farany io. Miaiky ianao fa nisy namorona ilay izy, satria hitanao fa misy tapany samy hafa nakambana ao amin’ilay fitaovana, mba hahafahany hahazo voalavo.
Mandroso ny siansa ankehitriny, ka nanjary fantatra ny fomba fiasan’ireo zavatra bitika indrindra (na molekiola) ao anatin’ny sela, mba hahatonga azy io ho velona foana. Gaga izahay fa hitan’ny mpahay siansa hoe misy molekiola be pitsiny, miasa ao anatin’ireny sela ireny. ‘Mpitatitra’ zavatra ao anatin’ny sela, ohatra, no asan’ny molekiola sasany. Misy molekiola hafa koa ‘mpanondro’ ny lalan’ireo mpitatitra, na tokony hiankavanana izy ireo na hiankavia. Manana molekiola misy “maotera” manosika azy avy ao aoriana koa ny sela sasany. Ireny no manosika ireo sela mba hisosa eo ambonin’ny tsiranoka. Raha vao mahita zavatra be pitsiny toy izany amin’ny toe-javatra hafa ny olona, dia manatsoaka hevitra avy hatrany hoe nisy namorona izy ireny. Tsy misy fomba hafa ankoatra an’izay azo anazavana ny fisian’ireo molekiola be pitsiny ireo, na dia eo aza ny fampianaran’i Darwin momba ny evolisiona. Voaporofo foana hatramin’izay fa nisy namorona ny zavatra be pitsiny. Rariny àry raha mihevitra izahay, fa nisy namorona koa ireny molekiola ireny, ary tena nahay ilay nanao azy.
MIFOHAZA!: ARAKA NY HEVITRAO, NAHOANA NY ANKAMAROAN’IREO MPIARA-MIASA AMINAO NO TSY MIOMBON-KEVITRA AMINAO MOMBA NY FISIAN’NY MPAMORONA?
PROFESORA BEHE: Tsy miombon-kevitra amiko tokoa ny
mpahay siansa maro, satria takany fa ny filazana hoe misy ny Mpamorona, dia midika hoe misy hery iray ambony noho ny natiora. Tsy te hino an’izany anefa izy ireo. Eken’ny besinimaro fa natao hanatsoaka hevitra mifanaraka amin’izay asehon’ny porofo ny mpahay siansa, na inona na inona vokany. Kanosa, amiko, ny olona iray raha tsy manatsoaka hevitra mifanaraka amin’izay tena asehon’ny porofo, satria fotsiny hoe tsy heken’ny antokon’olona sasany ny fanatsoahan-keviny.MIFOHAZA!: INONA NO HAVALINAO NY MPANAO TSIKERA, IZAY MILAZA FA TSY MAMPIRISIKA NY OLONA HANITA-PAHALALANA, NY FIEKENA FA MISY NY MPAMORONA?
PROFESORA BEHE: Tsy vokatry ny tsy fahalalana ny fiekena fa misy ny Mpamorona. Tsy avy amin’ny zavatra tsy fantatray mantsy ilay fanatsoahan-kevitra, fa avy amin’ny zavatra tena fantatray kosa. Toa tsy be pitsiny no fahitana ny firafitry ny vatana, 150 taona lasa izay, tamin’ny fotoana namoahan’i Darwin ny bokiny hoe Ny Fiandohan’ny Karazan-javamananaina (anglisy). Noheverin’ny mpahay siansa ho zavatra tsotra kely ny sela tamin’izany fotoana izany, ka hoe mety ho nipoitra tampoka avy tamin’ny fota-dranomasina fotsiny. Hitan’izy ireo anefa taorian’izay, fa tena be pitsiny lavitra ny sela, raha oharina amin’ireo milina amin’izao taonjato faha-21 izao. Manaporofo ny fisian’ny Mpamorona izany, ary misy antony matoa izy namorona azy ireny.
MIFOHAZA!: SAO DIA MBA MANANA POROFO KOSA NY MPAHAY SIANSA, HAMPISEHOANA FA AVY AMIN’NY EVOLISIONA IRENY SELA BE PITSINY VOALAZANAO TEO IRENY?
PROFESORA BEHE: Efa folo taona izay no nivoahan’ilay bokiko. Efa nandefa antso maika koa ny fikambanana ara-tsiansa maro, toy ny Akademia Amerikanina Momba ny Siansa sy ny Fikambanana Amerikanina Momba ny Fampandrosoana ny Siansa. Nampirisika ny mpikambana ao aminy izy ireny, mba hanaporofo fa tsy marina ilay hevitra hoe mampiharihary ny fisian’ny Mpamorona, ny firafitry ny vatantsika. Raha mikaroka ao amin’ireo boky ara-tsiansa anefa ianao, dia hahita fa tsy nisy olona tena nanao andrana ara-tsiansa, mba hanaporofoana fa niova miandalana ny molekiola ao amin’ny sela.
MIFOHAZA!: MISY OLONA MILAZA FA TSY TENA MAHAFA-PO NY FOMBA NAMOLAVOLANA NY ZAVATRA SASANY EO AMIN’NY ZAVAMANIRY NA TAOVA SASANY AO AMIN’NY BIBY. INONA NO HAVALINAO AN’IRENY OLONA IRENY?
PROFESORA BEHE: Ny tsy fahafantarantsika ny antony hisian’ny zavatra sasany ao amin’ny zavamiaina iray, dia tsy midika fa tsy manana anjara asa lehibe ilay izy. Nisy taova sasany, ohatra, nolazaina fa tsy misy asany. Ireny taova ireny teo aloha no noraisina ho porofo, fa tsy tena mahafa-po ny fomba namolavolana ny vatan’ny olombelona sy ny zavamiaina hafa. Noheverina ho taova tsy ilaina, ohatra, ny kambontsinay sy ny kambontenda, ka nahazatra ny nanala azy. Hita indray anefa tatỳ aoriana fa manana anjara asa ao amin’ny hery fanefitra, ireny taova ireny.
Ny lafiny iray hafa tsara hotadidina koa dia izao: Misy zavatra sasany eo amin’ny zavamananaina, toa miseho tsy nahy. Raha misy pempo anefa eo amin’ny fiarako na vaky ny pne, dia tsy midika izany hoe tsy nisy namorona ilay fiara, na ilay pne. Ny fisian’ny zavatra miseho tsy nahy eo amin’ny zavamiaina koa, dia tsy manaporofo fa kisendrasendra no nampisy an’ireo sela be pitsiny. Tsy mitombina izany.
[Teny notsongaina, pejy 12]
“Kanosa, amiko, ny olona iray raha tsy manatsoaka hevitra mifanaraka amin’izay tena asehon’ny porofo, satria fotsiny hoe tsy heken’ny antokon’olona sasany ny fanatsoahan-keviny”