“Ny Fahendrena Hita eo Amin’ny Natiora”
“Ny Fahendrena Hita eo Amin’ny Natiora”
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY JAPON
IO NO loha hevitr’ilay fampirantiana iraisam-pirenena antsoina hoe Expo 2005, tao Aichi, Japon. Tany 121 no nandray anjara, ary natao hianaran-javatra avy amin’ny natiora izy io. Nampirisihina koa ny mpitsidika mba “hiezaka mafy hitady fomba hampandrosoana ny toe-karena, nefa tsy manimba ny tontolo iainana.” Tany akaikin’i Nagoya, eto afovoan’i Japon, no nanaovana ilay Fampirantiana. Nisy ala sy dobo ary voninkazo naseho tao. Ny tena nahasarika ny olona dia ilay tetezana mihantona miendrika faribolana, antsoina hoe Faribolan’izao Tontolo Izao. Mirefy 2 600 metatra ny lavany ary 21 metatra eo ho eo ny sakany. Tsy nosimbana ny zavaboary teo ambaniny. Nahatazana tsara ny manodidina ny olona, avy eny ambony eny.
Miaina tanteraka eo anivon’ny natiora
Nisy trano heva isan-karazany tao amin’ilay Fampirantiana. Miendrika akoran-dandy, ohatra, ny trano hevan’ny Japoney. Volotsangana niisa 23 000, nirefy fito metatra teo ho eo avy, no nanaovana azy io. Norarina izy ireny mba hiarovana ilay trano tamin’ny hainandro. Nahatratra 90 metatra ny halavan’izy io, 70 metatra ny sakany, ary 19 metatra ny haavony. Io no trano volotsangana lehibe indrindra eran-tany. Nandefasana video teo amin’ny rindrina sy ny valindrihan’ilay trano. Nirefy 12,8 metatra ny savaivony ary niovaova ny sary nalefa. Toy ny hoe niaina tanteraka teo anivon’ny natiora àry ireo mpitsidika.
Ny ala tropikaly sy ny vato haran’i Malezia kosa no nasehony tao amin’ny trano hevany, tamin’ny alalan’ny ordinatera. Ireo zava-nitranga nahavaky fo vokatry ny tsunami tamin’ny 26 Desambra 2004, no naseho tao amin’ny trano hevan’i Tailandy. Nampahatsiahy an’ireo mpitsidika izany, fa “tsy afaka mibaiko ny natiora ny olombelona.” Nisarika ny saina ho amin’ireo biby efa ho lany tamingana kosa i Afrika Atsimo. Nasongadiny tamin’izany ny sarin’ilay biby mampinono mitovitovy amin’ny zebra, atao hoe couagga, izay namboariny ho toy ny tena izy. Niriaria teny amin’ny lemak’i Afrika Atsimo ireny biby ireny taloha, saingy nohazain’ny olona ka lany tamingana tamin’ny taonjato faha-19.
Teo akaikin’ny toerana nametrahana ny loha hevitr’ilay Fampirantiana, dia nisy vata fampangatsiahana vita tamin’ny fitaratra. Naseho tao ny fatin’ilay mamota na elefanta fahagola hita tany Siberia, tamin’ny 2002. Nantsoina hoe Mamotan’i Yukagir ilay izy, satria tany no nahitana azy io. Misy vangy roa lehibe mifaingoka izy io, ary misokatra kely ny masony. Mbola misy hoditra sy volo manify ny lohany. Iray amin’ireo karazana elefanta tsy misy intsony
izy io, ary mampahatsiahy antsika ny zava-misy mampalahelo momba an’ireo biby lany tamingana.Ho tsara kokoa ve ny hoavy?
Inona no azon’ny olombelona atao mba hisorohana ireo loza mandrahona ny planetantsika, toy ny fandotoana sy ny fiakaran’ny mari-panan’ny tany? Rindrina goavana vita amin’ny “zavamaniry” niisa 200 000 no “famantarana ny Expo 2005.” Antsoina hoe Havokavoky ny Natiora izy io. Nirefy 150 metatra ny halavany ary 15 metatra ny haavony. Zavamaniry 200 karazana no nanaovana azy io, anisan’izany ny voninkazo. Azo ovaovana arakaraka ny vanin-taona izy ireny. Mitroka gazy karbonika sy mamoaka oksizenina izy ireny, ka manadio ny rivotra. Tokony hasiana “havokavoka” maromaro toy ireny àry ny tanàn-dehibe.
Nisy bisy nandeha tamin’ny herinaratra koa naseho tao amin’ilay Fampirantiana. Nivezivezy nitatitra olona izy ireny, nefa tsy namoaka setroka na loto fa rano ihany. Tena nahaliana an’ireo olona maharaka ny teknolojia farany koa ilay lamasinina voalohany tsy mitehi-tany, vitan’ny Japoney. Linimo no anaran’izy io, ary herin’andriamby matanjaka be no mampandeha azy. Tsy mitabataba ilay izy, ary misosa mahitsy fotsiny eny amin’ny valo milimetatra ambonin’ny lalamby. Hita tao koa ny bisy mandeha amin’ny lalamby, alefa amin’ny herinaratra. Tao koa ny bisikileta atao taxi, sy bisy mandeha na dia tsy misy saofera aza. Afaka mandeha tsiroaroa na tsitelotelo ireny bisy maoderina ireny. Gazy no mampandeha azy, fa tsy solika izay mandoto kokoa.
Azo akana herinaratra sy avadika ho zezika koa ny fako, toy ny sisan-tsakafo. Izany no natao tao amin’ny toerana iray famokarana herinaratra, tao amin’ilay Fampirantiana. Tsy dorana ny fako fa aotrika sy ahodina ho lasa gazy metanina, ary akana hidrozenina. Misy fitaovana manokana manambatra ny hidrozenina amin’ny oksida iray, ary mamadika izany ho herinaratra. Ahazoana rano sy zezika koa izany. Nahodina tamin’izany fomba izany ny fako tamin’ilay Fampirantiana, ka nahazoana herinaratra ho an’ny trano heva sasany.
Betsaka ny fikarohana atao mba hanamboarana robot maivana, hanampiana ny olombelona. Naseho tao amin’ny trano heva iray ny zava-bitan’ny teknolojia, tamin’io lafiny io. Nisy robots fito nankeo afovoan’ny sehatra, ka nitendry mozika mba hampialana voly ny olona. Nively amponga ny robots sasany. Ny hafa kosa nitsoka zavamaneno, ary mailaka erỳ ny “rantsantanany” nanindry ireo bokotra samihafa. Hoy ny mpijery iray: “Mirindra tsara ny fihetsiny sady tena kinga izy ireo, ka toy ny hoe olona mihitsy fa manao akanjona robot fotsiny.”
Anisan’ny zava-baovao noforonin’ny manam-pahaizana ny plastika mety levona, vita tamin’ny vovo-katsaka sy ny toy izany. Tao koa ny balaonina faran’izay bitika misy gazy, izay 200 nanômetatra ny savaivony. Sahabo ho 50 000 nanômetatra ny savaivon’ny singam-bolo. Tsy maharitra sy mora vaky ireny balaonina bitika ireny, amin’ny ankapobeny. Nataon’ireo mpikaroka japoney àry izay hamokarana balaonina tsy mora vaky. Manampy “ny hazandrano izany mba ho velona foana na miova aza ny rano misy azy.” Natao tao amin’ny vata fitaratra iray ny trondron-dranomamy sy trondron-dranomasina sasany. Afaka niara-nivelona izy ireo, satria nofenoina balaonina bitika nisy oksizenina izy io. Manantena ny mpikaroka fa hahita fomba hampiasana an’io teknolojia vaovao io, eo amin’ny fiompiana trondro sy fambolena ary ny zavatra hafa.
Miana-javatra avy amin’ny natiora ve ny olona?
Nampirisika ny olona hiana-javatra avy amin’ny “fahendrena hita eo amin’ny natiora” ilay Fampirantiana. Tsy miraharaha izany anefa izao tontolo izao, noho ny fitiavan-karena sy ny kolikoly. Maro koa no tsy mahalala izay tokony hatao. Nolazaina tamin’ny famelabelarana iray fa “Marary ny Tany”, vokatr’izany. Misy ihany ny olona tsara sitrapo, nefa tsy mahita vahaolana amin’ny zava-manahirana ny olombelona sy ny tontolo iainana. Milaza ny Baiboly fa tsy vitan’ny olombelona izany, satria tsy ampy fahalalana sy fahendrena izy ireo. (Jeremia 10:23) Mbola misy fanantenana anefa. Avy aiza?
Avy amin’ny Mpamorona antsika, ilay manana fahendrena tsy manam-petra. Handray an-tanana ny raharahan’ny tany izy, fa tsy hamela ny olombelona hanimba ny zavaboariny, araka ny lazain’ny Baiboly. (Apokalypsy 4:11; 11:18) Hoy ny Salamo 37:10, 11: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy ... Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” Marina aloha fa hendry isika raha miana-javatra avy amin’ny natiora. Hendry kokoa anefa isika raha mihaino ny Mpamorona, ka mamaky sy mampihatra ny Teniny. (2 Timoty 3:16) Izay rehetra manao izany no hahita ny tany ho sitrana tanteraka, ary ho lasa paradisa.—Lioka 23:43.
[Sary, pejy 24]
Vata fitaratra misy balaonina faran’izay bitika
[Sary, pejy 24]
Bisy tsy misy saofera
[Sary, pejy 24, 25]
Video nalefa teo amin’ny rindrina
[Sary, pejy 25]
Ilay Havokavoky ny Natiora, misy zavamaniry 200 karazana, miisa 200 000
[Sary, pejy 25]
“Robots” mitendry mozika mba hampialana voly ny mpijery