Nahoana Izy no Tena Miavaka?
Nahoana Izy no Tena Miavaka?
EFA 2 000 taona izao no liana tamin’ny nahaterahan’i Jesosy ny olona. Tantarain’i Lioka, dokotera tamin’ny taonjato voalohany, fa nilaza toy izao tamin’ilay tovovavy virjiny atao hoe Maria ny anjely iray: “Hitoe-jaza ianao, ka hiteraka zazalahy, ary hataonao hoe Jesosy ny anarany.” Inona no nolazain’ilay anjely momba an’i Jesosy? ‘Ho lehibe izy ka hantsoina hoe Zanaky ny Avo Indrindra. Ho mpanjaka izy, ary tsy hifarana mihitsy ny fanjakany.’—Lioka 1:31-33.
Hanjaka eran-tany tokoa i Jesosy, ary hanao ny marina sy ho be fitiavana. Mpitondra toy izany no ilain’ny olombelona! Hoy ny Baiboly, ela be talohan’ny nahaterahan’i Jesosy: “Misy zaza teraka ho antsika; zazalahy nomena antsika; ka ny fanjakana napetraka eo an-tsorony; ary ny anarany atao hoe: ... Ray mandrakizay, Andrian’ny fiadanana, mba hanitatra ny fanjakana, sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana.”—Isaia 9:5, 6, Fandikan-teny Katolika.
Miandrandra fiadanana isika rehetra, ary irintsika ny hisian’ny fanjakana manao ny marina! Mariho fa milaza ilay faminaniana hoe hapetraka eo an-tsoroky ny andriana iray antsoina hoe “Andrian’ny fiadanana” ilay fanjakana. Zanaka mpanjaka no tiana holazaina amin’ny hoe ‘andriana’ eo. Midika izany fa ilay Mpanjaka eo amin’izao rehetra izao, na ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, no nanome an’io fanjakana io ho an’ilay Zanany. Izany no nahatonga an’i Jesosy hiantso azy io imbetsaka hoe “ny fanjakan’Andriamanitra.”—Lioka 9:27, 60, 62.
Hoy i Jesosy, tamin’izy vao nanomboka ny fanompoany: ‘Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra aho, fa izany no nanirahana ahy.’ (Lioka 4:43) Nasainy nivavaka mihitsy aza ny mpianany, mba hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 6:9, 10) Nilaza ny gazety anglisy iray momba ny fivavahana kristianina, fa “io Fanjakana io no foto-kevitra lehibe indrindra nampianarin[’i Jesosy]. Io no nibahana tao an-tsainy sy tena notoriny. Miverina injato mahery izy io ao amin’ny Filazantsara.”
Fanontaniana tokony hosaintsainina
Inona izao i Jesosy, araka ny hevitrao? Matetika izy no aseho ho toy ny zazakely ao amin’ny fihinanam-bilona, isaky ny faran’ny taona toy izao. Marina aloha fa efa zazakely tsy afaka niaro tena izy nandritra ny fotoana kelikely. Lioka 2:15-20) Tokony hihevitra azy ho toy ny zazakely foana ve anefa isika? Eritrereto izao: Nahoana i Jesosy no nateraka ho olombelona? Iza marina moa izy?
(Hoy ny Diary Encarta (anglisy), tamin’ny 1996: “Zanak’Andriamanitra ve i Jesosy? Izy ve ilay Mesia nampanantenaina ao amin’ny Soratra Hebreo? Sa kosa olona ihany izy, na dia mety ho niavaka aza?” Tokony hosaintsainina tsara ireo fanontaniana ireo. Nahoana? Satria miankina amin’ny fiheverantsika an’i Jesosy sy izay ataontsika mifandray amin’izany, ny fiainantsika sy ny fahasambarantsika. Hoy ny Baiboly: “Izay maneho finoana ny Zanaka dia manana fiainana mandrakizay. Izay tsy mankatò ny Zanaka kosa tsy hahita fiainana.”—Jaona 3:36.
Tsy olon-tsotra
Tantaraina ao amin’ny Baiboly ny zavatra nataon’i Jesosy tao amin’ny tempolin’i Jerosalema tamin’izy 12 taona. Voalaza ao avy eo fa niverina nody niaraka tamin’i Maria sy Josefa izy, ary “nankatò azy ireo foana.” (Lioka 2:51, 52) Hita anefa fa tsy olon-tsotra i Jesosy, rehefa lasa olon-dehibe.
Nampitony ranomasina nasamboaravoaran’ny tafio-drivotra izy, indray andro. Natahotra be ny namany iray, ka nahateny hoe: “Fa iza marina àry izy ity?” (Marka 4:41) Nendrikendrehina i Jesosy tatỳ aoriana, ka nentina tany amin’i Pontio Pilato, Governora Romanina. Resy lahatra i Pilato fa tsy diso i Jesosy. Nampihetsi-po azy koa ny nahita an’i Jesosy nahafehy tena na dia nampijalina sy niharan’ny tsy rariny aza. Niaiky volana izy, ka nentiny teo amin’ny vahoaka i Jesosy, ary hoy izy: “Indro ny lehilahy!” Hoy anefa ny Jiosy: “Izahay manana lalàna, ary araka izany lalàna izany, dia tokony ho faty izy, satria nanao ny tenany ho zanak’Andriamanitra.”—Jaona 19:4-7.
Natahotra be i Pilato raha vao nahare hoe nanao ny tenany ho “zanak’Andriamanitra” i Jesosy. Reny mantsy taloha kelin’izay, fa nanonofy an’i Jesosy ny vadiny, ary nilaza fa “olo-marina” izy. (Matio 27:19) Nieritreritra àry i Pilato hoe iza marina i Jesosy! Efa fantany fa avy any Galilia izy, nefa mbola nanontaniany ihany hoe: “Avy aiza ianao?” Tsy nety namaly i Jesosy, ka tapitra hatreo ny resak’izy ireo.—Jaona 19:9, 10.
Olona tokoa i Jesosy tamin’ireny fotoana ireny, saingy tsy nitovy tamin’ny olon-kafa. Anjely tany an-danitra mantsy izy talohan’ny nahatongavany teto an-tany, ary nantsoina hoe ny Teny. Nanao fahagagana anefa Andriamanitra, ka namindra azy tao an-kibon’i Maria. Nanamafy an’izany ny apostoly Jaona, ka nilaza hoe: ‘Tonga nofo ny Teny, ary nonina teo amintsika.’—Jaona 1:1, 2, 14, 18; Apokalypsy 3:14.
Nahoana Andriamanitra no tsy maintsy nandefa azy tetỳ?
Nanota ilay lehilahy voalohany atao hoe Adama, Genesisy 2:15-17; 3:17-19; Apokalypsy 12:9.
talohan’ny nananany zanaka. Nahavita nitaona azy tsy hankatò an’Andriamanitra ny anjely nikomy iray, izay lasa nantsoina hoe Devoly sy Satana. Tsy neken’Andriamanitra ho zanany intsony i Adama noho izany. Efa nilaza mantsy Andriamanitra fa izany no hitranga raha tsy mankatò izy. Nizaka ny vokatry ny nataony àry i Adama. Lasa tsy lavorary izy, nihantitra, ary maty tamin’ny farany.—Hoy ny Baiboly momba ny vokatry ny tsy fankatoavan’i Adama teo amintsika zanany rehetra: ‘Niditra avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao ny ota, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’ (Romanina 5:12) Mampalahelo fa nandova ota tamin’i Adama raintsika isika rehetra, ka mizaka ny voka-dratsiny, anisan’izany ny fahanterana sy ny fahafatesana.—Joba 14:4; Romanina 3:23.
Tsy ho afaka amin’izany mihitsy isika raha tsy manana ray lavorary, izay tsy nandova ny ota sy ny voka-dratsiny. Andeha hojerentsika ny fomba nanomezana an’io ray vaovao io. Nitovy tamin’i Adama izy tamin’i Adama mbola lavorary.
Nahazo ray lavorary
Tadidio fa antsoina koa hoe “Ray mandrakizay” ilay “Andrian’ny fiadanana” nampanantenaina. (Kat.) Izao no voalaza mialoha momba ny hahaterahany: “Ho bevohoka ny virjiny ka hiteraka zazalahy.” (Isaia 7:14; Matio 1:20-23) Samy tsy nanana ray olombelona na i Jesosy na i Adama, ilay lehilahy voalohany. Rehefa nitanisa ny razamben’i Jesosy hatrany amin’i Adama i Lioka, mpanoratra ao amin’ny Baiboly, dia nilaza fa “zanak’Andriamanitra” i Adama. (Lioka 3:38) Tsy neken’Andriamanitra ho zanany intsony anefa izy, araka ny efa hitantsika. Lasa tsy nanana io tombontsoa io koa ny zanany rehetra. Mila ray vaovao àry isika rehetra, dia ray lavorary toa an’i Adama tamin’izy noforonina.
Nandefa ny Zanany avy any an-danitra Andriamanitra, mba hisolo an’i Adama. Hoy ny Baiboly: “ ‘Tonga zavaboary velona i Adama voalohany.’ Ary i Adama farany tonga fanahy mahavelona. Ilay lehilahy voalohany dia avy amin’ny tany sady natao tamin’ny vovoka, fa ilay lehilahy faharoa kosa avy any an-danitra.” (1 Korintianina 15:45, 47) Mitovy amin’ilay “Adama voalohany” i Jesosy, ilay “Adama farany”, satria lavorary ka afaka manan-janaka lavorary. Afaka ny ho velona mandrakizay eto an-tany ny zanany.—Salamo 37:29; Apokalypsy 21:3, 4.
Tsy nivadika tamin’Andriamanitra mandra-pahafatiny i Jesosy, na dia teo aza ny fanafihana rehetra nataon’i Satana taminy. Antsoina hoe vidim-panavotana ilay aina lavorary nataony sorona. Hoy ny Baiboly: ‘Manana ilay fanafahana [amin’ny ota sy fahafatesana nolovana tamin’i Adama] isika [noho ny] vidim-panavotana tamin’ny alalan’ny ran[’i Jesosy].’ Izao koa no lazainy: “Tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy nankatoavan’[i Adama], no hahatongavan’ny maro ho marina noho ny nankatoavan’[i Jesosy].”—Efesianina 1:7; Romanina 5:18, 19; Matio 20:28.
Raha mino an’i Jesosy isika, dia ho lasa “Ray mandrakizay” ho antsika sy “Mpamonjy” antsika izy. Efa Mpanjaka ao amin’ny Fanjakan’ny Rainy izy izao. Hanao zavatra tena tsara izy rehefa hitondra ny tany. Andeha hojerentsika hoe rahoviana izany no hitranga, ary inona avy no fitahiana tena tsara ho azontsika amin’izay.—Lioka 2:8-11.
[Sary, pejy 5]
Inona izao i Jesosy, araka ny hevitrao?
[[Sary, pejy 6]
Nahoana i Jesosy no antsoina hoe “Adama farany”?